Ny soratra masina
Môrônia 5


Toko 5

Fanomezana ny fomba fitantanana ny divain’ny fanasan’ny Tompo. Tokony ho 401–421 taona taorian’i Kristy.

1 Ny afomba fitantanana ny divay—Indro nandray ny kapoaka izy ireo sy nanao hoe:

2 Andriamanitra, Ray Mandrakizay ô, mangataka Anao izahay, amin’ny anaran’ny Zanakao Jesoa Kristy, hitahy sy hanamasina ity adivay ity ho an’ny fanahin’ireo rehetra izay misotro amin’izany, mba hahazoany manao izany ho bfahatsiarovana ny ran’ny Zanakao, izay nalatsaka ho azy ireo; mba hijoroany ho vavolombelona Aminao, Andriamanitra, Ray Mandrakizay ô, fa hotsaroany mandrakariva Izy, mba hananany ny Fanahiny miaraka aminy. Amena.