Ny soratra masina
Môrônia 3


Toko 3

Nanokana mpisorona sy mpampianatra ny loholona tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana. Tokony ho 401–421 taona taorian’i Kristy.

1 Ny fomba ananokanan’ny mpianatra, izay nantsoina hoe bloholon’ny fiangonana, mpisorona sy mpampianatra—

2 Rehefa avy nivavaka tamin’ny Ray tamin’ny anaran’i Kristy izy ireo dia nametraka ny tanany taminy sy nanao hoe:

3 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, no anokanako anao ho mpisorona (na raha mpampianatra izy, no anokanako anao ho mpampianatra) hitory ny fibebahana sy ny afamelana ny fahotana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, amin’ny fiaretana ny finoana ny anarany hatramin’ny farany. Amena.

4 Ary araka izany fomba izany no ananokanany mpisorona sy mpampianatra, araka ny bfanomezam-pahasoavana sy ny fiantsoan’ Andriamanitra ny olona; ary natokany izy tamin’ny dherin’ny Fanahy Masina izay tao aminy.