Ny soratra masina
Môzià 11


Toko 11

Nanapaka tamin’ny faharatsiana i Noà Mpanjaka—Nanaram-po tao amin’ny fiainana baranahiny niaraka tamin’ny andefimandriny sy ny vaditsindranony izy—Naminany i Abinadia fa ny vahoaka dia havarina ho andevo—Nifofo ny ainy i Noà Mpanjaka. Tokony ho 160–150 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ankehitriny ny zava-nitranga dia natolotr’i Zenifa an’i Noà, anankiray tamin’ireo zanany lahy, ny fanjakana; noho izany dia nanomboka nanjaka teo amin’ny toerany i Noà; ary tsy nandeha tamin’ny lalan’ny rainy izy.

2 Satria indro tsy nitandrina ny didin’ Andriamanitra izy fa nandeha kosa araka ny fanirian’ny fony ihany. Ary nanana andefimandry sy avaditsindrano maro izy. Ary izy no bnahatonga ny vahoaka hanota sy hanao izay fahavetavetana teo imason’ny Tompo. Eny, izy ireo dia nahavita dfijangajangana sy karazam-paharatsiana rehetra.

3 Ary nampandoa hetra izy, dia ny ampahadiminy tamin’ny rehetra nananany, ny ampahadiminy tamin’ny volamenany sy tamin’ny volafotsiny, ary ny ampahadiminy tamin’ny azifany sy ny varahinamenany, ary tamin’ny varahiny sy ny viny; ary ny ampahadiminy tamin’ny zanak’ombiny mifahy; ary koa ny ampahadiminy tamin’ny voamainany rehetra.

4 Ary izany rehetra izany no nalainy dia ny hamelomany ny tenany sy ny andefimandriny ary ny vaditsindranony, ary koa ny mpisorony sy ny andefimandriny ary ny vaditsindranony; dia toy izany no efa nanovany ny raharaha tao amin’ny fanjakana.

5 Fa naongany ny mpisorona rehetra izay efa nohamasinin-drainy ary nanamasina olom-baovao teo amin’ny toerany izy, toy ireo izay efa nanandra-tena tao amin’ny avonavon’ny fony.

6 Eny, ary dia toy izany no namelomana azy ireny, tao amin’ny hakamoany sy tao amin’ny fanompoan-tsampiny ary tao amin’ny fijangajangany, tamin’ny alalan’ny hetra izay nampandoavin’i Noà mpanjaka ny olony; dia toy izany no niasan’ny vahoaka fatratra tokoa mba hanohana ny heloka.

7 Eny, ary izy ireo koa dia nanjary mpanompo sampy noho izy ireo voafitaka tamin’ny teny poak’aty sy manasohason’ny mpanjaka sy ny mpisorona; satria izy ireny dia nilaza zavatra manasohaso taminy.

8 Ary ny zava-nitranga dia nanorina trano maro sady kanto no makadiry i Noà mpanjaka; ary ireny dia noravahiny tamin’ny asa rafitra voakaly sy tamin’ireo karazan-java-tsarobidy rehetra, tamin’ny volamena sy tamin’ny volafotsy ary tamin’ny vy sy tamin’ny varahina ary tamin’ny zifa sy tamin’ny varahinamena;

9 Ary naoriny ho azy koa ny lapa iray malalaka sy ny seza fiandrianana iray teo afovoany, ary izany rehetra izany dia vita tamin’ny hazo sarobidy sy voaravaka volamena ary volafotsy sy zava-tsarobidy.

10 Ary nataony koa izay hahatontosan’ny mpiasany ny karazan’asa voakaly rehetra tamin’ny aty rindrin’ny tempoly, tamin’ny hazo sarobidy sy tamin’ny varahinamena ary tamin’ny varahina.

11 Ary ireo fitoerana izay natokana ho an’ny mpisorona avo izay ambony noho ny fitoerana hafa rehetra, dia noravahiny volamena tsy misy fangarony; ary nasainy natsangana teo anoloan’izy ireo ny arofanina mba hahafahany mampiankina ny tenany sy ny sandriny amin’izany, rehefa hanao teny mandainga sy poak’aty amin’ny olony izy ireo.

12 Ary ny zava-nitranga dia naoriny ny atilikambo iray teo akaikin’ny tempoly; eny, tilikambo iray tena avo, avo loatra aza ka azony natao ny nijoro teo amboniny sy nitsinjo ny tanin’i Silôma sy ny tanin’i Semlôna koa, izay nozakain’ny Lamanita; ary azony natao na dia ny nitazana ny tany manodidina aza.

13 Ary ny zava-nitranga dia nasainy naorina tao an-tanin’i Silôma ny trano maro; ary nasainy naorina ny tilikambo lehibe iray teo amin’ny havoana avaratry ny tanin’i Silôma, izay toeram-pialokalofana ho an’ny zanak’i Nefia tamin’ny fotoana nandosirany niala ny tany; ary dia toy izany no nataony tamin’ny harena izay azony tamin’ny fampandoavan-ketra ny olony.

14 Ary ny zava-nitranga dia napetrany tamin’ny hareny ny fony ary nolaniany tamin’ny fiainana baranahiny niaraka tamin’ny andefimandriny sy vaditsindranony ny fotoany; ary torak’izany koa ny mpisorony dia nandany ny fotoany niaraka tamin’ny vehivavy janga.

15 Ary ny zava-nitranga dia nanao tanimboly manodidina ny tany izy; ary namboatra famiazam-boaloboka sy nanao divay betsaka; ary noho izany dia nanjary ampiboboka divay izy, ary ny olony koa.

16 Ary ny zava-nitranga dia nanomboka nanafika ny olony ny Lamanita, namely ny vitsy an’isa sy namono azy teny an-tsahany, raha mbola niandry ny biby fiompiny izy.

17 Ary nandefa mpiambina manodidina ny tany i Noà mpanjaka mba hampandositra azy; nefa tsy ampy ny isan’ny olona nalefany, ary dia nanatratra azy ny Lamanita ary namono azy ary nandroaka ny maro tamin’ny biby fiompiny hivoaka ny tany; dia toy izany no nanombohan’ny Lamanita namongotra azy sy nampihatra ny fankahalany azy.

18 Ary ny zava-nitranga dia nandefa ny miaramilany hanohitra azy i Noà mpanjaka ary na izy voatosika hiverina na izy nahatosika azy nandritra ny fotoana fohy; noho izany dia niverina izy nifaly noho ny fananana nobaboiny.

19 Ary ankehitriny, noho izany fandresena lehibe izany dia efa tafasondrotra tao amin’ny avonavon’ny fony izy; fa izy dia anirehareha tamin’ny herin’ny tenany ihany, nilaza fa ny dimampolo lahy aminy dia afaka mifanandrina amin’ny an’arivony amin’ny Lamanita; ary dia toy izany no nireharehany, ary izy dia finaritra tamin’ny ra sy ny fandatsahana ny ran’ny rahalahiny, ary izany dia noho ny faharatsian’ny mpanjakany sy ny mpisorony.

20 Ary ny zava-nitranga dia nisy lehilahy iray teo aminy, izay i aAbinadia no anarany; ary nandeha teo anivony izy sy nanomboka naminany, nanao hoe: Indro, izao no lazain’ny Tompo, ary izao no efa nandidiany ahy, manao hoe: Mandehana ary lazao amin’ity vahoaka ity hoe, izao no lazain’ny Tompo—Lozan’ity vahoaka ity, fa efa hitako ny fahavetavetany sy ny faharatsiany ary ny fijangajangany; ary raha tsy mibebaka izy, dia hamangy azy amin’ny fahatezerako Aho.

21 Ary raha tsy mibebaka izy ary mitodika amin’ny Tompo Andriamaniny, dia indro, Izaho hanolotra azy ho eo an-tanan’ny fahavalony; eny, ary dia havarina any amin’ny afanandevozana izy; ary hampahorian’ny tanan’ny fahavalony izy.

22 Ary ny zavatra hitranga, dia ho fantany fa Izaho no Tompo Andriamaniny ary Izaho dia Andriamanitra asaro-piaro ka mamaly ny heloky ny oloko.

23 Ary ny zavatra hitranga, raha tsy mibebaka ity vahoaka ity sy mitodika amin’ny Tompo Andriamaniny, dia havarina any amin’ny fanandevozana izy; ary tsy hisy hanafaka azy afa-tsy ny Tompo Andriamanitra Tsitoha.

24 Eny, ary ny zavatra hitranga rehefa hitalaho Amiko izy, dia ahitaredretra Aho handre ny fitarainany; eny, ary Izaho hamela azy hokapohin’ny fahavalony.

25 Ary raha tsy mibebaka amin’ny lamba fisaonana sy ny lavenona izy ary mahery mitalaho tokoa amin’ny Tompo Andrimaniny, dia tsy ahandre ny fivavany Aho sady tsy hanafaka azy hiala amin’ny fahoriany; ary dia izany no lazain’ny Tompo, ary dia izany no efa nandidiany ahy.

26 Ankehitriny, ny zava-nitranga, rehefa avy nilaza ireo teny ireo taminy i Abinadia, dia nisafoaka taminy izy ary nikatsaka ny hanala ny ainy; fa ny Tompo kosa nanafaka azy teo an-tanany.

27 Ankehitriny, rehefa nandre ny teny izay efa nolazain’i Abinadia tamin’ny vahoaka i Noà mpanjaka dia nisafoaka koa izy; ary hoy izy: Iza moa i Abinadia no hitsara ahy sy ny oloko, na aiza moa ny Tompo izay hitondra eo amin’ny oloko izany fahoriana lehibe izany?

28 Mandidy anareo aho hitondra an’i Abinadia aty mba hahazoako mamono azy, fa efa nolazainy ireo zavatra ireo izay hahazoany mamoky ny oloko mba hifampitezitra izy samy izy ary hanangana fifandirana eo anivon’ny oloko; noho izany dia hovonoiko izy.

29 Ankehitriny dia anohajambaina ny mason’ny olona; noho izany izy dia bnanamafy ny fony tamin’ny tenin’i Abinadia, ary hatramin’izay fotoana izay dia nikatsaka ny hisambotra azy izy. Ary i Noà mpanjaka dia nanamafy ny fony tamin’ny tenin’ny Tompo sy tsy nibebaka tamin’ny ratsy fanaony.