Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102


Fizarana 102

Kirtland, Ohio, ny 17 febroary 1834. Ny fitanana an-tsoratra avy any ifotony dia nosoratan’ny Loholona isany, Oliver Cowdery sy i Orson Hyde. Nahitsin’ny Mpaminany ny fitanana an-tsoratra ny ampitson’io ary ny andro nanaraka izany dia neken’ny filankevitra avo iray manontolo ilay fitanana an-tsoratra nasiam-panitsiana ho “fanorenana sy ho lalàna mifehy ny filankevitra avo” ao amin’ny Fiangonana. Ny andininy 30 ka hatramin’ny 32, izay miompana amin’ny Filankevitry ny Apôstôly Roambinifolo, dia natovana tamin’ny taona 1835 teo ambany fitarihan’i Joseph Smith rehefa nomanina mba havoaka ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ity fizarana ity.

1–8, Voatendry ny filankevitra avo mba handamin’ny ireo fahasahiranana lehibe izay mipoitra ao amin’ny Fiangonana; 9–18, Fanomezana ireo fombafomba hoenti-mitsara; 19–23, Ny filohan’ny filankevitra no mandray ny fanapahan-kevitra; 24–34, Hazavaina ny fangatahana fitsarana ambony.

1 Androany dia nivory teto an-tranon’i Joseph Smith zanany, noho ny fanambarana, ny filankevitra ankapoben’ny mpisorona avo efatra amby roapolo ary niroso tamin’ny fananganana ny afilankevitra avon’ny fiangonan’i Kristy, izay tokony hahitana mpisorona avo roa ambin’ny folo ary filoha iray na telo, arakaraka ny zava-mitranga.

2 Notendrena tamin’ny alalan’ny fanambarana ny filankevitra avo, ka ny tanjony dia ny fandaminana ireo fahasahiranana lehibe izay mety hipoitra ao am-piangonana, izay tsy hain’ny fiangonana na ny afilankevitry ny eveka alamina mba ho fahafahampon’ny isan-tokony avy.

3 I Joseph Smith zanany, i Sidney Rigdon ary i Frederick G. Williams dia nolanian’ny filan-kevitra ho filoha; ary i Joseph Smith rainy, i John Smith, i Joseph Coe, i John Johnson, i Martin Harris, i John S. Carter, i Jared Carter, i Oliver Cowdery, i Samuel H. Smith, i Orson Hyde, i Sylvester Smith ary i Luke Johnson, izay samy mpisorona avo, dia nolanian’ny filankevitra rehetra ho filankevitra maharitra ho an’ny fiangonana.

4 Tamin’izay dia nanontaniana ireo mpanolotsaina voalaza anarana etsy ambony ireo raha nanaiky ny fanendrena azy ireo, sy hiasa ao amin’ity anjara fanompoana ity araka ny lalàn’ny lanitra izy; dia namaly izy rehetra fa nekeny ny fanendrena azy ireo ary hotontosainy araka ny fahasoavan’ Andriamanitra nomena azy ireo ny anjara fanompoany.

5 Ny isan’ny olona tamin’ny filankevitra, izay nifidy tamin’ny anarana sy ho an’ny fiangonana ka nanendry an’ireo mpanolotsaina voalaza anarana etsy ambony ireo, dia telo amby efapolo, toy izao manaraka izao: mpisorona avo sivy, loholona fito ambin’ny folo, mpisorona efatra, ary mpikambana telo ambin’ny folo.

6 Lany: fa ny filankevitra avo dia tsy afaka ny hanana fahefana hiasa raha tsy eo ny fito amin’ireo mpanolotsaina voalaza anarana etsy ambony ireo, na ny mpisolo toerana azy voatendry araka ny fitsipika.

7 Ireo fito ireo dia hanana ny fahefana mba hanendry ireo mpisorona avo hafa izay heveriny ho mendrika sy ho afaka hiasa eo amin’ny toeran’ireo mpanolotsaina tsy eo.

8 Lany: fa isaky ny mitranga ny fahabangana iray amin’ireo mpanolotsaina voalaza anarana etsy ambony ireo noho ny fahafatesana, ny fanesorana amin’ny anjara fanompoana noho ny fandikan-dalàna na ny fialana amin’ny faritr’ity fitondram-piangonana ity, dia hofenoina izany amin’ny alalan’ny fanendren’ny filoha na ireo filoha, sy ny fankatoavan’ny filankevitra ankapoben’ny mpisorona avo novoriana noho izany antony izany mba hahefa amin’ny anaran’ny fiangonana.

9 Ny filohan’ny fiangonana, izay filohan’ny filankevitra ihany koa, dia tendrena amin’ny alalan’ny afanambarana ary btohanana amin’ny fitantanany amin’ny alalan’ny feon’ny fiangonana.

10 Ary mifanentana amin’ny fahamendrehan’ny anjara fanompoany ny tokony hiahiany ny filankevitry ny fiangonana; ary zony ny mba hanampian’ny filoha anankiroa hafa azy, tendrena araka ny fomba nanendrena azy ihany.

11 Ary amin’ny fahabangan’ny anankiray na izy roroa izay voatendry mba hanampy azy, dia manana fahefana izy hiahy ny filankevitra tsy misy mpanampy; ary raha izy tenany mihitsy no tsy eo, dia manana fahefana hiahy eo amin’ny toerany ireo filoha hafa, na izy roroa miaraka na ny iray aminy ihany.

12 Isaky ny tafatsangana araka ny fitsipika ny filankevitra avon’ny fiangonan’i Kristy, araka ny toromarika etsy ambony, dia ho andraikitry ny mpanolotsaina roa ambin’ny folo ny manao antsapaka amin’ny isa mba hahafantarana ny laharan’izay hiteny voalohany amin’izy roa ambin’ny folo, manomboka amin’ny laharana voalohany sy ny manaraka izany ka hatrany amin’ny laharana faharoa ambin’ny folo.

13 Isaky ny mivory ity filankevitra ity mba hanapaka ny momba ny toe-draharaha mety hisy, dia hodinihin’ireo mpanolotsaina roa ambin’ny folo raha toa ka sarotra izany na tsia; raha tsia, dia roa ihany amin’ireo mpanolotsaina no hiteny momba izany, araka ny fomba voasoratra etsy ambony.

14 Saingy raha heverina ho sarotra izany, dia hotendrena ny efatra; ary raha sarotsarotra kokoa dia enina; saingy na manao ahoana na manao ahoana izany, dia tsy mihoatra ny enina ireo hotendrena mba hiteny.

15 Amin’ny lafiny rehetra, dia manana zo hatrany amin’ny antsasaky ny filankevitra ny voampanga mba hisorohana ny faniratsirana na ny tsy fahamarinana.

16 Ary ireo mpanolotsaina voatendry hiteny eo anoloan’ny filankevitra no hanolotra ny toe-draharaha amin’ny tena fahamarinany eo anoloan’ny filankevitra, rehefa voadinika ny porofo; ary ny olona tsirairay dia hiteny araka ny rariny sy ny ahitsiny.

17 Ireo mpanolotsaina izay nisintona isa ankasa, izany hoe, 2, 4, 6, 8, 10 ary 12 no olona izay hitsangana amin’ny anaran’ny voampanga, mba hisorohana ny faniratsirana sy ny tsy fahamarinana.

18 Amin’ny lafiny rehetra, dia hanana zo hiteny ho an’ny tenany eo anoloan’ny filankevitra ny mpiampanga sy ny voampanga, rehefa re ny porofo ary avy namarana ny fanamarihany ireo mpanolotsaina izay voatendry hiteny momba ilay toe-draharaha.

19 Rehefa re ny porofo ary efa niteny ireo mpanolotsaina sy ny mpiampanga sy ny voampanga, dia handray fanapahan-kevitra ny filoha araka ny fahatakaran-tsaina izay ananany momba ilay toe-draharaha, ka hangataka ireo mpanolotsaina roa ambin’ny folo izy hampanan-kery izany amin’ny alalan’ny fifidianany.

20 Fa raha mahita hadisoana amin’ny fanapahan-kevitry ny filoha ireo mpanolotsaina sisa izay tsy mba niteny na ny anankiray taminy, taorian’ny fandrenesana ny porofo sy ny fifandaharana tsy misy fitongilanana, dia afaka maneho izany izy ireo, ary dia hotsaraina indray ilay toe-draharaha.

21 Ary aorian’ny famerenana amin’ny an-tsipiriany ny fitsarana, raha misy fanampim-panazavana ampahafantarina momba ilay toe-draharaha, dia hovaina araka izany koa ny fanapahan-kevitra.

22 Fa raha tsy misy kosa fanampim-panazavana omena, dia hotanana ny fanapahan-kevitra voalohany sady manana fahefana handray izany ny maro an’isa ao amin’ny filankevitra.

23 Raha misy fahasarotana mikasika ny afotopampianarana na ny fitsipika, raha tsy ampy izay voasoratra mba hampahazava ilay toe-draharaha ao an-tsain’ny filankevitra, dia afaka mangataka sy mahazo ny sain’ny Tompo amin’ny alalan’ny bfanambarana ny filoha.

24 Ireo mpisorona avo, rehefa any ivelany, dia manana fahefana hamory sy hanangana filankevitra araka ny fomba voalaza etsy ambony, mba handaminana ny fahasarotana, rehefa mangataka izany ireo mpifanolana na ny anankiray aminy.

25 Ary io filankevitry ny mpisorona avo voalaza io dia hanana fahefana hanendry ny anankiray aminy hiahy ny filankevitra toy izany mandritra izany fotoana izany.

26 Ho andraikitr’io filankevitra voalaza io ny mandefa avy hatrany ny tahadikan’ny fitanany an-tsoratra miaraka amin’ny filazana feno ny fanamarinana ny fanapahan-keviny any amin’ny filankevitra avon’ny foiben’ny Fiadidiana Voalohan’ny Fiangonana.

27 Raha tsy afa-po tamin’ny fanapahan-kevitr’io filankevitra voalaza io ireo mpifanolana, na ny anankiray aminy, dia afaka mampiakatra ny raharaha any amin’ny filankevitra avon’ny foiben’ny Fiadidiana Voalohan’ny Fiangonana, ka haverina hotsaraina araka ny toromarika voasoratra etsy ambony ilay toe-draharaha, toy ireny tsy nandraisana fanapahan-kevitra ireny.

28 Io filankevitry ny mpisorona avo io any ivelany dia tsy voriana raha tsy amin’ny toe-javatra asarotra indrindra momba ny raharahan’ny fiangonana; ary tsy misy toe-draharaha mahazatra sy fahita ampy hamoriana filankevitra toy izany.

29 Ireo mpisorona avo mandehandeha na monina any ivelany dia manana fahefana hilaza raha toa ilaina ny hamoriana filankevitra toy izany na tsia.

30 Misy maha-samy hafa ny filankevitra avo na ny mpisorona avo mpandeha any ivelany amin’ny filankevitra avo ampandehandeha izay misy ny bapôstôly roa ambin’ny folo, eo amin’ny fanapahan-keviny.

31 Azo akarina fitsarana ambony ny fanapahan-kevitr’iretsy voalohany; fa tsy azo atao izany kosa ny fanapahan-kevitr’ireto farany.

32 Ny Manampahefana ambony amin’ny fiangonana ihany no afaka mitsipaka ireto farany raha misy ny fandikan-dalàna.

33 Tapaka fa ny filoha na ireo filoha ao amin’ny foiben’ny Fiadidiana Voalohan’ny Fiangonana dia hanana fahefana hamantatra raha toa ny toe-draharaha iray izay ho nakarina fitsarana ambony mendrika marina tokoa ny hotsaraina indray, rehefa avy nandinika ny fangataham-pitsarana ambony sy ny porofo ary ny filazana miaraka amin’izany.

34 Tamin’izay dia niroso tamin’ny fifidianana na ny an-tsapaka ireo mpanolotsaina roa ambin’ny folo mba hanendry izay tokony hiteny voalohany ary toy izao manaraka izao no valiny: 1, Oliver Cowdery; 2, Joseph Coe; 3, Samuel H. Smith; 4, Luke Johnson; 5, John S. Carter; 6, Sylvester Smith; 7, John Johnson; 8, Orson Hyde; 9, Jared Carter; 10, Joseph Smith rainy; 11, John Smith; 12, Martin Harris.Taorian’ny vavaka dia nahantona ny fihaonambe.

Oliver Cowdery

Orson Hyde

Mpitamboky