Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 104


Fizarana 104

Fanambarana momba ny Orinasa Miray nomena an’i Joseph Smith Mpaminany tao na teo akaikin’i Kirtland, Ohio, ny 23 aprily 1834 (jereo ny sasin-tenin’ny fizarana 78 sy 82). Azo inoana fa fivorian’ny filankevitr’ireo mpikambana ao amin’ny Orinasa Miray io fotoana io, izay nandinihina ireo zavatra ara-materialy nilain’ny Fiangonana maika. Tapaka nandritra ny fivorian’ny orinasa natao teo aloha tamin’ny 10 aprily fa hofoanana ilay orinasa. Ity fanambarana ity kosa dia manoro ny tokony hanovana ny rafitr’ilay orinasa; ka ny fananany dia tokony hozaraina amin’ireo mpikambana ao amin’ny orinasa mba ho fitantanan-draharaha ho azy ireo. Teo ambany fitarihan’i Joseph Smith dia nosoloina hoe “Lamina miray” taty aoriana ny teny hoe “Orinasa Miray” ao anatin’ity fanambarana ity.

1–10, Ho voaozona ny Olomasina izay mandika ny lalàn’ny lamina miray; 11–16, Mamatsy ny Olomasiny araka ny fombany ny Tompo; 17–18, Mifehy ny fikarakarana ny mahantra ny lalàn’ny filazantsara; 19–46, Fanendrena ny fitantanan-draharaha sy ny fitahiana ho an’ireo rahalahy samihafa; 47–53, Tokony hisaraka ny fiasan’ny lamina miray ao Kirtland sy ny lamina ao i Ziona; 54–66, Atao ho fanontana ny soratra masina ny tahiry masin’ny Tompo; 67–77, Ny tahiry ankapoben’ny lamina miray dia hampiasaina araka ny faneken’ny rehetra; 78–86, Ireo izay ao amin’ny lamina miray dia tokony handoa ny trosany rehetra, ary ny Tompo no hanafaka azy ireo amin’ny famatorana ara-bola.

1 Lazaiko aminareo marina tokoa ry sakaizako, omeko anareo ny torohevitra sy ny didy momba ny fananana rehetra izay an’ny lamina izay nodidiako hatsangana sy haorina mba ho lamina amiray sy ho lamina maharitra mandrakizay ho tombontsoan’ny fiangonako sy ho famonjena ny olona mandra-piaviko—

2 Omban’ny fampanantenana tsy miova sady tsy mivaona, fa raha toa ka mahatoky ireo izay nodidiako, dia hotahina amin’ny hamaroan’ny fitahiana izy ireo;

3 Fa raha tsy mahatoky izy ireo dia efa akaikin’ny ozona.

4 Koa satria tsy mitandrina ny didy ny sasany amin’ny mpanompoko fa efa nandrava ny fanekempihavanana, noho ny afimatimatesan-karena sy ny teny mamitaka, dia efa nozoniko tamin’ny ozona mivaivay sy maharary.

5 Fa Izaho Tompo dia efa nanapaka tao am-poko fa raha misy olona ao anatin’ny lamina, izay ho hita ho mpandika lalàna, na amin’ny teny hafa, handrava ny fanekempihavanana izay amatorana anareo, dia ho voaozona izy amin’ny fiainany ary hohosen’izay sitrako;

6 Fa Izaho Tompo dia tsy azo avazivazina amin’ireny zavatra ireny—

7 Ary izany rehetra izany dia ny mba tsy hahazoana manameloka miaraka amin’ny tsy marina ny tsy manan-tsiny eo anivonareo; ka ny meloka eo anivonareo dia tsy ho afa-miala satria Izaho Tompo dia efa nampanantena anareo ny asatroboninahitry ny voninahitra eo an-tanana ankavanako.

8 Koa raha hita ho mpandika lalàna ianareo dia tsy afa-miala amin’ny fisafoako eo amin’ny fiainanareo.

9 Raha asarahina hiala ianareo, noho ny fandikan-dalana, dia tsy afaka ny hiala amin’ny bfampijalian’i dSatana mandra-pahatongan’ny andro fanavotana.

10 Ary ankehitriny dia omeko anareo ny hery hatramin’izao ora izao, fa raha misy olona eo anivonareo, ao anatin’ny lamina, ka hita ho mpamadika lalàna ary tsy mibebaka amin’ny ratsy, dia hatolotrareo ho amin’ny fampijalian’i Satana izy; ary tsy hanan-kery ahitondrana ny ratsy eo aminareo izy.

11 Fahendrena ato amiko izany; koa didy iray no omeko anareo, dia ny hifandaminanareo sy ny hanendrenareo ny olona tsirairay ho amin’ny afitantanan-draharahany;

12 Ka ny olona tsirairay dia ho afaka hanome Ahy tatitra momba ny fitantananan-draharaha izay voatendry ho azy.

13 Fa ilaina ny hitanako Izaho Tompo ny olona tsirairay ho atompon’andraikitra, ho bmpitantana ny fitahiana avy amin’ny tany, izay efa nataoko sy nomaniko ho an’ny voariko.

14 Izaho Tompo no namelatra ny lanitra sy ananorina ny tany, izay tena basan’ny tanako; ary ny zavatra rehetra eo aminy dia Ahy.

15 Ary ny tanjoko dia ny hamatsy ny olomasiko, satria ny zavatra rehetra dia Ahy.

16 Saingy tsy maintsy ilaina ny hanaovana izany araka ny afombako; ary indro, izao no fomba izay efa notapahiko Izaho Tompo, hamatsiana ny olomasiko, fa hasandratra ny bmahantra amin’ny fanetrena ny manan-karena.

17 Fa feno ny atany ary manana ny ampy sy ny hotehirizina aza; eny, nomaniko ny zava- drehetra ary efa nomeko ny zanak’olombelona ny bhisafidy ho an’ny tenany.

18 Koa raha misy olona maka amin’ny ahabetsahana izay efa nataoko ary tsy manome amin’ny anjarany, araka ny blalàn’ny filazantsarako, ho an’ny dmahantra sy ny sahirana, dia hanandratra ny masony ao amin’ny ehelo miaraka amin’ny olon-dratsy izy, ao amin’ny fijaliana.

19 Ary ankehitriny, dia lazaiko aminareo marina tokoa, momba ireo fananan’ny alamina

20 Aoka i Sidney Rigdon mpanompoko hampanendry ho azy ho fitantanan-draharahany ny toerana izay onenany ankehitriny, sy ny sombin- tanin’ny orinasa fandoman-koditra ho fivelomany, raha mbola miasa ao amin’ny tanimboaloboko izy, dia araka izay sitrako rehefa handidy azy Aho.

21 Ary aoka ny zava- drehetra hatao araka ny torohevitry ny lamina sy ny faneken’ny daholobe na ny feon’ny lamina izay mitoetra eo amin’ny tanin’i Kirtland.

22 Ary izay fitantanan-draharaha sy fitahiana izay no atolotro Izaho Tompo an’i Sidney Rigdon mpanompoko ho fitahiana azy sy ny taranany fara aman-dimby;

23 Ary hohamaroiko ny fitahiana azy, raha toa izy hietry eo anoloako.

24 Ary ankoatra izany, dia aoka i Martin Harris mpanompoko hampanendry ho azy, ho fitantan-draharahany, ny sombin-tany izay azon’i John Johnson mpanompoko ho takalon’ny lovany taloha, ho azy sy ny taranany fara aman-dimby;

25 Ary raha mahatoky izy, dia hohamaroiko ny fitahiana azy sy ny taranany fara aman-dimby.

26 Ary aoka i Martin Harris mpanompoko hanokana ny volany ho amin’ny fitoriana ny teniko, araka izay hitarihan’i Joseph Smith zanany mpanompoko azy.

27 Ary ankoatra izany, dia aoka i Frederick G. Williams mpanompoko hahazo ny toerana izay onenany ankehitriny.

28 Ary aoka i Oliver Cowdery mpanompoko hahazo ny sombin-tany mifanila amin’ny trano izay hatao trano printy, izay sombin-tany laharana voalohany, ary koa ny sombin-tany izay itoeran-drainy.

29 Ary aoka ny mpanompoko isany, i Frederick G. Williams sy i Oliver Cowdery hahazo ny trano printy sy ny zavatra rehetra momba azy.

30 Ary izany no fitantanan-draharahany izay hotendrena ho azy ireo.

31 Ary raha mahatoky izy, dia indro hotahina sy hohamaroiko ny fitahiana azy ireo.

32 Ary izany no fiandohan’ny fitantanan-draharaha izay efa nanendreko azy ireo ho azy ireo sy ny taranany fara aman-dimby.

33 Ary raha mahatoky izy ireo dia hohamaroiko ny fitahiana azy ireo sy ny taranany fara aman-dimby, dia amin’ny hamaroan’ireo fitahiana.

34 Ary ankoatra izany, dia aoka i John Johnson mpanompoko hahazo ny trano izay itoerany sy ny lova rehetra, afa-tsy ny tany izay efa natokana ho afanorenana ireo tranoko, izay mikasika io lova io, ary ireo sombin-tany izay efa voatondro ho an’i Oliver Cowdery mpanompoko.

35 Ary raha mahatoky izy dia hohamaroiko ny fitahiana azy.

36 Ary ny sitrapoko dia ny hivarotany ireo sombin-tany izay voafaritra ho fanorenana ny tanànan’ny Olomasiko, araka izay hampahafantaran’ny afeon’ny Fanahy azy izany sy araka ny torohevitry ny lamina ary amin’ny alalan’ny feon’ny lamina.

37 Ary izany no fiandohan’ny fitantanan-draharaha izay efa notendreko ho azy, ho fitahiana azy sy ny taranany fara aman-dimby.

38 Ary raha mahatoky izy dia hohamaroiko ny hamaron’ny fitahiana azy.

39 Ary ankoatra izany, dia aoka i aNewel K. Whitney mpanompoko hampanendry ho azy ny trano sy ny sombin-tany izay itoerany ankehitriny, ary ny sombin-tany sy ny trano izay ijoroan’ny toeram-pivarotana, ary koa ny sombin-tany izay eo amin’ny kihony atsimon’ny toeram-pivarotana, ary koa ny sombin-tany izay misy ny fanaovana pôtasy.

40 Ary izany rehetra izany dia efa notendreko ho an’i Newel K. Whitney mpanompoko ho fitantanan-draharahany, ho fitahiana azy sy ny taranany fara aman-dimby, ho tombontsoan’ny toeram-pivarotan’ny lamiko izay efa natsangako ho an’ny tsatòka ao an-tanin’i Kirtland.

41 Eny, marina tokoa, izao no fitantanan-draharaha izay efa notendreko ho an’i Newel K. Whitney mpanompoko, dia izao toeram-pivarotana iray manontolo izao, azy sy ny ampandraharahany ary ny taranany fara aman-dimby.

42 Ary raha mahatoky izy amin’ny fitandremana ny didy izay efa nomeko azy, dia hohamaroiko ny fitahiana azy sy ny taranany fara aman-dimby, amin’ny hamaroan’ireo fitahiana.

43 Ary ankoatra izany, dia aoka i Joseph Smith zanany mpanompoko hampanendry ho azy ny sombin-tany izay voafaritra ho fanorenana ny tranoko, izay roanjato metatra ny lavany ary enimpolo metatra ny sakany, ary koa ny lova izay itoeran-drainy ankehitriny;

44 Ary izany no fiandohan’ny fitantanan-draharaha izay efa notendreko ho azy, ho fitahiana azy sy ny rainy.

45 Fa indro, efa nanokana lova ho an-adrainy Aho, ho fivelomany; koa izy dia horaisina ho isan’ny ankohonan’i Joseph Smith zanany mpanompoko.

46 Ary hohamaroiko ny fitahiana ny ankohonan’i Joseph Smith zanany mpanompoko, raha mahatoky izy, dia amin’ny hamaroan’ny fitahiana.

47 Ary ankehitriny dia didy iray no omeko anareo momba an’i Ziona, dia ny tsy hifamotoranareo intsony toy ny lamina miray amin’ny rahalahinareo ao i Ziona, afa-tsy amin’izao fomba izao—

48 Aorian’ny fifandaminanareo, dia hatao hoe ny Lamina miray an’ny aTsatòkan’i Ziona, Tanànan’i Kirtland, ianareo. Ary aorian’ny fifandamin’nyn’ny rahalahinareo, dia hatao hoe ny Lamina miray an’ny Tanànan’i Ziona izy ireo.

49 Ary haorina amin’ireo anarany sy amin’ny anarany izy ireo; ary hanao ny asany amin’ny anarany sy amin’ireo anarany izy ireo;

50 Ary hanao ny asanareo amin’ny anaranareo sy amin’ireo anaranareo ianareo.

51 Ary izany no efa nodidiko mba hatao ho famonjena anareo, ary koa ho famonjena azy ireo, ho setrin’ny anandroahana azy ireo sy izay ho avy.

52 Rehefa noravana tamin’ny fandikan-dalàna sy ny afimatimatesan-karena ary ny teny mamitaka ny bfanekempihavanana

53 Koa mitsahatra ny lamina miray iarahanareo amin’ny rahalahinareo, ka tsy mifamatotra aminy intsony ianareo hatramin’izao ora izao, raha tsy amin’izao fomba izao, toy izay nolazaiko, amin’ny alalan’ny fampindramana araka izay hoeken’ity lamina ity amin’ny filankevitra, araka izay hamelan’ny fisehoan-javatra anareo sy izay hitarihan’ny feon’ny filankevitra.

54 Ary ankoatra izany, dia didy no omeko anareo momba ny fitantanan-draharahanareo izay efa nanendreko anareo.

55 Indro, ireo fananana rehetra ireo dia Ahy, fa raha tsy izany dia foana ny finoanareo ary hita ho mpihatsaravelatsihy ianareo, ary ny fanekempihavanana nataonareo tamiko dia rava;

56 Ary raha Ahy ny fananana, dia ampitantana ianareo; fa raha tsy izany dia tsy mpitantana ianareo.

57 Nefa lazaiko aminareo marina tokoa, efa notendreko ianareo ho mpitantana ny tranoko, dia mpitantana marina tokoa.

58 Ary izao tanjona izao no efa nandidiako anareo hifandaminanareo dia ny hanota printy ny ateniko, ny fahafenoan’ny soratra masina, ireo fanambarana izay efa nomeko anareo ary izay homeko anareo ombieny ombieny rahatrizay—

59 Mba ho fanorenana ny fiangonako sy ny fanjakako eto an-tany ary mba hanomana ny oloko ho amin’ny afotoana izay hiarahako bmitoetra aminy, izay efa antomotra sahady.

60 Ary hanomana toerana ho tahirim-bola ho anareo ianareo ary hanokana izany amin’ny anarako.

61 Ary hanendry anankiray eo anivonareo ianareo mba hikarakara ny tahirim-bola, ary hatokana ho amin’izany fitahiana izany izy.

62 Ary hisy tombo-kase amin’ny tahirim-bola ary ny zava-masina rehetra dia hatolotra ho an’ny tahirim-bola; ary tsy hisy olona eo anivonareo hilaza izany, na izay mety ho ampahany amin’izany ho fananany, fa izany dia ho fananana hiarahanareo rehetra manana.

63 Ary omeko anareo izany hatramin’izao ora izao; Ary ankehitriny, dia ezaho ny handeha sy hampiasa ny fitantanan-draharaha izay efa nanendreko anareo, afa-tsy ireo zava-masina, mba ho fanontana ireo zava-masina ireo toy izay efa nolazaiko.

64 Ary ny asaran’ny zava-masina dia hotantanana ao amin’ny tahirim-bola ary hisy tombo-kase eo amin’izany; ary tsy hisy olona hampiasa na hanaisotra izany ao amin’ny tahirim-bola, ary ny tombo-kase izay hapetraka amin’izany dia tsy halana raha tsy noho ny feon’ny lamina na noho ny didy.

65 Ary dia toy izany no hitehirizanareo ny saran’ny zava-masina ao amin’ny tahirim-bola ho amin’ny tanjona manan-kaja sady masina.

66 Ary izany dia hatao hoe ny tahirim-bola masin’ny Tompo; ary hasiana kase izany mba hahatonga izany ho masina sy ho voatokana ho an’ny Tompo.

67 Ary ankoatra izany, dia hisy tahirim-bola iray hafa homanina sy mpitahiry vola hotendrena, mba hitandrina ny tahirim-bola ary hopetahina tombo-kase izany;

68 Ary ny vola rehetra izay raisinareo amin’ny alalan’ny fitantanan-draharahanareo, amin’ny fanatsarana ny fananana izay notendreko ho anareo, amin’ny trano na amin’ny tany na amin’ny biby fiompy, na amin’ny zava-drehetra, afa-tsy ireo soratra masina sady manan-kaja izay efa natokako ho an’ny tenako ho amin’ny tanjona masina sady manan-kaja, dia hapetrakareo ao amin’ny tahirim-bola, raha vantany vao raisinareo, ny vola madinika tsinjaraina ho zato, na dimampolo, na roapolo, na folo, na dimy.

69 Na amin’ny teny hafa, raha misy olona eo anivonareo mahazo dimy dôlara, dia aoka izy hametraka izany ao amin’ny tahirim-bola; na raha mahazo folo, na roapolo, na dimampolo, na zato izy dia aoka hanao toy izany koa;

70 Ary aoka tsy hisy aminareo hilaza fa azy izany; satria tsy hatao hoe azy izany na ny ampahany amin’izany.

71 Ary tsy hisy ampahany amin’izany hampiasaina na hoesorina ao amin’ny tahirim-bola raha tsy amin’ny alalan’ny feo sy ny faneken’ny rehetra ao amin’ny lamina.

72 Ary izao no ho feo sy ho faneken’ny rehetra ao amin’ny lamina—fa raha misy olona eo aminareo milaza amin’ny mpitahiry vola hoe: Mila izao aho hoenti-manampy ahy amin’ny fitantanan-draharahako—

73 Na ho dimy dôlara izany na ho folo dôlara izany, na ho roapolo na ho dimampolo na ho zato, dia homen’ny mpitahiry vola ny vola izay takiany hoenti-manampy azy amin’ny fitantanan-draharahany—

74 Ambara-pahitana fa mpandika lalàna izy ary miharihary tsotra izao eo anoloan’ny filankevitry ny lamina fa mpitantana sady tsy mahatoky no atsy hendry izy.

75 Fa raha mbola mizaka ny zo maha-mpikambana feno azy izy ary mahatoky sy hendry amin’ny fitantanan-draharahany, izany dia ho famantarana ho amin’ny mpitahiry vola mba tsy handavany azy.

76 Fa raha misy ny fandikan-dalàna, dia hanoa ny filankevitra sy ny feon’ny lamina ny mpitahiry vola.

77 Ary raha ny mpitahiry vola kosa no hita ho mpitantana tsy mahatoky sady tsy hendry, dia ho eo ambany fifehezan’ny filankevitra sy ny feon’ny lamina izy ka hoesorina amin’ny toerany, ary hotendrena ny airay hafa ho eo amin’ny toerany.

78 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa, momba ny trosanareo—indro ny sitrapoko dia ny ahandoavanareo ny btrosanareo rehetra.

79 Ary ny sitrapoko dia ny ahanetrenareo ny tenanareo eo anoloako ary hahazoanareo izany fitahiana izany amin’ny bfahazotoanareo sy ny fanetrentenanareo ary ny fivavaky ny finoana.

80 Ary raha mazoto sy manetry tena ianareo ary mampihatra ny afivavaky ny finoana, dia indro, Izaho hanalefaka ny fon’ireo izay itrosanareo mandram-pandefasako loharanom-bola ho anareo ho fanafahana anareo.

81 Koa manorata faingana ho any New York ary manorata araka izay hotononin’ny aFanahiko; dia hanalefaka ny fon’ireo izay itrosanareo Aho ka hoesorina ao an-tsainy ny hampitondra fahoriana anareo.

82 Ary raha amietry sy mahatoky ianareo ary miantso ny anarako, dia indro, Izaho hanome anareo ny bfandresena.

83 Omeko anareo ny fampanantenana fa hafahana amin’ny fatoranareo amin’izao indray mandeha izao ianareo.

84 Raha misy hevitra ny hisamboranareo vola an-jatony na an’arivony ambara-pahampy izay hosamborinareo ka hanafaka ny tenanareo amin’ny fatorana, dia zonareo izany.

85 Ary ataovy antoka amin’izao indray mandeha izao ireo fananana izay efa napetrako teo an-tananareo, amin’ny fanomezana ny anaranareo, amin’ny faneken’ny rehetra na amin’ny fomba hafa, araka izay heverinareo ho tsara.

86 Omeko anareo amin’izao indray mandeha izao izany zo izany; ary indro, raha miroso amin’ny fanaovana ny zavatra izay efa napetrako teo anoloanareo ianareo, araka ny didiko, ahy avokoa ireo zavatra ireo ary ianareo dia mpitantako, ary tsy havelan’ny tompo hotamina ny tranony. Izany tokoa. Amena.