Ny soratra masina
Almà 11


Toko 11

Aroso etoana ny rafi-bola Nefita—Nifanditra tamin’i Zezrôma i Amioleka—Tsy hamonjy ny olona ao anatin’ny otany i Kristy—Ireo izay mandova ny fanjakan’ny lanitra ihany no voavonjy—Hitsangana ho tsy mety maty ny olona rehetra—Tsy misy fahafatesana aorian’ny fitsanganana amin’ny maty. Tokony ho 82 taona talohan’i Kristy.

1 Ankehitriny, tao amin’ny lalàn’i Môzià, ny olona tsirairay izay mpitsaran’ny lalàna, na ireo izay voatendry ho mpitsara, dia tokony handray karama araka ny fotoana izay niasany mba hitsara ireo izay nentina teo anoloany mba hotsaraina.

2 Ankehitriny raha nananan’ny hafa trosa ny olona anankiray ary tsy te hanefa izay tokony haloany izy, dia notarainina tany amin’ny mpitsara izy; ary nampiasa ny fahefany ny mpitsara ary nandefa ny sakaizambohitra mba hitondra azy eo anoloany; ary nitsara ilay olona izy araka ny lalàna sy ny porofo izay nentina niampangana azy, ary dia toy izany no nanerena ilay olona handoa ny trosany, na izy nendahina, na izy noroahina hiala teo anivon’ny vahoaka toy ny mpangalatra sy ny mpandroba.

3 Ary nandray ny karamany ny mpitsara araka ny fotoany—senina volamena iray ny indray andro, na senoma volafotsy iray izay mitovy amin’ny senina volamena iray; ary izany dia araka ny lalàna izay efa nomena.

4 Ankehitriny dia ireto no anaran’ny karazana vola samihafa tamin’ny volamenany sy tamin’ny volafotsiny, araka ny sandany. Ary ny anarana dia nomen’ny Nefita, satria tsy nanisa araka ny fanaon’ny Jiosy izay tao Jerosalema izy; no sady tsy namatra araka ny fanaon’ny Jiosy; fa novany ny fanisany sy ny famarany, araka ny fisainany sy ny toe-javatry ny vahoaka, araka ny taranaka tsirairay, mandra-pitondran’ireo mpitsara, ka i Môzià mpanjaka no anametraka azy ireo.

5 Ankehitriny dia toy izao no fanisana—senina volamena iray, seona volamena iray, soma volamena iray ary limnà volamena iray.

6 Senoma volafotsy iray, amnôra volafotsy iray, ezirôma volafotsy iray, ary aonty volafotsy iray.

7 Ny senoma volafotsy iray dia nitovy tamin’ny senina volamena iray, na koa tamin’ny varimbazaha iray famarana, ary koa tamin’ny famarana voamaina rehetra isan-karazany.

8 Ankehitriny ny vidin’ny seona volamena iray dia avo roa heny ny sandan’ny senina iray.

9 Ary ny soma volamena iray dia avo roa heny ny sandan’ny seona iray.

10 Ary ny limnà volamena iray dia nitovy tamin’ny sandan’izy rehetra.

11 Ary ny amnôra volafotsy iray dia tahaka ny haben’ny senoma roa.

12 Ary ny ezirôma volafotsy iray dia tahaka ny haben’ny senoma efatra.

13 Ary ny aonty iray dia tahaka ny haben’izy rehetra.

14 Ankehitriny dia izao ny sandan’ny vola madinika tamin’ny fanisany—

15 Ny siblôna iray dia antsasaky ny senoma iray; koa ny siblôna iray dia nitovy tamin’ny antsasaky ny varimbazaha iray famarana.

16 Ary ny sibloma iray dia antsasaky ny siblôna iray.

17 Ary ny leà iray dia antsasaky ny sibloma iray.

18 Ankehitriny dia ireo no sora-bolany araka ny fanisany.

19 Ankehitriny, ny antiona volamena iray dia mitovy amin’ny siblôna telo.

20 Ankehitriny, ny hany zava-kinendry dia ny hahazo harena, satria noraisiny arakaraka ny asany ny karamany, koa namporisihany ho amin’ny fikomiana ary ho amin’ireo fanakorontanana sy faharatsiana isan-karazany ny vahoaka, mba hahazoany asa bebe kokoa, mba ahahazoany vola arakaraka ny fitoriana izay nentina teo anoloany; koa namporisihany ny olona hanohitra an’i Almà sy i Amioleka.

21 Ary nanomboka nanontany an’i Amioleka io Zezrôma io, nanao hoe: Mety hamaly ahy amin’ny fanontaniana vitsivitsy izay hanontaniako anao ve ianao? Ankehitriny i Zezrôma dia lehilahy izay za-draharaha tamin’ny atetiky ny devoly mba hahazoany mandrava izay tsara; noho izany dia hoy izy tamin’i Amioleka: Mety hamaly ny fanontaniana izay hanontaniako anao ve ianao?

22 Ary hoy i Amioleka taminy: Eny, raha araka ny aFanahin’ny Tompo izay ato amiko izany; fa izaho tsy hilaza na inona na inona izay manohitra ny Fanahin’ny Tompo. Ary hoy i Zezrôma taminy: Indro, ireto ny aonty volafotsy enina, ary homeko anao izy rehetra ireto raha mety mandà ny fisian’ilay Izy Faratampony ianao.

23 Ankehitriny dia hoy i Amioleka: Ry azanaky ny helo, nahoana no bmaka fanahy ahy ianao? Moa mba fantatrao fa ny marina dia tsy manaiky ny fakam-panahy toy izany?

24 Mino va ianao fa tsy misy Andriamanitra? Lazaiko aminao, Tsia, fantatrao fa misy Andriamanitra, saingy tianao bebe kokoa ity aharena ity noho Izy.

25 Ary ankehitriny, efa nandainga tamiko teo anoloan’ Andriamanitra ianao. Hoy ianao tamiko—Indro ireto aonty enina ireto, izay misy sandany be, dia homeko anao—nefa ny ao am-ponao nihevitra ny hihazona azy ireo tsy ho ahy; ary ny hany fanirianao dia ny handavako an’ Andriamanitra marina sy velona mba hanananao antony hamongorana ahy. Ary ankehitriny indro, noho izao haratsiana lehibe izao dia handray ny valiny ianao.

26 Ary hoy i Zezrôma taminy: Milaza ianao fa misy Andriamanitra marina sy velona?

27 Ary hoy i Amioleka: Eny, misy Andriamanitra marina sy velona.

28 Ankehitriny dia hoy i Zezrôma: Moa misy Andriamanitra mihoatra ny iray va?

29 Ary namaly izy, Tsia.

30 Ankehitriny dia hoy indray i Zezrôma taminy: Ahoana no ahafantaranao ireo zavatra ireo?

31 Ary hoy izy: aAnjely iray no efa nampahafantatra ahy ireo.

32 Ary hoy indray i Zezrôma: Iza no Ilay tsy maintsy ho avy? Moa ny Zanak’ Andriamanitra va izany?

33 Ary hoy izy taminy, Eny.

34 Ary hoy indray i Zezrôma: Hamonjy ny olony aao anatin’ny fahotany va Izy? Ary namaly i Amioleka sady nanao taminy hoe: Lazaiko aminao fa tsy hanao izany Izy, satria tsy azony atao ny mandà ny teniny.

35 Ankehitriny dia hoy i Zezrôma tamin’ny vahoaka: Aoka hotadidinareo ireo zavatra ireo; satria nilaza izy fa tsy misy afa-tsy Andriamanitra tokana; kanefa milaza izy fa ho avy ny Zanak’ Andriamanitra, saingy tsy hamonjy ny olony Izy—toy ny manana fahefana handidy an’ Andriamanitra izy.

36 Ankehitriny dia hoy indray i Amioleka taminy: Indro efa nandainga ianao, satria lazainao fa niteny toy ny manana fahefana handidy an’ Andriamanitra aho, noho izaho nilaza fa tsy hamonjy ny olony ao anatin’ny fahotany Izy.

37 Ary lazaiko aminao indray fa tsy afaka mamonjy azy ao amin’ny afahotany Izy; fa tsy afaka mandà ny teniny aho, ary efa nilaza Izy fa btsy misy zavatra tsy madio afaka mandova ny dfanjakan’ny lanitra; noho izany, ahoana no ahazoana mamonjy anareo, raha tsy mandova ny fanjakan’ny lanitra ianareo? Koa ianareo dia tsy azo vonjena ao amin’ny fahotanareo.

38 Ankehitriny dia hoy indray i Zezrôma taminy: Moa ny Zanak’ Andriamanitra tokoa va no Ray Mandrakizay?

39 Ary hoy i Amioleka taminy: Eny, Izy tokoa no aRay Mandrakizain’ny lanitra sy ny tany ary ny bzava-drehetra izay eo aminy; Izy no fiandohana sy fiafarana, ny voalohany sy ny farany;

40 Ary ho tonga eo aamin’izao tontolo izao Izy mba bhanavotra ny olony; ary dhaka eo Aminy ny fandikan-dalàn’ireo izay mino ny anarany Izy; ary ireo no ireo izay hahazo ny fiainana mandrakizay, ary tsy tonga amin’ny hafa ny famonjena.

41 Koa ny ratsy dia mijanona ho toy ny atsy nisy fanavotana efa natao, afa-tsy ny famahana ny famatoran’ny fahafatesana; satria indro, avy ny andro izay hitsanganan’ny brehetra amin’ny maty sy hijoroany eo anoloan’ Andriamanitra, ary dhotsaraina araka ny asany.

42 Ankehitriny dia misy fahafatesana izay antsoina hoe fahafatesan’ny nofo; ary ny fahafatesan’i Kristy no hamaha ny afamatoran’ny fahafatesan’ny nofo, mba hitsanganan’ny rehetra amin’ity fahafatesan’ny nofo ity.

43 aHakambana indray ao amin’ny endriny tomombana ny fanahy sy ny vatana; ny rantsambatana sy ny vanintaolana dia samy haverina amin’ny tena endriny, toa antsika ankehitriny amin’izao fotoana izao; ary hoentina hijoro eo anoloan’ Andriamanitra isika, mahafantatra tahaka ny ahafantarantsika ankehitriny ary manana ny bfitadidiana mazava ny dhadisoantsika rehetra.

44 Ankehitriny, ity famerenana amin’ny laoniny ity dia ho tonga amin’ny rehetra, na antitra na tanora, na mpifatotra na olon’afaka, na lahy na vavy, na ny ratsy na ny marina; ary tsy hisy na dia singam-bolo iray amin’ny lohany aza ho very; fa ny zavatra tsirairay kosa dia ahaverina amin’ny endriny tomombana toy ny ankehitriny, na ao amin’ny vatana, ary hoentina sy hadinina eo anoloan’ny toeram-pitsaran’i Kristy Zanaka sy Andriamanitra bRay ary ny Fanahy Masina, izay Andriamanitra diray Mandrakizay mba ehotsaraina araka ny asany, na tsara izany na ratsy.

45 Ankehitriny, indro, efa niteny taminareo ny momba ny fahafatesan’ny vatana mety maty aho ary koa ny momba ny afitsanganan’ny vatana mety maty amin’ny fahafatesana. Lazaiko aminareo fa ity vatana mety maty ity dia batsangana ho dvatana tsy mety maty, izany hoe avy amin’ny fahafatesana, dia ny fahafatesana voalohany ho amin’ny fiainana mba tsy ehahafaty azy intsony; ny fanahiny dia mikambana amin’ny vatany ka tsy hisaraka intsony; izy manontolo amin’izany dia zary fara-panahy sy tsy mety maty mba tsy hahafahany mahita intsony ny fahalovana.

46 Ankehitriny, nony efa nahavita ireo teny ireo i Amioleka dia nanomboka ho gaga ny mponina, ary nanomboka nangovitra koa i Zezrôma. Ary dia toy izany no nifaranan’ny tenin’i Amioleka, na izay ihany no efa nosoratako.