Ny soratra masina
3 Nefia 8


Toko 8

Nanamarina ny fanomboana an’i Kristy ny tafiotra, ny horohoron-tany, ny afo, ny tadio ary ny loza voajanahary—Nofongorana ny vahoaka maro—Nandrakotra ny tany hateloana ny haizina—Nitaraina ny anjarany ireo izay nijanona. Tokony ho 33–34 taona taorian’i Kristy.

1 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, araka ny rakitsoratray, ary fantatray fa marina ny rakitsoratray, dia indro, lehilahy marina no nitana ny rakitsoratra—fa izy dia nanao afahagagana maro marina tokoa tamin’ny banaran’i Jesoa; ary tsy nisy lehilahy izay ho afaka nanao fahagagana tamin’ny anaran’i Jesoa raha tsy efa nodiovina tanteraka tamin’ny helony izy—

2 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, raha tsy nisy hadisoana nataon’izany lehilahy izany tamin’ny fikajiana ny fotoanay, dia efa lasana ny ataona fahatelo amby telopolo;

3 Ary nanomboka niandrandra tamim-pahamaimaizana be ny famantarana izay efa nomen’i Samoela mpaminany, ilay Lamanita ny vahoaka, eny, ny fotoana izay hisian’ny ahaizina mandritra ny telo andro eran’ny lafin-tany.

4 Ary nanomboka nisy fisalasalana sy fifanjihirana be teo anivon’ny vahoaka, na dia teo aza ny afamantarana maro tokoa efa nomena.

5 Ary ny zava-nitranga tamin’ny taona fahefatra amby telopolo, tamin’ny volana voalohany, tamin’ny andro fahefatry ny volana, dia niforona ny oram-baratra lehibe, toy izay tsy mbola fahita na oviana na oviana teo amin’ny tany manontolo.

6 Ary nisy koa tafio-drivotra lehibe sy mahatahotra; ary nisy ny avaratra mahatahotra, hany ka izany dia bnampihovitrovitra ny tany manontolo miova tsy ny efa hampitresaka roa azy.

7 Ary nisy ny tselatra mazava izaitsizy tokoa, toy izay tsy mbola fahita na oviana na oviana teo amin’ny tany manontolo.

8 Ary ny atanànan’i Zarahemlà dia nirehitra.

9 Ary ny tanànan’i Môrônia dia nilentika tany amin’ny halalin’ny ranomasina, ary rendrika ny mponina tao.

10 Ary nentina niainga teo ambonin’ny tanànan’i Môrônihà ny tany, ka teo amin’ny toeran’ny tanàna dia nanjary nisy tendrombohitra lehibe.

11 Ary nisy faharavana lehibe sy mahatahotra tao amin’ny tany andafiatsimo.

12 Nefa indro, nisy faharavana lehibe sy mahatsiravina kokoa tao amin’ny tany andafiavaratra; fa indro, niova ny lafin-tany manontolo, noho ny tafio-drivotra sy ny tadio, ary ny varatra sy ny tselatra, ary ny fihorohoro lehibe izaitsizy tokoa an’ny tany manontolo;

13 Ary ny aarabe dia nivakivaky, ary ny tàntan’ny lalana dia simba, ary ny toerana marin-tampona maro dia nanjary nikintoantoana.

14 Ary ny tanàna lehibe sy malaza maro dia anilentika, ary maro no nodorana, ary maro no nohozongozonina ambara-pianjeran’ny fanorenany tamin’ny tany, ary ringana ny mponina tao aminy, ary navela ho aolo ny toerana.

15 Ary nisy ny tanàna sasany izay tafatoetra; nefa ny fahasimbana taminy dia lehibe izaitsizy tokoa, ary nisy maro tao aminy no ringana.

16 Ary nisy ny sasany izay nindaosin’ny tadio; ary izay nalehany dia tsy misy olona mahalala, ny hany fantany dia nindaosina izy ireny.

17 Ary dia nanjary nihasimba toy izany ny lafin’ny tany manontolo, noho ny tafio-drivotra sy ny varatra sy ny tselatra ary ny fihorohoron’ny tany.

18 Ary indro, nitresaka roa ny avatolampy; nivakivaky izany teo amin’ny lafin’ny tany manontolo, hany ka hahitana ny silany potipotika sy nitriatriatra ary nitsefatsefaka teo amin’ny lafiny rehetra tamin’ny tany.

19 Ary ny zava-nitranga rehefa nitsahatra ny varatra, sy ny tselatra, ary ny oram-baratra sy ny tafio-drivotra, ary ny fihorohoron’ny tany—fa indro, ireny dia naharitra aora telo teo ho eo; ary nolazain’ny sasany fa lava kokoa ny fotoana; kanefa, ireny zavatra lehibe sy mahatahotra rehetra ireny dia vita tao anatin’ny ora telo teo ho eo—ary taorian’izany dia indro, nisy haizina teo amin’ny lafin-tany.

20 Ary ny zava-nitranga dia nisy haizina matevina teo amin’ny lafiny rehetra tamin’ny tany, hany ka ny mponina teo aminy, izay tsy lavo, dia afaka anahatsapa ny beton’ny haizina;

21 Ary tsy nety nisy hazavana noho ny haizina, tsy jiro, tsy fanilo; tsy nety nisy afo azo narehitra tamin’ny hazony tsara sy maina izaitsizy tokoa, hany ka tsy nety nisy hazavana mihitsy;

22 Ary tsy nisy hazavana hita, na afo, na taratra, na masoandro, na volana, na kintana, fa lehibe loatra ny zavon’ny haizina izay teo amin’ny lafin-tany.

23 Ary ny zava-nitranga dia nandritra ny atelo andro no tsy nisy hazavana hita; ary nisy toloko sy fidradradradrana ary fitomaniana lehibe sy tsy tapaka tany anivon’ny vahoaka manontolo; eny, lehibe ny fitarainan’ny vahoaka noho ny haizina sy ny faharavana lehibe izay efa nianjady taminy.

24 Ary tao amin’ny toerana iray no nandrenesana azy, niantso hoe: Ô inay anie isika nibebaka talohan’ity andro lehibe sy mahatahotra ity, ary dia ho notsimbinina ny rahalahintsika, ary dia tsy ho may tao amin’io tanàna lehiben’i aZarahemlà io izy ireny.

25 Ary tamin’ny toeran-kafa no nandrenesana azy niantso sy nitoloko hoe: Ô, inay anie isika nibebaka talohan’ity andro lehibe sy mahatahotra ity, ary tsy namono na nitora-bato ny mpaminany, ary tsy nandroaka azy; dia ho notsimbinina ny renintsika sy ny zanatsika vavy kanto ary ny zanatsika, ka tsy ho nilevina tao amin’io tanàna lehiben’i Môrônihà io. Ary lehibe sy mahatahotra toy izany no fidradradradran’ny vahoaka.