Toko 1

Nahery nivavaka tokoa i Enôsa ary nahazo ny famelana ny fahotany izy—Tonga tao an-tsainy ny feon’ ny Tompo, nampanantena famonjena ho an’ ny Lamanita amin’ ny andro ho avy—Nikatsaka ny hanarina ny Lamanita ny Nefita—Nifaly tamin’ ny Mpanavotra azy i Enôsa. Tokony ho 420 talohan’ i J.K.

1 Indro, ny zava-nitranga, izaho aEnôsa, noho ny fahalalako ny raiko fa bizy dia lehilahy marina—fa izy dia dnampianatra ahy tamin’ ny fiteniny ary koa tamin’ ny efanabeazana sy ny fananarana araka ny Tompo—ary hotahiana anie ny anaran’ ny Andriamanitro noho izany—

2 Ary izaho dia hilaza aminareo ny amin’ ny atolona izay nataoko teo anoloan’ Andriamanitra, talohan’ ny nahazoako ny bfamelana ny fahotako.

3 Indro, nandeha nihaza bibidia tany an’ ala aho; ary ny teny izay efa reko matetika notenenin-draiko momba ny fiainana mandrakizay sy ny afifalian’ ny olomasina dia btafalatsaka lalina tao am-poko.

4 Dia amosarena ny fanahiko; ary bnandohalika teo anoloan’ ny Mpanao ahy aho ary nitalaho taminy sady nahery dnivavaka no nitaraina ho an’ ny fanahiko ihany; ary nandritra ny manontolo andro no nitalahoako taminy; eny, ary rehefa tonga ny alina dia mbola nanandratra avo ny feoko aho ka nahatakatra ny lanitra izany.

5 Ary nisy afeo tonga tamiko, nanao hoe: Ry Enôsa, voavela ny fahotanao ary hotahiana ianao.

6 Ary izaho Enôsa dia nahafantatra fa tsy afaka mandainga Andriamanitra; noho izany, dia nofafana ny hadisoako.

7 Ary hoy aho: Ahoana no mahatò izany, Tompo ô?

8 Ary hoy Izy tamiko: Noho ny afinoanao an’ i Kristy izay tsy mbola henonao na hitanao na oviana na oviana. Ary taona maro no ho lasana mialohan’ ny hanehoany ny tenany ao amin’ ny nofo; koa mandehana, ny finoanao no efa bnamonjy anao.

9 Ankehitriny, ny zava-nitranga, nony efa nandre ireo teny ireo aho, dia nanomboka nahatsapa afaniriana ho an’ ny fiadanan’ ny Nefita rahalahiko; koa, ho azy no bnamborahiko tamin’ Andriamanitra ny tao am-poko manontolo.

10 Ary raha mbola nitolona am-panahy toy izany aho, indro tonga tao aan-tsaiko indray ny feon’ ny Tompo, nanao hoe: Izaho hamangy ny rahalahinao araka ny fahazotoany mitandrina ny didiko. Efa bnomeko azy ity tany ity, ary tany masina izany; ary Izaho tsy dhanozona azy raha tsy noho ny amin’ ny heloka; noho izany Aho dia hamangy ny rahalahinao araka izay efa nolazaiko; ary ny fandikany lalàna dia haidiko miaraka amin’ alahelo eo ambony lohany ihany.

11 Ary rehefa nandre ireo teny ireo izaho Enôsa dia nanomboka ho tsy azo hozongozonina ny finoako ny Tompo; ary nitolona am-bavaka maro sy naharitra taminy aho ho an’ ny Lamanita rahalahiko.

12 Ary ny zava-nitranga, rehefa avy anivavaka sy niasa tamin’ ny fahazotoana rehetra aho, dia hoy ny Tompo tamiko: Hotoviko aminao araka ny bfanirianao noho ny finoanao.

13 Ary ankehitriny, indro izao no faniriana izay niriako taminy—fa raha toa ka ho lavo ao amin’ ny fandikany lalàna ny Nefita oloko ary mety ho afongotra, ary tsy ho fongotra kosa ny Lamanita, dia ny mba bhitsimbinan’ ny Tompo Andriamanitra ny rakitsoratry ny Nefita, oloko, na dia ho amin’ ny herin’ ny sandriny masina aza izany mba hahazoana dmamoaka izany ho an’ ny Lamanita amin’ ny andro ho avy, ka angamba ho azo etarihina ho amin’ ny famonjena izy—

14 Fa azava-poana amin’ izao fotoana izao ny fikelezanay aina amin’ ny fampodiana azy ho amin’ ny finoana marina. Ary miozonozona izy ao amin’ ny fahatezerany, fa raha azo atao, dia ho bnofongorany miaraka izahay sy ny rakitsoratray, ary koa ny fomban-drazanay rehetra.

15 Koa, noho ny fahalalako fa afaka anitsimbina ny rakitsoratray ny Tompo Andriamanitra dia nitalaho Taminy lalandava aho, fa hoy Izy tamiko: Na inona na inona zavatra angatahinao amin’ ny finoana, rehefa mino fa hahazo ianao amin’ ny anaran’ i Kristy, dia ho azonao izany.

16 Ary nanana finoana aho, ary izaho dia nitalaho tamin’ Andriamanitra mba ahitsimbinany ny brakitsoratra; ary nanao fanekempihavanana tamiko Izy fa dhamoaka izany ho an’ ny Lamanita amin’ ny fotoana mahamety izany Aminy.

17 Ary izaho Enôsa dia nahalala fa izany dia ho araka ny fanekempihavanana izay efa nataony; noho izany dia nitony ny fanahiko.

18 Ary hoy ny Tompo tamiko: Ny razanao koa efa nangataka tamiko izany zavatra izany; ary dia hotanterahina aminy araka ny finoany izany; fa ny finoany dia toy ny anao.

19 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, izaho Enôsa dia nivezivezy tany anivon’ ny vahoakan’ i Nefia, naminany ny amin’ ny zavatra ho avy ary nanambara ny amin’ ny zavatra izay efa reko sy hitako.

20 Ary izaho dia vavolombelona manambara fa ny vahoakan’ i Nefia dia nikatsaka tamim-pahazotoana tokoa ny hampody ny Lamanita ho amin’ ny tena finoana an’ Andriamanitra. Saingy zava-poana ny aasanay; lalim-paka ny fankahalany, ary nentanin’ ny toetra ratsiny izy ka zary olon-dia sy loza-be ary blian-dra, feno dfanompoan-tsampy sy fahalotoana; homana bibidia; mitoetra anaty lay ary mirenireny any an-tany foana ka hodibiby no sikina fohy eo am-balahany, ary mangadihady ny lohany; ary ao amin’ ny fampiasana etsipìka sy sabatra ary famaky ny hakingany. Ary maro taminy no tsy nihinana na inona na inona afa-tsy hena manta; ary nikatsaka lalandava ny hamongotra anay izy.

21 Ary ny zava-nitranga dia niasa ny tany ny vahoakan’ i Nefia ary anikolo ny karazana rehetra tamin’ ny voamaina sy ny voankazo, ary andiana karazam-biby fiompy rehetra, ary osy sy osy dia, ary koa soavaly maro.

22 Ary nisy ampaminany maro izaitsizy tokoa teo aminay. Ary vahoaka bmafy hatoka ny vahoaka, malaina hanakatra.

23 Ary tsy nisy afa-tsy ny afihenjanana mihoa-pampana, ny bfitoriana ary ny faminaniana momba ny ady, mbamin’ ny fifandirana sy ny faharavana, ary ny dfampahatsiahivana azy lalandava ny fahafatesana sy ny faharetan’ ny mandrakizay, ary ny famaliana sy ny herin’ Andriamanitra, ary ireo zavatra rehetra ireo—no hanairana azy elalandava ka hitanana azy amin’ ny fahatahorana ny Tompo. Ambarako fa tsy misy afa-tsy ireo zavatra ireo sy ny fahatsoram-pitenenana lehibe izaitsizy tokoa no hihazona azy tsy hivarina faingana tokoa any amin’ ny famongorana. Ary araka izany fomba izany no anoratako ny momba azy.

24 Ary nahita ady teo amin’ ny Nefita sy ny Lamanita aho nandritra ny androko.

25 Ary ny zava-nitranga dia nandroso fahanterana aho ary sivy amby fitopolo amby zato taona no efa lasana hatramin’ ny fotoana anandaozan’ i Lehia rainay an’ i Jerosalema.

26 Ary hitako fa tsy ho ela dia tsy maintsy midina any am-pasako aho, rehefa avy nentanin’ ny herin’ Andriamanitra fa tsy maintsy mitory sy maminany amin’ ity vahoaka ity ary manambara ny teny araka ny fahamarinana izay ao amin’ i Kristy. Ary efa nanambara izany aho nandritra ny androko rehetra ka nifaly tamin’ izany mihoatra noho ny tamin’ ny zavatr’ izao tontolo izao.

27 Ary tsy ho ela aho dia handeha any amin’ ny toerana ahialako sasatra, izay hiarahako amin’ ny Mpanavotra ahy, satria fantatro fa ao Aminy no hialako sasatra. Ary mifaly amin’ ny andro izay hitafian’ ny tenako bmety maty ny dtsy fahafatesana aho sy hijoroako eo anoloany; ary amin’ izany aho dia ho finaritra hahita ny tavany, ary Izy hiteny amiko hoe: Avia aty Amiko, ianao notahiana, fa efa misy toerana voavoatra ho anao ao ean-tranon-dRaiko. Amena.