Ny soratra masina
Almà 56


Toko 56

Nandefa taratasy ho an’i Môrônia i Helamàna, nitantara ny toetoetry ny ady tamin’ny Lamanita—Nahazo fandresena lehibe tamin’ny Lamanita i Antipo sy i Helamàna—Niady niaraka tamin’ny hery mahagaga ny zatovolahin’i Helamàna roa arivo, ary tsy nisy maty taminy. Andininy 1, tokony ho 62 taona talohan’i Kristy; andininy 2–19, tokony ho 66 taona talohan’i Kristy; ary andininy 20–57, tokony ho 65–64 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ankehitriny ny zava-nitranga tamin’ny fiandohan’ny taona fahatelopolon’ny fitondran’ny mpitsara, tamin’ny andro faharoa tamin’ny volana voalohany, dia nandray taratasy avy tamin’i Helamàna i Môrônia, milazalaza ny toe-draharahan’ny vahoaka tamin’izany faritry ny tany izany.

2 Ary izao no teny izay nosoratany, manao hoe: Ry Môrônia rahalahiko malala tiana tokoa ao amin’ny Tompo ary koa ao amin’ny fijalian’ny adintsika; indro, ry rahalahiko malala, somary manan-kolazaina aminao ihany aho, momba ny adintsika ao amin’ity faritry ny tany ity.

3 Indro, aroa arivo tamin’ny zanakalahin’ny vahoaka izay nentin’i Amôna nidina avy tany an-tanin’i Nefia—ankehitriny dia efa fantatrao fa tamingan’i Lamàna izay lahimatoan’i Lehia raintsika izy ireo;

4 Ankehitriny dia tsy ilaiko ny mitantara aminao ny momba ny fomba-drazany na ny tsy finoany, satria fantatrao ny momba ireo zavatra rehetra ireo—

5 Koa ampy ho ahy ny ilazako aminao fa roa arivo tamin’ireo zatovolahy ireo no efa nandray ny fitaovam-piadiany sy naniry ahy mba ho mpitondra azy ireo; ary efa lasana izahay hiaro ny tanintsika.

6 Ary ankehitriny dia fantatrao koa ny momba ny afanekempihavanana izay nataon’ny rainy, dia ny tsy handraisany fitaovam-piadiany hanohitra ny rahalahiny ka handatsa-dra.

7 Nefa tamin’ny taona fahenina amby roapolo, nony hitany ny fahoriantsika sy ny fijaliantsika noho ny aminy, dia efa saika ahoravany ny fanekempihavanana izay efa nataony, ka horaisiny ny fitaovam-piadiany ho fiarovana antsika.

8 Nefa izaho dia tsy te hamela azy ireo mba handravany izany fanekempihavanana izay efa nataony izany, noho ny fiheverana fa hanatanjaka antsika Andriamanitra, hany ka tsy hijaly bebe kokoa isika noho ny fahatanterahan’ny fianianana izay efa nataony.

9 Nefa indro, ity misy zavatra iray izay mety ananantsika fifaliana lehibe. Fa indro, tamin’ny taona fahenina amby roapolo, izaho Helamàna dia nandeha nialoha lalana ireo zatovolahy roa arivo ireo nankany an-tanànan’i Jodeà mba hanampy an’i Antipo izay efa notendrenao ho mpitondra ny vahoakan’izany faritry ny tany izany.

10 Ary izaho dia nanambatra ny zanako roa arivo lahy (fa izy ireo dia mendrika ny antsoina hoe zanakalahy) tamin’ny miaramilan’i Antipo, dia hery izay nampifaly an’i Antipo izaitsizy tokoa; fa indro, efa nahenan’ny Lamanita ny miaramilany satria efa novonoin’ny tafiny ny maro an’isa tamin’ny olontsika, izay mahatonga antsika tsy maintsy hisaona.

11 Na dia teo aza izany, dia mahazo mampionona ny tenantsika isika amin’izay foto-kevitra izay, fa efa maty izy ireo ho fiarovana ny taniny sy ny Andriamaniny, eny, ary asambatra izy ireo.

12 Ary efa notanan’ny Lamanita koa ny sambobelona maro izay lohan’ny kapiteny avokoa, satria tsy mba notsimbininy ho velona ny hafa. Ary heverintsika fa ankehitriny, amin’izao fotoana izao, dia any an-tanin’i Nefia izy ireny; izany no izy raha toa ka tsy voavono izy ireny.

13 Ary ankehitriny dia ireto no tanàna izay efa azon’ny Lamanita ny fizakana izany tamin’ny fandatsahana ny ran’ny maro tokoa tamin’ny lehilahy maherintsika:

14 Ny tanin’i Mantia, na ny tanànan’i Mantia, sy ny tanànan’i Zezrôma ary ny tanànan’i Komenia sy ny tanànan’i Antiparà.

15 Ary ireo no tanàna izay nozakainy raha tonga tao an-tanànan’i Jodeà aho; ary nahita an’i Antipo sy ny olony aho nilofo tamin’ny heriny mba hanamafy ny tanàna.

16 Eny, ary reraka izy ireo na ara-batana na koa ara-tsaina, satria efa niady tamin-kerim-po tokoa izy ireo nony antoandro ary nilofo nony alina mba hitana ny tanànany; ary dia toy izany no efa niaretany fahoriana lehibe isan-karazany.

17 Ary ankehitriny dia tapa-kevitra izy ireo na handresy eo amin’izany toerana izany na ho faty; koa azonao an-tsaina tsara fa ity tafika kely ity izay nentiko niaraka tamiko, eny, ireo zanako lahy ireo, dia nanome azy ireo fanantenana lehibe sy fifaliana fatratra.

18 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, rehefa nahita ny Lamanita fa efa nandray tanjaka bebe kokoa ho an’ny miaramilany i Antipo, dia voatery izy, noho ny baikon’i Amôrôna, ny tsy hamaky ady amin’ny tanànan’i Jodeà na aminy.

19 Ary dia toy izany no nankasitrahan’ny Tompo anay fa raha notafihiny tao amin’ny fahalemenay izahay, dia angamba mety ho efa nofongorany ny tafika kelinay; nefa dia toy izany no efa nitsimbinana anay.

20 Nobaikoan’i Amôrôna izy mba hitanany ny tanàna izay efa azony. Ary dia toy izany no nifaranan’ny taona fahenina amby roapolo. Ary tamin’ny fiandohan’ny taona fahafito amby roapolo dia efa nanomana ny tanànanay sy ny tenanay ho amin’ny fiarovana izahay.

21 Ankehitriny dia naniry izahay ny hanafihan’ny Lamanita anay; fa izahay dia tsy naniry ny hanao fanafihana azy any amin’ny toeram-pamaharany.

22 Ary ny zava-nitranga dia nandefa mpitsikilo manodidina izahay, hitily ny fihetsiky ny Lamanita mba tsy hahazoany mandalo anay amin’ny alina na amin’ny antoandro, hanao fanafihana ny tanànanay izay ao andafiavaratra.

23 Satria fantatray fa ry zareo tao amin’ireo tanàna ireo dia tsy ampy hery firy hifanandrina aminy; koa naniry izahay, raha mandalo eto akaikinay izy, ny hanafika azy ao amin’ny vodilaharany, ary dia toy izany no hanapenan-dalana azy ao amin’ny vodilaharana, miaraka amin’izay koa no hitsenana azy ao amin’ny lohalaharana. Nihevitra izahay fa ho afaka mandresy azy; nefa indro, diso fanantenana izahay tao amin’izany fanirianay izany.

24 Tsy sahiny ny nandalo anay niaraka tamin’ny miaramilany rehetra, no tsy sahiny ny niaraka tamin’ny ampahany, fandrao tsy ho ampy hery firy izy ireo, ary ho lavo.

25 Sady tsy sahiny ny nandeha nidina hanohitra ny tanànan’i Zarahemlà; no tsy sahiny ny nita ny lohan’i Sidôna hankany an-tanànan’i Nefihà.

26 Ary dia toy izany no nahatapa-kevitra azy, niaraka tamin’ny tafiny, hitana ireo tanàna izay efa azony ireo.

27 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, tamin’ny volana faharoan’ny taona, dia nisy vatsy maro avy tany amin’ny rain’ireo zanako lahy roa arivo ireo nentina nankaty aminy.

28 Ary nisy koa roa arivo lahy nalefa taty aminy avy tany an-tanin’i Zarahemlà. Ary dia toy izany no efa niomananay niaraka tamin’ny iray alina lahy sy ny vatsy ho azy ireo ary ho an’ny vady aman-janany koa.

29 Ary ny Lamanita, rehefa nahita ny tafikay nitombo isan’andro toy izany sy ny vatsy tonga ho fanohanana anay, dia nanomboka ho feno tahotra sy nanomboka nisovoka an-tselika mba hampitsahatra araka izay azo atao ny fandraisanay vatsy sy hery.

30 Ankehitriny, nony hitanay fa nanomboka ho tsy tafandry mandry toy izany ny Lamanita, dia naniry izahay ny hampiasa tetik’ady aminy; koa nodidian’i Antipo ny handehanako miaraka amin’ny zanako hankamin’ny tanàna akaiky, miova tsy ny hitondra vatsy ho an’ilay tanàna akaiky.

31 Ary tokony handalo eo akaikin’ny tanànan’i Antiparà izahay, toy ny handeha any amin’ny tanàna ambadika, any amin’ny sisin-tany akaikin’ny moron-dranomasina.

32 Ary ny zava-nitranga dia nandeha izahay, toy ny miaraka amin’ny vatsinay, hankamin’izany tanàna izany.

33 Ary ny zava-nitranga dia nandeha i Antipo niaraka tamin’ny ampahan’ny miaramilany, rehefa namela ny sisa hitana ny tanàna. Nefa tsy nandeha izy raha tsy efa lasana aho niaraka tamin’ny tafika keliko sy tonga tao akaikin’ny tanànan’i Antiparà.

34 Ary ankehitriny, dia tao an-tanànan’i Antiparà no nitoby ny mahery indrindra tamin’ny miaramilan’ny Lamanita; eny, ny maro an’isa indrindra.

35 Ary ny zava-nitranga, rehefa avy nampahalalain’ny mpitsikilony izy, dia nivoaka niaraka tamin’ny miaramilany ary nandeha hifanandrina aminy.

36 Ary ny zava-nitranga dia nandositra teo anoloany izahay nianavaratra. Ary dia toy izany no nitarihinay ny mahery indrindra tamin’ny miaramilan’ny Lamanita hanalavitra;

37 Eny, na dia hatrany amin’ny halavirana be aza, hany ka nony hitany ny miaramilan’i Antipo nanenjika azy, tamin’ny heriny, dia tsy nihodina tany an-kavanana na tany an-kavia izy, fa nanohy ny diany kosa, nizotra mahitsy nanaraka anay; ary, araka ny fihevitray dia fikasany ny hamono anay mialoha ny hanatraran’i Antipo azy, ary izany dia ny tsy hahatonga azy ho voatemitry ny olontsika.

38 Ary ankehitriny i Antipo, rehefa nahatazana ny loza teo aminy, dia nanafaingana ny dian’ny miaramilany. Nefa indro, alina ny andro; koa tsy nahatratra anay izy ireo, sady tsy nahatratra azy ireo koa i Antipo; koa nilasy izahay noho ny alina.

39 Ary ny zava-nitranga, talohan’ny mangiran-dratsin’ny maraina, dia indro nanenjika anay ny Lamanita. Ankehitriny dia tsy ampy hery firy izahay hanohitra azy; eny, izaho dia tsy te hamela ny zanako lahy kely hianjera eo an-tanany; koa nanohy ny dianay izahay ary nandeha nankany an-tany foana.

40 Ankehitriny dia tsy sahiny ny nihodina tany an-kavanana na tany an-kavia fandrao ho voatemitra; izaho koa dia tsy te hihodina any an-kavanana na any an-kavia, fandrao hahatratra ahy izy, ary tsy hahatohitra azy izahay fa ho voavono kosa, ary dia hitsoaka izy; ary dia toy izany no nandosiranay ny manontolo andro nankany an-tany foana, mandra-pahamaizina ny andro.

41 Ary ny zava-nitranga indray, nony tonga ny hazavan’ny maraina, dia nahita ny Lamanita mby eo aminy izahay ary nandositra teo anoloany izahay.

42 Nefa ny zava-nitranga dia tsy nanenjika anay lavitra izy talohan’ny nijanonany; ary izany dia tamin’ny marainan’ny andro fahatelon’ny volana fahafito.

43 Ary ankehitriny, raha toa izy ka tratran’i Antipo, dia tsy fantatray, saingy hoy aho tamin’ny oloko: Indro, tsy fantatsika raha efa nijanona izy, satria ny kendrena dia ny hahatongavantsika hanohitra azy mba hahazoany misambotra antsika ao amin’ny fandriny;

44 Noho izany, inona no lazainareo, anaka, moa va ianareo handeha hiady aminy?

45 Ary ankehitriny lazaiko aminao ry Môrônia rahalahiko malala, fa na oviana na oviana dia tsy nahita aherim-po lehibe toy izany aho, tsia, tsy teo anivon’ny Nefita rehetra.

46 Fa toy ny efa niantsoako azy ireo hoe zanako lahy (fa izy rehetra dia tena tanora) dia toy izany no nilazany tamiko hoe: Ikaky ô, indro, ny Andriamanitsika dia miaraka amintsika, ary tsy hamela antsika ho lavo Izy; aoka isika handeha amin’izany; tsy hamono ny rahalahintsika isika raha tsy maninona antsika izy; noho izany dia aoka isika handeha, fandrao dia ho resiny ny miaramilan’i Antipo.

47 Ankehitriny dia tsy mbola niady mihitsy izy ireo, kanefa tsy natahorany ny fahafatesana; ary nihevitra ny amin’ny afahafahan’ny rainy mihoatra noho ny niheverany ny ainy izy ireo; eny, efa nampianarin’ny breniny izy ireo fa raha tsy miroanahana izy ireo, dia Andriamanitra no hanafaka azy ireo.

48 Ary naveriny tamiko ny tenin’ny reniny manao hoe: Tsy miroanahana izahay, nahafantatra izany ny reninay.

49 Ary ny zava-nitranga dia niverina aho niaraka tamin’ny roa arivoko hanohitra ireo Lamanita izay efa nanenjika anay ireo. Ary ankehitriny, indro, efa nahatratra azy ny miaramilan’i Antipo, ary ady mahatsiravina no efa niantomboka.

50 Ny miaramilan’i Antipo, izay reraka noho ny dia lavitra tao anatin’ny fotoana fohy tokoa, dia efa akaiky ho lavo teo an-tanan’ny Lamanita; ary raha tsy niverina niaraka tamin’ny roa arivoko aho, dia ho efa azony izay niriany.

51 Fa efa lavo tamin-tsabatra i Antipo sy ny maro tamin’ny mpitondra, noho ny harerahany izay nateraky ny hafainganan’ny diany—koa ny olon’i Antipo, rehefa nisavoritaka noho ny fahalavoan’ny mpitondra azy, dia nanomboka nikoa teo anoloan’ny Lamanita.

52 Ary ny zava-nitranga dia nahazo hery ny Lamanita sy nanomboka nanenjika azy; ary dia toy izany no nanenjehin’ny Lamanita azy tamim-pahavitrihina be, raha nanafika ny vodilaharany i Helamàna niaraka tamin’ny roa arivony sy nanomboka nandripaka azy izaitsizy tokoa, hany ka ny miaramila Lamanita manontolo no nijanona sy niatrika an’i Helamàna.

53 Ankehitriny nony nahita ny olon’i Antipo fa efa niverina ilalana ny Lamanita dia novoriany miaraka ny olony ary notafiany indray ny vodilaharan’ny Lamanita.

54 Ary ankehitriny ny zava-nitranga dia izahay, vahoakan’i Nefia, vahoakan’i Antipo sy izaho niaraka tamin’ny roa arivoko, no nanemitra manodidina ny Lamanita sy nandripaka azy; eny, hany ka voatery izy nanolotra ny fitaovam-piadiany ary koa ny tenany ho toy ny babo an’ady.

55 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, nony efa nitolo-batana taminy izy, dia indro, nisaiko ireo zatovolahy ireo izay efa niady niaraka tamiko, noho ny fahatahorana fandrao nisy maro taminy no voavono.

56 Nefa indro, akory ny halehiben’ny fifaliako, atsy nisy na dia iray aza taminy no lavo tamin’ny tany; eny, ary efa niady miova tsy ny niaraka tamin’ny herin’ Andriamanitra izy ireo; eny, na oviana na oviana dia tsy nisy olona fantatra ho efa niady niaraka tamin’ny hery mahagaga toy izany; ary niaraka tamin’ny hery mahagaga toy izany no nianjerany tamin’ny Lamanita, ka nampitahorany azy; ary noho izany antony izany no nanoloran’ny Lamanita ny tenany ho toy ny babo an’ady.

57 Ary satria izahay tsy nanana toerana ho an’ny babonay, izay nahafahanay niambina azy ireny mba hitana azy ireny lavitra ny miaramilan’ny Lamanita, dia nalefanay tany an-tanin’i Zarahemlà izy ireny, ary niaraka taminy ny ampahany tamin’ireo lehilahin’i Antipo izay tsy voavono; ary ny sisa dia nalaiko ary nakambako tamin’ny aAmônita zatovoko, ary nandeha niverina nankany an-tanànan’i Jodeà izahay.