Ny soratra masina
Jakoba 6


Toko 6

Hampody ny Isiraely ny Tompo amin’ny andro farany—Hodorana amin’ny afo izao tontolo izao—Tsy maintsy manara-dia an’i Kristy ny olona mba hisorohana ny farihy afo sy solifara. Tokony ho 544–521 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ankehitriny, indro, ry rahalahiko, satria efa nilaza taminareo aho fa haminany, dia indro, izao no faminaniako—fa ny zavatra izay nolazain’ity aZenosa mpaminany ity ny amin’ny mpianakavin’i Isiraely, tamin’ny nampitahany azy tamin’ny hazo oliva voakolokolo, dia tsy maintsy hitranga marina tokoa.

2 Ary ny andro izay haninjirany ny tanany fanindroany indray mba ahampody ny olony, no andro, eny, no fotoana farany handehanan’ny bmpanompon’ny Tompo amin’ny dheriny mba ehikolokolo sy handrantsana ny ftanimboliny; ary aorian’izany dia ho avy tsy ho ela ny gfarany.

3 Ary endrey, hotahiana tokoa ireo izay efa niasa tamim-pahazotoana tao amin’ny tanimboliny; ary endrey ho voaozona tokoa ireo izay horoahina hankeo amin’ny toerany ihany! Ary ahodorana amin’ny afo izao tontolo izao.

4 Ary, endrey, feno famindram-po amintsika tokoa ny Andriamanitsika fa mahatsiaro ny mpianakavin’i aIsiraely Izy, na fakany na sampany; ary maninjitra ny btanany aminy Izy mandritra ny manontolo andro; ary vahoaka dmafy hatoka sy mpamalivaly izy; nefa izay rehetra tsy manamafy ny fony no hovonjena ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

5 Noho izany, ry rahalahy malalako, dia miangavy anareo amin’ny teny hentitra aho mba hibebahanareo ary hanatonanareo amin’ny fo feno finiavana sy ahifikiranareo amin’ Andriamanitra, toy ny ifikirany aminareo. Ary raha mbola mitolotra aminareo ny bsandrin’ny famindram-pony amin’ny fahazavan’ny andro, dia aza manamafy ny fonareo.

6 Eny, anio, raha te hihaino ny feony ianareo, dia aza manamafy ny fonareo; fa nahoana no te ho afaty ianareo?

7 Fa indro, rehefa avy nofahanana tamin’ny teny soan’ Andriamanitra ianareo nandritra ny manontolo andro, moa va hitondra voa ratsy ianareo ka tsy maintsy ahokapaina ary hatsipy any anaty afo?

8 Indro, hotsipahinareo va ireo teny ireo? Hotsipahinareo va ny tenin’ny mpaminany; ary hotsipahinareo va ny teny rehetra izay efa nolazaina momba an’i Kristy, kanefa maro tokoa no efa niteny momba Azy; ary holavinareo va ny teny soan’i Kristy sy ny herin’ Andriamanitra ary ny afanomezana ny Fanahy Masina, ary hovonoinareo va ny Fanahy Masina, ary hoesoinareo va ny drafitra lehiben’ny fanavotana izay efa nomanina ho anareo?

9 Tsy fantatrareo va fa raha manao ireo zavatra ireo ianareo, dia ny herin’ny fanavotana sy ny fitsanganana amin’ny maty, izay ao amin’i Kristy, no hitondra anareo hijoro amin-kenatra sy afanamelohana mahatsiravina eo anoloan’ny btoeram-pitsaran’ Andriamanitra?

10 Ary araka ny herin’ny rariny, fa tsy azo lavina ny arariny, dia tsy maintsy mandeha mankamin’ny bfarihy afo sy solifara ianareo, izay tsy mety maty ny lelafony ary miakatra mandrakizay mandrakizay ny setrony, dia farihy afo sy solifara izay dfijaliana etsisy fiafarany.

11 Ô amin’izany, ry rahalahiko malala, mibebaha ianareo ary midira amin’ny avavahady ety ary mitozoa amin’ny lalana izay tery mandra-pahazoanareo ny fiainana mandrakizay.

12 Ô, mba ahendry; inona no azoko lazaina ankoatra izany?

13 Farany, dia manao veloma anareo aho mandra-pihaonako aminareo eo anoloan’ny toeram-pitsarana mahafinaritra izay an’ Andriamanitra, dia toeram-pitsarana izay mamely ny olon-dratsy amin’ny horohoro sy ny tahotra amahatsiravina. Amena.