Ny soratra masina
3 Nefia 25


Toko 25

Hodorana toy ny vodivary ny mpiavonavona sy ny olon-dratsy amin’ny Fiaviany Fanindroany—Hiverina i Elija mialohan’izany andro lehibe sy mahatahotra izany—Ampitahao amin’i Malakia 3:19–24. Tokony ho 34 taona taorian’i Kristy.

1 Fa indro, avy ny andro izay ahandoro toy ny fatana; ary ny bmpiavonavona rehetra, eny, sy izay rehetra manao ratsy dia ho toy ny vodivary; ary ny andro izay ho avy dia handoro azy ireo, hoy ny Tompon’ny Maro, ka tsy hamela ho azy ireo na faka na sampana izany.

2 Fa aminareo kosa izay matahotra ny anarako no hitsanganan’ny aZanaky ny Fahamarinana miaraka amin’ny fanasitranana ao amin’ny elany; ary hivoaka sy bhitombo ianareo toy ny dzanak’omby ao am-pahitra.

3 Ary ahanosihosy ireo olon-dratsy ianareo; fa ho lavenona eo ambanin’ny faladianareo izy ireo amin’ny andro izay hanaovako izany, hoy ny Tompon’ny Maro.

4 Tsarovinareo ny lalàn’i Mosesy, mpanompoko, izay nandidiako azy tao aHôreba, ho an’i Isiraely manontolo, miaraka amin’ny sata sy ny fitsarana.

5 Indro, Izaho haniraka an’i aElia mpaminany mialoha ny hahatongavan’ny bandro lehibe sy mahatahotra an’ny Tompo;

6 Ary Izy ahampitodika ny fon’ny ray amin’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka amin’ny ray, fandrao ho avy Aho ka hamely ny tany amin’ny ozona.