Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100


Fizarana 100

Fanambarana nomena an’i Joseph Smith Mpaminany sy i Sidney Rigdon tao Perrysburg, New York, ny 12 ôktôbra 1833. Rehefa nandao ny ankohonany nandritra ny andro maromaro izy roa lahy dia somary velom-panahiana ny amin’izy ireo ihany.

1–4, Tokony hitory ny filazantsara ho famonjena ny olona i Joseph sy i Sidney; 5–8, Homena azy ireo amin’izany ora izany indrindra izay tokony holazainy; 9–12, Sidney no ho mpitondrateny ary i Joseph no ho mpanambara sady ho mahery amin’ny tenivavolombelona; 13–17, Hanangana vahoaka madio ny Tompo ary ny mpankatò dia hovonjena.

1 Toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo aminareo ry aSidney sy bJoseph sakaizako, salama tsara ny ankohonanareo; eo an-tanako izy ireo ary hataoko aminy izay heveriko ho tsara; fa ato Amiko ny hery rehetra.

2 Koa, manaraha Ahy ary henoy ny torohevitra izay homeko anareo.

3 Indro ka jereo, manana vahoaka betsaka Aho eto amin’ity toerana ity, eo amin’ny faritra manodidina; ary varavarana mahomby no hovohana eo amin’ny faritra manodidina, amin’ity tany atsinanana ity.

4 Koa Izaho Tompo dia efa namela anareo ho tonga eto amin’ity toerana ity; satria nilaina tao Amiko izany ho afamonjena ireo olona.

5 Koa lazaiko aminareo marina tokoa, asandrato amin’ity vahoaka ity ny feonareo; ateneno ny eritreritra izay hapetrako ao am-ponareo, dia tsy hangaihay eo anoloan’ny olona ianareo;

6 Fa ahomena anareo amin’izany ora izany indrindra, eny, amin’izany fotoana izany indrindra izay holazainareo.

7 Nefa didy iray no omeko anareo dia ny hanambaranareo ny zavatra rehetra aambaranareo amin’ny anarako, amin’ny fahononam-po, amin’ny fanahin’ny bfahamorana, amin’ny zava-drehetra.

8 Ary omeko anareo izao fampanantenana izao fa raha manao izany ianareo, dia halatsaka ny aFanahy Masina ho vavolombelona hanambara ny zavatra rehetra izay holazainareo.

9 Ary ilaina Amiko ry Sidney mpanompoko ny haha-ampitondrateny anao amin’ity vahoaka ity; eny, hatokako marina tokoa ho amin’ity antso ity ianao, dia ny ho mpitondrateny ho an’i Joseph mpanompoko.

10 Ary homeko azy ny hery mba ho matanjaka amin’ny atenivavolombelona izy.

11 Ary homeko anao ny hery mba ho amatanjaka ianao amin’ny famelabelarana ny soratra masina rehetra, mba hahatonga anao ho mpitondrateny ho azy, ary izy ho bmpanambara ho anao, mba hahafantaranao ny maha-azo antoka ny zavatra rehetra mikasika ny zavatry ny fanjakako eto an-tany.

12 Koa tohizo ny dianareo ary aoka hiravoravo ny fonareo; fa indro ka jereo, fa Izaho momba anareo hatramin’ny farany.

13 Ary ankehitriny dia omeko anareo ny teny momba an’i aZiona. Ziona dia bhaverina ho amin’ny havotana na dia faizina mandritra ny fotoana fohy aza.

14 Ireo rahalahinareo, ny mpanompoko isany aOrson Hyde sy John Gould dia eo an-tanako, ary raha mitandrina ny didiko izy ireo dia hovonjena.

15 Koa aoka hampaherezina ny fonareo; fa ny azava-drehetra dia hiara-miasa hahasoa ireo izay mandeha araka ny hitsiny tokoa ary ho fanamasinana ny fiangonana.

16 Fa Izaho dia hanangona ho an’ny tenako, vahoaka amadio izay hanompo Ahy amin’ny fahamarinana;

17 Ary izay rehetra amiantso ny anaran’ny Tompo sy mitandrina ny didiny dia hovonjena. Izany tokoa. Amena.