Ny soratra masina
Almà 35


Toko 35

Nandrava ny komiberaky ny Zôramita ny fitoriana ny teny—Noroahiny ireo niova fo izay nikambana tamin’ny vahoakan’i Amôna tany Jersôna tamin’izay—Nalahelo i Almà noho ny faharatsian’ny vahoaka. Tokony ho 74 taona talohan’i Kristy.

1 Ankehitriny ny zava-nitranga, rehefa avy namarana ireo teny ireo i Amioleka, dia nisintona niala ny vahoaka sesehena izy ireo ary tonga tao an-tanin’i Jersôna.

2 Eny, ary ny rahalahy sisa, rehefa avy nitory teny tamin’ny Zôramita, dia tonga tao an-tanin’i Jersôna koa.

3 Ary ny zava-nitranga, rehefa niara-nifanakalo hevitra ny ampahany mamim-bahoaka indrindra tamin’ny Zôramita momba ny teny izay efa notoriana taminy, dia tezitra izy noho ny teny, satria nandrava ny akomiberaka teo aminy izany; koa tsy tiany hohenoina ny teny.

4 Ary nampaniraka izy ary novoriany miaraka ny olona rehetra eran’ny tany manontolo, ary nodinihiny niaraka taminy ny momba ny teny izay efa noresahina.

5 Ankehitriny, ny mpitondra sy ny mpisorona ary ny mpampianatra azy dia tsy namela ny vahoaka hahalala momba ny fanirian’izy ireo; noho izany izy ireo dia nizaha an-tsokosoko ny hevitry ny olon-drehetra.

6 Ary ny zava-nitranga, rehefa avy nitsapa ny hevitry ny olon-drehetra izy ireo, dia noroahina hiala ny tany ireo izay nankasitraka ny teny izay efa noresahin’i Almà sy ny rahalahiny; ary maro izy ireo; ary nankany an-tanin’i Jersôna koa izy ireo.

7 Ary ny zava-nitranga dia, niahy azy ireo i Almà sy ny rahalahiny.

8 Ankehitriny, ny vahoakan’ny Zôramita dia tezitra tamin’ny vahoakan’i Amôna izay tao an-tanin’i Jersôna, ary ny filoha mpitondra ny Zôramita, izay olona tena mamohehatra, dia nampaniraka hankany amin’ny vahoakan’i Amôna, nangataka azy ny handroahany hiala ny taniny ireo rehetra izay tonga tao amin’ny taniny ka avy tany aminy.

9 Ary nifofo fandrahonana maro taminy izy. Ary ankehitriny ny vahoakan’i Amôna dia tsy natahotra ny teniny; noho izany dia tsy noroahiny izy ireo fa noraisiny kosa ny mahantra rehetra tamin’ny Zôramita, izay tonga tany aminy; ary anofahanany sy notafiany izy ireo ary nomeny tany ho lovany; ary noahiany araka ny filany izy ireo.

10 Ankehitriny, izany dia nambosy ny Zôramita ho tezitra tamin’ny vahoakan’i Amôna, ary nanomboka niharoharo tamin’ny Lamanita izy sy namporisika azy koa ho tezitra aminy.

11 Ary dia toy izany no nanombohan’ny Zôramita sy ny Lamanita nanao fiomanana ho amin’ny ady amin’ny vahoakan’i Amôna, ary koa amin’ny Nefita.

12 Ary dia toy izany no nifaranan’ny taona fahafito ambin’ny folon’ny fitondran’ny mpitsara teo amin’ny vahoakan’i Nefia.

13 Ary niainga ny vahoakan’i Amôna niala ny tanin’i Jersôna sy lasa nankany an-tanin’i Meleka ary nanome ny toerana tao an-tanin’i Jersôna ho an’ny miaramilan’ny Nefita mba hahazoany miady amin’ny miaramilan’ny Lamanita sy ny miaramilan’ny Zôramita; ary dia toy izany no nanombohan’ny ady teo amin’ny Lamanita sy ny Nefita, tamin’ny taona fahavalo ambin’ny folon’ny fitondran’ny mpitsara; ary ny afitantarana ny adin’izy ireo dia homena any aoriana.

14 Ary i Almà sy i Amôna ary ny rahalahiny ary koa ny zanak’i Almà roa lahy dia niverina tany an-tanin’i Zarahemlà, rehefa lasa fitaovana teo an-tànan’ Andriamanitra tamin’ny fitondrana ny amaro tamin’ny Zôramita ho amin’ny fibebahana, ary izay rehetra nentina nankamin’ny fibebahana dia noroahiny hiala ny taniny; nefa nahazo tany ho lovany izy ireo tany an-tanin’i Jersôna, ary efa nandray fiadiana izy ireo hiarovany ny tenany sy ny vadiny, ary ny zanany sy ny taniny.

15 Ankehitriny i Almà, rehefa nalahelo noho ny heloky ny vahoakany, eny, noho ny ady sy ny fandatsahan-dra ary ny fifandirana izay teo anivony; ary rehefa lasana nanambara ny teny, na nalefa mba hanambara ny teny tany anivon’ny olon-drehetra isan-tanàna; ary rehefa nahita fa ny fon’ny olona dia nanomboka ho nihamafy, ka nanomboka ho atafintohina izy ireo noho ny maha-henjana ny teny, dia feno alahelo fatratra tokoa ny fony.

16 Noho izany, dia nataony izay hamoriana miaraka ny zanany lahy mba hahazoany manome ny tsirairay avy ny aandraikiny manokana avy, momba ny zavatra mikasika ny fahamarinana. Ary anananay ny fitantarana ny didiny izay nomeny azy ireo araka ny rakitsorany ihany.