Ny soratra masina
Almà 25


Toko 25

Niely ny fanafihan’ny Lamanita—Fongana ny taranaky ny mpisoron’i Noà araka ny naminanian’i Abinadia izany—Maro ny Lamanita niova fo sy nikambana tamin’ny vahoaka Antia-Nefia-Lehia—Nino an’i Kristy izy ary nitandrina ny lalàn’i Mosesy. Tokony ho 90–77 taona talohan’i Kristy.

1 Ary indro, ankehitriny ny zava-nitranga dia tezitra mafy kokoa ny Lamanita, satria efa novonoiny ny rahalahiny; izany no nianianany ny hamaly faty amin’ny Nefita; ary tsy niezahany intsony ny hamono ny vahoaka aAntia-Nefia-Lehia tamin’izay fotoana izay.

2 Fa naka ny miaramilany kosa izy ary nandeha nankany amin’ny faritry ny sisin-tanin’i Zarahemlà, ary nosovohany ny mponina izay tao amin’ny tanin’i Amônihà ary anaringany.

3 Ary taorian’izany, dia nanana ady maro tamin’ny Nefita izy, ka tamin’izany izy dia voatosika sy voavono.

4 Ary tamin’ny Lamanita izay voavono, saika izy rehetra dia ataranak’i Amiolôna sy ny rahalahiny izay mpisoron’i Noà, ary voavonon’ny tanan’ny Nefita izy ireo;

5 Ary ny sisa tavela, rehefa nandositra nankany an-tany foana atsinanana ary nisandoka hery sy fahefana tamin’ny Lamanita, dia nanao izay ahandringanana Lamanita maro tamin’ny afo noho ny finoany—

6 Fa maro ataminy, rehefa avy niaritra famoizana be sy fahoriana maro tokoa, no nanomboka nifoha ho amin’ny fahatsiarovana ny bteny izay efa notorian’i Aharôna sy ny rahalahiny taminy tany amin’ny taniny; noho izany izy ireo dia nanomboka tsy nino ny dfomban’ny razany sy nino ny Tompo fa Izy no nanome fahefana lehibe ho an’ny Nefita; ary dia toy izany no nisian’ny maro taminy niova fo tany an-tany foana.

7 Ary ny zava-nitranga, ireo mpifehy izay sisa tavela tamin’ny zanak’i aAmiolôna dia nanao izay tokony hamonoana azy ireo ho bfaty, eny, ireo rehetra izay nino ireo zavatra ireo.

8 Ankehitriny, izany sorona vavolombelona izany dia nanao izay hambosina ny maro tamin’ny rahalahiny ho tezitra; ary nanomboka nisy fifandirana tany an-tany foana; ary nanomboka anihaza ny taranak’i Amiolôna sy ny rahalahiny ny Lamanita ary rafitra namono azy ireo; ary nandositra nankany an-tany foana atsinanana izy.

9 Ary indro hazain’ny Lamanita mandrak’androany izy. Dia toy izany no nahatanteraka ny tenin’i Abinadia, izay nolazainy momba ny taranaky ny mpisorona izay nanao ny hiaretany fahafatesana tamin’ny afo.

10 Fa hoy izy taminy: Izay ahataonareo amiko dia tandindon’ny zavatra ho avy.

11 Ary ankehitriny dia i Abinadia no santatr’izay niaritra afahafatesana tamin’ny afo noho ny finoany an’ Andriamanitra; ankehitriny dia izany no tiany holazaina, fa maro no hiaritra fahafatesana amin’ny afo, tahaka ny efa niaretany.

12 Ary nilaza tamin’ny mpisoron’i Noà izy fa hataon’ny taranany izay hamonoana ny maro ho faty, tahaka ny fomba natao taminy, fa haely patrana lavitra izy ireny ary hovonoina, dia tahaka ny ondry iray tsy manana mpiandry ka enjehina sy vonoin’ny bibidia; Ary ankehitriny, indro, ireo teny ireo dia voamarina, satria nenjehin’ny Lamanita izy ireny sady nohazaina sy nokapohina.

13 Ary ny zava-nitranga, rehefa nahita ny Lamanita fa tsy afaka nandresy ny Nefita izy, dia niverina indray tany amin’ny taniny izy; ary maro taminy no nandeha nonina tany amin’ny tanin’i Ismaela sy ny tanin’i Nefia, ary nikambana tamin’ny vahoakan’ Andriamanitra, dia ny vahoaka aAntia-Nefia-Lehia.

14 Ary analeviny koa ny fitaovam-piadiany araka ny efa nataon’ny rahalahiny, ary nanomboka ho tonga olo-marina izy; ary nandeha tamin’ny lalan’ny Tompo izy ka niezaka ny hitandrina ny didiny sy ny lalàny.

15 Eny, ary notandremany ny lalàn’i Mosesy; fa nilaina ny mbola hitandremany ny lalàn’i Mosesy, satria tsy tanteraka avokoa izany. Kanefa, na dia teo aza ny alalàn’i Mosesy, dia nandrandrainy ny fiavian’i Kristy, noho ny fiheverana fa ny lalàn’i Mosesy dia btandindon’ny fiaviany sy ny finoana fa tsy maintsy tandremany ny dfombafomba ivelany mandra-pahatongan’ny fotoana izay hanehoana Azy aminy.

16 Ankehitriny dia tsy noheveriny fa ny afamonjena dia tonga amin’ny alalan’ny blalàn’i Mosesy; saingy ny lalàn’i Mosesy dia natao hanamafy ny finoany an’i Kristy; ary dia toy izany no nitehirizany ny dfanantenana tamin’ny alalan’ny finoana, ho amin’ny famonjena mandrakizay, niantehitra tamin’ny fanahin’ny faminaniana izay nilaza ireo zavatra ho avy ireo.

17 Ary ankehitriny, indro, i Amôna sy i Aharôna, ary i Ômnera sy i Himnia, ary ireo rahalahiny, dia nifaly fatratra tokoa, noho ny fahombiazana izay efa azony teo anivon’ny Lamanita, rehefa nahita fa efa nomen’ny Tompo azy ireo araka ny afivavany, fa efa nohamarininy taminy koa ny teniny, tamin’ny antsipiriany rehetra.