Ny soratra masina
3 Nefia 28


Toko 28

Ny sivy tamin’ireo mpianatra roa ambin’ny folo dia naniry ary nampanantenaina lova ao amin’ny fanjakan’i Kristy rehefa maty—Ny Nefita telo kosa dia naniry ary nomena ny fahefana amin’ny fahafatesana mba hitoetra eto an-tany ambara-pahatongan’i Jesoa indray—Tafafindra izy ireo ary mahita zavatra izay tsy azo ambara, Ary ankehitriny izy ireo dia manao asa fanompoana eo anivon’ny olona. Tokony ho 34–35 taona taorian’i Kristy.

1 Ary ny zava-nitranga, rehefa avy nilaza ireo teny ireo i Jesoa, dia niteny tamin’ny mpianany tsirairay Izy, nanao taminy hoe: Inona no irinareo Amiko, rehefa lasa any amin’ny Ray Aho?

2 Ary izy rehetra, afa-tsy ny telo, dia niteny nanao hoe: Irinay, rehefa avy niaina hatreo amin’ny taonan’ny olona izahay, mba hanam-piafarana ny asa fanompoanay izay efa niantsoanao anay, hahazoanay mankany Aminao, any amin’ny fanjakana, faingana tokoa.

3 Ary hoy Izy taminy: Hotahina ianareo noho ny nanirinareo izany zavatra izany Tamiko; koa, rehefa feno roa amby fitopolo taona ianareo dia hankany Amiko any amin’ny fanjakako; ka hahita afitsaharana miaraka Amiko.

4 Ary rehefa avy niteny taminy Izy, dia nitodika tany amin’ny anankitelo ny tenany, ary nanao taminy hoe: Inona no tianareo hataoko aminareo, rehefa lasa any amin’ny Ray Aho?

5 Ary nalahelo tao am-pony izy ireo, satria tsy sahiny notenenina Taminy ny zavatra izay niriany.

6 Ary hoy Izy taminy: Indro, afantatro ny eritreritrareo, ary efa nirinareo ny zavatra izay nirin’i bJaona Tamiko, ilay malalako izay niaraka Tamiko tao amin’ny asa fanompoako, talohan’ny nanandratan’ny Jiosy Ahy.

7 Noho izany dia hotahiana kokoa ianareo, fa atsy hanandrana bfahafatesana na oviana na oviana ianareo; fa ho velona kosa ka hahita ny rehetra ataon’ny Ray amin’ny zanak’olombelona, na dia ambara-pahatanteraky ny zavatra rehetra aza araka ny sitrapon’ny Ray, rehefa ho avy amin’ny voninahitro Aho miaraka amin’ny dherin’ny lanitra.

8 Ary tsy hiaritra ny fanaintainan’ny fahafatesana na oviana na oviana ianareo; fa rehefa ho tonga kosa any amin’ny voninahitro Aho, dia hovana ao amin’ny indray mipi-maso ianareo avy amin’ny amety maty hankamin’ny btsy fahafatesana; ary amin’izany dia hotahiana ianareo ao amin’ny fanjakan’ny Raiko.

9 Ary koa, tsy hanana fanaintainana ianareo raha mbola mitoetra ao amin’ny nofo, sady tsy halahelo koa raha tsy noho ny fahotan’izao tontolo izao ihany; ary izany rehetra izany no hataoko dia noho ny zavatra izay efa nirinareo tamiko, fa efa nirinareo ny hahazoanareo amitondra ny fanahin’ny olona hankaty Amiko, raha mbola mijoro izao tontolo izao.

10 Ary noho izany antony izany dia hanana ny afahafenoan’ny fifaliana ianareo; ary hipetraka ao amin’ny fanjakan’ny Raiko ianareo; eny, ho feno ny fifalianareo, tahaka ny efa nanomezan’ny Ray Ahy ny fahafenoan’ny fifaliana; ary ho tahaka Ahy ianareo, ary Izaho dia tahaka ny Ray; ary ny Ray sy Izaho dia biray;

11 Ary ny aFanahy Masina dia vavolombelona manambara Ahy sy ny Ray; ary manome ny Fanahy Masina ho an’ny zanak’olombelona ny Ray, noho ny Amiko.

12 Ary ny zava-nitranga rehefa avy nilaza izany teny izany i Jesoa, dia nikasika tamin’ny rantsantanany ny tsirairay avy taminy, afa-tsy ny telo izay tokony hitoetra, ary avy eo Izy dia lasana.

13 Ary indro, nisokatra ny lanitra, ary anakarina tany an-danitra izy ireo, ary nahita sy nandre zavatra tsy hay tenenina.

14 Ary anorarana izy ireo tsy hanambarany; sady tsy nomena azy ireo koa ny fahefana hahafahany manambara ny zavatra izay hitany sy reny;

15 Ary na tao amin’ny vatana izy ireo na tany ivelan’ny vatana dia, tsy hainy nolazaina; fa ho azy ireo dia toy ny afiovany endrika izany, fa novana avy tamin’ity vatana ara-nofo ity ho amin’ny toetry ny tsy fahafatesana izy ireo mba hahafahany mahita ny zavatr’ Andriamanitra.

16 Nefa ny zava-nitranga dia nanao indray ny asa fanompoana teto ambonin’ny tany izy ireo; kanefa izy ireo dia tsy nampianatra ny amin’ny zavatra izay efa reny sy hitany, noho ny didy izay efa nomena azy ireo tany an-danitra.

17 Ary ankehitriny, na mety maty izy ireo na tsy mety maty hatramin’ny andro niovany endrika, dia tsy fantatro;

18 Fa izao kosa no hany fantatro, araka ny rakitsoratra izay efa nomena—izy ireo dia nandeha teto ambonin’ny tany sy nanao ny asa fanompoana tamin’ny vahoaka manontolo, nanambatra tamin’ny fiangonana ny olona rehetra izay nino ny fitoriany; nanao batisa azy, ary izay rehetra vita batisa dia nandray ny Fanahy Masina.

19 Ary natsipin’ireo izay tsy isan’ny fiangonana tany am-ponja izy ireo. Ary tsy afaka nitana azy ireo ny afonja, fa nitresaka roa izany.

20 Ary nalatsaka tao anaty tany izy ireo; nefa namely ny tany tamin’ny tenin’ Andriamanitra izy ireo, hany ka tamin’ny aheriny dia nafahana avy tao amin’ny halalin’ny tany izy ireo; ary noho izany dia tsy vitany ny nihady lavaka ampy hihazonana azy ireo.

21 Ary in-telo izy ireo no natsipy tao anaty amemy ary tsy niharam-boina.

22 Ary indroa izy ireo no natsipy tao aan-davaky ny bibidia; ary indro izy ireo dia nilalao niaraka tamin’ny bibidia toy ny ankizy niaraka tamin’ny zanak’ondry minono, ary tsy niharam-boina.

23 Ary ny zava-nitranga dia toy izany no nandehanany tany anivon’ny vahoakan’i Nefia manontolo, sy nitoriany ny afilazantsaran’i Kristy tamin’ny vahoaka rehetra eran’ny lafin-tany; ary niova fo ho an’ny Tompo ireny, sy tafatambatra tamin’ny fiangonan’i Kristy, ary dia toy izany no nitahiana ny vahoaka tamin’izany btaranaka izany, araka ny tenin’i Jesoa.

24 Ary ankehitriny, izaho Môrmôna, dia mamarana ny fitenenako momba ireo zavatra ireo mandritra ny fotoana fohy.

25 Indro, efa saika hanoratra ny aanaran’ireo izay tsy hanandrana fahafatesana na oviana na oviana aho, saingy noraran’ny Tompo; koa tsy manoratra izany aho, fa afenina amin’izao tontolo izao ireo.

26 Nefa indro, efa hitako izy ireo, ary efa notompoiny aho.

27 Ary indro ho any anivon’ny Jentilisa izy ireo, ary tsy hahafantatra azy ireo ny Jentilisa.

28 Ho any anivon’ny Jiosy koa izy ireo, ary tsy hahafantatra azy ireo ny Jiosy.

29 Ary ny zavatra hitranga, rehefa hitan’ny Tompo ao amin’ny fahendreny fa mety, dia hanao asa fanompoana amin’ny afokon’i Isiraely miely patrana rehetra izy ireo sy amin’ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra, ary hitondra fanahy maro avy amin’ireo ho an’i Jesoa mba ho azo tanterahina ny faniriany, ary koa noho ny herin’ny fandresen-dahatr’ Andriamanitra izay ao aminy.

30 Ary toy ny aanjelin’ Andriamanitra izy ireo, ary raha mivavaka amin’ny Ray amin’ny anaran’i Jesoa izy ireo, dia afaka maneho ny tenany amin’izay olona heveriny fa tsara hisehoany.

31 Koa lehibe sy mahatalanjona ny asa hataony, mialoha ny aandro lehibe sy ho avy rehefa tsy maintsy mijoro marina tokoa eo anoloan’ny toeram-pitsaran’i Kristy ny vahoaka rehetra;

32 Eny, na dia any anivon’ny Jentilisa aza dia hisy aasa lehibe sy mahatalanjona hataony, mialoha ny andro fitsarana.

33 Ary raha anananareo ny soratra masina rehetra izay manome ny fitantarana ny asa mahatalanjona rehetra an’i Kristy, dia hahafantatra ianareo araka ny tenin’i Kristy, fa tsy maintsy ho tonga marina tokoa ireo zavatra ireo.

34 Ary lozan’izay atsy te hihaino ny tenin’i Jesoa, ary koa loza avy bamin’ireo izay efa nofidiany sy nirahiny tany anivony; fa na zovy na zovy no tsy mandray ny tenin’i Jesoa sy ny tenin’ireo izay efa nirahiny dia tsy mandray Azy; ary noho izany dia tsy handray azy Izy amin’ny andro farany;

35 Ary tsara kokoa ho azy raha tsy nateraka izy. Fa moa heverinareo va fa ianareo dia afaka mandositra ny fitsaran’ilay Andriamanitra tafintohina izay efa anohosihosena tambanin’ny tongotry ny olona, ka amin’izay dia mety ho tonga ny famonjena?

36 Ary ankehitriny, indro, toy ny noteneniko momba ireo izay efa nofinidin’ny Tompo, eny, dia ny telo izay nakarina tany an-danitra, dia tsy fantatro raha nodiovina avy amin’ny mety maty ho amin’ny tsy fahafatesana izy ireo—

37 Nefa indro, hatramin’ny nanoratako, dia efa nanadina ny Tompo aho, ary efa nataony mazava tamiko izany, fa tsy maintsy ilaina ny hisian’ny fiovana natao tamin’ny vatany, fa raha tsy izany dia ilaina ny tsy maintsy hanandramany fahafatesana;

38 Noho izany, mba tsy hahazoany manandrana fahafatesana dia nisy afiovana natao tamin’ny vatany, mba tsy hahazoany miaritra fanaintainana na alahelo raha tsy noho ny fahotan’izao tontolo izao.

39 Ankehitriny izany fiovana izany dia tsy mitovy amin’izay hitranga amin’ny andro farany; saingy nisy fiovana natao taminy, hany ka tsy nety nanana fahefana taminy i Satana, ka izy dia tsy afaka anaka fanahy azy ireo; ary bnohamasinina tao amin’ny nofo izy ireo, ka dia dmasina, ary tsy afaka nihazona azy ireo ny herin’ny tany.

40 Ary tokony hijanona ao amin’izany toetra izany izy ireo hatramin’ny andro fitsaran’i Kristy; ary amin’izany andro izany izy ireo dia tokony handray fiovana lehibe kokoa sy horaisina ao amin’ny fanjakan’ny Ray, ka tsy hivoaka intsony, fa hiara-honina mandrakizay amin’ Andriamanitra any an-danitra.