Ny soratra masina
Helamàna 6


Toko 6

Nitory tamin’ny Nefita mamohehatra ny Lamanita marina—Niroborobo ny vahoaka roa tonta nandritra ny fotoan’ny fandriampahalemana sy ny fahafenoana—I Losifera, fototry ny ota, dia namoky ny fon’ny olon-dratsy sy ny jirik’i Gadiantôna ho amin’ny famonoana sy ny faharatsiana—Nandray ny fitondrana ny governemanta Nefita ny jirika—Tokony ho 29–23 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ny zava-nitranga nony efa nifarana ny taona faharoa amby enimpolon’ny fitondran’ny mpitsara, dia efa nitranga avokoa ireo zavatra ireo ary ny Lamanita dia efa tonga olo-marina ny ankamaroany, hany ka ny afahamarinany dia nihoatra ny an’ny Nefita, noho ny fiorenany sy ny fifotorany tao amin’ny finoana.

2 Fa indro, nisy maro tamin’ny Nefita no efa nanjary anihamafy fo sy tsy nivalo ary bontolo ratsy tokoa, hany ka notsipahiny ny tenin’ Andriamanitra sy ny fitoriana ary ny faminaniana rehetra izay tonga tany anivony.

3 Na dia teo aza izany, ny vahoakan’ny fiangonana dia nanana fifaliana lehibe noho ny fiovam-pon’ny Lamanita, eny, noho ny fiangonan’ Andriamanitra, izay efa niorina tany anivony. Ary anifampihavana sy niara-paly izy samy izy ary nanam-pifaliana lehibe.

4 Ary ny zava-nitranga dia maro tamin’ny Lamanita no nandeha nidina tany an-tanin’i Zarahemlà sy nanambara tamin’ny vahoakan’ny Nefita ny fomban’ny afiovam-pony ary namporisika azy ho amin’ny finoana sy ny fibebahana.

5 Eny, ary maro no nitory tamin-kery sy fahefana lehibe izaitsizy tokoa, ka nitondra ny maro taminy hidina any amin’ny halalin’ny fanentretena mba ho mpanara-dia manetry tena an’ Andriamanitra sy ny Zanakondry.

6 Ary ny zava-nitranga dia maro tamin’ny Lamanita no nandeha nankamin’ny tany andafiavaratra; ary i Nefia sy i Lehia koa dia nandeha nankamin’ny atany andafiavaratra, hitory amin’ny vahoaka. Ary dia toy izany no nifaranan’ny taona fahatelo amby enimpolo.

7 Ary indro, nisy fandriampahalemana teo amin’ny tany manontolo, hany ka ny Nefita dia nandeha na taiza na taiza faritry ny tany tiany haleha, na tany anivon’ny Nefita na ny Lamanita.

8 Ary ny zava-nitranga dia nandeha koa ny Lamanita na taiza na taiza tiany haleha, na tany anivon’ny Lamanita izany, na tany anivon’ny Nefita; ary dia toy izany no nananany fifaneraserana malalaka teo amin’izy samy izy, na hividy na hivarotra, na haka tombony araka ny faniriany.

9 Ary ny zava-nitranga dia nanjary mpanefoefo izaitsizy tokoa izy, na ny Lamanita na ny Nefita; ary nanana amby ampy izy tamin’ny volamena sy tamin’ny volafotsy ary tamin’ny karazana metaly sarobidy rehetra, na tao amin’ny tany atsimo, na tao amin’ny tany avaratra.

10 Ankehitriny, ny tany atsimo dia nantsoina hoe Lehia ary ny tany avaratra dia nantsoina hoe aMioleka izay araka ny anaran’ny zanakalahin’i Zedekià; fa ny Tompo dia nitondra an’i Mioleka hankamin’ny tany avaratra ary i Lehia hankamin’ny tany atsimo.

11 Ary indro, nisy ny karazam-bolamena rehetra tamin’ireo tany roa ireo sy ny karazam-bolafotsy ary rehefa mety ho akora sarobidy isan-karazany; ary nisy koa mpanao taozavatra havanana izay niasa ny karazana metaly rehetra sy nanadio izany; ary dia toy izany no nahatonga azy ho mpanefohefo.

12 Namboleny ny voa sesehena, na tany avaratra na tany atsimo; ary niroborobo izaitsizy tokoa izy, na tany avaratra na tany atsimo. Ary nitombo sy nihanahery izaitsizy teo amin’ny tany izy. Ary nokoloiny ny biby fiompy maro, eny, biby nafahy maro.

13 Indro, ny vehivaviny dia nilofo sy namoly ary nanao ny karazan-damba rehetra tamin’ny hariry madinika sy ny lamba isan-karazany mba hatafy ny fitanjahany. Ary dia toy izany no nandalovan’ny taona fahefatra amby enimpolo tao anatin’ny fandriampahalemana.

14 Ary tamin’ny taona fahadimy amby enimpolo dia nananany koa ny fifaliana lehibe sy ny fandriampahalemana, eny, ny fitoriana betsaka sy ny faminaniana maro momba izay ho avy. Ary dia toy izany no nandalovan’ny taona fahadimy amby enimpolo.

15 Ary ny zava-nitranga, tamin’ny taona fahenina amby enimpolon’ny fitondran’ny mpitsara, dia indro novonoin’ny tanana tsy fantatra i aSezôrama raha nipetraka teo amin’ny toeram-pitsarana. Ary ny zava-nitranga, tamin’izay taona izay ihany, dia ny zanany lahy izay efa notendren’ny vahoaka ho eo amin’ny toerany dia voavono koa. Ary dia toy izany no nifaranan’ny taona fahenina amby enimpolo.

16 Ary tamin’ny fiandohan’ny taona fahafito amby enimpolo dia nanomboka ho lasa ratsy izaitsizy tokoa indray ny vahoaka.

17 Fa indro, efa nitahy azy ela tokoa ny Tompo tamin’ny haren’izao tontolo izao ka tsy voambosy ho amin’ny fahatezerana izy, ho amin’ny ady, na koa ho amin’ny fandatsahan-dra; noho izany dia nanomboka nametraka ny fony tamin’ny harena izy; eny, nanomboka nikatsaka ny hahazo tombony izy mba hisondrotan’ny iray ho ambonin’ny hafa; noho izany izy dia nanomboka nanao avonoan’olona an-tsokosoko sy nandroba ary namabo mba hahazoany maka tombony.

18 Ary ankehitriny, indro, ireo mpamono sy mpandroba ireo dia tarika iray izay efa natsangan’i Kiskomena sy i aGadiantôna. Ary ankehitriny ny zavatra efa nitranga dia nisy maro, na dia teo anivon’ny Nefita aza, no tarik’i Gadiantôna. Nefa indro, maro indrindra izy ireo tany anivon’ny ampahany ratsy indrindra tamin’ny Lamanita. Ary mpangalatra sy mpamonon’i Gadiantôna no niantsona azy ireo.

19 Ary izy ireo no namono an’i Sezôrama, sy ny zanany lahy, raha teo amin’ny toeram-pitsarana ireo; ary indro, tsy nisy nahita izy ireo.

20 Ary ankehitriny ny zava-nitranga nony nahita ny Lamanita fa nisy mpangalatra teo anivony dia feno alahelo izaitsizy tokoa izy; ary nampiasainy ny fitaovana rehetra teo ambany fahefany hamongorana azy ireny eto ambonin’ny tany.

21 Nefa indro, nambosian’i Satana ny fon’ny ankamaroan’ny Nefita, hany ka ireo dia nikambana tamin’ireo andiana mpangalatra ireo sy nanao ny dinany sy ny veliranony fa hifampiaro sy hifampitsimbina izy samy izy, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra sarotra mety hisy azy ireo, ka tsy hijaliany noho ny famonoany olona sy ny fandrobany ary ny fangalarany.

22 Ary ny zava-nitranga dia nanana ny fifamantarany izy ireo, eny, ny afifamantarany miafina sy ny teniny miafina; ary izany dia ny mba hahazoany manavaka ny rahalahy izay efa nanao dina, ka na inona na inona faharatsiana hataon’ny rahalahiny dia tsy horatrain’ny rahalahiny izy, na koa ireo izay ao anatin’ny tariny, izay efa nanao izany dina izany.

23 Ary izany dia ny mba hahafahany mamono sy mandroba ary mangalatra ary manao fijangajangana sy ny fomban’ny faharatsiana rehetra mifanohitra amin’ny lalàn’ny taniny ary koa ny lalàn’ Andriamaniny.

24 Ary na zovy na zovy tamin’ireo izay tao anatin’ny tariny no hamboraka amin’izao tontolo izao ny afaharatsiany sy ny fahavetavetany dia hotsaraina, tsy araka ny lalàn’ny taniny fa araka ny lalàn’ny faharatsiany kosa, izay efa nomen’i Gadiantôna sy i Kiskomena.

25 Ankehitriny, indro, ireo avelirano sy dina miafina ireo no nandidian’i Almà ny zanany lahy tsy hambara amin’izao tontolo izao, fandrao ireny dia ho lasa fitaovana hitondrana ny olona hidina any amin’ny famongorana.

26 Ankehitriny, indro, ireo avelirano sy dina miafina ireo dia tsy tonga tany amin’i Gadiantôna tamin’ny alalan’ny rakitsoratra izay efa natolotra an’i Helamàna; fa indro ireny kosa dia napetraka tao am-pon’i Gadiantôna, bnapetrak’ilay naka fanahy ihany ny ray aman-drenintsika voalohany mba hihinana amin’ilay voankazo voarara—

27 Eny, ilay nioko niaraka tamin’i aKaina ihany fa raha mamono an’i Abela rahalahiny izy, dia tsy ho fantatr’izao tontolo izao izany. Ary izy dia nioko niaraka tamin’i Kaina sy ny mpanaraka azy hatramin’izay fotoana izay.

28 Ary izy ihany koa ilay nametraka tao am-pon’ny vahoaka mba ahanorina tilikambo iray avo tokoa mba hahazoany mankany an-danitra. Ary izy ihany ilay nitarika ny vahoaka izay tonga avy tany amin’izany tilikambo izany teto amin’ity tany ity; izay nanaparitaka ny asan’ny haizina sy ny fahavetavetana eran’ny lafiny rehetra amin’ny tany, mandra-pisintony ny olona hidina any amin’ny bfamongorana tanteraka sy any amin’ny helo maharitra mandrakizay.

29 Eny, izy ihany ilay nametraka tao am-pon’i aGadiantôna mba hanohy ny asan’ny haizina sy ny an’ny famonoana an-tokosoko; ary efa nampaharitra izany izy hatrany am-piandohan’ny olona ka hatramin’izao fotoana izao.

30 Ary indro, izy no afototry ny fahotana rehetra. Ary indro, izy dia manohy ny asany ao amin’ny haizina sy ny famonoany an-tsokosoko ary mampita ny fiokoan’izy ireo sy ny veliranon’izy ireo, ary ny dinan’izy ireo sy ny drafitry ny faharatsiana mahatsiravin’izy ireo, avy amin’ny taranaka iray ho an’ny taranaka iray, arakaraka ny ahafahany mahazo vahana ao am-pon’ny zanak’olombelona.

31 Ary ankehitriny, indro, efa nahazo vahana lehibe tao am-pon’ny Nefita izy; eny, hany ka ireo dia efa tonga ratsy izaitsizy tokoa; eny, ny ankamaroany dia efa nivily niala tamin’ny lalan’ny fahamarinana sy ananosihosy tamin’ny tongony ny didin’ Andriamanitra, ary nivily nankamin’ny lalany ihany sy nanangana ho an’ny tenany sampy avy tamin’ny volamenany sy ny volafotsiny.

32 Ary ny zava-nitranga dia tonga taminy tao anatin’ny taona atsy dia maro loatra ireny heloka rehetra ireny, hany ka ny ankamaroan’ireny dia tonga taminy tamin’ny taona fahafito amby enimpolon’ny fitondran’ny mpitsara teo amin’ny vahoakan’i Nefia.

33 Ary nitombo tao amin’ny helony izy tamin’ny taona fahavalo amby enimpolo koa, izay nahatonga alahelo lehibe sy fitomaniana ho an’ny marina.

34 Ary dia toy izany no ahitantsika fa ny Nefita dia nanomboka nihemotra tao amin’ny tsy finoana sy nitombo tao amin’ny faharatsiana sy ny fahavetavetana, raha nanomboka nitombo izaitsizy tokoa tao amin’ny fahalalana an’ Andriamaniny ny Lamanita; eny, izy dia nanomboka nitandrina ny fitsipiny sy ny didiny ary nandeha tamin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana teo anoloany.

35 Ary dia toy izany no ahitantsika fa ny Fanahin’ny Tompo dia nanomboka aniala tamin’ny Nefita, noho ny faharatsiana sy ny hamafin’ny fony.

36 Ary dia toy izany no ahitantsika fa nanomboka nandrotsaka ny Fanahiny tamin’ny Lamanita ny Tompo, noho ny fahamorany sy ny finiavany hino ny teniny.

37 Ary ny zava-nitranga dia nohazain’ny Lamanita ny andiana jirik’i Gadiantôna; ary notoriany tany anivon’ny ampahany ratsy indrindra taminy ny tenin’ Andriamanitra, hany ka fongana tanteraka izany andiana jirika izany tany anivon’ny Lamanita.

38 Ary ny zava-nitranga, tamin’ny ankilany, ny Nefita dia nampiorina sy nanohana azy ireo, nanomboka tany amin’ny ampahany ratsy indrindra taminy, ambara-pahatonga azy ireo hanafotra ny tanin’ny Nefita manontolo sy hanangoly ny ankamaroan’ny marina mandra-paharevo azy, ka hino ny asany sy hifampizara ny babony ary hikambana aminy amin’ny vonoan’olona an-tsokosoko sy ny tsikombakombany.

39 Ary dia toy izany no nahazoany ny fitantanana samirery ny governemanta, hany ka nohosihoseny tamin’ny tongony sy nokapohiny ary noviravirainy sy nanatodihany lamosina ny amahantra sy ny malemy paika ary ny mpanara-dia an’ Andriamanitra manetry tena.

40 Ary dia toy izany no ahitantsika fa tao amin’ny toetra mahatsiravina izy, ary amasaka ho amin’ny famongorana maharitra mandrakizay.

41 Ary ny zava-nitranga dia toy izany no nifaranan’ny taona fahavalo amby enimpolon’ny fitondran’ny mpitsara teo amin’ny vahoakan’i Nefia.