Ny soratra masina
Helamàna 4


Toko 4

Nampitambatra ny heriny ny mpiendaka Nefita sy ny Lamanita ary naka ny tanin’i Zarahemlà—Tonga ny faharesen’ny Nefita noho ny faharatsiany—Nihemotra ny fiangonana, ary nanjary nalemy toy ny Lamanita ny vahoaka. Tokony ho 38–30 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ny zava-nitranga tamin’ny taona fahefatra amby dimampolo, dia nisy fisaraham-bazana maro tao amin’ny fiangonana, ary nisy koa afifandirana teo anivon’ny vahoaka, hany ka nisy fandatsahan-dra be.

2 Ary ny ampahan’ny mpikomy dia novonoina sy noroahina hiala ny tany, ary nandeha izy ireo nankany amin’ny mpanjakan’ny Lamanita.

3 Ary ny zava-nitranga dia noezahany ny hamoky ny Lamanita hiady amin’ny Nefita; nefa indro, natahotra izaitsizy tokoa ny Lamanita, hany ka tsy tiany henoina ny tenin’ireo mpiendaka ireo.

4 Nefa ny zava-nitranga, tamin’ny taona fahenina amby dimampolon’ny fitondran’ny mpitsara, dia nisy ny ampiendaka izay nandeha niakatra avy tany amin’ny Nefita nankany amin’ny Lamanita; ary dia nahomby ireo, niaraka tamin’ireo hafa, tamin’ny famokisana azy ho tezitra amin’ny Nefita; ary niomana ho amin’ny ady izy tamin’izany mandavantaona izany.

5 Ary tamin’ny taona fahafito amby dimampolo dia nandeha nidina izy hiady amin’ny Nefita, ary natombony ny asan’ny fahafatesana; eny, hany ka tamin’ny taona fahavalo amby dimampolon’ny fitondran’ny mpitsara dia nahomby izy tamin’ny fahazoana ny fizakana ny tanin’i Zarahemlà; eny, ary koa ny tany rehetra, na dia hatramin’ny tany izay akaikin’ny tanin’i Soafeno aza.

6 Ary ny Nefita sy ny miaramilan’i Môrônihà dia voatosika hatrany an-tanin’i Soafeno;

7 Ary tao izy no nanamafy ny toeram-piarovana hanoherana ny Lamanita, hatrany amin’ny ranomasina andrefana ka hatrany atsinanana; izany dia lalana indray andro ho an’ny Nefita iray, manaraka ny faritra izay efa nohamafisiny sy nametrahany ny miaramilany hiaro ny taniny avaratra.

8 Ary dia toy izany no efa nahazoan’ireo mpiendaka tamin’ny Nefita ireo, niaraka tamin’ny fanampian’ny miaramilan’ny Lamanita sesehena, ny fananan’ny Nefita rehetra izay tao amin’ny tany andafiatsimo. Ary izany rehetra izany dia efa natao tamin’ny taona fahavalo amby dimampolo sy fahasivy amby dimampolon’ny fitondran’ny mpitsara.

9 Ary ny zava-nitranga tamin’ny taona fahenimpolon’ny fitondran’ny mpitsara dia nahomby i Môrônihà sy ny miaramilany tamin’ny fahazoana faritra maro tamin’ny tany; eny, azony indray ny tanàna maro izay efa nianjera teo an-tanan’ny Lamanita.

10 Ary ny zava-nitranga tamin’ny taona fahiraika amby enimpolon’ny fitondran’ny mpitsara, dia nahomby izy tamin’ny fahazoana indray, na dia ny antsasaky ny fananany rehetra aza.

11 Ankehitriny izany famoizana lehibe an’ny Nefita izany sy ny fandringanana lehibe izay nisy teo anivony dia tsy ho nitranga raha tsy noho ny faharatsiany sy ny fahavetavetany izay nisy teo anivony; eny, izany koa dia teo anivon’ireo izay nihambo ho isan’ny fiangonan’ Andriamanitra.

12 Ary izany dia noho ny aavonavon’ny fony, noho ny bhareny fatratra, eny, izany dia noho ny fampahoriany ny dmahantra, ny fihazonany ny haniny tsy ho an’ny noana, ny fihazonany ny fitafiany tsy ho an’ny mitanjaka sy ny fitehafana teo amin’ny takolaka ny rahalahiny mietry tena, ny fanarabiana izay masina, ny fandavana ny fanahin’ny faminaniana sy ny an’ny fanambarana, ny famonoana, ny fandrobana, ny fandaingana, ny fangalarana, ny fijangajangana, ny fananganana fifandirana lehibe ary ny fitsoahany nankany an-tanin’i Nefia, tany anivon’ny Lamanita—

13 Ary noho izany faharatsiany lehibe izany sy ny afireharehany tamin’ny heriny ihany, dia navela tao amin’ny heriny ihany izy; noho izany izy dia tsy niroborobo, fa nampahoriana sy nokapohina kosa ary noroahina teo anoloan’ny Lamanita, mandra-pahatonga ny fizakana saiky ny taniny rehetra ho very.

14 Nefa indro, i Môrônihà dia nitory zavatra maro tamin’ny vahoaka noho ny helony, ary i aNefia sy i Lehia koa izay zanakalahin’i Helamàna dia nitory zavatra maro tamin’ny vahoaka, eny, naminany zavatra maro taminy momba ny helony sy izay hanjo azy raha tsy mibebaka amin’ny fahotany izy.

15 Ary ny zava-nitranga dia nibebaka izy, ary arakaraka ny nibebahany no nanombohany niroborobo.

16 Fa nony nahita i Môrônihà fa nibebaka izy dia sahiny ny nitarika azy isan-toerana sy isan-tanàna, mandra-pahazoany indray ny antsasaky ny fananany sy ny antsasaky ny taniny rehetra.

17 Ary dia toy izany no nifaranan’ny taona fahiraika amby enimpolon’ny fitondran’ny mpitsara.

18 Ary ny zava-nitranga tamin’ny taona faharoa amby enimpolon’ny fitondran’ny mpitsara, dia tsy nety nahazo fananana intsony tamin’ny Lamanita i Môrônihà.

19 Koa nafoiny ny fikasany hahazo ny sisa tavela tamin’ny taniny, fa maro loatra ny Lamanita ka nanjary tsy vitan’ny Nefita ny hanana fahefana misimisy kokoa aminy; noho izany i Môrônihà dia nampiasa ny miaramilany rehetra hitana ireo faritra izay efa azony ireo.

20 Ary ny zava-nitranga, noho ny habetsahan’ny isan’ny Lamanita, dia tao amin’ny tahotra be ny Nefita fandrao ho resy tosika sy ho voahosihosy ary ho voavono sy ho voaringana izy.

21 Eny, nanomboka nahatsiaro ny faminanian’i Almà izy, ary koa ny tenin’i Môzià; ary hitany fa efa nanjary vahoaka mafy hatoka izy ary nataony tsinontsinona ny didin’ Andriamanitra;

22 Ary efa novany sy nohosihoseny tamin’ny tongony ny alalàn’i Môzià, na izay nandidian’ny Tompo azy homena ny vahoaka; ary hitany fa ny lalàny dia efa nivaona ary efa nanjary vahoaka mamohehatra izy, hany ka efa lasa mamohehatra mihitsy toy ny Lamanita.

23 Ary noho ny helony dia efa nanomboka anihemotra ny fiangonana; ary nanomboka tsy nino ny fanahin’ny faminaniana sy ny fanahin’ny fanambarana izy; ary ny fitsaran’ Andriamanitra dia nibanjina azy nifanatrika.

24 Ary hitany fa efa analemy tahaka ny Lamanita rahalahiny izy, fa tsy nitsimbina azy intsony ny Fanahin’ny Tompo; eny, izany dia efa nisintona niala taminy, satria tsy mitoetra ao amin’ny tempoly izay btsy masina ny dFanahin’ny Tompo—

25 Noho izany ny Tompo dia nitsahatra nitsimbina azy tamin’ny heriny mahagaga sy tsy manan-tsahala, satria efa lavo tao amin’ny toetry ny atsy finoana sy ny faharatsiana mahatsiravina izy; ary hitany fa ny Lamanita dia maro izaitsizy tokoa noho izy, ary raha tsy bfikiriny ny Tompo Andriamaniny, dia tsy azo ihodivirana ny tsy maintsy hahafaty azy.

26 Fa indro, hitany fa ny tanjaky ny Lamanita dia lehibe toy ny tanjany, olona iray ho an’ny olona iray. Ary dia toy izany no efa nahalavo azy tao amin’izao fandikan-dalàna lehibe izao; eny, dia toy izany no efa nahatonga azy ho malemy, noho ny fandikany lalàna, tao anatin’ny taona atsy dia maro loatra.