Ny soratra masina
Almà 15


Toko 15

Nandeha nankany Sidôma i Almà sy i Amioleka ary nanorina fiangonana anankiray—Nositranin’i Almà i Zezrôma izay nilatsaka ho isan’ny Fiangonana—Maro ny natao batisa, ary nandroso ny Fiangonana—Nandeha nankany Zarahemlà i Almà sy i Amioleka. Tokony ho 81 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ny zava-nitranga dia nodidina i Almà sy i Amioleka handao izany tanàna izany; ary niainga izy ireo ary nivoaka nankany an-tanin’i Sidôma; ary indro, tao izy ireo no nahita ny olona rehetra izay efa nandao ny tanin’i aAmônihà, izay efa bnoroahina sy notoraham-bato noho ny ninoany ny tenin’i Almà.

2 Ary notantarain’izy ireo taminy izay rehetra efa nanjo ireo avadiny sy ny zanany, ary koa ny momba ny tenany sy ny bherin’ny fanafahana azy ireo.

3 Ary nandry nandraiki-narary tao Sidôma koa i Zezrôma, voan’ny tazo mahamay izay avy amin’ny fahorian-tsainy fatratra noho ny afaharatsiany, satria noheveriny fa tsy any intsony i Almà sy i Amioleka; ary noheveriny fa efa novonoina izy ireo noho ny helony. Ary izany fahotana lehibe izany sy ny fahotany maro hafa dia nandrotidrotika ny sainy mandra-pahatongan’izany hanaintaina fatratra tokoa, tsy azom-panafana; noho izany dia nanomboka notanehin’ny hafanana mahamay izy.

4 Ankehitriny, nony reny fa any an-tanin’i Sidôma i Almà sy i Amioleka, dia nanomboka nahazo hery ny fony; ary nalefany teo no ho eo ny hafatra hankamin’izy ireo, naniry azy ireo ho tonga any aminy.

5 Ary ny zava-nitranga dia nandeha avy hatrany izy ireo, nankatò ilay hafatra izay efa nalefany ho azy ireo; ary niditra ny trano izy ireo nankao amin’i Zezrôma; ary hitany teo am-pandriany izy marary, reraka voan’ny tazo mahamay; ary ny sainy koa dia nanaintaina fatratra tokoa noho ny helony; ary nony hitany izy ireo, dia natolony ny tanany, ary niangaviany izy ireo mba hanasitranany azy.

6 Ary ny zava-nitranga dia hoy i Almà taminy raha nandray ny tanany: aMino ny herin’i Kristy ho famonjena va ianao?

7 Ary namaly izy sady nanao hoe: Eny, izaho mino ny teny rehetra izay efa nampianarinao.

8 Ary hoy i Almà: Raha mino ny fanavotan’i Kristy ianao, dia azo asitranina.

9 Ary hoy izy: Eny, izaho mino araka ny teninao.

10 Ary niantso ny Tompo i Almà tamin’izay, nanao hoe: Tompo Andriamanitray ô, amindrao fo ity lehilahy ity ary asitrano izy araka ny finoany izay ao amin’i Kristy.

11 Ary rehefa avy nilaza ireo teny ireo i Almà, dia aniantsambotra tamin’ny tongony i Zezrôma ary nanomboka namindra; ary dia to izany ka lehibe ny fahagagan’ny olon-drehetra; ary ny fahalalana izany dia nandeha niely eran’ny tanin’i Sidôma manontolo.

12 Ary nataon’i Almà batisa ho an’ny Tompo i Zezrôma, ary hatramin’izay fotoana izay dia nanomboka nitory tamin’ny olona izy.

13 Ary nanorina fiangonana anankiray tao amin’ny tanin’i Sidôma i Almà ary nanokana mpisorona ary mpampianatra teo amin’ny tany, mba hatao batisa ho an’ny Tompo izay rehetra naniry ny hatao batisa.

14 Ary ny zava-nitranga dia nisy maro izy ireo; satria nanao andiany avy tamin’ny faritra manodidina an’i Sidôma rehetra izy ireo, ary dia natao batisa.

15 Fa raha ny amin’ny mponina izay tao an-tanin’i Amônihà, izy dia nijanona ihany ho olona mafy fo sy henja-katoka; ary tsy nibebaka tamin’ny fahotany izy noho ny fiheverany ny fahefan’i Almà sy i Amioleka rehetra ho avy amin’ny devoly; fa avy amin’ny fandraharahan’i aNehôra izy ary tsy nino ny fibebahana amin’ny fahotany.

16 Ary ny zava-nitranga dia i Almà sy i Amioleka, rehefa anahafoy ny volamenany rehetra sy ny volafotsiny ary ny zava-tsarobidiny izay tao an-tanin’i Amônihà i Amioleka, noho ny tenin’ Andriamanitra sady efa bnolavin’ireo izay sakaizany fahiny ary koa ny rainy sy ny mpianakaviny;

17 Noho izany, rehefa avy nanorina ny fiangonana tao Sidôma i Almà, noho ny fahitany asakana lehibe, eny, ny fahitany fa voasakana ny olona raha ny amin’ny avonavom-pony, ary nanomboka bnanetry tena teo anoloan’ Andriamanitra izy ary nanomboka niara-nivory teo amin’ny fitoeramasiny mba dhitsaoka an’ Andriamanitra eo anoloan’ny alitara, eniambina sy nivavaka lalandava mba hanafahana azy amin’i Satana sy amin’ny ffahafatesana ary amin’ny famongorana—

18 Ankehitriny araka ny nolazaiko, rehefa avy nahita ireo zavatra rehetra ireo i Almà, dia naka an’i Amioleka izy ary nandeha nankany an-tanin’i Zarahemlà sy nitondra azy nankany an-tranony ary nanao izay hahamaivana ny fahoriany sy nampahery azy tao amin’ny Tompo.

19 Ary dia toy izany no nifaranan’ny taona fahafolon’ny fitondran’ny mpitsara teo amin’ny vahoakan’i Nefia.