Ny soratra masina
Môrônia 10


Toko 10

Ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna dia tonga amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina—Tsinjaraina ho an’ny mahatoky ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy—Miaraka mandrakariva amin’ny finoana ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy—Miteny avy ao amin’ny vovoka ny tenin’i Môrônia—Manatòna an’i Kristy, aoka ho tanteraka ao Aminy ary hamasino ny fanahinareo. Tokony ho 421 taona taorian’i Kristy.

1 Ankehitriny, izaho Môrônia dia somary manoratra misimisy araka izay heveriko ho tsara; ary manoratra ho an’ny aLamanita rahalahiko aho; ary mba tiako ny hahafantarany fa roapolo sy efa-jato taona mahery no efa lasana hatramin’ny nanomezana ny famantarana ny amin’ny fiavian’i Kristy.

2 Ary afeheziko ireto rakitsoratra ireto, rehefa avy milaza teny vitsivitsy aho ho famporisihana anareo.

3 Indro, ta hamporisika anareo aho, rehefa hamaky ireto zavatra ireto ianareo, raha toa ka fahendren’ Andriamanitra ny hamakianareo ireto, mba hahatsiarovanareo ny naha-feno famindram-po ny Tompo tamin’ny zanak’olombelona, hatry ny nahariana an’i Adama ka hatramin’ny fotoana izay handraisanareo ireto zavatra ireto sy ny ahisainanareo izany ao bam-ponareo.

4 Ary rehefa handray ireto zavatra ireto ianareo, dia ta hamporisika anareo aho ny mba ahanontanianareo an’ Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, amin’ny anaran’i Kristy, raha btsy marina ireto zavatra ireto; ary raha manontany damin-kitsimpo ianareo, omban’ny etena finiavana, sady manam-fpinoana an’i Kristy, dia ghaneho ny hfahamarinan’izany aminareo Izy amin’ny herin’ny Fanahy Masina.

5 Ary amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo afantarina ny bfahamarinan’ny zava-drehetra.

6 Ary na inona na inona zavatra tsara dia rariny sy marina; koa, tsy misy zavatra tsara ka mandà an’i Kristy, fa manaiky kosa fa misy Izy.

7 Ary azonareo fantarina fa misy Izy, amin’ny herin’ny Fanahy Masina; noho izany dia ta hamporisika anareo aho ny tsy handavanareo ny herin’ Andriamanitra; fa miasa amin-kery Izy aaraka ny finoan’ny zanak’olombelona, tsy miova anio sy ampitso ary mandrakizay.

8 Ary koa, mamporisika anareo aho ry rahalahiko mba tsy handavanareo ireo afanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra, satria maro ireo; ary avy amin’ Andriamanitra iray ihany ireo. Ary misy ny bfomba samihafa izay hanolorana ireo fanomezam-pahasoavana ireo; nefa Andriamanitra iray ihany no miasa ao amin’izy rehetra; ary ireo dia omena amin’ny alalan’ny fanehoan’ny Fanahin’ Andriamanitra amin’ny olona mba hahasoa azy.

9 Fa indro, aho an’ny iray dia omen’ny Fanahin’ Andriamanitra ny hahazoany bmampianatra ny tenin’ny fahendrena;

10 Ary ho an’ny iray hafa, ny hahazoany mampianatra ny tenin’ny fahalalana amin’ny alalan’ny Fanahy iray ihany;

11 Ary ho an’ny iray hafa, ny afinoana lehibe fatratra tokoa; ary ho an’ny iray hafa, ny fanomezam-pahasoavana bhanasitrana amin’ny alalan’ny Fanahy iray ihany;

12 Ary koa, ho an’ny iray hafa, ny hahazoany manao afahagagana mahery.

13 Ary koa, ho an’ny iray hafa, ny hahazoany mamin’ny momba ny zava-drehetra;

14 Ary koa, ho an’ny iray hafa, ny fahitana anjely sy ny fanahin’ny fanompoana;

15 Ary koa, ho an’ny iray hafa, ny karazany rehetra amin’ny fiteny;

16 Ary koa, ho an’ny iray hafa, ny fandikana ny fiteny sy ny karazana ateny samihafa.

17 Ary ireo fanomezam-pahasoavana rehetra ireo dia avy amin’ny alalan’ny Fanahin’i Kristy; ary tonga tsirairay ao amin’ny olon-drehetra ireo, araka ny sitrapony.

18 Ary mba ta hamporisika anareo aho, ry rahalahiko malala, mba hahatsiarovanareo fa ny afanomezam-pahasoavana tsara rehetra dia avy amin’i Kristy.

19 Ary mba ta hamporisika anareo aho, ry rahalahiko malala, mba hahatsiarovanareo fa Izy no atsy miova omaly sy anio ary mandrakizay, ary ireo fanomezam-pahasoavana rehetra izay efa noteneniko ireo, izay ara-panahy, dia tsy ho levona na oviana na oviana, raha mbola mijoro koa ny tany, raha tsy noho ny btsy finoan’ny zanak’olombelona ihany.

20 Koa tsy maintsy misy ny afinoana; ary raha tsy maintsy misy ny finoana, dia tsy maintsy misy koa ny fanantenana; ary raha tsy maintsy misy ny fanantenana, dia tsy maintsy misy koa ny fiantrana.

21 Ary raha tsy manana afiantrana ianareo dia tsy azo vonjena mihitsy ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra; tsy azo vonjena koa ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra ianareo raha tsy manana finoana; torak’izany koa raha tsy manana fanantenana.

22 Ary raha tsy manana fanantenana ianareo dia tsy maintsy ao amin’ny famoizam-po ary tonga ny famoizam-po noho ny heloka.

23 Ary niteny marina tokoa tamin’ny razantsika i Kristy hoe: aRaha manam-pinoana ianareo dia afaka manao ny zava-drehetra izay mety Amiko.

24 Ary ankehitriny aho dia miteny amin’ny faran’ny tany rehetra—fa raha avy ny andro izay hahalevona ny hery sy ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra eo anivonareo, izany dia anoho ny btsy finoana.

25 Ary lozan’ny zanak’olombelona raha izay no mitranga; fa atsy hisy anankiray izay manao ny tsara eo anivonareo, tsia, na dia iray aza. Fa raha misy anankiray eo anivonareo izay manao ny tsara, dia hiasa araka ny hery sy ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra izy.

26 Ary lozan’ireo izay mampitsahatra ireo zavatra ireo ary maty, fa amaty ao amin’ny bfahotany izy ary tsy azo vonjena ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra; ary teneniko izany araka ny tenin’i Kristy; ary tsy mandainga aho.

27 Ary amporisihako ianareo hahatsiaro ireo zavatra ireo, fa avy faingana tokoa ny fotoana izay hahafantaranareo fa tsy mandainga aho, fa ho hitanareo eo amin’ny toeram-pitsaran’ Andriamanitra aho; ary hiteny aminareo ny Tompo Andriamanitra hoe: Tsy nolazaiko taminareo va ny ateniko izay nosoratan’ity lehilahy ity, tahaka ny anankiray bmihiaka avy ao amin’ny maty, eny, dia tahaka ny anankiray miteny avy ao amin’ny dvovoka?

28 Ambarako ireo zavatra ireo ho fanatanterahana ny faminaniana. Ary indro, hiloaka ny vavan’ilay Andriamanitra maharitra mandrakizay ireo; ary ny teniny dia ahisiaka avy amin’ny taranaka iray hankamin’ny fara mandimby.

29 Ary hasehon’ Andriamanitra anareo, fa izay efa nosoratako dia marina.

30 Ary koa, ta hamporisika anareo aho mba ahanatonanareo an’i Kristy sy hihazonanareo ny fanomezam-pahasoavana tsara rehetra ary tsy bhikasihanareo ny fanomezana ratsy, na ny zavatra tsy madio.

31 Ary amifohaza, dia mitsangana avy eo amin’ny vovoka, Ry Jerosalema; eny, ary anaovy ny fitafianao tsara tarehy, Ry zanakavavin’i bZiona; dia dhamafiso ny etsatòkanao ary halalaho ny sisintaninao mandrakizay mba ftsy hahazoana mampiharoharo anao intsony, mba hahazoana manatanteraka ny fanekempihavanan’ny Ray Mandrakizay, izay efa nataony taminao, Ry mpianakavin’i Isiraely.

32 Eny, amanatòna an’i Kristy, ary aoka hatao btanteraka ao Aminy, ary holavin’ny tenanareo ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra; ary raha mandà ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra ny tenanareo, ary dtia an’ Andriamanitra amin’ny herinareo, ny sainareo ary ny tanjakareo rehetra ianareo, amin’izany dia ampy ho anareo ny fahasoavany, fa amin’ny fahasoavany no hahatonga anareo ho tanteraka ao amin’i Kristy; ary raha tanteraka ao amin’i Kristy ianareo amin’ny alalan’ny efahasoavan’ Andriamanitra, dia tsy afaka mandà mihitsy ny herin’ Andriamanitra ianareo.

33 Ary koa, raha tanteraka ao amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra ianareo ary tsy mandà ny heriny, amin’izany dia ahamasinina ao amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra ianareo, noho ny fandatsahana ny bran’i Kristy, izay ao amin’ny fanekempihavanan’ny Ray ho dfamelana ny fahotanareo, mba hahatonga anareo ho emasina, tsy misy pentina.

34 Ary ankehitriny aho dia manao veloma anareo rehetra. Handeha tsy ho ela aho ahiala sasatra ao am-bparadisan’ Andriamanitra, ambara-dpikamban’ny efanahiko sy ny vatako indray, ka hitondrana ahy mpandresy eny amin’ny fhabakabaka, hihaona aminareo eo anoloan’ny gtoeram-pitsarana mahafinaritr’Ilay hJehovah Lehibe, ny iMpitsara Mandrakizain’ny velona sy ny maty. Amena.

Tapitra