Ny soratra masina
Môrônia 6


Toko 6

Natao batisa sy noraisina ho namana ny olona nibebaka—Ny mpikamban’ny fiangonana izay nibebaka dia navela heloka—Notarihina tamin’ny herin’ny Fanahy Masina ny fivoriana. Tokony ho 401–421 taona taorian’i Kristy.

1 Ary ankehitriny aho dia miresaka ny momba ny abatisa. Indro, natao batisa ny loholona, ny mpisorona ary ny mpampianatra; ary tsy natao batisa izy ireo raha tsy namoa voa izay naneho fa bmendrika izany izy ireo.

2 Sady tsy nisy noraisiny teo amin’ny batisa afa-tsy izay nandroso niaraka tamin’ny afo torotoro sy ny fanahy manenina, ka nijoro ho vavolombelona tamin’ny fiangonana, fa nibebaka marina tokoa tamin’ny fahotany rehetra izy.

3 Ary tsy nisy noraisina tamin’ny batisa afa-tsy izay anitondra teo aminy ny anaran’i Kristy, rehefa nananany ny fahavononana hanompo Azy hatramin’ny farany.

4 Ary rehefa noraisina tamin’ny batisa izy, ary niasana sy anodiovin’ny herin’ny Fanahy Masina, dia noraisina ho isan’ny vahoakan’ny fiangonan’i Kristy; ary nalaina ny banarany mba hahatsiarovana azy sy hamahanana azy amin’ny teny soan’ Andriamanitra, hitehirizana azy amin’ny lalana tsara, hitanana azy dhiambina lalandava amim-bavaka, etsy hiantehitra afa-tsy amin’ny fahamendrehan’i Kristy izay ftompony sy mpanefa ny finoany.

5 Ary ny afiangonana dia nihaona miaraka bmatetika mba dhifady hanina sy hivavaka ary hifampiresaka amin’izy samy izy ny momba ny fiadanan’ny fanahiny.

6 Ary nihaona miaraka matetika izy ireo mba hiara-mandray ny mofo sy ny divay ho fahatsiarovana an’i Jesoa Tompo.

7 Ary hentitra izy ireo tamin’ny fitandremana mba atsy hisian’ny heloka eo anivony; ary na zovy na zovy no hita ho nahavita heloka, dia bvavolombelona telon’ny fiangonana no nanameloka azy teo anoloan’ny dloholona, ary raha tsy nibebaka izy ka eniaiky, dia fnovonoina ny anarany, ary tsy noraisina ho isan’ny vahoakan’i Kristy izy.

8 Nefa aarakaraka ny nibebahany sy ny nitadiavany famelana tamin’ny finiavana marina no bnamelana azy.

9 Ary ny fivoriany dia anotarihin’ny fiangonana araka ny fomba fiasan’ny Fanahy sy tamin’ny alalan’ny herin’ny bFanahy Masina; fa arakaraka ny nitarihan’ny herin’ny Fanahy Masina azy ireo, na hitory, na hamporisika, na hivavaka, na hitalaho, na hihira, dia arakaraka izay no natao.