Ny soratra masina
Môzià 5


Toko 5

Nanjary zanakalahy sy zanakavavin’i Kristy tamin’ny alalan’ny finoana ny olomasina—Nantsoina tamin’ny anaran’i Kristy izy tamin’izany—Namporisika azy hiorina mafy sy tsy ho azo hozongozonina amin’ny asa soa i Benjamina Mpanjaka. Tokony ho 124 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, rehefa avy niteny toy izany tamin’ny olony i Benjamina mpanjaka, dia nampaniraka tany anivony izy noho ny faniriany hahafantatra avy tamin’ny olony raha nino ny teny izay efa nolazainy taminy izy.

2 Ary nihiaka tamin’ny feo tokana izy rehetra, nanao hoe: Eny, mino ny teny rehetra izay efa nolazainao taminy izahay; ary fantatray koa fa azo antoka sy marina ireny, noho ny amin’ny Fanahin’ny Tompo Tsitoha izay efa nahatonga afiovana mahery vaika tao aminy, na tao am-ponay, ka tsy manana fironana hanao bratsy intsony izahay fa ny hanao soa lalandava kosa.

3 Ary izahay, ny tenanay koa, amin’ny alalan’ny hatsaram-po tsisy fetra izay an’ Andriamanitra sy ny fanehoana ny Fanahiny, dia nahazo fahitana lehibe ny amin’izay ho avy; ary raha toa nilaina, dia ho afaka naminany ny amin’ny zava-drehetra izahay.

4 Ary ny finoana izay efa nanananay tamin’ny zavatra izay efa nolazain’ny mpanjakanay taminy dia efa nitondra anay ho amin’izao fahalalana lehibe izao, ka amin’izany izahay dia mifaly amin’ny fifaliana lehibe izaitsizy tokoa toy izao.

5 Ary izahay dia vonona hanao afanekempihavanana amin’ Andriamanitray, hanao ny sitrapony sy hankatò ny didiny amin’ny zava-drehetra izay handidiany anay, amin’ny andronay sisa rehetra, mba tsy hahazoanay mampitondra amin’ny tenanay ny fijaliana btsy mifarana na oviana na oviana, toy izay efa nolazain’ilay danjely, mba tsy hahazoanay misotro amin’ny kapoakan’ny fahatezeran’ Andriamanitra.

6 Ary ankehitriny, izany no teny izay nirian’i Benjamina mpanjaka taminy; ary noho izany dia hoy izy taminy: Efa nilaza ny teny izay niriako ianareo; ary ny fanekempihavanana izay efa nataonareo dia fanekempihavanana marina.

7 Ary ankehitriny, noho ny fanekempihavanana izay efa nataonareo, dia hantsoina hoe azanak’i Kristy ianareo, dia zanany lahy sy zanany vavy; fa indro, efa bniteraka anareo ara-panahy Izy androany; satria lazainareo fa ny dfonareo dia efa miova amin’ny alalan’ny finoana ny anarany; noho izany, dia eaterany ianareo ary efa tonga fzanany lahy sy zanany vavy.

8 Ary eo ambanin’izany anarana izany no aanafahana anareo; ary btsy misy danarana hafa izay ahazoana manafaka anareo. Tsy misy anarana hafa nomena izay hiavian’ny famonjena; noho izany, dia mba tiako ny ehitondranareo eo aminareo ny anaran’i Kristy, dia ianareo rehetra izay efa nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra fa ho mpankatò mandra-pahatapitry ny ainareo.

9 Ary ny zavatra hitranga dia na zovy na zovy no manao izany, dia ho hita eo an-tànan’ankavanan’ Andriamanitra izy, satria hahafantatra ny anarana izay iantsoana azy izy; fa hantsoina amin’ny anaran’i Kristy izy.

10 Ary ankehitriny ny zavatra hitranga dia na zovy na zovy no tsy hitondra eo aminy ny anaran’i Kristy, dia tsy maintsy hantsoina amin’ny aanarana hafa izy; noho izany izy dia mahita ny tenany eo an-btanana ankavian’ Andriamanitra.

11 Ary mba tiako ny hahatsiarovanareo koa fa izany no aanarana izay nolazaiko fa homeko anareo, izay tsy hovonoina mandrakizay raha tsy noho ny fandikan-dalàna; noho izany dia mitandrema mba tsy handikanareo lalàna, mba tsy ho voavono ao am-ponareo ilay anarana.

12 Lazaiko aminareo, mba tiako ny hahatsiarovanareo ny ahitana ilay anarana ho voasoratra mandrakariva ao am-ponareo, ka tsy hahitana anareo ho eo an-tanana an-kavian’ Andriamanitra fa ny mba handrenesanareo sy ny hahalalanareo kosa ny feo izay hiantsoana anareo, ary koa ny anarana izay hiantsoany anareo.

13 Fa ahoana moa no aahalalan’ny olona iray ny tompo izay tsy notompoiny sy izay vahiny aminy ary lavitry ny eritreriny sy ny fikasan’ny fony?

14 Ary koa, ny olona iray va haka ny boriky izay an’ny namany ary hitana azy? Lazaiko aminareo, Tsia; tsy avelany akory hiraoka eo anivon’ny biby fiompiny izy, fa hoentiny hivoaka ary horoahiny any ivelany izy. Lazaiko aminareo, fa ho toy izany koa ny aminareo raha tsy fantatrareo ny anarana izay iantsoana anareo.

15 Noho izany dia mba tiako ianareo hiorina mafy sy tsy ho azo hozongozonina, hahefa be mandrakariva amin’ny asa tsara mba hahazoan’i Kristy, Ilay Tompo Andriamanitra Tsitoha amamehy anareo ho Azy, hahazoana mitondra anareo any an-danitra ka hahazoanareo ny famonjena maharitra mandrakizay sy ny fiainana mandrakizay, amin’ny alalan’ny fahendrena sy ny hery ary ny fahamarinana sy ny famindram-pon’ilay bnahary ny zava-drehetra any an-danitra sy ety an-tany, izay Andriamanitra ambonin’ny rehetra. Amena.