Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108


Fizarana 108

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Kirtland, Ohio, ny 26 desambra 1835. Voaray ity fizarana ity noho ny fangatahan’i Lyman Sherman izay efa natokana ho fitopololahy teo aloha ary tonga tao amin’ny Mpaminany, nangataka fanambarana hampahafantarana ny andraikiny.

1–3, Voavela ny fahotan’i Lyman Sherman; 4–5, Hisaina miaraka amin’ireo loholona mpitarika ao amin’ny Fiangonana izy; 6–8, Voantso izy hitory ny filazantsara sy hampahery ny rahalahiny.

1 Toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo aminao ry Lyman mpanompoko: Voavela ny fahotanao, satria efa nankatò ny feoko ianao noho ny fahatongavanao etoana izao maraina izao handray torohevitra avy amin’ilay efa notendreko.

2 Koa aoka ahitony ny fanahinao raha ny amin’ny toeranao eo imason’ Andriamanitra ary aza toherina intsony ny feoko.

3 Dia mitsangàna ary tandremo bebe kokoa hatrizao ny fanefanao ny voadinao izay efa nataonao sy ataonao, dia hotahiana amin’ny fitahiana lehibe mitafotafo ianao.

4 Miandrasa amim-paharetana ambara-piantsoana ny afivoriana masin’ireo mpanompoko, dia hotsarovana miaraka amin’ny voalohany amin’ireo loholona ianao ary hahazo zo amin’ny alalan’ny fanokanana miaraka amin’ireo loholoko sisa izay efa nofinidiko.

5 Indro, izany no afampanantenan’ny Ray aminao raha mitoetra ho mahatoky ianao.

6 Ary ho tanteraka aminao izany amin’io andro io izay hanananao zo ahitory ny filazantsarako, na aiza na aiza hanirahako anao hatrizao, manomboka amin’izay fotoana izay.

7 Koa aampaherezo ny rahalahinao amin’ny resakao rehetra, amin’ny fivavakao rehetra, amin’ny fanentanana rehetra ary amin’ny ataonao rehetra.

8 Ary indro ka jereo, momba anao Aho mba hitahy anao sy ahanafaka anao mandrakizay. Amena.