Ny soratra masina
Môzià 20


Toko 20

Nalain’ny mpisoron’i Noà an-keriny ny sasany tamin’ny zanakavavin’ny Lamanita—Namaky ady tamin’i Limia sy ny olony ny Lamanita—Voatosika ary nitony ny miaramila Lamanita. Tokony ho 145–123 taona talohan’i Kristy.

1 Ankehitriny dia nisy toerana iray tao Semlôna, izay niarahan’ny zanakavavin’ny Lamanita nifamory mba hihira sy handihy ary hamalifaly ny tenany.

2 Ary ny zava-nitranga indray andro dia nisy vitsivitsy taminy no niara-tafavory mba hihira sy handihy.

3 Ary ankehitriny ny mpisoron’i Noà mpanjaka, rehefa menatra ny hiverina ao an-tanànan’i Nefia, eny, ary koa natahotra fandrao hovonoin’ny olona, noho izany dia tsy sahiny ny niverina tany amin’ny vady aman-janany.

4 Ary rehefa nijanona tany an-tany foana sy nahita ny zanakavavin’ny Lamanita izy dia niafina sy nitily azy;

5 Ary rehefa tsy nisy afa-tsy vitsivitsy taminy no niara-tafavory mba handihy, dia nivoaka ny toerana niafenany izy ary naka azy sy nitondra azy nankany an-tany foana; eny, efatra amby roapolo tamin’ny zanakavavin’ny Lamanita no nentiny nankany an-tany foana.

6 Ary ny zava-nitranga, rehefa nahita ny Lamanita fa efa nanjavona ny zanany vavy, dia tezitra tamin’ny vahoakan’i Limia izy, satria nihevitra izy fa ny vahoakan’i Limia no anton’izany.

7 Noho izany izy dia nandefa ny miaramilany; eny, ary ny tenan’ny mpanjaka mihitsy no nialoha lalana ny vahoakany; ary nandeha niakatra tany an-tanin’i Nefia ireo mba hamongotra ny vahoakan’i Limia.

8 Ary ankehitriny dia efa nahatazana azy avy teny amin’ny tilikambo i Limia, tazany na dia ny fiomankomanany ho amin’ny ady aza; noho izany dia namory ny olony niaraka izy, ary namela otrika ho azy teny an-tsaha sy tao an’ala.

9 Ary ny zava-nitranga, nony efa tafakatra ny Lamanita, dia rafitra niantoraka taminy avy tamin’ny toerana niandrasany ny vahoakan’i Limia ary nanomboka namono azy.

10 Ary ny zava-nitranga dia nanjary nangotraka izaitsizy tokoa ny ady, fa niady toy ny liona miaro ny hazany izy.

11 Ary ny zava-nitranga dia nanomboka nandroaka ny Lamanita teo anoloany ny vahoakan’i Limia; kanefa dia tsy nisy antsasaky ny Lamanita ny hamaroany. Saingy aniady ho an’ny ainy sy ho an’ny vadiny ary ho an’ny zanany izy; koa nataony vivery ny tenany ary toy ny dragona no fiadiny.

12 Ary ny zava-nitranga dia hitany teo anivon’ireo maty ny mpanjakan’ny Lamanita; tsy maty anefa izy fa naratra ary tavela teo amin’ny tany satria haingana loatra ny fandosiran’ny olony.

13 Ary naka azy izy ary namehy ny ratrany sy nitondra azy teo anoloan’i Limia, ary nanao hoe: Indro, inty ny mpanjakan’ny Lamanita; fa naratra izy ka efa niampatra teo anivon’ireo maty taminy, ary ireo dia efa nandao azy; ary indro, efa nentinay eto anoloanao izy; Ary ankehitriny aoka hovonointsika izy.

14 Nefa hoy Limia taminy: Tsy hamono azy ianareo fa hitondra azy kosa aty mba hahitako azy. Ary ireo dia nitondra azy. Ary hoy i Limia taminy: Inona no antony niakaranao hiady tamin’ny oloko? Indro, tsy nivadika ny afianianana izay nataoko taminao ny oloko; koa nahoana ianao no nivadika ny fianianana izay nataonao tamin’ny oloko?

15 Ary ankehitriny dia hoy ny mpanjaka: Nivadi-belirano aho satria nentin’ny olonao nitsoaka ireo zanakavavin’ny oloko; koa noho ny hatezerako, dia nasaiko niakatra ny oloko hiady amin’ny olonao.

16 Ary ankehitriny dia tsy nandre na inona na inona momba izany zavatra izany i Limia; koa hoy izy: Hisava any anivon’ny oloko aho, ary na zovy na zovy no efa nanao izany zavatra izany dia ho faty izy. Koa nampanao fisavana tany anivon’ny olony izy.

17 Ankehitriny, nony efa nandre izany zavatra izany i aGideôna, izay izy no kapitenin’ny mpanjaka, dia nandroso sy niteny tamin’ny mpanjaka hoe: Miangavy anao aho ajanony, ary aza mampisava ity vahoaka ity ary aza tananao ho hadisoany izany zavatra izany.

18 Fa tsy tsaroanao va ny mpisoron-drainao, izay notadiavin’ity vahoaka ity hofongorina? Ary moa va ireny tsy any an-tany foana? Ary moa va tsy ireny no ireo izay nangalatra ny zanakavavin’ny Lamanita?

19 Ary ankehitriny, indro ary lazao ny mpanjaka ny amin’izany zavatra izany mba hahazoany milaza amin’ny olony ka hahazoany mitony amintsika; fa indro efa miomana sahady izy hiakatra hamely antsika; ary indro koa fa tsy misy afa-tsy vitsivitsy isika.

20 Ary indro tonga miaraka amin’ny miaramilany sesehena izy; ary raha tsy ampitonian’ny mpanjaka amintsika izy, dia tsy maintsy ho faty isika.

21 Fa moa va tsy atanteraka ny tenin’i Abinadia izay naminaniany ny momba antsika—ary izao rehetra izao dia noho isika tsy te hihaino ny tenin’ny Tompo sy tsy mivily hiala amin’ny helotsika?

22 Ary ankehitriny aoka hotonentsika ny mpanjaka ary hotanterahantsika ny fianianana izay efa nataontsika taminy; fa tsaratsara kokoa isika ao amin’ny fanandevozana toy izay hamoy ny aintsika; koa aoka hasiantsika fitsaharana ny fandatsahan-dra be loatra.

23 Ary ankehitriny i Limia dia nilaza tamin’ny mpanjaka ny zavatra rehetra momba an-drainy sy ny ampisorona izay efa nandositra tany an-tany foana ary tanany ho nitondra nitsoaka ny zanakavaviny.

24 Ary ny zava-nitranga dia tony tamin’ny olony ny mpanjaka; ary nanao taminy hoe: Andeha isika hivoaka mba hitsena ny oloko, tsy miaraka amin’ny fiadiana; ary dia mianiana aminao amin’ny velirano aho fa tsy hamono ny olonao ny oloko.

25 Ary ny zava-nitranga dia nanaraka ny mpanjaka izy ary nandroso tsy nisy fiadiana hitsena ny Lamanita. Ary ny zava-nitranga dia nitsena ny Lamanita izy; ary ny mpanjakan’ny Lamanita niankohoka teo anoloany sy niteny tamin’ny anaran’ny vahoakan’i Limia.

26 Ary rehefa nahita ny vahoakan’i Limia ny Lamanita, fa izy dia tsy nirongo fiadiana, dia nanana afitserana azy izy ka nitony taminy ary niverina tamim-piadanana tany an-taniny niaraka tamin’ny mpanjakany.