Ny soratra masina
Almà 58


Toko 58

Nahafaka ny tanànan’i Mantia tamin’ny tetik’ady i Helamàna, i Gida ary i Teômnera—Niesotra ny Lamanita—Notsimbinina ny zanakalahin’ny vahoakan’i Amôna noho izy ireo niorina mafy tamin’ny fiarovana ny fahafahany sy ny finoany. Tokony ho 63–62 taona talohan’i Kristy.

1 Ary indro, ankehitriny ny zava-nitranga dia ny hahazoana ny tanànan’i Mantia no tanjonay manaraka; nefa indro tsy nisy fomba izay nahafahanay nitarika azy ireo hivoaka ny tanàna tamin’ny alalan’ny antoko kelinay. Fa indro, tadidiny izay efa nataonay hatrizao; koa izany no tsy nahafahanay anamitaka azy ireo hanalavitra ny toeram-pamaharany.

2 Ary tena maro loatra noho ny miaramilanay izy ireo ka tsy sahinay ny nandroso sy nanafika azy ireo tao amin’ny toeram-pamaharany.

3 Eny, ary nanjary nilaina ny hampiasanay ny lehilahinay mba hitana ireo ampahany tamin’ny tany izay efa azonay indray ny fizakana azy; noho izany dia nanjary nilaina ny hiandrasanay mba hahazoanay mandray hery bebe kokoa avy any an-tanin’i Zarahemlà ary koa famatsiana vaovao.

4 Ary ny zava-nitranga dia nandefa iraka toy izany aho nankany amin’ny governoran’ny taninay mba hampahalala azy ny momba ny raharahan’ny vahoakanay. Ary ny zava-nitranga dia niandry ny handray vatsy sy hery avy any an-tanin’i Zarahemlà izahay.

5 Nefa indro, izany dia tsy nahasoa anay afa-tsy kely ihany; satria ny Lamanita koa dia nandray hery lehibe isan’andro isan’andro, ary koa vatsy maro; ary dia toy izany no toe-javatra teo aminy tamin’izany vanim-potoana izany.

6 Ary nisovoka an-tselika ombieny ombieny ny Lamanita nanohitra anay, rehefa tapa-kevitra ny hamongotra anay tamin’ny tetik’ady; kanefa tsy afaka namaky ady taminy izahay, noho ny toerana fiereny sy famaharany.

7 Ary ny zava-nitranga dia niandry tao anatin’ireny toe-javatra ireny izahay, nandritra ny volana maro, na dia efa saika maty aza noho ny filàna hanina.

8 Nefa ny zava-nitranga, dia nandray hanina izahay, izay nambenan’ny miaramila roa arivo lahy ho fanampiana anay; ary izay no hany fanampiana izay noraisinay, hiarovana ny tenanay sy ny taninay tsy hianjera eo an-tanan’ny fahavalonay, eny, hiadiana amin’ny fahavalo izay tsy tambo isaina.

9 Ary ankehitriny ny anton’ireo fahasahirananay ireo, na ny antony izay tsy nandefasany hery bebe kokoa ho anay, dia tsy fantatray; noho izany dia nalahelo izahay ary koa feno tahotra, fandrao mety hisy fomba hahatongavan’ny famaizan’ Andriamanitra amin’ny taninay, ho fanonganana sy ho famongorana anay tanteraka.

10 Koa noborahanay tamim-bavaka tamin’ Andriamanitra ny fanahinay mba hanatanjahany anay sy hanafahany anay eo an-tanan’ny fahavalonay, eny, ary koa hanomezany hery anay mba hahazoanay mitana ny tanànanay sy ny taninay ary ny fanananay, ho fanohanana ny vahoakanay.

11 Eny, ary ny zava-nitranga dia namangy anay tamin’ny fanomezan-toky ny Tompo Andriamanitray fa hanafaka anay Izy; eny, hany ka nanambara fiadanana Izy ho an’ny fanahinay, ary notoviny taminy ny finoana lehibe, ary nataony izay hanantenanay ny fanafahana anay ao Aminy.

12 Ary izahay dia nahazo hery niaraka tamin’ny tafika kelinay izay efa noraisinay, ka nandray fanapahan-kevitra hentitra ny handresy ny fahavalonay, ary ny ahitana ny taninay sy ny fanananay, ary ny vadinay sy ny zanakay, ary ny foto-kevitry ny bfahafahanay.

13 Ary dia toy izany no nandehananay tamin’ny herinay rehetra nanohitra ny Lamanita izay tao an-tanànan’i Mantia; ary izahay dia nanangana ny lainay teo akaikin’ny ilan’ny tany foana, izay teo akaikin’ny tanàna.

14 Ary ny zava-nitranga ny ampitso, nony nahita ny Lamanita fa izahay dia tao amin’ny sisin-tany akaikin’ny tany foana izay akaikin’ny tanàna, dia nalefany nanodidina anay ny mpitsikilony mba hahitany ny isa sy ny tanjaky ny miaramilanay.

15 Ary ny zava-nitranga nony hitany fa izahay dia tsy natanjaka, raha ny isanay, ary noho ny fahatahorana fa izahay dia hanapaka azy amin’ny fanohanana azy raha tsy mivoaka izy hiady aminy sy hamono anay, ary koa noho ny fiheverana fa afaka mamongotra anay mora foana izy miaraka amin’ny miaramilany maro, koa natombony ny fanaovana fiomanana hivoaka mba hiady aminy izy.

16 Ary nony nahita izahay fa nataony ny fiomanana mba hivoaka hiady aminy, dia indro, nasaiko nanafina ny tenany tany an-tany foana i Gida, niaraka tamin’olom-bitsy, ary i Teômnera koa sy ny olom-bitsy dia nanafina ny tenany tany an-tany foana.

17 Ankehitriny i Gida sy ny olony dia tao an-kavanana ary ny hafa tao an-kavia; ary rehefa avy nanafina ny tenany toy izany izy ireo, dia indro, izaho no nijanona niaraka tamin’ny miaramilako sisa, teo amin’ny toerana izay efa nanangananay voalohany ihany ny lainay, hiatrika ny fotoana izay hivoahan’ny Lamanita hiady.

18 Ary ny zava-nitranga dia nivoaka ny Lamanita niaraka tamin’ny miaramilany marobe hifanandrina aminy. Ary nony efa nivoaka izy ary efa handeha hanafika anay miaraka amin’ny sabatra, dia nasaiko nisintona nankany an-tany foana ny oloko, ireo izay niaraka tamiko.

19 Ary ny zava-nitranga dia nanaraka tao aorianay ny Lamanita tamin’ny hafainganana be, fa niriany izaitsizy tokoa ny hanatratra anay mba hahazoany mamono anay; koa narahiny izahay nankany an-tany foana; ary izahay dia nandalo teo afovoan’i Gida sy i Teômnera, hany ka tsy nahita azy ireo ny Lamanita.

20 Ary ny zava-nitranga nony efa nandalo ny Lamanita, na nony efa nandalo ny miaramila, dia nitsangana i Gida sy i Teômnera avy tao amin’ny toerana niafenany sy nisakana ny mpitsikilon’ny Lamanita mba tsy hiverenany any an-tanàna.

21 Ary ny zava-nitranga, nony efa nosakanany izy ireo, dia nihazakazahany tany an-tanàna ary nosovohany ny mpiambina izay navela hiambina ny tanàna, hany ka naringany izy ireo ary noraisiny ny fizakana ny tanàna.

22 Ankehitriny, izany no vita dia noho ny Lamanita namela ny miaramilany iray manontolo, afa-tsy mpiambina vitsy ihany, ho voatarika hankany an-tany foana.

23 Ary ny zava-nitranga dia tamin’izany fomba izany no efa nahazoan’i Gida sy i Teômnera ny fizakana ny toeram-pamaharany. Ary ny zava-nitranga rehefa avy nandeha naharitra tany an-tany foana izahay dia nandray ny lalana mankany an-tanin’i Zarahemlà.

24 Ary nony nahita ny Lamanita fa nandeha nankany an-tanin’i Zarahemlà izy, dia natahotra fatratra tokoa izy, fandrao dia nisy tetika voaomana hitarika azy any amin’ny famongorana; noho izany izy dia nanomboka nisintona nankany an-tany foana indray, eny, niverina tamin’ny lalana izay efa nahatongavany ihany.

25 Ary indro, alina ny andro, ary natsangany ny lainy, fa ny lohan’ny kapitenin’ny Lamanita dia efa nihevitra fa reraka ny Nefita noho ny diany; ary noho ny fiheverana fa ny miaramilany iray manontolo no efa nenjehiny, dia tsy nanana eritreritra ny momba ny tanànan’i Mantia izy.

26 Ankehitriny ny zava-nitranga nony alina, dia nataoko izay tsy hatorian’ny oloko fa ny handehanany kosa amin’ny lalan-kafa, mankany an-tanin’i Mantia.

27 Ary noho izany dianay tamin’ny fotoana alina izany, dia indro, ny ampitso izahay dia efa tany ankoatra ny Lamanita, hany ka tonga talohany tao an-tanànan’i Mantia izahay.

28 Ary dia toy izany no zava-nitranga, fa tamin’izany tetik’ady izany no nandraisanay ny fizakana ny tanànan’i Mantia tsy nisy fandatsahan-dra.

29 Ary ny zava-nitranga nony tonga teo akaikin’ny tanàna ny miaramilan’ny Lamanita, sy nahita fa izahay dia efa niomana ny hifanandrina aminy, dia talanjona izaitsizy tokoa izy sy nozoin’ny tahotra be, hany ka nandositra nankany an-tany foana.

30 Eny, ary ny zava-nitranga dia nandositra niala izany faritry ny tany rehetra izany ny miaramilan’ny Lamanita. Nefa indro, efa nentiny niaraka taminy nivoaka ny tany ny vehivavy sy ny ankizy maro.

31 Ary aireo tanàna ireo izay efa nalain’ny Lamanita, izy rehetra amin’izao vanim-potoana izao dia fanananay; ary ny rainay sy ny vehivavinay ary ny zanakay dia miverina any amin’ny ankaniny, izy rehetra afa-tsy ireo izay nalaina ho babo sy nindaosin’ny Lamanita.

32 Nefa indro, kely ny tafikay hitana tanàna maro loatra sy fananana betsaka loatra.

33 Nefa indro, izahay dia mitoky amin’ Andriamanitray izay efa nanome anay fandresena tany amin’ireo tany ireo, hany ka efa azonay ireo tanàna sy tany ireo izay anay.

34 Ankehitriny dia tsy fantatray ny antony izay tsy anomezan’ny governemanta anay hery betsaka kokoa; tsy mahalala koa ireo lehilahy izay tonga niakatra taty aminy hoe nahoana izahay no tsy nandray hery bebe kokoa.

35 Indro, tsy mahalala izahay raha toa ka tsy nahomby ianareo, na raha toa ka efa nosintoninareo ny hery hankamin’izany faritry ny tany izany; raha izany, dia tsy maniry ny himonomonona izahay.

36 Ary raha tsy izany, dia indro, matahotra izahay fa misy afisaraham-bazana ao amin’ny governemanta, ka tsy andefasany lehilahy betsaka kokoa ho fanampiana anay izahay; satria fantatray fa maro kokoa noho izay efa nalefany izy ireo.

37 Nefa, indro, tsy mampaninona izany—matoky izahay fa Andriamanitra no ahanafaka anay na dia eo aza ny fahalemen’ny miaramilanay, eny, sy hanafaka anay eo an-tanan’ny fahavalonay.

38 Indro, ity no taona fahasivy amby roapolo, tapany farany, ary mizaka ny taninay izahay; ary efa nandositra any an-tanin’i Nefia ny Lamanita.

39 Ary ireo zanakalahin’ny vahoakan’i Amôna, izay efa noresahiko tamim-pankasitrahana tokoa, dia miaraka amiko ao an-tanànan’i Mantia; ary efa nanohana azy ireo ny Tompo, eny, sy nitahiry azy ireo tsy ho lavon-tsabatra, hany ka na dia airay aza dia tsy nisy voavono.

40 Nefa indro, efa nahazo ratra maro izy ireo; kanefa dia iorenany mafy ao amin’izany afahafahana izay efa nanafahan’ Andriamanitra azy ireo izany; ary sarotiny izy ireo amin’ny fahatsiarovana ny Tompo Andriamaniny isan’andro isan’andro; eny, ezahiny ny hitandrina lalandava ny fitsipiny sy ny fitsarany ary ny didiny; ary ny finoany dia mahery ao amin’ny faminaniana momba izay ho avy.

41 Ary ankehitriny, ry Môrônia rahalahiko malala, enga anie ny Tompo Andriamanitsika izay efa nanavotra antsika sy nanafaka antsika, hitahiry anao lalandava eo anatrehany; eny, ary enga anie Izy ka hankasitraka ity vahoaka ity mba hanananareo fahombiazana amin’ny fahazoana ny fizakana ny rehetra izay efa nalain’ny Lamanita tamintsika, izay natao ho fanohanana antsika. Ary ankehitriny indro, faranako ny taratasiko. Izaho dia i Helamàna, zanakalahin’i Almà.