Ny soratra masina
Môrônia 2


Toko 2

Nanome fahefana ny mpianatra Nefita roa ambin’ny folo i Jesoa hanolotra ny fanomezana ny Fanahy Masina. Tokony ho 401–421 taona taorian’i Kristy.

1 Ny tenin’i Kristy, izay noteneniny tamin’ny ampianany, ny roa ambin’ny folo izay efa nofinidiny, raha nametra-tanana taminy Izy—

2 Ary nantsoiny tamin’ny anarany izy ireo, nataony hoe: Hiantso ny Ray amin’ny anarako ianareo amin’ny faherezana mivavaka; ary rehefa avy nanao izany ianareo dia hanam-apahefana ka amin’izay hametrahanareo btanana no dhanomezanareo ny Fanahy Masina; ary amin’ny anarako no hanomezanareo Izany, fa toy izany no ataon’ny apôstôliko.

3 Ankehitriny dia niteny ireo teny ireo taminy i Kristy tamin’ny fotoana nisehoany voalohany; ary tsy nandre izany ny valalabemandry, fa ny mpianatra kosa nandre izany; ary izay rehetra anametrahan’izy ireo ny tanany dia nilatsahan’ny Fanahy Masina.