Ny soratra masina
Môzià 6


Toko 6

Nirakitra ny anaran’ny olona i Benjamina Mpanjaka ary nanendry mpisorona hampianatra azy—Nanjaka toy ny mpanjaka marina i Môzià. Tokony ho 124–121 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ankehitriny, i Benjamina mpanjaka dia nihevitra fa mety, rehefa avy namarana ny lahateniny tamin’ny vahoaka izy, ny ahandraisany ny anaran’ireo izay efa nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra mba hitandrina ny didiny.

2 Ary ny zava-nitranga dia tsy nisy na dia olona iray aza, afa-tsy ireo ankizy madinika, ka tsy nanao fanekempihavanana sy tsy nitondra teo aminy ny anaran’i Kristy.

3 Ary koa ny zava-nitranga, rehefa avy namarana izany zavatra rehetra izany i Benjamina mpanjaka sy efa nanokana an’i aMôzià zanany lahy ho mpanapaka sy mpanjaka eo amin’ny vahoaka ary efa nanolotra azy ny fiadidiana rehetra momba ny fanjakana, ary koa efa bnanendry mpisorona dhampianatra ny olona, fa amin’izany no hahazoany mandre sy mahalala ny didin’ Andriamanitra sy hanaitra azy ho amin’ny fahatsiarovana ny efianianana izay efa nataony, dia noravany ny valalabemandry, ary ny tsirairay dia samy niverina tany amin’ny isam-pianakaviany sy ny isan-tokantranony avy.

4 Ary nanomboka nanjaka teo amin’ny toeran-drainy i aMôzià. Ary izy dia nanomboka nanjaka teo amin’ny fahatelopolon’ny taonany, koa raha ny fitambarany rehetra dia enina amby fitopolo sy efajato taona taorian’ny bfotoana izay nandaozan’i Lehia an’i Jerosalema.

5 Ary niaina telo taona i Benjamina mpanjaka dia nodimandry.

6 Ary ny zava-nitranga dia nandeha tamin’ny lalan’ny Tompo i Môzià mpanjaka, ary nohajainy ny fitsipiny sy ny satany ary notandremany ny didiny tamin’ny zava-drehetra izay nandidiany azy.

7 Ary nasain’i Môzià mpanjaka niasa ny tany ny vahoakany. Ary ny tenany mihitsy koa dia niasa ny tany mba atsy hahatonga azy ho enta-mavesatra ho an’ny olony, ka hahazoany manao araka izay efa nataon-drainy amin’ny zava-drehetra. Ary tsy nisy fifandirana teo anivon’ny vahoakany rehetra nandritra ny telo taona.