Ny soratra masina
Môzià 2


Toko 2

Nandaha-teny tamin’ny olony i Benjamina Mpanjaka—Nampahatsiahy ny rariny sy ny hitsiny ary ny fiainam-panahy tamin’ny fitondrany izy—Notolorany hevitra izy hanompo ny Mpanjakany any an-danitra—Ireo izay nikomy tamin’ Andriamanitra dia hiaritra fitaintainana toy ny afo tsy mety maty. Tokony ho 124 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ny zava-nitranga, rehefa avy nanao araka izay efa nandidian-drainy azy i Môzià, sy efa nanao filazana eran’ny tany manontolo, dia niara-nifamory ny vahoaka eran’ny tany manontolo mba hahazoany mandeha miakatra ao amin’ny tempoly handre ny teny izay holazain’i Benjamina mpanjaka aminy.

2 Ary be dia be ny isany, maro loatra aza ka tsy nisainy izy; fa efa nitombo fatratra tokoa sy nihabetsaka tamin’ny tany izy.

3 Ary nitondra tamin’ny avoalohan-teraky ny biby fiompiny izy mba hahazoany manatitra bsorona sy dfanatitra ho dorana earaka ny lalàn’i Mosesy;

4 Ary koa mba hahazoany manolotra fisaorana ny Tompo Andriamaniny izay efa nitondra azy niala ny tanin’i Jerosalema sy izay efa nanafaka azy tamin’ny tanan’ny fahavalony ary efa ananendry olona marina ho bmpampianatra azy ary koa lehilahy marina iray ho mpanjakany izay efa nampiorina fandriampahalemana teo amin’ny dtanin’i Zarahemlà sy izay efa nampianatra azy ehitandrina ny didin’ Andriamanitra mba hahazoany mifaly sy ho fenon’ny ffitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra.

5 Ary ny zava-nitranga, rehefa niakatra teo amin’ny tempoly izy, dia samy nanangana ny lainy manodidina, ny lehilahy tsirairay araka ny afianakaviany avy izay nahitana ny vadiny sy ny zanany lahy ary ny zanany vavy ary ny zanany lahy sy ny zanany vavy, hatramin’ny zokiny indrindra ka hatramin’ny zandriny indrindra, samy nitsitokotoko isam-pianakaviany avy.

6 Ary izy ireo dia nanangana ny lainy nanodidina ny tempoly, ny lehilahy tsirairay dia nanana ny alainy izay nitodika tany amin’ny tempoly ny varavarany, ka tamin’izany izy dia afaka nitoetra tao an-dainy sy mandre ny teny izay holazain’i Benjamina mpanjaka aminy;

7 Fa be loatra ny valalabemandry ka tsy afaka nampianatra azy rehetra tao anatin’ny rindrin’ny tempoly i Benjamina mpanjaka, koa nataony izay hananganana tilikambo iray, fa amin’izany no mety handrenesan’ny olona ny teny izay holazainy aminy.

8 Ary ny zava-nitranga dia nanomboka niteny tamin’ny olony avy teo amin’ny tilikambo izy; ary izy rehetra dia tsy afaka nandre ny teniny noho ny habetsahan’ny valalabemandry; noho izany, ny teny nolazainy dia nasainy nosoratana sy nalefa tany anivon’ireo izay tsy takatry ny hiakan’ny feony mba hahazoan’ireny koa mandray ny teniny.

9 Ary izao ny teny izay anolazainy sy nasainy nosoratana, manao hoe: Ry rahalahiko, ianareo rehetra izay efa niara-nivory, ianareo izay afaka mandre ny teniko izay holazaiko anareo anio; satria tsy nandidy anareo ho tonga etoana aho mba bhamazivazy ny teny izay holazaiko fa ny mba dhihainoanareo ahy kosa sy hanokafanareo ny sofinareo mba hahazoanareo mandre ary ny efonareo mba hahazoanareo mahatakatra, ary ny fsainareo ka ny gmisterin’ Andriamanitra dia ho azo velabelarina ho an’ny fandinihanareo.

10 Izaho dia tsy nandidy anareo ho tonga etoana mba ahatahoranareo ahy na hiheveranareo fa ny tenako dia mihoatra noho ny olona mety maty.

11 Fa izaho dia tahaka ny tenanareo andairan’ny karazany rehetra amin’ny rofin’ny vatana sy ny saina; kanefa dia efa nofinidin’ity vahoaka ity aho, ary natokan’ny raiko sy navelan’ny tanan’ny Tompo mba ho mpanapaka sy ho mpanjakan’ity vahoaka ity; ary dia efa notehirizina sy notsimbinina tamin’ny heriny tsy manan-tsahala aho mba hanompo anareo amin’ny hery sy saina ary tanjaka rehetra izay efa nomen’ny Tompo ahy.

12 Lazaiko aminareo fa efa navela aho handany ny androko amin’ny fanompoana anareo na dia hatramin’izao fotoana izao aza, ary tsy nikatsaka avolamena na volafotsy na izay mety ho karazana harena taminareo aho;

13 Sady tsy navelako hahiboka tao an-tranomaizina ianareo, no tsy navelako hifanandevo ianareo samy ianareo, na hamono olona, na handroba, na hangalatra, na hanao fijangajangana; tsy navelako ataonareo mihitsy rehefa mety ho fomban’ny faharatsiana, ary efa nampianariko anareo fa ianareo dia tokony hitandrina ny didin’ny Tompo amin’ny zavatra rehetra izay efa nandidiany anareo—

14 Ary na dia ny tenako aza dia efa anampiasa ny tanako mba hahazoako manompo anareo sy mba tsy hovesarana amin’ny hetra ianareo ary mba tsy hisy na inona na inona hianjady aminareo izay sarotra zakaina—ary ny amin’ireo zavatra rehetra izay efa nolazaiko ireo dia ny tenanareo ihany no vavolombelona anio.

15 Kanefa, ry rahalahiko, tsy nanao ireo zavatra ireo aho mba hahazoako mirehareha, sady tsy milaza ireo zavatra ireo koa aho mba hahazoako miampanga anareo amin’izany; fa lazaiko anareo kosa ireo zavatra ireo mba hahafahanareo mahalalala fa izaho dia afaka manamarina ny afieritreretana madio eo anoloan’ Andriamanitra anio.

16 Indro, lazaiko aminareo, satria nolazaiko taminareo fa efa nandany ny androko tamin’ny fanompoana anareo aho, dia tsy noho izaho maniry ny hirehareha, satria izaho dia tsy nanao afa-tsy ny nanompo an’ Andriamanitra.

17 Ary indro, lazaiko aminareo ireo zavatra ireo mba hahazoanareo mianatra afahendrena, mba hahazoanareo mianatra fa rehefa eo amin’ny bfanompoana ny dmpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.

18 Indro, efa nantsoinareo hoe mpanjakanareo aho; ary raha izaho izay antsoinareo hoe mpanjakanareo aza dia miasa mba ahanompo anareo, moa va ianareo tsy mba tokony hiasa mba hifanompo ianareo samy ianareo?

19 Ary indro koa, raha izaho izay antsoinareo hoe mpanjakanareo izay efa nandany ny androny tamin’ny fanompoana anareo, ary mbola eo am-panompoana an’ Andriamanitra anefa, dia mendrika izay mety ho fisaorana avy aminareo, Ô tsy mainka va ny tokony ahisaoranareo ny Mpanjakanareo any an-danitra!

20 Lazaiko aminareo, ry rahalahiko, fa raha manatitra ny fisaorana sy ny afiderana rehetra araka ny hery ananan’ny fanahinareo manontolo ianareo, ho an’ilay bAndriamanitra izay efa nahary anareo, ary efa nitahiry sy nitsimbina anareo, ary efa nanao izay tokony hifalianareo, ary efa namela anareo samy ianareo hiaina am-pilaminana—

21 Lazaiko aminareo fa raha manompo Azy izay efa nahary anareo hatrany am-piandohana ianareo sy mitahiry anareo isan’andro isan’andro amin’ny fampindramana anareo fofon’aina mba hahazoanareo miaina sy mihetsika ary manao araka ny asitraponareo, ary manohana mihitsy anareo ombieny ombieny—Lazaiko fa raha manompo Azy amin’ny fanahinareo rehetra sy manontolo ianareo, dia mbola ho mpanompo btsy mahasoa ihany ianareo.

22 Ary indro, ny hany takiany aminareo dia ny ahitandrina ny bdidiny; ary efa nampanantena anareo Izy fa raha mitandrina ny didiny ianareo dia hiroborobo eo amin’ny tany; ary tsy dmivadika na oviana na oviana amin’ny efa nolazainy Izy; noho izany, raha emitandrina ny didiny ianareo dia mitahy anareo tokoa Izy sady mampiroborobo anareo.

23 Ary ankehitriny, voalohany indrindra, Izy dia efa nahary anareo sy nanome anareo ny ainareo ka raiki-trosa Aminy ianareo.

24 Ary faharoa, dia takiany ny hanaovanareo araka ny efa nandidiany anareo; fa raha manao araka izany ianareo, dia amitahy anareo avy hatrany Izy; ary noho izany dia efa manonitra anareo Izy. Ary ianareo kosa dia mbola raiki-trosa Aminy, sy raiki-trosa, ary ho raiki-trosa mandrakizay mandrakizay; noho izany, inona no mampirehareha anareo?

25 Ary ankehitriny manontany aho, moa va ianareo afaka milaza na inona na inona akory momba ny tenanareo? Mamaly anareo aho, Tsia. Ianareo dia tsy afaka milaza akory fa ianareo dia mitovy amin’ny vovoky ny tany; kanefa ianareo dia anohariana avy tamin’ny bvovoky ny tany; nefa indro izany dia an’ilay nahary anareo.

26 Ary izaho, na dia izaho izay antsoinareo hoe mpanjakanareo aza, dia tsy tsaratsara kokoa noho ny tenanareo; fa izaho koa dia avy amin’ny vovoka. Ary hitanareo fa efa antitra aho ary efa madiva ny hamerina ity vatana mety maty ity amin’ny tany niaviany.

27 Noho izany, toy ny nilazako taminareo fa efa nanompo anareo aho, anandeha tamin’ny fieritreretana madio teo anoloan’ Andriamanitra, dia toy izany koa amin’izao fotoana izao no efa nanaovako izay hivorianareo miaraka mba ho hita tsisy tsiny aho ary mba tsy havaly ahy ny branareo rehefa hijoro aho mba hotsarain’ Andriamanitra amin’ny zavatra izay efa nandidiany ahy momba anareo.

28 Lazaiko aminareo fa efa nanao izay hivorianareo miaraka aho mba hahazoako amanaisotra ny ranareo hiala amin’ny fitafiako amin’izao fotoana madiva hidinako any am-pasana izao, mba hahazoako midina am-piadanana ary mba hahazoan’ny bfanahiko tsy mety maty mikambana amin’ny damboaram-peo ao ambony amin’ny fihirana fiderana an’ilay Andriamanitra marina.

29 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo fa efa nanao izay hivorianareo miaraka aho mba hahazoako milaza aminareo fa tsy afaka ny ho mpampianatra anareo intsony aho na ny ho mpanjakanareo;

30 Fa na dia amin’izao fotoana izao aza, ny vatako manontolo dia mangozohozo izaitsizy tokoa raha mbola eo am-piezahana ny hiteny aminareo aho; saingy ny Tompo Andriamanitra no manohana ahy sy efa namela ahy hiteny aminareo ary efa nandidy ahy ny tsy maintsy hilazako aminareo anio fa i Môzià zanako lahy no mpanjaka sy mpanapaka eo aminareo.

31 Ary ankehitriny, ry rahalahiko, dia mba tiako ny hanaovanareo toy izay efa nataonareo hatrizao. Toy ny efa nitandremanareo ny didiko ary koa ny didin’ny raiko, ary efa niroboroboanareo sy efa nitsimbinana anareo tsy ho latsaka eo an-tanan’ny fahavalonareo, dia toy izany koa, raha mitandrina ny didin’ny zanako lahy ianareo na ny didin’ Andriamanitra, izay hatolotra anareo amin’ny alalany, dia hiroborobo amin’ny tany ianareo, ary ny fahavalonareo dia tsy hanan-kery aminareo.

32 Nefa, ry oloko, mitandrema fandrao hitranga eo anivonareo ny afifandirana, ary hofidianareo ny hankatò ny fanahy ratsy izay efa noresahan’i Môzià raiko.

33 Fa indro, misy loza efa voatonona ho an’izay mifidy ny hankatò izany fanahy izany; satria raha mifidy ny hankatò azy izy sy mitoetra ary maty ao amin’ny fahotany, dia misotro afanamelohana ho an’ny fanahiny ihany izy; fa mandray ny bfamaizana maharitra mandrakizay ho karamany izy, rehefa nandika ny lalàn’ Andriamanitra mifanohitra amin’ny fahalalany ihany.

34 Lazaiko aminareo fa tsy misy na dia iray aza aminareo, afa-tsy ny zanakareo madinika izay tsy nampianarina ny momba ireo zavatra ireo, izay tsy mahalala fa ianareo dia raiki-trosa mandrakizay amin’ny Rainareo any an-danitra mba hamerina Aminy izay rehetra anananareo sy ny maha-ianareo anareo; ary koa izay tsy nampianarina ny momba ireny rakitsoratra izay mitahiry ny faminaniana izay efa nolazain’ny mpaminany masina, na dia hatramin’ny fotoana nandaozan’i Lehia raintsika an’i Jerosalema aza;

35 Ary koa, izay rehetra efa nolazain’ny razantsika hatramin’izao. Ary indro koa izy ireo dia nilaza izay efa nandidian’ny Tompo azy ireo; noho izany dia mahitsy sy marina ireny.

36 Ary ankehitriny, lazaiko aminareo ry rahalahiko fa rehefa avy nahalala sy nampianarina ireo zava-drehetra ireo ianareo, raha mandika lalàna ianareo sy mandeha manohitra izay efa voalaza, dia mampihataka ny tenanareo amin’ny Fanahin’ny Tompo, hany ka tsy mety hanana toerana ao aminareo Izy mba hitarika anareo amin’ny lalan’ny fahendrena hahazoana mitahy sy mampiroborobo ary mitsimbina anareo—

37 Lazaiko aminareo fa ny olona izay manao izany dia miroso amin’ny afikomiana an-kitsirano amin’ Andriamanitra; noho izany izy dia misafidy ny hankatò ny fanahy ratsy ary tonga fahavalon’ny fahamarinana rehetra; noho izany, ny Tompo dia tsy manan-toerana ao aminy, satria tsy mitoetra ao amin’ny btempoly tsy masina Izy.

38 Noho izany raha tsy amibebaka izany olona izany, ary mitoetra sy maty fahavalon’ Andriamanitra, ny fitakian’ny bfahamarinan’ Andriamanitra dia ny hamohazana ny fanahiny tsy mety maty ho amin’ny fahatsapana mivaivay tokoa ny dhelony ihany izay mahatonga azy hitakemotra hiala ny fanatrehana ny Tompo sy mameno ny tratrany amin’ny heloka sy ny fanaintainana ary ny fitaintainana izay toy ny afo tsy mety maty, izay misondrotra mandrakizay mandrakizay ny lelafony.

39 Ary ankehitriny, lazaiko aminareo fa tsy manan-jo amin’izany olona izany ny afamindram-po; noho izany ny fara-fanamelohana azy dia ny fiaretana fijaliana tsy mifarana na oviana na oviana.

40 Ry lahiantitra rehetra ô, ary koa ianareo tovolahy sy ianareo ankizy madinika izay mety mahatakatra ny teniko, satria efa niteny taminareo tamim-pahatsorana tokoa aho mba hahazoanareo mahatakatra, mivavaka aho mba hifohazanareo ho amin’ny afahatsiarovana ny toerana mahatsiravina misy ireo izay efa lavo noho ny fandikan-dalàna.

41 Ary ankoatra izany dia mba maniry aho ny hisaintsainanareo ny toetry ny fitahiana sy afahasambaran’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra. Fa indro izy ireo dia btahiana amin’ny zava-drehetra, na ara-nofo na ara-panahy; ary raha mitoetra ho dmahatoky hatramin’ny farany izy ireo dia raisina any ean-danitra, fa amin’izany no hahazoany miara-monina amin’ Andriamanitra ao amin’ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana. Ô tsarovy, tsarovy fa ireo zavatra ireo dia marina; fa ny Tompo Andriamanitra no efa niteny izany.