Ny soratra masina
Almà 63


Toko 63

Nandray ny fitanana ny rakitsoratra masina i Siblôna ary tato aoriandriana i Helamàna—Nandeha nankany amin’ny tany andafiavaratra ny Nefita maro—Nanamboatra sambo i Hagôta, izay niainga nankany amin’ny ranomasina andrefana—Nandresy ny Lamanita tamin’ny ady i Môrônihà. Tokony ho 56–52 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ny zava-nitranga, tamin’ny fiandohan’ny taona fahenina amby telopolon’ny fitondran’ny mpitsara teo amin’ny vahoakan’i Nefia, dia noraisin’i aSiblôna ny fitanana ireo bzavatra masina izay efa natolotr’i Almà an’i Helamàna.

2 Ary lehilahy marina izy sy nandeha araka ny hitsiny tokoa teo anoloan’ Andriamanitra; ary niezaka izy ny hanao ny tsara lalandava, ny hitandrina ny didin’ny Tompo Andriamaniny; ary ny rahalahiny koa dia nanao toy izany.

3 Ary ny zava-nitranga dia nodimandry koa i Môrônia. Ary dia toy izany no nifaranan’ny taona fahenina amby telopolon’ny fitondran’ny mpitsara.

4 Ary ny zava-nitranga tamin’ny taona fahafito amby telopolon’ny fitondran’ny mpitsara, dia nisy vondron’olona sesehena, niisa hatrany amin’ny efajato sy dimy arivo lahy, niaraka tamin’ny vady aman-janany, nandeha niala ny tanin’i Zarahemlà nankamin’ny tany izay tao aandafiavaratra.

5 Ary ny zava-nitranga dia olona liam-pahalalana fatratra tokoa ity Hagôta ity, koa nandeha izy sy nanamboatra sambo iray makadiry fatratra tokoa, tao amin’ny faritry ny sisin-tanin’i Soafeno, akaikin’ny tanin’i Faharavana sy nampidina izany tao amin’ny ranomasina andrefana, akaikin’ny avozontany ety izay nitondra mankamin’ny tany andafiavaratra.

6 Ary indro, nisy maro tamin’ny Nefita no niditra tao sy niantsambo niaraka tamin’ny vatsy betsaka, ary koa vehivavy sy ankizy maro; ary nizotra nianavaratra izy ireo. Ary dia toy izany no nifaranan’ny taona fahafito amby telopolo.

7 Ary tamin’ny taona fahavalo amby telopolo, ity lehilahy ity dia nanamboatra sambo hafa. Ary ny sambo voalohany koa dia niverina, ary olona maro kokoa no niditra tao amin’izany; ary naka vatsy betsaka koa izy ireo sy nanainga indray nankamin’ny tany andafiavaratra.

8 Ary ny zava-nitranga dia tsy re na oviana na oviana intsony ny momba azy ireo. Ary mihevitra izahay fa safotra tao amin’ny halalin’ny ranomasina izy ireo. Ary ny zava-nitranga dia sambo iray hafa koa no nanainga; ary izay nalehany dia tsy fantatray.

9 Ary ny zava-nitranga tamin’io taona io dia nisy maro ny olona izay niainga nankamin’ny tany aandafiavaratra. Ary dia toy izany no nifaranan’ny taona fahavalo amby telopolo.

10 Ary ny zava-nitranga tamin’ny taona fahasivy amby telopolon’ny fitondran’ny mpitsara, dia nodimandry koa i Siblôna, ary i Kôriantôna dia efa nandeha sambo nankamin’ny tany andafiavaratra mba hitondra vatsy ho an’ny vahoaka izay efa nankamin’izany tany izany.

11 Koa nilain’i Siblôna ny hanolotra ireo zavatra masina ireo, alohan’ny hahafatesany, amin’ny zanakalahin’i aHelamàna, izay nantsoina hoe Helamàna, izay nantsoina araka ny anaran-drainy.

12 Ankehitriny indro, ireo soratra avoasokitra rehetra ireo izay notanan’i Helamàna dia nosoratana sy nalefa tany anivon’ny zanak’olombelona eran’ny tany manontolo, afa-tsy ireo ampahany izay efa nodidian’i Almà btsy halefa.

13 Kanefa ireo zavatra ireo dia tsy maintsy notanana ho masina sy ahatolotry ny taranaka iray ho an’ny iray hafa; noho izany, tamin’io taona io, dia efa natolotra an’i Helamàna ireo, talohan’ny fahafatesan’i Siblôna.

14 Ary ny zava-nitranga koa tamin’io taona io dia nisy mpiendaka maro izay efa nandeha nankany amin’ny Lamanita; ary nambosina indray izy ho tezitra amin’ny Nefita.

15 Ary tamin’io taona io ihany koa dia nidina izy niaraka tamin’ny miaramila sesehena mba hiady amin’ny vahoakan’i aMôrônihà, na amin’ny miaramilan’i Môrônihà, tamin’izany no nandresena sy nanosehana azy indray hiverina any amin’ny taniny ihany, rehefa niaritra famoizana be.

16 Ary dia toy izany no nifaranan’ny taona fahasivy amby telopolon’ny fitondran’ny mpitsara teo amin’ny vahoakan’i Nefia.

17 Ary dia toy izany no nifaranan’ny fitantaran’i Almà sy i Helamàna zanany lahy, ary koa i Siblôna izay zanany lahy.