Ny soratra masina
Helamàna 11


Toko 11

Noresen’i Nefia lahatra ny Tompo mba hanolo ny adiny ho mosary—Maro ny olona maty—Nibebaka izy, ary nitalaho orana tamin’ny Tompo i Nefia—Nandray fanambarana maro i Nefia sy i Lehia—Niorim-paka teo amin’ny tany ny jirik’i Gadiantôna. Tokony ho 20–6 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, tamin’ny taona faharoa amby fitopolon’ny fitondran’ny mpitsara, dia nitombo ny fifandirana, hany ka nisy ady eran’ny tany manontolo tany anivon’ny vahoakan’ny Nefia rehetra.

2 Ary io aandiana jirika io no nanatontosa ity asan’ny fandravana sy ny faharatsiana ity. Ary izany ady izany dia naharitra mandavantaona; ary tamin’ny taona fahatelo amby fitopolo dia naharitra koa izany.

3 Ary ny zava-nitranga, tamin’izany taona izany, dia nitalaho tamin’ny Tompo i Nefia, nanao hoe:

4 Tompo ô, aza avela ho fongana amin’ny sabatra ity vahoaka ity; fa aleo kosa, Tompo ô, hisy ny amosary eo amin’ny tany mba hanairana azy ho amin’ny fahatsiarovana ny Tompo Andriamaniny, ary angamba hibebaka izy sy hitodika Aminao.

5 Ary dia to izany, araka ny tenin’i Nefia. Ary nisy mosary lehibe teo amin’ny tany, tany anivon’ny vahoakan’i Nefia manontolo. Ary dia toy izany no nitohizan’ny mosary tamin’ny taona fahefatra amby fitopolo, ary ny asan’ny famongorana tamin’ny sabatra dia nitsahatra, fa nanjary nangidy kosa izany tamin’ny mosary.

6 Ary izany asan’ny famongorana izany dia nitohy koa tamin’ny taona fahadimy amby fitopolo. Fa nokapohana ny tany ka dia maina izany sy tsy namokatra voa tamin’ny fotoan’ny voa; ary nokapohana ny tany manontolo, tany anivon’ny Lamanita tahaka ny tany anivon’ny Nefita, dia nokapohana izy ireo ka an’arivony no maty tany amin’ny faritry ny tany ratsy indrindra.

7 Ary ny zava-nitranga dia nahita ny vahoaka fa efa akaiky ho fatin’ny mosary izy, ary nanomboka anahatsiaro ny Tompo Andriamaniny izy; ary nanomboka nahatsiaro ny tenin’i Nefia izy.

8 Ary ny vahoaka dia nanomboka niangavy ny lohan’ny mpitsarany sy ny mpitondra azy mba hilazany amin’i Nefia hoe: Indro, fantatray fa lehilahin’ Andriamanitra ianao, ary noho izany dia mitalahoa amin’ny Tompo Andriamanitsika mba hanodinany ity mosary ity hiala amintsika, fandrao ny ateny rehetra izay efa noteneninao momba ny famongorana anay dia ho tanteraka.

9 Ary ny zava-nitranga dia nilaza tamin’i Nefia ny mpitsara, araka ny teny izay efa niriana. Ary ny zava-nitranga, nony nahita i Nefia fa efa nibebaka ny vahoaka sy nanetry ny tenany tamin’ny lamba fisaonana, dia niantso indray ny Tompo izy, nanao hoe:

10 Tompo ô, indro mibebaka ity vahoaka ity; ary efa nofafana hiala avy teo anivony ny tarik’i Gadiantôna, hany ka efa zary fongana ireo, ary efa naleviny tao anaty tany ny drafiny miafina.

11 Ankehitriny, Tompo ô, noho izao fanetrentenany izao dia Ianao anie hanodina ny fahatezeranao, ary aoka ny fahatezeranao ho tony amin’ny famongorana ireo olon-dratsy izay efa nofongoranao sahady.

12 Tompo ô, Ianao anie hanodina ny fahatezeranao, eny, ny fahatezeranao mirehitra sy hanao izay hampitsahatra ity mosary ity amin’ny tany.

13 Tompo ô, Ianao anie hihaino ahy sy hanao izay hahatanteraka izany araka ny teniko ary handrotsaka aorana ambonin’ny tany hahazoany mamokatra ny voankazony sy ny voany amin’ny fotoan’ny voa.

14 Tompo ô, Ianao dia nihaino ny ateniko fony aho nilaza hoe: Aoka hisy ny mosary mba hahazoan’ny fandringanana amin’ny sabatra mitsahatra; ary fantatro fa Ianao, na dia amin’izao fotoana izao aza, dia mihaino ny teniko, satria Ianao no nilaza fa: Raha mibebaka ity vahoaka ity dia hitsimbina azy Aho.

15 Eny, Tompo ô, ary hitanao fa efa nibebaka izy, noho ny mosary sy ny areti-mandringana ary ny famongorana izay efa tonga taminy.

16 Ary ankehitriny, Tompo ô, Ianao anie hanodina ny fahatezeranao sy hizaha indray raha hanompo Anao izy? Ary raha izany, Tompo ô, dia afaka mitahy azy Ianao araka ny teninao izay efa nolazainao.

17 Ary ny zava-nitranga, tamin’ny taona fahenina amby fitopolo, dia nahodin’ny Tompo hiala tamin’ny vahoaka ny fahatezerany, ary nataony izay hirotsahan’ny aorana tamin’ny tany, hany ka dia namoa ny voankazony izany tamin’ny fotoan’ny voankazony. Ary ny zava-nitranga dia namoa ny voany izany tamin’ny fotoan’ny voany.

18 Ary indro, nifaly ny vahoaka ary nankalaza an’ Andriamanitra, ary ny lafin-tany manontolo dia heniky ny hafaliana; ary tsy nokatsahiny intsony ny hamongotra an’i Nefia, fa noheveriny kosa ho toy ny ampaminany lehibe sy lehilahin’ Andriamanitra izy manana ny hery lehibe sy ny fahefana nomena azy avy tamin’ Andriamanitra.

19 Ary indro, i Lehia, rahalahiny, dia tsy alatsa-danja noho izy raha ny zavatra mikasika ny fahamarinana.

20 Ary arak’izany, ny zava-nitranga dia nanomboka niroborobo indray teo amin’ny tany ny vahoakan’i Nefia sy nanomboka nanarina ny toerany rava ary nanomboka nitombo sy niely patrana mandra-pamenony ny lafin-tany manontolo, na tao andafiavaratra na tao andafiatsimo, hatrany amin’ny ranomasina andrefana ka hatrany amin’ny ranomasina atsinanana.

21 Ary ny zava-nitranga dia nifarana tao amin’ny fandriampahalemana ny taona fahenina amby fitopolo. Ary nanomboka tao amin’ny fandriampahalemana ny taona fahafito amby fitopolo; ary ny afiangonana dia niely patrana eran’ny lafin’ny tany manontolo; ary ny ankamaroan’ny olona, na Nefita na Lamanita, dia isan’ny fiangonana; ary nanana fandriampahalemana izaitsizy tokoa teo amin’ny tany izy; ary dia toy izany no nifaranan’ny taona fahafito amby fitopolo.

22 Ary nanana fandriampahalemana koa izy tamin’ny taona fahavalo amby fitopolo, raha tsy teo ny fifandirana vitsy momba ny lafiny amin’ny fotopampianarana izay efa napetraky ny mpaminany.

23 Ary tamin’ny taona fahasivy amby fitopolo dia nanomboka nisy ny fifamaliana be. Nefa ny zava-nitranga dia i Nefia sy i Lehia ary ny maro tamin’ny rahalahiny izay nahalala ny momba ny lafiny marina amin’ny fotopampianarana, dia nanana afanambarana maro isan’andro, koa nitory tamin’ny vahoaka izy ireo, hany ka nasiany farany ny fifamaliany tamin’izay taona izay ihany.

24 Ary ny zava-nitranga, tamin’ny taona fahavalopolon’ny fitondran’ny mpitsara teo amin’ny vahoakan’i Nefia, dia nisy ny mpiendaka sasany avy tamin’ny vahoakan’i Nefia, izay efa lasana tany amin’ny Lamanita taona vitsivitsy lasa sy efa nitondra ny anaran’ny Lamanita, ary ny sasany koa izay tena tamingan’ny Lamanita, izay novokisan’izy ireo na ireo mpiendaka ireo ho tezitra noho izany dia natombony ny ady tamin’ny rahalahiny.

25 Ary izy ireo dia nahavita vonoan’olona sy fandrobana; ary rehefa izany dia nisintona niverina tany an-tendrombohitra sy tany an-tany foana, ary tany amin’ny toerana miafina izy ireo, nanafina ny tenany mba tsy hahitana azy ireo, nandray isan’andro ho fanampin’ny isany, satria nisy ny mpiendaka izay nandeha nankany aminy.

26 Ary dia toy izany, araka ny fotoana, eny, na dia tao anatin’ny taona tsy dia maro aza no nahatonga azy ireo ho andiana jirika lehibe izaitsizy tokoa; ary izy ireo dia nikaroka ny drafitra miafin’i Gadiantôna rehetra; ary dia toy izany no nahatonga azy ireo ho jirik’i Gadiantôna.

27 Ankehitriny, indro, ireo jirika ireo dia nanao fanimbana betsaka, eny, dia fandravana lehibe teo anivon’ny vahoakan’i Nefia ary koa teo anivon’ny vahoakan’ny Lamanita.

28 Ary ny zava-nitranga dia nanjary nilaina ny hanisiana farany izany asan’ny fandravana izany; koa nalefany ny vata-miaramila matanjaka nankany an-tany foana sy tany an-tendrombohitra mba hikaroka ity andiana jirika ity sy hamongotra azy.

29 Saingy indro, ny zava-nitranga, tamin’izany taona izany ihany, dia voatosika hiverina any amin’ny taniny ihany izy ireo. Ary dia toy izany no nifaranan’ny taona fahavalopolon’ny fitondran’ny mpitsara teo amin’ny vahoakan’i Nefia.

30 Ary ny zava-nitranga, tamin’ny fiandohan’ny taona fahiraika amby valopolo dia nandeha indray ireo hanohitra ity andiana jirika ity, sy nandringana maro; ary nianjadian’ny fandringanana be koa izy ireo.

31 Ary voatery indray izy ireo hiverina avy tany an-tany foana sy avy tany an-tendrombohitra hankany amin’ny taniny ihany, noho ny halehibeazan’ny isan’ireo mpangalatra ireo izaitsizy, izay nanenika ny tendrombohitra sy ny tany foana.

32 Ary ny zava-nitranga dia toy izany no nifaranan’izany taona izany. Ary ny jirika dia mbola nitombo sy nihanatanjaka, hany ka nohantsiany ny miaramilan’ny Nefita manontolo, ary koa ny an’ny Lamanita; ary nataony izay hahatongavan’ny tahotra tamin’ny vahoaka eran’ny lafiny rehetra tamin’ny tany.

33 Eny, fa izy ireo dia namangy ny faritra maro tamin’ny tany sy nanao fandravana lehibe tamin’ireny; eny, namono ny maro sy nitondra ny hafa ho babo nankany an-tany foana, eny, ary indrindra indrindra ireo vadiny sy zanany.

34 Ankehitriny, izao antambo lehibe izao izay tonga tamin’ny vahoaka noho ny helony dia nanaitra azy indray ho amin’ny fahatsiarovana ny Tompo Andriamaniny.

35 Ary dia toy izany no nifaranan’ny taona fahiraika amby valopolon’ny fitondran’ny mpitsara.

36 Ary tamin’ny taona faharoa amby valopolo dia nanomboka ananadino ny Tompo Andriamaniny indray izy. Ary tamin’ny taona fahatelo amby valopolo dia nanomboka ho nihanahery tao amin’ny heloka izy. Ary tamin’ny taona fahefatra amby valopolo dia tsy nanitsy ny lalany izy.

37 Ary ny zava-nitranga, tamin’ny taona fahadimy amby valopolo, dia nihanahery hatrany hatrany izy tao amin’ny fiavonavonany sy tao amin’ny faharatsiany; ary dia toy izany no nahamasaka azy indray ho amin’ny famongorana.

38 Ary dia toy izany no nifaranan’ny taona fahadimy amby valopolo.