Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106


Fizarana 106

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirtland, Ohio, ny 25 nôvambra 1834. Miantefa amin’i Warren A. Cowdery izay sady zoky no rahalahin’i Oliver Cowdery ity fanambarana ity.

1–3, Voantso ho mpitarika mpiahy eo an-toerana i Warren A. Cowdery; 4–5, Tsy hanampoka ny zanaky ny hazavana toy ny mpangalatra ny Fiaviana Fanindroany; 6–8, Fitahiana lehibe no manaraka ny fanompoana mahatoky ao amin’ny Fiangonana.

1 Ny sitrapoko dia ny hanendrena sy ny hanokanana an’i Warren A. Cowdery ho mpisorona avo mpiahy ny fiangonako eo an-tanin’i aFreedom sy ireo faritra manodidina;

2 Ary ny hitoriny ny filazantsarako maharitra mandrakizay sy ny hanandratany ny feony ary ny hampitandremany ny olona, tsy eo amin’ny toerana misy azy ihany fa eo amin’ny fivondronana manodidina koa;

3 Ary hanokanany ny fotoany rehetra ho amin’ity antso ambony sy masina ity izay omeko azy ankehitriny, ahikatsahana fatratra ny bfanjakan’ny lanitra sy ny fahamarinany, ary ny zavatra rehetra ilaina dia hanampy izany; fa mendrika ny karamany ny dmpiasa.

4 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa, efa amanakaiky ny bfiavian’ny Tompo ary manampoka izao tontolo izao toy ny dmpangalatra amin’ny alina izany—

5 Koa sikino ny valahanareo mba hahatonga anareo ho zanaky ny ahazavana, ka tsy bhanampoka anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.

6 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa nisy fifaliana tany an-danitra fony i Warren mpanompoko nitsaoka ny tehim-piandrianako ary nanala ny tenany tamin’ny famitahan’ny olona.

7 Koa sambatra i Warren mpanompoko fa hamindra fo aminy Aho; ary na dia eo aza ny afieboebon’ny fony, dia hanandratra azy Aho raha toa izy ka hanetry tena eo anoloako.

8 Ary Izaho hanome azy afahasoavana sy fahatokian-tena izay ahazoany mijoro; ary raha mitoetra ho vavolombelona mahatoky sy ho fahazavana ho an’ny fiangonana izy, dia efa nanomana satroboninahitra ho azy ao amin’ny bfitoeran’ny Raiko Aho. Izany tokoa. Amena.