Ny soratra masina
Môzià 16


Toko 16

Nanavotra ny olona tamin’ny toetry ny fahalavoana sy fahaverezana Andriamanitra—Ireo izay olon’ny nofo dia nijanona toy ny tsy nisy fanavotana vita—I Kristy no nanatanteraka ny fitsanganana amin’ny maty ho amin’ny fiainana tsisy fiafarany na ho amin’ny fanamelohana tsisy fiafarany. Tokony ho 148 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, rehefa avy nilaza ireo teny ireo i Abinadia, dia naninjitra ny tanany izy ary nanao hoe: Ho avy ny fotoana izay hahitan’ny rehetra ny afamonjen’ny Tompo; ka ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina tsirairay avy dia hahita maso sy bhiaiky eo anoloan’ Andriamanitra fa marina ny fitsarany.

2 Ary amin’izany, dia ahoroahina hiala ny olon-dratsy, ary ireo dia hanana antony hidradradradrana sy bhitomaniana ary hitaraindrainana sy hikitroa-nify; ary izany dia noho ny tsy netezany nihaino ny feon’ny Tompo; noho izany izy ireo dia tsy avotan’ny Tompo.

3 Fa izy ireo dia aolon’ny nofo sy ny bdevoly, ary manam-pahefana aminy ny devoly; eny, dia ilay menarana ela izay dnanangoly ny ray aman-drenintsika voalohany, izay anton’ny efahalavoany; izay nahatonga ny olombelona rehetra ho olon’ny nofo, ny filàna ary ny devoly rehefa fnahalala ny tsara sy ny ratsy ary nifehy tena ho an’ny devoly.

4 Dia toy izany no anahavery ny olombelona rehetra; ary indro, tsy ho nisy fiafarany ny nahavery azy raha toa Andriamanitra ka tsy nanavotra ny olony tamin’ny toetry ny fahaverezany sy ny fahalavoany.

5 Nefa tsarovy fa izay miziriziry amin’ny maha-aolon’ny nofo azy ary manohy ny diany amin’ny lalan’ny fahotana sy ny fikomiana amin’ Andriamanitra dia mijanona ao amin’ny toetry ny fahalavoany, ary manana ny fahefana rehetra aminy ny devoly. Noho izany izy dia mijanona toy ny tsy nisy bfanavotana vita, noho izy fahavalon’ Andriamanitra; ary ny devoly koa dia fahavalon’ Andriamanitra.

6 Ary ankehitriny, raha tsy tonga teo amin’izao tontolo izao i Kristy, satria miresaka ny amin’ny zavatra ho avy atoy ny efa tonga sahady aho, dia tsy ho nety nisy ny fanavotana.

7 Ary raha tsy nitsangana tamin’ny maty i Kristy, na tsy nanapatapaka ny famatoran’ny fahafatesana mba tsy hahazoan’ny fasana fandresena ary tsy hananan’ny fahafatesana afanindronana, dia tsy ho nety nisy ny fitsanganana amin’ny maty.

8 Nefa misy ny afitsanganana amin’ny maty, noho izany ny fasana dia tsy manana fandresena ary ny fanindronan’ny bfahafatesana dia efa voatelina ao amin’i Kristy.

9 Izy no afahazavana sy fiainan’izao tontolo izao; eny, fahazavana tsisy fiafarany izay tsy azo hamaizinina na oviana na oviana; eny, ary koa fiainana izay tsisy fiafarany mba tsy hisian’ny fahafatesana intsony.

10 Ka na dia ity mety maty ity aza dia mitafy ny atsy fahafatesana, ary ity fahalovana ity dia mitafy ny tsy fahalovana, ary hoentina bmijoro eo anoloan’ny fitsaran’ Andriamanitra mba dhotsarainy araka ny asany avy, na tsara izany na ratsy—

11 Raha tsara izany, dia fitsanganana amin’ny maty ho aamin’ny fiainana sy fahasambarana tsisy fiafarany; ary raha ratsy kosa, dia fitsanganana amin’ny maty ho amin’ny bfanamelohana tsisy fiafarany, rehefa natolotra ny devoly izay efa nifehy azy, izay no fahaverezana—

12 Rehefa nandeha araka ny sitrapon’ny nofo sy ny faniriany avy; rehefa tsy niantso na oviana na oviana ny Tompo raha mbola nitsotra taminy ny sandrin’ny famindram-po; satria efa nitsotra taminy ny sandrin’ny afamindram-po fa tsy nety izy; efa nanarina noho ny helony izy fa tsy te hiala tamin’izany; ary nodidina hibebaka izy, kanefa tsy te hibebaka.

13 Ary ankehitriny, moa va ianareo tsy tokony hangovitra sy hibebaka amin’ny fahotanareo ary hahatsiaro fa ao Aminy sy amin’ny alalan’i Kristy ihany no hahazoana mamonjy anareo?

14 Koa raha mampianatra ny alalàn’i Mosesy ianareo, dia ampianaro koa fa izany dia tandindon’ireo zavatra izay ho avy—

15 Ampianaro azy fa ny fanavotana dia tonga amin’ny alalan’i Kristy Tompo izay ny aRay Mandrakizay tokoa. Amena.