Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10


Fizarana 10

Fanambarana nomena an’i Joseph Smith Mpaminany tao Harmony, Pennsylvania, ny taom-pahavaratra, nanodidina ny volana aprily 1829 angamba, na dia nisy aza ampahany mety ho voaray tany am-piandohan’ny fahavaratra 1828. Tamin’izany no nilazan’ny Tompo tamin’i Joseph ny momba ireo fanovana nataon’ireo olon-dratsy tamin’ireo sora-tanana 116 takila avy tamin’ny fandikana ny bokin’i Lehia, ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Very tany amin’i Martin Harris izay nanankinana izany vetivety ireo sora-tanana tamin’ny takila ireo. (Jereo ny sasin-tenin’ny fizarana 3.) Ny fikasana mamohehatra dia ny miandry ny fandikana indray ny zavatra voarakitra ao amin’ireo takila nangalarina, ary avy eo dia ny manala baraka ny mpandika teny amin’ny fampisehoana ireo zavatra mifanohitra vokatry ny fanovana. Ity fikasana mamohehatra nokotrehan’ilay ratsy ity dia efa fantatry ny Tompo eny fa na dia mbola tamin’ny fotoana nanaovan’i Môrmôna, ilay mpahay tantara Nefita fahiny, ny famintinana ireo takelaka voangona, ary hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izany (Jereo ny Tenin’i Môrmôna 1:3–7).

1–26, Mambosy ireo olon-dratsy i Satana mba hanohitra ny asan’ny Tompo; 27–33, Katsahiny ny hamongotra ny fanahin’ny olona; 34–52, Handeha any amin’ny Lamanita sy ny firenena rehetra ny filazantsara amin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna; 53–63, Hanorina ny Fiangonany sy ny filazantsarany eo anivon’ny olona ny Tompo; 64–70, Hangoniny ao amin’ny Fiangonany ny mibebaka ary hovonjeny ny mankatò.

1 Ankehitriny indro, lazaiko anao, fa satria natolotrao ho eo an-tanan’ny aolon-dratsy ireo soratra izay nahazoanao hery mba hadika amin’ny alalan’ny bOrima sy Tomima ireo, dia efa namery azy ireo ianao.

2 Ary namery niaraka tamin’izany koa ny fanomezam-pahasoavana nanananao ianao, ary nanjary maizina ny asainao.

3 Kanefa dia aaverina aminao indray izany ankehitriny; koa aoka ho mahatoky ianao ary mitozoa mba ho vita hatramin’ny farany ny ambiny amin’ny asa fandikana izay efa natombokao.

4 Aza mihazakazaka afaingana kokoa na miasa bebe kokoa mihoatra noho ny btanjaka anananao sy ny fitaovana nomena mba hahafahanao mandika; kanefa kosa dmazotoa hatramin’ny farany.

5 aMivavaha mandrakariva mba hahazoanao mivoaka ho mpandresy; eny, mba hahazoanao mandresy an’i Satana ary mba hahazoanao mandositra ny tanan’ireo mpanompon’i Satana, izay manohana ny asany.

6 Indro, efa nokatsahin’izy ireo ny ahamongotra anao; eny, na dia ilay bolona izay efa nitokianao aza dia efa nikatsaka ny hamongotra anao.

7 Ary noho izany antony izany no nilazako fa olon-dratsy izy, fa efa nokatsahiny ny hanaisotra ny zavatra izay efa nankinina taminao; ary efa nokatsahiny koa ny hamongotra ny fanomezam-pahasoavana anananao.

8 Ary satria efa natolotrao ho eo an-tanany ireo soratra, dia indro, ireo olon-dratsy no efa naka ireo taminao.

9 Koa efa natolotrao ireo, eny, dia izay masina, ho an’ny faharatsiana.

10 Ary indro, efa napetrak’i aSatana tao am-pony ny hanova ny teny izay efa nampanoratinao, na izay efa nadikanao, izay votsotra teny an-tananao.

11 Ary indro, lazaiko anao, fa satria efa novain’izy ireo ny teny, dia milaza izay mifanohitra amin’ny nadikanao sy ny efa nampanoratinao izany;

12 Ary dia toy izany no efa nikatsahan’ny devoly hamolavola tetika feno hafetsena mba hahazoany mamongotra ity asa ity;

13 Fa efa napetrany tao am-pon’izy ireo ny hanao izany, ka amin’ny fandaingana no hahazoan’izy ireo milaza fa atratrany tamin’ny teny izay efa nihamboanao ho nadika ianao.

14 Lazaiko aminao marina tokoa, fa tsy havelako ny hanatontosan’i Satana ny fikasan-dratsiny amin’ity zavatra ity.

15 Fa indro, efa napetrany tao am-pon’izy ireo ny hahatonga anao haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao, amin’ny fangatahana ny handika izany indray.

16 Ary amin’izany, indro, miteny sy mieritreritra anakampo izy ireo hoe—Ho hitantsika raha Andriamanitra no efa nanome azy ny hery handika teny; raha izay no izy, dia hanome azy indray hery koa Izy;

17 Ary raha manome azy hery indray Andriamanitra, na raha mandika teny indray izy, na amin’ny teny hafa, raha mamoaka ireo teny ireo ihany izy, dia indro, efa ananantsika miaraka amintsika ireo, ary efa novantsika ireo;

18 Koa tsy hifanaraka ireo, ary holazaintsika fa efa nandainga tamin’ny teniny izy, ary tsy manana fanomezam-pahasoavana, sy tsy manan-kery;

19 Koa hofongorantsika izy, ary ny asany koa; ary hataontsika izany mba tsy hahatonga antsika ho menatra amin’ny farany, ary mba hahazoantsika ny dera avy amin’izao tontolo izao.

20 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa, fa efa nahazo vahana lehibe tamin’ny fony i Satana; aambosiny izy ireo ho amin’ny bheloka hanohitra izay tsara;

21 Ary ny fony dia aratsy ary feno bfaharatsiana sy fahavetavetana; ary dtian’izy ireo ny ehaizina toy izay ny hazavana, satria ratsy ny fasany; koa tsy tian’izy ireo ny hangataka Amiko.

22 Ambosian’i aSatana izy ireo mba hahazoany bmitarika ny fanahiny ho any amin’ny famongorana.

23 Ary dia toy izany no efa namolavolany tetika feno hafetsena, niheverany hamongorana ny asan’ Andriamanitra; nefa hampamoahiko eo an-tanany izany ka havadika ho fahamenarana sy fanamelohana ho azy ireo izany amin’ny andro afitsarana.

24 Eny, ambosiny ny fony ho tezitra amin’ity asa ity.

25 Eny, hoy izy aminy: Mamitaha sy mijokoa hisambotra, mba hahazoanareo mamongotra; indro, tsy manimba izany. Ary dia toy izany no andokafany azy ireo sy ilazany aminy fa tsy fahotana ny amandainga mba hahazoany mahatratra ny olona ao amin’ny lainga, ka hahazoany mamongotra azy.

26 Ary dia toy izany no andokafany azy ireo sy aitarihany azy ireo hanaraka ambara-pisintonany ny fanahiny hidina any amin’ny bhelo; ary dia toy izany no anaovany izay hisamboran’izy ireo ny tenany ao amin’ny dfandrik’izy ireo ihany.

27 Ary dia toy izany no andehanany miaka-midina, aetsy sy eroa eto an-tany, mitady ny bhamongorana ny fanahin’ny olona.

28 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa, lozan’izay mandainga mba ahamitaka, satria ataony fa misy iray hafa mandainga mba hamitaka, fa ny toa azy dia tsy afaka amin’ny bfamaizan’ Andriamanitra.

29 Ankehitriny indro, efa novain’izy ireo ireto teny ireto, satria hoy i Satana taminy: Efa nofitahiny ianareo—ary dia toy izany no andokafany azy ireo hanao heloka, mba hahatonga anao ahaka fanahy ny Tompo Andriamanitrao.

30 Indro, lazaiko anao fa tsy handika indray ireo teny izay efa votsotra teny an-tananao ireo ianao;

31 Fa indro, tsy ho tanterak’izy ireo ny teti-dratsiny amin’ny fandaingana hanoherana ireo teny ireo. Fa indro, raha mamoaka ireo teny ireo ihany ianao, dia holazainy fa nandainga ianao ary nihambo ho nandika, saingy nifanohitra ny voalazanao.

32 Ary indro, havoakany izany, ary hanamafy ny fon’ny olona i Satana mba hamokisana azy ho tezitra aminao, ka tsy hinoany ny teniko.

33 Dia toy izany no heverin’i aSatana hanafoanana ny tenivavolombelonao amin’ity taranaka ity, mba tsy hivoahan’ny asa amin’ity taranaka ity.

34 Nefa indro, izao no fahendrena, ary satria anehoako afahendrena ianao ary omeko anao ny didy momba izay hataonao mikasika ireo zavatra ireo, dia aza aseho izao tontolo izao izany raha tsy efa nahatontosa ny asa fandikana ianao.

35 Aza gaga amin’ny ilazako aminao hoe: Izao no fahendrena, aza aseho izao tontolo izao izany—Fa hoy Aho, aza aseho izao tontolo izao izany, mba hahazoana miaro anao.

36 Indro, tsy milaza Aho fa tsy hasehonao ny olo-marina izany;

37 Nefa, satria tsy afaka hamantatra mandrakariva ny aolo-marina ianao, na satria tsy afaka manavaka mandrakariva ny olon-dratsy amin’ny olo-marina ianao, noho izany antony izany, dia hoy Aho aminao hoe: Aoka ianao bhangina ambara-pahitako fa mety ny hampahafantaranao ny zava-drehetra momba ilay raharaha amin’izao tontolo izao.

38 Ary ankehitriny, lazaiko aminao marina tokoa, fa ny fitantarana ireo azavatra izay efa nosoratanao ireo, izay efa votsotra teny an-tananao, dia voasokitra eo amin’ireo btakelak’i Nefia;

39 Eny, ary ianao mahatadidy fa efa nolazaina tamin’ireo soratra ireo fa misy fitantarana amin’ny antsipiriany kokoa ny amin’ireto zavatra ireto nomena ao amin’ny takelak’i Nefia.

40 Ary ankehitriny, satria ny fitantarana izay voasokitra eo amin’ny takelak’i Nefia dia amin’ny antsipiriany kokoa momba ireo zavatra izay, araka ny fahendreko, dia tiako hampahafantarina ny olona amin’ity fitantarana ity—

41 Noho izany, dia handika ny soratra voasokitra izay eo amin’ny atakelak’i Nefia ianao, mandra-pahatonga anao eo amin’ny fanjakan’i Benjamina mpanjaka, na mandra-pahatonga anao eo amin’izay efa nadikanao, ka notananao;

42 Ary indro, havoakanao ho toy ny rakitsoratr’i Nefia izany; ary dia toy izany no hampangaihaizako ireo izay efa nanova ny teniko.

43 Tsy havelako ny hamongorany ny asako; eny, hasehoko azy ireo fa ny fahendreko dia lehibe kokoa noho ny hafetsen’ny devoly.

44 Indro, ampahany na famintinana ny fitantaran’i Nefia ihany no ananan’izy ireo.

45 Indro, misy zavatra maro voasokitra eo amin’ny takelak’i Nefia, izay mitondra fahalalana bebe kokoa momba ny filazantsarako; koa fahendrena Amiko ny tokony handikanao ity ampahany voalohany amin’ny soratra voasokitr’i Nefia ity sy ny hamoahanao izany ao amin’ity asa ity.

46 Ary indro, ny ambiny rehetra amin’ity aasa ity dia mirakitra ireo ampahany rehetra amin’ny bfilazantsarako ireo, izay dnirian’ireo mpamin’nyniko masina, eny, ary koa ireo mpianatro tamin’ny fivavany, mba ho tonga amin’ity vahoaka ity.

47 Ary nolazaiko azy ireo, fa ahotovina amin’izy ireo araka ny bfinoany ao amin’ny fivavany izany.

48 Eny, ary izao no finoany—fa ny filazantsarako izay nomeko azy ireo, mba hotoriany amin’ny androny, dia ho tonga any amin’ny aLamanita rahalahiny, ary koa amin’ireo izay rehetra nivadika ho Lamanita noho ny fisaraham-bazany.

49 Ankehitriny, dia tsy izay ihany—ny finoany tamin’ny fivavany dia ny hampahafantarana koa ity filazantsara ity, raha toa ka mety hitranga ny hizakan’ny firenen-kafa ity tany ity;

50 Ary dia toy izany no namelany tsodrano teo amin’ity tany ity tamin’ny fivavany, ka na zovy na zovy no hino ity filazantsara ity eo amin’ity tany ity dia hahazo ny fiainana mandrakizay;

51 Eny, mba ho maimaimpoana izany ho an’ny rehetra, na toa inona na toa inona izany firenena, foko sy samy hafa fiteny ary mponina izany.

52 Ary ankehitriny indro, araka ny finoany tamin’ny fivavany no hitondrako ity ampahany amin’ny filazantsarako ity ho amin’ny fahalalan’ny oloko. Indro, tsy entiko izany mba handrava izay efa noraisiny fa ny hanorina izany kosa.

53 Ary noho izany antony izany no efa nilazako hoe: Raha tsy manamafy ny fony ity taranaka ity, dia haoriko eo anivony ny fiangonako.

54 Ankehitriny dia tsy milaza izany Aho mba handrava ny fiangonako, fa lazaiko kosa izany mba hampiorina ny fiangonako;

55 Koa na zovy na zovy no isan’ny fiangonako, dia tsy tokony ahatahotra izy, fa ny toa azy no bhandova ny dfanjakan’ny lanitra.

56 Fa ireo izay tsy amatahotra Ahy kosa, sady tsy mitandrina ny didiko fa manorina bfiangonana ho an’ny tenany mba dhahazoam-bola, eny, ary ireo rehetra izay mpanao ratsy sy manorina ny fanjakan’ny devoly—eny, lazaiko aminao marina dia marina tokoa, fa ireo no hotabaiko sy hampangovitiko ary hampihorohoroako hatrany amin’ny aty fanahiny.

57 Indro, izaho no Jesoa Kristy, Ilay aZanak’ Andriamanitra. Tonga tany amin’ny Ahy Aho, ary ny Ahy tsy nandray Ahy.

58 Izaho no afahazavana izay mamirapiratra ao amin’ny haizina, ary ny haizina tsy mahazo izany.

59 Izaho no ilay niteny tamin’ny mpianatro hoe—Manana aondry bhafa izay tsy ao amin’ity vala ity Aho—ary nisy maro ireo izay tsy dnahazo Ahy.

60 Ary hasehoko ity vahoaka ity fa nanana ondry hafa Aho, ary ireny dia sampana avy tamin’ny ampianakavin’i Jakoba;

61 Ary hoentiko eo amin’ny mazava ny asany mahatalanjona, izay nataony tamin’ny anarako;

62 Eny, ary hoentiko koa eo amin’ny mazava ny filazantsarako izay nampianarina azy ireny, ary indro, tsy holaviny izay efa noraisinareo fa haoriny kosa ary hoentiny eo amin’ny mazava ireo lafiny marina amin’ny afotopampianarako, eny ary ilay hany fotopampianarana izay ao Amiko.

63 Ary izany no ataoko dia ny hahazoako mametraka ny filazantsarako, mba tsy hisian’ny fifandirana be intsony; eny, i aSatana dia mamoky ny fon’ny vahoaka ho amin’ny bfifandirana momba ireo lafiny amin’ny fotopampianarako; ary amin’ireny zavatra ireny dia mandiso izy ireo, satria daolany ny soratra masina ary tsy azony izany.

64 Koa hovelabelariko aminy ity mistery lehibe ity;

65 Fa indro, ahanangona azy ireo Aho toy ny reniakoho manangona ny zanany ao ambany elany, raha tsy hamafisiny ny fony;

66 Eny, raha te hanatona izy dia mahazo manao izany ka misotro maimaimpoana amin’ny aranon’aina.

67 Indro, izao no fotopampianarako—na zovy na zovy no mibebaka ka amanatona Ahy, dia izy no bfiangonako.

68 Na zovy na zovy no amanambara mihoatra na latsaka noho izao, dia tsy avy Amiko izy fa bmanohitra Ahy kosa; koa tsy isan’ny fiangonako izy.

69 Ary ankehitriny indro, na zovy na zovy no isan’ny fiangonako ary maharitra amin’ny fiangonako hatramin’ny farany, dia izy no haoriko eo amin’ny avatolampiko, ary ny bvavahadin’ny helo tsy haharesy azy.

70 Ary ankehitriny, tadidio ny tenin’ilay fiainana sy afahazavan’izao tontolo izao, ny Mpanavotra anao, ny bTomponao ary ny Andriamanitrao. Amena.