Ny soratra masina
Almà 17


Ny tantaran’ny zanakalahin’i Môzià, izay nandà ny zony ho mpanjaka, noho ny tenin’ Andriamanitra, ary nandeha niakatra tany an-tanin’i Nefia mba hitory amin’ny Lamanita; ny fijaliany sy ny fanafahana azy ireo—araka ny rakitsoratr’i Almà.

Mahafaoka ny toko 17 ka hatramin’ny 27.

Toko 17

Nanana ny fanahin’ny faminaniana sy ny fanambarana ny zanakalahin’i Môzià—Samy nandeha araka ny lalany avy izy ireo hitory ny teny amin’ny Lamanita—Nandeha nankany an-tanin’i Ismaela i Amôna ary tonga mpanompon’i Lamônia Mpanjaka—Namonjy ny andian’ondrin’ny mpanjaka i Amôna ary namono ny fahavalony teo amin’ny ranon’i Sebo. Andininy 1–3, tokony ho 77 taona talohan’i Kristy; andininy 4, tokony ho 91–77 taona talohan’i Kristy; ary andininy 5–39, tokony ho 91 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ankehitriny ny zava-nitranga raha nandeha avy tany an-tanin’i Gideôna i Almà ka nianatsimo, nanalavitra nankany an-tanin’i Mantia, dia indro, akory ny hagagany anihaona tamin’ny bzanakalahin’i Môzià izay nandeha nankany an-tanin’i Zarahemlà.

2 Ankehitriny dia ireo zanakalahin’i Môzià ireo no niaraka tamin’i Almà tamin’ny fotoana avoalohany nisehoan’ilay anjely taminy; noho izany dia niravoravo fatratra tokoa i Almà nahita ny rahalahiny; ary izay mbola nanampy bebe kokoa ny fifaliany dia noho izy ireo mbola rahalahiny ao amin’ny Tompo; eny, ary efa nihanahery tamin’ny fahalalana ny marina izy ireo; fa izy ireo dia olon’ny fahalalana tsy misy tomika ary efa bnodinihiny tamim-pahazotoana tokoa ny soratra masina hahazoany mahalala ny tenin’ Andriamanitra.

3 Nefa tsy izay ihany; efa nanokan-tena ho amin’ny afivavahana fatratra sy ny fifadian-kanina izy ireo; noho izany dia nananany ny fanahin’ny faminaniana sy ny fanahin’ny fanambarana, ary rehefa bnampianatra izy ireo dia nampianatra tamin’ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra.

4 Ary efa nampianariny nandritra ny efatra ambin’ny folo taona teo anivon’ny Lamanita ny tenin’ Andriamanitra ka nahitany afahombiazana be tamin’ny bfitarihana ny maro ho amin’ny fahalalana ny marina; eny, tamin’ny herin’ny tenin’izy ireo dia maro no nentina teo anoloan’ny alitaran’ Andriamanitra mba hiantso ny anarany sy dhiaiky ny fahotany eo Anoloany.

5 Ankehitriny, ireto no toe-javatra izay nanjo azy ireo tamin’ny diany, satria efa tojo fahoriana maro izy ireo; niaritra fatratra, na ara-batana, na ara-tsaina, toy ny hanoanana, hetaheta sy havizanana ary koa atebitebin-tsaina be.

6 Ankehitriny dia ireto no diany: Rehefa anilaozany i Môzià rainy tamin’ny taona voalohan’ny mpitsara; rehefa bnolaviny ny fanjakana izay nirian’ny rainy hatolotra azy ireo, ary izany koa dia sitrapon’ny vahoaka;

7 Na dia teo aza izany dia nilaozany ny tanin’i Zarahemlà ary nalainy ny sabany sy ny lefony, ary ny tsipikany sy ny zanatsipikany ary ny antsamotadiny; ary izany no nataony dia ny mba hahazoany mamatsy hanina ny tenany raha mbola any an-tany foana izy ireo.

8 Ary dia toy izany no niaingany nankany an-tany foana niaraka tamin’ireo izay efa nofinidiny mba handeha hiakatra any an-tànin’i Nefia hitory ny tenin’ Andriamanitra amin’ny Lamanita.

9 Ary ny zava-nitranga dia nandeha andro maro tany an-tany foana izy ireo ary nifady hanina fatratra sy anivavaka fatratra izy ireo mba homen’ny Tompo azy ireo ny ampahany amin’ny Fanahiny handeha hiaraka aminy sy hitoetra hiaraka aminy hahatonga azy ireo ho bfitaovana eo an-tanan’ Andriamanitra mba hitondrana, raha azo atao, ny Lamanita rahalahiny ho amin’ny fahalalana ny marina, ho amin’ny fahalalana ny fahambanian’ny dfomban’ireo razany, izay tsy mety.

10 Ary ny zava-nitranga dia anamangy azy ireo niaraka tamin’ny bFanahiny ny Tompo ary nanao taminy hoe: dMahereza. Ary nahazo hery izy ireo.

11 Ary hoy koa ny Tompo taminy: Mandehana any anivon’ny Lamanita, rahalahinareo ary aoreno ny teniko; kanefa dia ahanam-paharetana sy ho mahari-po amin’ny fahoriana ianareo hahazoanareo maneho aminy ny ohatra tsara ao Amiko, ary Izaho hahatonga anareo ho fitaovana eo an-tanako ho famonjena fanahy maro.

12 Ary ny zava-nitranga dia nahazo hery ny fon’ny zanakalahin’i Môzià, ary koa ny an’ireo izay niaraka taminy handehanany mankany amin’ny Lamanita hanambara aminy ny tenin’ Andriamanitra.

13 Ary ny zava-nitranga, nony efa tonga teo amin’ny sisintanin’ny Lamanita izy ireo, dia anisaraka sy nifandao ny tsirairay rehefa natoky ny Tompo fa hihaona indray izy ireo amin’ny faran’ny bfotoam-pijinjana; satria noheveriny fa lehibe ny asa izay efa niandraiketany.

14 Ary lehibe marina tokoa izany, fa efa niandraiketany ny hitory ny tenin’ Andriamanitra tamin’ny vahoaka abaribariana sy mafy fo ary lozabe; dia vahoaka izay finaritra tamin’ny famonoana ny Nefita sy tamin’ny fandrobana ary ny famaboana azy; ary ny fony dia efa napetrany tamin’ny harena, na tamin’ny volamena sy volafotsy ary vato soa; kanefa dia nokatsahiny ny hahazoana ireny zavatra ireny tamin’ny famonoana sy ny fandrobana, mba tsy hampiasany ny tanany hahazoany azy ireny.

15 Dia toy izany no nanjariany ho vahoaka tena kamo, ka ny maro taminy dia nanompo sampy, ary efa nianjera taminy noho ny afomban’ny razany ny bozon’ Andriamanitra; na dia teo aza izany, ny fampanantenan’ny Tompo dia efa natolony azy raha tahiny mibebaka izy.

16 Koa izany no aantony efa niandraiketan’ny zanakalahin’i Môzià ny asa fa angamba mba ho azony tarihina hibebaka izy; fa angamba mba ho azony tarihina hahalala ny drafitry ny fanavotana izy.

17 Koa dia nisaraka izy ireo, ary nandeha tany anivony samy nandeha tsirairay avy araka ny teny sy ny fahefan’ Andriamanitra izay efa nomena azy.

18 Ankehitriny dia i Amôna no mpitarika azy ireo, na ny marimarina kokoa, izy no niahy azy ireo ary izy dia nandao azy ireo rehefa avy anitsodrano azy ireo araka ny anjara asany avy, rehefa avy nizara ny tenin’ Andriamanitra taminy, na niahy azy ireo talohan’ny fiaingany; ary dia toy izany no samy nandehanany avy tamin’ny diany nanerana ny tany.

19 Ary nandeha nankany an-tanin’i Ismaela i Amôna, ny tany dia nantsoina araka ny anaran’ny zanakalahin’i aIsmaela, izay lasa Lamanita ihany koa.

20 Ary raha niditra ny tanin’i Ismaela i Amôna, dia nalain’ny Lamanita izy ka nofatorany, satria fanaony ny mamatotra ny Nefita rehetra izay mianjera eo an-tanany sy ny mitondra azy eo anoloan’ny mpanjaka; ary dia toy izany no nanankinana tamin’ny safidin’ny mpanjaka na ny hamono azy, na ny hitana azy ho babo, na ny hanipy azy any an-tranomaizina, na ny handroaka azy hiala ny taniny araka ny sitrapony sy ny faniriany.

21 Ary dia toy izany no nitondrana an’i Amôna teo anoloan’ny mpanjaka izay nanapaka teo amin’ny tanin’i Ismaela; ary ny anarany dia i Lamônia; ary tamingan’i Ismaela izy.

22 Ary nanadina an’i Amôna ny mpanjaka raha toa ka faniriany ny hitoetra eo amin’ny tany eo anivon’ny Lamanita na eo anivon’ny vahoakany.

23 Ary hoy i Amôna taminy: Eny, maniry ny hitoetra eo anivon’ity vahoaka ity mandritra ny fotoana fohy aho; eny, ary angamba mandra-pahatongan’ny andro hahafatesako.

24 Ary ny zava-nitranga dia faly be tamin’i Amôna i Lamônia mpanjaka ary nataony izay hamahana ny fatorany; ary niriany ny hakan’i Amôna ny anankiray amin’ny zananivavy ho vady.

25 Nefa hoy i Amôna taminy: Tsia, fa ho mpanomponao kosa aho. Noho izany dia tonga mpanompon’i Lamônia mpanjaka i Amôna. Ary ny zava-nitranga dia napetraka teo anivon’ny mpanompo hafa izy mba hiandry ny andian’ondrin’i Lamônia araka ny fomban’ny Lamanita.

26 Ary rehefa nanompo ny mpanjaka hateloana izy, raha niaraka tamin’ny mpanompo Lamanita izy nandeha niaraka tamin’ny andian’ondriny nankamin’ny toerana fampisotroana izay nantsoina hoe ny ranon’i Sebo, ary ny Lamanita rehetra dia mitondra ny andian’ondriny eo mba hahazoany rano—

27 Koa raha nandeha nitondra ny andian’ondriny hankamin’ity toerana fampisotroana ity i Amôna sy ny mpanompon’ny mpanjaka, dia indro, ny Lamanita sasantsasany izay efa teo amin’ny rano niaraka tamin’ny andian’ondriny, nitsangana sy nampihahaka ny andian’ondrin’i Amôna sy ny mpanompon’ny mpanjaka, ary ireo dia nampihahaka azy, hany ka nitsoaka tamin’ny lalana maro izany.

28 Ankehitriny dia nanomboka nimonomonona ny mpanompon’ny mpanjaka, nanao hoe: ankehitriny dia hovonoin’ny mpanjaka isika, toy ny efa nataony tamin’ny rahalahintsika, satria nihahaka ny andian’ondriny noho ny faharatsian’ireny olona ireny. Ary nanomboka nitomany fatratra tokoa izy ireo, nanao hoe: Indro, nihahaka sahady ny andian’ondrintsika.

29 Ankehitriny dia nitomany izy ireo noho ny fahatahorany ny hovonoina. Ankehitriny nony nahita izany i Amôna dia vontom-pifaliana ny fony tao anaty; fa hoy izy, hasehoko ireto mpiara-manompo amiko ireto ny fahefako, na ny fahefana izay ato amiko, amin’ny famerenana ireo andian’ondry ireo any amin’ny mpanjaka, mba hahazoako ny fon’ireo mpiara-manompo amiko ireo, mba hahazoako mitarika azy ireo hino ny teniko.

30 Ary ankehitriny, dia izany no eritreritr’i Amôna nony nahita ny fahorian’ireo izay nataony ho rahalahiny izy.

31 Ary ny zava-nitranga dia nandoka azy ireo tamin’ny teniny izy, nanao hoe: Ry rahalahiko, matokia ary andeha isika hitady ny andian’ondry, ary hamory azy miaraka isika ary hitondra azy miverina any amin’ny toerana fampisotroana; ary dia izany no hitsimbinantsika ny andian’ondry ho an’ny mpanjaka, ary tsy hovonoiny isika.

32 Ary ny zava-nitranga dia nandeha nitady ny andian’ondry izy ireo ary nanaraka an’i Amôna, ary nirohotra tamim-pahamailahana be izy ireo, ary nisakana ny andian’ondrin’ny mpanjaka sy namory azy miaraka indray teo amin’ny toerana fampisotroana.

33 Ary nitsangana indray ireny olona ireny mba hampihahaka ny andian’ondriny; fa hoy i Amôna tamin’ny rahalahiny: Mitoera manodidina ny andian’ondry mba tsy handosirany; ary izaho no handeha hiady amin’ireny olona izay mampihahaka ny andian’ondrintsika ireny.

34 Noho izany dia nataony araka ny nandidian’i Amôna azy ireo, ary nandroso izy ary nitsangana mba hiady amin’ireo izay nijoro teo amoron’ny ranon’i Sebo; ary tsy vitsy izy ireo.

35 Koa tsy natahorany i Amôna, satria noheveriny fa anankiray amin’ny olony dia afaka mamono azy, araka ny sitrapony, satria tsy fantany fa efa nampanantena an’i Môzià ny Tompo fa Izy no ahanafaka ny zananilahy eo an-tanan’izy ireo; sady tsy nahalala na inona na inona momba ny Tompo izy ireo; noho izany dia finaritra tamin’ny fandravana ny rahalahiny izy ireo; ary izany no antony nitsanganany hampihahaka ny andian’ondrin’ny mpanjaka.

36 Fa nandroso i aAmôna ary nanomboka nitora-bato azy ireo tamin’ny antsamotadiny; eny, tamin-kery be no nitorahany vato ny teo anivony; ary dia toy izany no namonoany ny bsasantsasany taminy, hany ka nanomboka ho talanjona izy ireo tamin’ny heriny; kanefa dia tezitra izy ireo noho ny nahafaty ny rahalahiny, ary nivonona izy ireo ny handavo azy; noho izany rehefa hitan’izy ireo fa dtsy nahavoa azy tamin’ny vatony izy ireo, dia nandroso niaraka tamin’ny kibay izy ireo mba hamono azy.

37 Nefa indro, ny olona rehetra izay nanainga ny kibainy hamely an’i Amôna, dia izy no nanapaka hiala ny sandriny tamin’ny sabany; fa notoheriny ny fiveliny tamin’ny famelezana ny sandriny tamin’ny lelan’ny sabany, hany ka nanomboka ho talanjona izy ireo, ary nanomboka nitsoaka teo anoloany; eny, tsy vitsy izy ireo; ary nampitsoaka azy ireo tamin’ny herin-tsandriny izy.

38 Ankehitriny dia efa nalavon’ny antsamotady ny enina taminy, fa ny hany novonoiny tamin’ny sabany dia ny mpitondra azy ireo; ary notapahiny hiala ny sandrin’izay rehetra naingaina hanohitra azy, ary tsy vitsy izy ireo.

39 Ary rehefa noroahiny lavitra izy ireo, dia niverina izy, ary nampisotro rano ny andian’ondriny izy ireo ary namerina azy tany amin’ny saha firaotana an’ny mpanjaka, ary tamin’izay izy ireo dia niditra nankao amin’ny mpanjaka, nitondra ny sandry izay efa notapahin’ny sabatr’i Amôna hiala, sandrin’ireo izay nitady hamono azy; ary ireny dia nentina nankao amin’ny mpanjaka ho vavolombelon’ny zavatra izay efa nataon’izy ireo.