Ny soratra masina
Môzià 26


Toko 26

Notarihin’ny tsy mpino ho any amin’ny fahotana ny mpikambana maro tao amin’ny fiangonana—Nampanantenaina an’i Almà ny fiainana mandrakizay—Ireo izay nibebaka sy natao batisa no nahazo famelana—Ny mpikamban’ny fiangonana tao amin’ny ota, ka nibebaka sy niaiky ny helony tamin’i Almà sy ny Tompo, dia ho voavela; raha tsy izany, dia tsy horaisina ho isan’ny vahoakan’ny Fiangonana izy. Tokony ho 120–100 taona talohan’i Kristy.

1 Ankehitriny ny zava-nitranga dia nisy maro tamin’ny taranaka vao misondrotra, izay tsy nety nahatakatra ny tenin’i Benjamina mpanjaka noho izy mbola ankizy madinika tamin’ny fotoana nitenenany tamin’ny olony; ary tsy nino ny fomban-drazany izy.

2 Tsy nino izay efa nolazaina momba ny fitsanganan’ny nodimandry amin’ny maty izy ary tsy nino koa ny momba ny fiavian’i Kristy.

3 Ary ankehitriny noho ny tsy finoany dia tsy nety anahatakatra ny tenin’ Andriamanitra izy; ary nohamafisina ny fony.

4 Ary tsy nety natao batisa izy; sady tsy nety nikambana tamin’ny fiangonana. Ary olona niavaka izy raha ny finoany sady nijanona ho toy izany hatrany, dia tao amin’ny toetry ny maha-aolon’ny nofo sy mpanota; fa tsy nety niantso ny Tompo Andriamaniny izy.

5 Ary ankehitriny, nandritra ny fitondran’i Môzià dia tsy nisy an-tsasaky ny vahoakan’ Andriamanitra ny hamaroany; nefa noho ny atsy fifanarahana teo amin’ireo rahalahy dia nanjary nihamaro kokoa izy.

6 Fa ny zava-nitranga dia nofitahiny tamin’ny teny manasohaso ny maro izay tao anatin’ny fiangonana ary nataony izay hahavitany fahotana maro; noho izany dia nilaina ny hananaran’ny fiangonana ireo izay nahavita fahotana, izay tao aanatin’ny fiangonana.

7 Ary ny zava-nitranga dia nentina teo anoloan’ny mpisorona ireo ary natolotry ny mpampianatra ny mpisorona; ary ny mpisorona nitondra azy ireo teo anoloan’i Almà izay ampisorona avo.

8 Ankehitriny dia efa natolotr’i Môzià mpanjaka an’i Almà ny fahefana amin’ny fiangonana.

9 Ary ny zava-nitranga dia tsy nahalala ny momba azy ireo i Almà; saingy nisy maro ny vavolombelona niampanga azy ireo; eny, nitsangana sady nanambara lavareny ny momba ny helony ny vahoaka.

10 Ankehitriny dia tsy nisy zavatra toy izany nitranga tamin’ny fiangonana teo aloha; noho izany i Almà dia sahiran-tsaina, ary nasainy nentina teo anatrehan’ny mpanjaka izy ireo.

11 Ary hoy izy tamin’ny mpanjaka: Indro, ireto ny maro izay efa nentinay eto anoloanao izay ampangain’ny rahalahiny; eny, ary izy ireo dia efa voaray teo am-panaovana heloka samihafa. Ary tsy mibebaka amin’ny helony izy ireo; noho izany izahay dia efa nitondra azy ireo eto anoloanao mba hahazoanao mitsara azy ireo araka ny helony avy.

12 Nefa hoy i Môzià mpanjaka tamin’i Almà: Indro, izaho dia tsy hitsara azy ireo; noho izany dia amanolotra azy ireo kosa eo an-tananao aho mba hotsaraina.

13 Ary ankehitriny dia sahiran-tsaina indray i Almà; dia nandeha izy ary nanadina ny Tompo ny amin’izay tokony hataony momba ity raharaha ity, satria natahotra izy fandrao hanao hadisoana eo imason’ Andriamanitra.

14 Ary ny zava-nitranga, rehefa noborahiny tamin’ Andriamanitra ny fanahiny manontolo, dia tonga taminy ny feon’ny Tompo, manao hoe:

15 Hotahina ianao ry Almà ary hotahina ireo izay natao batisa tao amin’ny aranon’i Môrmôna. Hotahina ianao noho ny bfinoanao fatratra ny teny fotsiny ihany; izay an’i Abinadia mpanompoko.

16 Ary hotahina ireo noho ny finoany fatratra ny teny fotsiny ihany izay efa nolazainao azy ireo.

17 Ary hotahina ianao, satria efa nanangana afiangonana teo anivon’ity vahoaka ity ianao; ka haorina mafy ianao, ary izy no ho oloko.

18 Eny, hotahina ity vahoaka ity izay te hitondra ny aanarako; fa amin’ny anarako no hiantsoana azy ary Ahy izy.

19 Ary satria efa nanadina Ahy ny amin’ny mpandika lalàna ianao, dia hotahiana ianao.

20 Mpanompoko ianao; ary Izaho dia manao fanekempihavanana aminao fa hahazo ny afiainana mandrakizay ianao; ary hanompo Ahy ianao ary handeha amin’ny anarako sy hanangona ny ondriko.

21 Ary izay handre ny feoko no ho aondriko; ary izay horaisinao ao amin’ny fiangonana, dia izy no horaisiko koa.

22 Fa indro, ity no fiangonako; na zovy na zovy no aatao batisa dia hatao batisa ho amin’ny fibebahana izy. Ary na zovy na zovy no horaisinao, dia hino ny Anarako izy; ary izy no bhavelako malalaka.

23 Fa Izaho no amitondra eo amiko ny fahotan’izao tontolo izao; fa Izaho no efa bnahary azy; ary Izaho no manome izay mino hatramin’ny farany toerana eo an-tanako ankavanana.

24 Fa indro, amin’ny Anarako no iantsoana azy; ary raha amahalala Ahy izy, dia hivoaka sy handray ny toerany mandrakizay eo an-tanako an-kavanana.

25 Ary ny zavatra hitranga, rehefa haneno ny atrompetra faharoa, dia amin’izay vao hivoaka ireo izay tsy bnahalala Ahy na oviana na oviana ary hijoro eo anoloako.

26 Ary amin’izany dia ho fantany fa Izaho no Tompo Andriamaniny, fa Izaho no Mpanavotra azy; saingy tsy te ho voavotra izy.

27 Ary amin’izany Aho dia hiaiky aminy fa tsy anahalala azy na oviana na oviana Aho; koa bhiala izy hankany amin’ny dafo maharitra mandrakizay, voaomana ho an’ny devoly sy ny anjeliny.

28 Noho izany dia lazaiko aminao fa izay tsy te ahandre ny feoko dia tsy horaisinao ao amin’ny fiangonako, fa izy no tsy horaisiko amin’ny andro farany.

29 Noho izany dia lazaiko aminao, Mandehana, ary na zovy na zovy no mandika ny lalàko dia ahotsarainao baraka ny fahotana izay efa nataony izy; ary raha dmiaiky ny fahotany eo anatrehanao sy eo anatrehako izy ary emibebaka amin’ny fahitsin’ny fony, dia fhamela azy ianao, ary Izaho koa hamela azy.

30 Eny, ary aisaky ny bmibebaka ny oloko dia Izaho hamela ny fahadisoany Tamiko.

31 Ary ianareo samy ianareo koa dia ahifamela ny fahadisoanareo; fa lazaiko aminareo marina tokoa, izay tsy mamela ny fahadisoan’ny namany raha milaza izy fa mibebaka, dia izy no efa mametraka ny tenany eo ambany fanamelohana.

32 Ankehitriny dia lazaiko aminao, Mandehana; ary na zovy na zovy no tsy te hibebaka amin’ny fahotany dia tsy horaisina ho isan’ny oloko izy; ary izany dia hankatoavina hatramin’izao fotoana izao.

33 Ary ny zava-nitranga, rehefa avy nandre ireo teny ireo i Almà, dia nosoratany izany mba hahazoany mitana izany sy mba hahazoany mitsara ny vahoakan’ity fiangonana ity araka ny didin’ Andriamanitra.

34 Ary ny zava-nitranga dia nandeha i Almà ary nitsara ireo izay efa noraisina tao amin’ny heloka, araka ny tenin’ny Tompo.

35 Ary na zovy na zovy no nibebaka tamin’ny fahotany sy aniaiky izany dia izy no noraisiny ho isan’ny vahoakan’ny fiangonana;

36 Ary ireo izay tsy te hiaiky ny fahotany sy tsy te hibebaka tamin’ny helony, ireo no tsy noraisina ho isan’ny vahoakan’ny fiangonana, ary anovonoina ny anarany.

37 Ary ny zava-nitranga dia i Almà no nitantana ny raharahan’ny fiangonana rehetra; ary nanomboka nahita filaminana sy ho nambinina fatratra tokoa izy ireo teo amin’ny raharahan’ny fiangonana, nandeha tamim-pahamalinana teo anatrehan’ Andriamanitra sy nandray maro ary nanao batisa maro.

38 Ary ankehitriny izany zavatra rehetra izany no nataon’i Almà sy ny mpiara-miasa taminy tamin’ny fiangonana, nandeha tamin’ny fahazotoana rehetra, nampianatra ny tenin’ Andriamanitra tamin’ny zava-drehetra, niaritra ny karazam-pahoriana rehetra, nenjehin’ireo rehetra izay tsy isan’ny fiangonan’ Andriamanitra.

39 Ary izy ireo dia nananatra ny rahalahiny; ary izy ireo koa dia ananarina, ny tsirairay tamin’ny tenin’ Andriamanitra araka ny fahotany na ny fahotana izay efa nataony, rehefa nodidian’ Andriamanitra bhivavaka tsy tapaka, sy hanati-dtsaotra amin-java-drehetra.