Ny soratra masina
Almà 16


Toko 16

Namongotra ny mponin’i Amônihà ny Lamanita—Nitarika ny Nefita tamin’ny fandresena ny Lamanita i Zôrama—Nitory ny teny i Almà sy i Amioleka ary ireo maro hafa—Nampianariny fa aorian’ny Fitsanganany amin’ny maty dia hiseho amin’ny Nefita i Kristy. Tokony ho 81–77 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ny zava-nitranga, tamin’ny taona fahiraika ambin’ny folon’ny fitondran’ny mpitsara teo amin’ny vahoakan’i Nefia, tamin’ny andro fahadimin’ny volana faharoa, rehefa nisy fandriampahalemana be teo amin’ny tanin’i Zarahemlà, rehefa tsy nisy ady na fifandirana nandritra ny taona maro, na dia hatramin’ny andro fahadimin’ny volana faharoan’ny taona fahiraika ambin’ny folo aza, dia nisy tabataban’ady re eran’ny tany.

2 Fa indro, ny miaramila Lamanita dia efa niditra avy tao amin’ny faritry ny tany foana nankamin’ny sisin-tany, hatrany an-tanànan’i aAmônihà mihitsy, ary nanomboka namono ny mponina sy nandrava ny tanàna.

3 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, talohan’ny nahafahan’ny Nefita nanangana miaramila ampy hanosehana azy hiala ny tany, dia efa anaringany ny mponina izay tao an-tanànan’i Amônihà, ary koa ny sasany teo amin’ny manodidina ny sisintanin’i Noà, ary nentiny ho babo any an-tany foana ny hafa.

4 Ankehitriny ny zava-nitranga dia naniry ny Nefita ny mba hamonjy ireo izay efa nentina ho babo any an-tany foana.

5 Noho izany, ilay efa notendrena ho kapiteny lehiben’ny miaramila Nefita (ary ny anarany dia i Zôrama, ary nanana zanakalahy roa izy, dia i Lehia sy i Ahà)—ankehitriny, i Zôrama sy ny zanany roa lahy, rehefa fantany fa mpisorona avon’ny fiangonana i Almà, sy reny fa nanana ny fanahin’ny faminaniana izy, dia nandeha nankao aminy ireo ary naniry ny hahalala taminy izay tian’ny Tompo halehany any an-tany foana, hitadiavana ny rahalahiny izay efa nentin’ny Lamanita ho babo.

6 Ary ny zava-nitranga dia ananontany ny Tompo i Almà momba izany raharaha izany. Ary niverina i Almà sy nanao taminy hoe: Indro, hiampita ny renirano Sidôna ny Lamanita ao an-tany foana atsimo, lavitra ambadiky ny faritry ny sisintanin’i Mantia. Ary indro, any no hahitanareo azy ireo, any atsinanan’ny renirano Sidôna, ary any ny Tompo no hanolotra anao ny rahalahinao izay efa nentin’ny Lamanita ho babo.

7 Ary ny zava-nitranga dia nita ny renirano Sidôna i Zôrama sy ny zanany lahy mbamin’ny miaramilany, ka nandeha nihoatra ny sisintanin’i Mantia, nankany an-tany foana atsimo, izay tao amin’ny faritra atsinanan’ny renirano Sidôna.

8 Ary nosovohany ny miaramila Lamanita, ary nihahaka ny Lamanita sy voatosika hankany an-tany foana; ary nalainy ny rahalahiny izay efa nentin’ny Lamanita ho babo, ary tsy nisy very na dia iray aza tamin’ireo izay nentina ho babo. Ary nentin’ny rahalahiny ireo mba hizaka ny taniny ihany.

9 Ary dia toy izany no nifaranan’ny taona fahiraika ambin’ny folon’ny mpitsara, rehefa voatosika hiala ny tany ny Lamanita, ary afongotra ny mponin’i Amônihà; eny, ny olona tsirairay tamin’ny Amônihahita dia bfongotra, ary koa ny tanàna lehibeny, izay nolazainy fa tsy azon’ Andriamanitra fongorina noho ny halehibeny.

10 Nefa indro, tao anatin’ny aindray andro dia navela ho aolo izany; ary ny faty dia noviravirain’ny amboa sy ny bibidia avy any an-tany foana.

11 Kanefa, taorian’ny andro maro, dia nifanongoa ny fatiny tambonin’ny tany, ary izany dia voarakotra firakofana manify. Ary ankehitriny dia lehibe loatra ny fofon’izany, hany ka tsy nandeha nizaka ny tanin’i Amônihà ny olona nandritra ny taona maro. Ary izany dia nantsoina hoe ny Faharavan’ny mpanaraka an’i aNehôra; satria ireo izay voavono dia araka ny fandraharahan’i Nehôra; ary nijanona ho aolo ny taniny.

12 Ary tsy niverina indray mba hiady amin’ny Nefita ny Lamanita mandra-pahatongan’ny taona fahefatra ambin’ny folon’ny fitondran’ny mpitsara teo amin’ny vahoakan’i Nefia. Ary dia toy izany nandritra ny telo taona no nananan’ny vahoakan’i Nefia fandriampahalemana tsy tapaka nanerana ny tany manontolo.

13 Ary nandeha nitory fibebahana tamin’ny olona tany amin’ny atempoliny sy ny fitoeramasiny i Almà sy i Amioleka, ary koa tany amin’ny bsinagogany izay naorina araka ny fomban’ny Jiosy.

14 Ary izay rehetra nety nihaino ny teniny, dia taminy no nizarany tsy tapaka ny tenin’ Andriamanitra, tsy nisy afizahan-tavan’olona.

15 Ary dia toy izany no nandehanan’i Almà sy i Amioleka ary koa ny maro izay efa nofinidy ho amin’ny asa mba hitory ny teny eran’ny tany manontolo. Ary ny fanorenana ny fiangonana dia nanjary niitatra eran’ny tany, tamin’ny faritra manodidina rehetra, tany anivon’ny vahoaka Nefita rehetra.

16 Ary atsy nisy tsy fitoviana teo anivony; ny Tompo dia nampidina ny Fanahiny tambonin’ny tany manontolo mba hanomana ny sain’ny zanak’olombelona, na mba hanomana ny bfony handray ny teny izay hampianarina eo anivony amin’ny fotoana hiaviany—

17 Mba tsy hahatonga azy hihamafy hanohitra ny teny, mba tsy hahatonga azy ho tsy mpino ka hanohizany mankany amin’ny famongorana, fa ny mba hahazoany kosa mandray ny teny amim-pifaliana ka ho tahaka ny asampana iray hatao grefy amin’ilay tena bvoaloboka mba hahazoany miditra ao amin’ny dfitsaharan’ny Tompo Andriamaniny.

18 Ankehitriny, ireo ampisorona ireo izay nandeha tany anivon’ny vahoaka dia nitory nanohitra ny lainga rehetra sy ny bfanambakana ary ny dfitsiriritana sy ny fifandirana ary ny hasomparana sy ny fanevatevana, ary ny halatra, ny fandrobana, ny famaboana fananana, ny famonoana, ny fijangajangana ary ireo karazana fahalotoam-pitondra-tena rehetra, nihiaka fa ireo karazan-javatra ireo dia tsy tokony hisy—

19 Nitory ny zavatra izay tsy maintsy ho avy tsy ho ela; eny, nitory ny afiavian’ny Zanak’ Andriamanitra, ny fijaliany sy ny fahafatesany, ary koa ny fitsanganan’ireo nodimandry amin’ny maty.

20 Ary maro tamin’ny olona no nanontany ny momba ny toerana izay hahatongavan’ny Zanak’ Andriamanitra; ary nampianarina azy fa Izy dia ahiseho aminy baorian’ny fitsanganany amin’ny maty; ary izany dia nohenoin’ny olona tamim-pifaliana sy haravoana be.

21 Ary ankehitriny, rehefa niorina eran’ny tany manontolo ny fiangonana—ka azo ny afandresena ny devoly ary ny tenin’ Andriamanitra dia efa notoriana tamin’ny fahadiovany teo amin’ny tany manontolo ka nandrotsaka ny fitahiany tamin’ny olony ny Tompo—dia toy izany no nifaranan’ny taona fahefatra ambin’ny folon’ny fitondran’ny mpitsara teo amin’ny vahoakan’i Nefia.