Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1


Ny
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Fizarana 1

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany ny 1 nôvambra 1831 nandritra ny fihaonambe manokana nataon’ireo loholon’ny Fiangonana tao Hiram, Ohio. Maro ireo fanambarana efa noraisina tamin’ny Tompo talohan’io fotoana io, ary ny fanangonana azy ireo mba havoaka ho boky no anankiray tamin’ireo ventin-draharaha nankatoavina tamin’io fihaonambe io. Miendrika ho sasin-tenin’ny Tompo ho an’ireo fotopampianarana sy fanekempihavanana ary didy nomena amin’izao fotoampitantanana izao ity fizarana ity.

1–7, Miantefa amin’ny olon-drehetra ny feo fampitandremana; 8–16, Mialoha ny Fiaviana Fanindroany ny Apôstazia sy ny faharatsiana; 17–23, Nantsoina mba hamerina indray ny fahamarinana sy ny herin’ny Tompo eto an-tany i Joseph Smith; 24–33, Navoaka ny Bokin’i Môrmôna ary naorina ny Fiangonana marina; 34–36, Hoesorina eto an-tany ny fiadanana; 37–39, Diniho ireo didy ireo.

1 Mihainoa ianareo Ry olon’ny afiangonako, hoy ny feon’ilay mipetraka any amin’ny avo, izay mitsinjo ny olon-drehetra ny bmasony; eny lazaiko marina tokoa: dMihainoa ianareo ry olona lavitra; ary ianareo izay any amin’ny nosin-dranomasina, miaraha mihaino.

2 Fa miantefa amin’ny olon-drehetra marina tokoa ny afeon’ny Tompo, ary btsy misy afa-miala; ary tsy misy maso izay tsy hahita, na sofina izay tsy handre, na dfo izay tsy hotohina.

3 Ary hotrobaran’alahelo mafy ny ampikomy; fa bhodradraina eo an-tampon-trano ny helony, ary hambara ny asany miafina.

4 Ary hiantefa amin’ny olon-drehetra ny afeo fampitandremana amin’ny alalan’ny vavan’ny mpianatro izay efa nofidiko amin’izao bandro farany izao.

5 Ary handeha izy ireo ary tsy hisy hahasakana azy ireo, satria Izaho Tompo no efa nandidy azy ireo.

6 Indro, izao no afahefako sy ny fahefan’ireo mpanompoko ary ny sasin-teniko ho an’ny bokin’ny didiko, izay efa nomeko azy ireo mba bhavoakany ho anareo, ry mponin’ny tany.

7 Koa amatahora sy mangovita ianareo ry olona, satria izay efa nodidiako Izaho Tompo ao anatiny dia ho btanteraka.

8 Ary lazaiko aminareo marina tokoa, fa ireo izay mandeha mitondra ireny hafatra ireny ho an’ny mponin’ny tany, ireo no omena fahefana ahifehy na eto an-tany, na any an-danitra, ny tsy mpino sy ny bmpikomy;

9 Eny, marina tokoa, ny hifehy azy ireo ho amin’ny andro izay hampidinana tsisy fetra ny afisafoakan’ Andriamanitra amin’ny bolon-dratsy

10 Amin’ny aandro izay hahatongavan’ny Tompo bhamaly ny olona tsirairay araka ny dasany avy sy ehamatra ny olona tsirairay araka ny famarana izay efa namarany ny namany.

11 Koa mandeha hatrany am-paran’ny tany ny feon’ny Tompo, mba handre izay rehetra te handre:

12 Miomàna ianareo, miomàna ianareo ho amin’izay ho avy, fa efa akaiky ny Tompo;

13 Ary mirehitra ny afahatezeran’ny Tompo, ary diovina any an-danitra ny bsabany, ary hianjera amin’ny mponin’ny tany izany.

14 Ary haseho ny asandrin’ny Tompo; ary avy ny andro, ka ireo izay tsy te bhandre ny feon’ny Tompo, na ny feon’ny mpanompony, na tsy dhampandry sofina amin’ny tenin’ireo mpaminany sy ny apôstôly, dia ehosarahina hiala avy eo anivon’ny olona;

15 Fa efa anialany ny bôrdônansiko ary efa dnivadihany ny efanekempihavanako maharitra mandrakizay;

16 Tsy amikatsaka ny Tompo izy ireo mba hanorina ny fahamarinany, fa samy mandeha amin’ny blalany davy ny olona tsirairay, ary manaraka ny eendriky ny andriamaniny avy, izay manam-pitoviana amin’izao tontolo izao ny endriny, ary an’ny sampy ny votoatiny, izay fmihantitra ary ho faty ao gBabylona, dia ilay Babylona lehibe izay hianjera.

17 Koa Izaho Tompo dia mahalala ny antambo izay hanjo ny amponin’ny tany, ka niantso an’i Joseph Smith zanany mpanompoko sy niteny taminy avy any an-danitra ary nanome azy didy.

18 Ary nanome didy koa ho an’ny hafa mba hanambaran’izy ireo ireto zavatra ireto amin’izao tontolo izao; ary mba hahatanteraka izao rehetra izao izay efa nosoratan’ny mpaminany—

19 Ny azava-malemy amin’izao tontolo izao dia handroso sy handavo ireo zava-mahery sy matanjaka, mba tsy hanoro hevitra ny namany ny olona, sady tsy bhitoky amin’ny sandry nofo—

20 Fa mba hahazoan’ny olona tsirairay kosa amiteny amin’ny anaran’ny Tompo Andriamanitra, dia Ilay Mpamonjy izao tontolo izao;

21 Mba ho afaka hitombo eto an-tany koa ny finoana;

22 Mba ho azo aorina ny afanekempihavanako maharitra mandrakizay;

23 Mba ho azon’ny amalemy sy ny tsotra bambara hatrany amin’ny faran’izao tontolo izao ny fahafenoan’ny dfilazantsarako, ary eo anoloan’ny mpanjaka sy ny mpanapaka.

24 Indro, Izaho Andriamanitra no efa niteny izany; avy Amiko ireo adidy ireo ary nomena ny mpanompoko tao amin’ny fahalemeny, araka ny fomba bfiteniny, mba hahatongavany ao amin’ny dfahatakarana.

25 Ka raha nanao hadisoana izy ireo, dia ho azo ampahafantarina izany;

26 Ary raha nitady afahendrena izy ireo dia ho azo ampianarina;

27 Ary raha nanota izy ireo dia ho azo afaizina, mba hahazoany bmibebaka;

28 Ary raha ananetry tena izy ireo dia mba ho azo atanjahina sy tahina avy any ambony, ary handray bfahalalana ombieny ombieny.

29 Ary rehefa avy nandray ny rakitsoratry ny Nefita, eny, i Joseph Smith zanany mpanompoko, dia mba hahazo ny fahaizana handikana ny aBokin’i Môrmôna amin’ny alalan’ny famindram-pon’ Andriamanitra sy noho ny herin’ Andriamanitra.

30 Ary koa mba hahazoan’ireo izay nomena ireto didy ireto ahery handatsahana ny fanorenan’ity bfiangonana ity ka hamoaka azy avy ao amin’ny haizina sy avy ao amin’ny dhaizimpito, dia ilay hany efiangonana marina sy velona eto ambonin’ny tany manontolo, izay tena fankasitrahako, Izaho Tompo, raha miteny amin’ny fiangonana manontolo fa tsy amin’ny mpikambana tsirairay—

31 Fa Izaho Tompo dia tsy afaka hijery ny afahotana amin’ny hamoram-po faran’izay bitika indrindra.

32 Na izany aza anefa, izay mibebaka sy mankatò ny didin’ny Tompo dia ahavela heloka;

33 Ary izay tsy amibebaka, dia bhoesorina aminy na dia ny hazavana izay efa noraisiny aza; fa tsy hiezaka ny dhitaona ny olona mandrakariva ny eFanahiko, hoy ny Tompon’ny Maro.

34 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa ry mponin’ny tany: Izaho Tompo dia vonona ny hampahafantatra ireto zavatra ireto amin’ny anofo rehetra;

35 Fa tsy amizaha tavan’olona Aho, ary tiako ny hahafantaran’ny olona rehetra fa avy faingana tokoa ny bandro; tsy mbola tonga ny ora, saingy efa antomotra, izay hanesorana ny dfiadanana eto an-tany, ary hananan’ny edevoly hery amin’ny fanapahany.

36 Ary ny Tompo koa dia hanan-kery amin’ny aolomasiny sy bhanjaka eo danivony ary hidina amin’ny efitsarana eo amin’i fIdomeà, na izao tontolo izao.

37 Diniho ireto adidy ireto, fa marina ireo sady mahatoky, ary ny faminaniana sy ny bfampanantenana izay ao anatiny dia ho tanteraka avokoa.

38 Izay efa noteneniko Izaho Tompo dia efa noteneniko, ary tsy manalady ny tenako Aho; ary na dia levona aza ny lanitra sy ny tany, ny ateniko dia tsy ho levona fa ho btanteraka avokoa, na amin’ny alalan’ny dfeoko na amin’ny alalan’ny feon’ny empanompoko, dia firay ihany izany.

39 Fa indro, ary jereo, ny Tompo no Andriamanitra, ary ny aFanahy dia vavolombelona manambara, ary marina ny fanambarany, ary ny bfahamarinana dia mitoetra mandrakizay mandrakizay. Amena.