Ny soratra masina
Môrônia 1


Ny bokin’i Môrônia

Toko 1

Nanoratra ho tombontsoan’ny Lamanita i Môrônia—Ny Nefita izay tsy te handà an’i Kristy dia novonoina ho faty. Tokony ho 401–421 taona taorian’i Kristy.

1 Ankehitriny, izaho aMôrônia rehefa avy namarana ny famintinana ny tantaran’ny vahoakan’i Jareda, dia efa nihevitra ny tsy hanoratra intsony, nefa tsy mbola maty aho; ary tsy ampahafantariko ny Lamanita ny tenako fandrao hamongotra ahy izy.

2 Fa indro, nangotraka izaitsizy tokoa ny aadiny teo amin’izy samy izy; ary noho ny fankahalany dia bnovonoiny ho faty ny Nefita tsirairay izay tsy te handà an’i Kristy.

3 Ary izaho Môrônia dia tsy ahandà an’i Kristy; koa nirenireny aho na taiza na taiza azoko naleha ho fitandroako ny aiko.

4 Koa manoratra zavatra misimisy ihany aho, satria tsy araka izay efa noheveriko; satria efa noheveriko ny tsy hanoratra intsony; nefa manoratra zavatra misimisy ihany aho, fa angamba mba hisy lanjany ireny ho an’ny Lamanita rahalahiko, amin’ny andro ho avy, araka ny sitrapon’ny Tompo.