Ny soratra masina
Môrmôna 1


Ny bokin’i Môrmôna

Toko 1

Namepetra an’i Môrmôna momba ny rakitsoratra masina i Amarôna—Niandoha ny ady teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita—Nesorina hiala ny Nefita Telo lahy—Nanjaka ny faharatsiana, ny tsy finoana, ny famosaviana ary ny famorehana. Tokony ho 321–326 taona taorian’i Kristy.

1 Ary ankehitriny, izaho aMôrmôna dia manao ny brakitsoratra ny amin’ny zavatra izay sady efa reko no hitako, ary antsoiko hoe ny Bokin’i Môrmôna izany.

2 Ary tamin’ny fotoana izay nanafenan’i aAmarôna ny rakitsoratra ho an’ny Tompo, dia tonga tao amiko izy (tokony ho folo taona aho ary nanomboka bnianatra misimisy ihany araka ny fomba fianaran’ny oloko) ary hoy i Amarôna tamiko: Takatro fa ankizy matotra ianao ary faingam-pandinika;

3 Noho izany, rehefa tokony ho efatra amby roapolo taona ianao, dia mba tiako ny hahatsiarovanao ny zavatra izay efa nodinihinao momba ity vahoaka ity; ary rehefa mby amin’izay taona izay ianao, dia mandehana any an-tanin’i Antoma, mankamin’ny vohitra iray izay hantsoina hoe i aSima; ary ao no efa nametrahako ho an’ny Tompo ny soratra masina voasokitra rehetra momba ity vahoaka ity.

4 Ary indro, halainao ho anao ny atakelak’i Nefia, ary ny sisa dia havelanao eo amin’ny toerana izay misy azy; ary hosokirinao eo amin’ny takelak’i Nefia ny zava-drehetra izay efa nodinihinao momba ity vahoaka ity.

5 Ary izaho Môrmôna, izay tamingan’i aNefia (ary ny anaran-draiko dia i Môrmôna), dia nahatsiaro ny zavatra izay nandidian’i Amarôna ahy.

6 Ary ny zava-nitranga, rehefa feno iraika ambin’ny folo taona aho, dia nentin’ny raiko nankamin’ny tany andafiatsimo, dia tany an-tanin’i Zarahemlà.

7 Efa rakotra fanorenana ny lafiny manontolo tamin’ny tany, ary ny vahoaka dia maro saika toy ireny fasiky ny ranomasina ireny.

8 Ary ny zava-nitranga, tamin’io taona io, dia nanomboka nisy ady teo amin’ny Nefita izay nahitana ny Nefita sy ny Jakôbita, ary ny Jôsefita sy ny Zôramita; ary izany ady izany dia teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita, ary ny Lemoelita sy ny Ismaelita.

9 Ankehitriny ny Lamanita sy ny Lemoelita ary ny Ismaelita dia nantsoina hoe Lamanita, ary ny andaniny roa dia ny Nefita sy ny Lamanita.

10 Ary ny zava-nitranga dia nanomboka nisy ady teo anivony tao amin’ny sisin-tanin’i Zarahemlà, tao akaikin’ny ranon’i Sidôna.

11 Ary ny zava-nitranga dia efa nahatafavory miaraka vatan-dehilahy marobe ny Nefita, ka nihoatra ny telo alina ny isany. Ary ny zava-nitranga tamin’io taona io ihany dia efa nanana ady maro izy ireo, izay nandresen’ny Nefita ny Lamanita sy namonoany ny maro taminy.

12 Ary ny zava-nitranga dia notsoahan’ny Lamanita ny fikasany, ka dia nisy fandriampahalemana niorina teo amin’ny tany; ary naharitra efa-taona teo ho eo ny fandriampahalemana, ka dia tsy nisy fandatsahan-dra.

13 Nefa nanjaka ny faharatsiana teo amin’ny lafin’ny tany manontolo, hany ka ny Tompo dia nanaisotra ny ampianany malala, ary ny asan’ny fahagagana sy ny fanasitranana dia nitsahatra noho ny heloky ny vahoaka.

14 Ary tsy nisy intsony afanomezam-pahasoavana avy tany amin’ny Tompo, ary ny bFanahy Masina dia tsy nidina intsony na tamin’iza na tamin’iza, noho ny helony sy ny dtsy finoany.

15 Ary izaho dia feno dimy ambin’ny folo taona sy efa somary mato-tsaina ihany, noho izany aho dia novangian’ny Tompo sy nanandrana ary nahafantatra ny amin’ny hatsaram-pon’i Jesoa.

16 Ary niezaka aho ny hitory amin’ity vahoaka ity, saingy nakombona ny vavako ary norarana aho tsy hitory aminy; satria indro efa anikomy an-tsitrapo tamin’ Andriamaniny izy; ary ny mpianatra malala dia bnesorina hiala ny tany noho ny helony.

17 Fa nijanona teo anivony aho, saingy norarana aho tsy hitory aminy, noho ny hamafin’ny fony; ary noho ny hamafin’ny fony dia anozonina ny tany noho ny aminy.

18 Ary ireo jirik’i Gadiantôna ireo, izay teo anivon’ny Lamanita, dia nanenika ny tany, hany ka ny mponina teo aminy dia nanomboka nanafina ny ahareny tao anaty tany; ary nanjary nalama ireny, satria efa nanozona ny tany ny Tompo, ka dia tsy azony nohazonina na notanana ireny.

19 Ary ny zava-nitranga dia nisy ny famosaviana sy ny famorehana ary ny fanova-maso; ary ny herin’ilay ratsy dia niasa eran’ny lafiny rehetra tamin’ny tany, ho fanatanterahana ny tenin’i Abinadia rehetra, ary koa ny an’i Samoela ilay Lamanita.