Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109


Fizarana 109

Vavaka natolotra tamin’ny fanokanana ny tempoly tao Kirtland, Ohio, ny 27 martsa 1836. Araka ny teny nosoratan’ny Mpaminany, ity vavaka ity dia nomena azy tamin’ny alalan’ny fanambarana

1–5, Naorina mba ho toerana hotsidihin’ny Zanak’Olona ny Tempolin’i Kirtland; 6–21, Izany dia ho tranon’ny vavaka, ny fifadiankanina, ny finoana, ny fianarana, ny voninahitra sy ny filaminana, ary ho tranon’ Andriamanitra; 22–33, Enga anie hangaihay ny tsy mibebaka izay manohitra ny vahoakan’ny Tompo; 34–42, Enga anie hivoaka amin-kery ny Olomasina ka hanangona ny marina ho ao Ziona; 43–53, Enga anie ny Olomasina ho afaka amin’ny zavatra mahatahotra izay haidina amin’ny olon-dratsy amin’ny andro farany; 54–58, Enga anie ireo firenena sy vahoaka ary fiangonana ho voaomana ho amin’ny filazantsara; 59–67, Enga anie ny Jiosy, ny Lamanita ary ny Isiraely manontolo ka ho voavotra; 68–80, Enga anie ny Olomasina ka hosatrohina voninahitra sy laza ary hahazo ny famonjena mandrakizay.

1 aIsaorana anie ny anaranao ry Tompo Andriamanitry ny Isiraely ô, izay mitandrina ny bfanekempihavanana ary maneho famindram-po amin’ireo mpanomponao izay mandeha araka ny hitsiny eo anoloanao amin’ny fony manontolo—

2 Ianao izay efa nandidy ireo mpanomponao ahanorina trano ho an’ny anaranao eo amin’ity toerana ity [Kirtland].

3 Ary hitanao ankehitriny Tompo ô, fa efa nanao araka ny didinao ireo mpanomponao.

4 Ary ankehitriny Ray Masina ô dia mangataka Anao izahay, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, Ilay Zanaka ao an-tratranao, izay amin’ny anarany irery ihany no ahafahana mitondra ny famonjena ho an’ny zanak’olombelona, mangataka Anao izahay Tompo ô hanaiky ity atrano ity, ny basan’ny tananay mpanomponao, izay nandidianao anay haorina.

5 Satria fantatrao fa efa nanao izao asa izao tao anatin’ny fahoriana be izahay; ary avy amin’ny fahantranay no efa nanomezanay tamin’ny fanananay hanorenana ny atrano ho an’ny anaranao, mba hananan’ny Zanak’Olona toerana hanehoana ny tenany amin’ny vahoakany.

6 Ary toy izay efa nolazainao tamin’ny afanambarana nomenao anay, niantsoanao anay ho namanao, manao hoe—Ataovy ny fivorianareo masina, araka izay efa nandidiako anareo;

7 Ary satria tsy ny rehetra no manana finoana, dia mikatsaha fatratra sy mifampianara ny teny fahendrena ianareo; eny, katsahonareo ao amin’ny boky tsara indrindra ny teny fahendrena; katsahonareo ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana.

8 Mifandamin’ny ianareo; omano ny zavatra rehetra ilaina, ary manorena trano, dia tranon’ny vavaka, tranon’ny fifadiankanina, tranon’ny finoana, tranon’ny fianarana, tranon’ny voninahitra, tranon’ny filaminana, tranon’ Andriamanitra;

9 Mba ho amin’ny anaran’ny Tompo ny fidiranareo; mba ho amin’ny anaran’ny Tompo ny fivoahanareo; mba ho amin’ny anaran’ny Tompo ny fifampiarahabanareo rehetra amin’ny fanandratana ny tanana ho amin’ny Avo Indrindra—

10 Ary ankehitriny Ray Masina ô, dia mangataka Anao izahay hanampy anay vahoakanao amin’ny alalan’ny fahasoavanao, amin’ny fanaovanay ny fivoriana masina mba hahazoana manao izany ho voninahitrao sy hanekenao Andriamanitra izany;

11 Ary mba ho hita eo imasonao fa mendrika izahay ny hahazo ny fanatanterahana ny afampanantenana izay efa nataonao taminy vahoakanao, ao amin’ireo fanambarana nomenao anay;

12 Mba hahazoan’ny avoninahitrao mitoetra amin’ny olonao sy amin’ity tranonao ity izay atolotray ankehitriny ho Anao, mba hahazoana manamasina sy manokana izany ho masina, ary mba ho amin’ity trano ity lalandava ny fanatrehanao masina;

13 Ary mba hahatsapa ny herinao ny olona rehetra izay miditra ny tokonam-baravaran’ny tranon’ny Tompo ary ho voatery hiaiky fa efa nohamasininao izany, ary izany no tranonao, toeran’ny fahamasinanao.

14 Ary hotovinao anie, Ray Masina ô, ny hahazoana mampianatra ny teny fahendrena avy amin’ny boky tsara indrindra amin’ireo rehetra izay hidera ao amin’ity trano ity, ary ny hahazoany mikatsaka fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana, araka izay efa nolazainao;

15 Ary hahazoany mitombo ao Aminao sy mandray ny fahafenoan’ny Fanahy Masina ary mifandamin’ny araka ny lalànao, ary miomana mba hahazo ny zavatra rehetra ilaina;

16 Ary ny hahatonga ity trano ity ho tranon’ny vavaka, tranon’ny fifadiankanina, tranon’ny finoana, tranon’ny voninahitra sy an’ Andriamanitra, dia ny tranonao;

17 Mba ho amin’ny anaran’ny Tompo ny fidiran’ny vahoakanao rehetra ao amin’ity trano ity;

18 Mba ho amin’ny anaran’ny Tompo ny fivoahany rehetra avy ato amin’ity trano ity;

19 Ary mba ho amin’ny anaran’ny Tompo ny fifampiarahabany rehetra amin’ny fanandratana ny tanana masina ho amin’ny Avo Indrindra;

20 Ary mba tsy hisy zavatra atsy madio havela hiditra ny tranonao handoto azy;

21 Ary raha mandika lalàna ny vahoakanao, na dia ny anankiray aminy aza, dia mba hahazo hibebaka faingana tokoa izy ary hiverina Aminao sy hahita sitraka eo imasonao ary haverina amin’ireo fitahiana izay efa notendrenao harotsaka amin’ireo izay ahitsaoka Anao ao an-tranonao.

22 Ary mangataka Anao izahay, Ray Masina ô, mba hahazoan’ireo mpanomponao mivoaka avy amin’ity tranonao ity, mitondra ny herinao ho fiadiana, ary mba ny anaranao no ho amin’izy ireo, ary ny voninahitrao no hanodidina azy ireo, ary ny aanjelinao no hikarakara azy ireo;

23 Ary hahazoany mitondra avy amin’ity toerana ity amin’ny fahamarinana tokoa ireo vaovao lehibe fatratra sy be voninahitra hatrany aam-paran’ny tany, mba hahafantaran’izy ireo fa asanao ity ary Ianao dia efa naninjitra ny tananao mba hanatontosa izay efa noteneninao tamin’ny vavan’ireo mpaminany momba ny andro farany.

24 Mangataka Anao izahay Ray Masina ô, mba hampiorina ny vahoaka izay efa hidera sy hitana amim-panajana ny anarany sy ny toerany eo imason’ Andriamanitra ao amin’ity trano ity ho an’ireo taranaka rehetra sy ho mandrakizay;

25 Mba tsy hisy fiadiana avoamboatra hamelezana azy ireo ka hiroborobo; mba hianjeran’izay mihady blavaka ho azy ireo ao amin’izany;

26 Mba tsy hisy tsikombakomban’ny faharatsiana hanan-kery hitsangana ao amin’ity trano ity ka ahandresy ny vahoakanao izay hametrahana ny banaranao ao amin’ity trano ity;

27 Ary raha misy vahoaka hitsangana hamely ity vahoaka ity, dia ny hirehetan’ny fahatezeranao aminy;

28 Ary raha mamely ity vahoaka ity izy ireo, dia ny hamelezanao azy ireo; ny hiadianao ho an’ny vahoakanao toy ny nataonao tamin’ny andron’ny ady, mba hahazoana manafaka azy amin’ny tanan’ny fahavalony rehetra.

29 Mangataka Anao izahay, Ray Masina ô, hampangaihay sy hampitolagaga ka hitondra henatra sy savorovoro ho an’ireo rehetra efa nanely lainga teny ivelany, eran’izao tontolo izao, namelezana ny mpanomponao na ireo mpanomponao, raha tsy hibebaka izy rehefa hotoriana eo an-tsofiny ny filazantsara maharitra mandrakizay;

30 Ary mba hatao tsinontsinona ny asany rehetra ka hopaohin’ny ahavandra sy ny famaizana izay halefanao aminy ao amin’ny fahatezeranao, mba hisy farany ny bfandaingana sy ny endrikendrika hamelezana ny vahoakanao.

31 Satria fantatrao Tompo ô fa tsy manan-tsiny eo anoloanao ny mpanomponao amin’ny fijoroana ho vavolombelon’ny anaranao izay efa niaretan’izy ireo ireny zavatra ireny.

32 Koa italahoanay Aminao ny fanafahana feno sy tanteraka eo ambanin’ity azioga ity;

33 Tapaho izany hiala, Tompo ô; tapaho amin’ny herinao izany hiala ny vozon’ireo mpanomponao mba hahazoanay mitsangana eo afovoan’ity taranaka ity ary manao ny asanao.

34 Jehovah ô, mamindrà fo amin’ity vahoaka ity ary satria amanota avokoa ny olona, dia mamelà ny fandikan-dalàna ny vahoakanao, ary aoka izany ho voafafa mandrakizay.

35 Aoka ny afanosorana ny mpanomponao hofehezina eo aminy amin’ny hery avy any ambony.

36 Aoka izany ho tanteraka aminy tahaka ny tamin’ireo izay tamin’ny andro Pentekôsta; aoka ny fanomezam-pahasoavana amin’ny afiteny hirotsaka amin’ny vahoakanao, dia blela mitarehin’afo mizarazara mbamin’ny fandikana azy.

37 Ary aoka ny tranonao hofenoina amin’ny avoninahitrao, toy ny amin’ny rivotra mahery mifofofofo.

38 Apetraho amin’ireo mpanomponao ny atenivavolombelon’ny fanekempihavanana mba hahazoan’ireo bmanomboka kase ny lalàna rehefa mandeha mivoaka sy mitory ny teninao ary manomana ny fon’ireo olomasinao ho amin’ireo famaizana rehetra izay efa madiva halefanao ao amin’ny fisafoahanao, amin’ny mponin’ny dtany, noho ny fandikan-dalàny, ka tsy ho kivy ny vahoakanao amin’ny androm-pahoriana.

39 Ary na inona na inona tanàna hidiran’ireo mpanomponao ary mandray ny tenivavolombelony ny mponin’io tanàna io, dia aoka ny fiadananao sy ny famonjenao ho to amin’io tanàna io; mba hahazoany manangona ny marina ho any ivelan’io tanàna io, ka handehanan’ireny any aZiona, na any amin’ireo tsatòkany, ireo toerana voatondronao, miaraka amin’ny hiran’ny fifaliana maharitra mandrakizay;

40 Ary mandra-pahatonga izany ho tanteraka, dia aoka tsy hianjera amin’io tanàna io ny famaizanao.

41 Ary na inona na inona tanàna hidiran’ireo mpanomponao, ka tsy mandray ireo tenivavolombelon’ireo mpanomponao ny mponin’izany tanàna izany, ary mampitandrina azy ireo hamonjy ny tenany amin’ity taranaka maditra ity ny mpanomponao, dia aoka ho to amin’ity tanàna ity, araka izay efa notenenina tamin’ny vavan’ireo mpamin’nyninao.

42 Nefa miangavy Anao izahay, Jehovah ô, hanafaka ireo mpanomponao eo an-tanany ary hanadio azy ireo amin’ny rany.

43 Tompo ô, tsy finaritra amin’ny famongorana ny mpiara-belona aminy izahay; sarobidy eo anoloanao ny afanahiny;

44 Nefa tsy maintsy tanterahina ny teninao. Ampio ireo mpanomponao hilaza miaraka amin’ny fanohanan’ny afahasoavanao hoe: Hatao anie ny sitraponao, Tompo ô, fa tsy ny anay.

45 Fantatray fa niteny, tamin’ny vavan’ireo mpamin’nyninao, zavatra mahatahotra ianao momba ny olon-dratsy amin’ny aandro farany—fa haidinao tsy misy fetrany ny famaizanao;

46 Koa afaho amin’ny antambon’ny olon-dratsy ny vahoakanao Tompo ô; omeo fahefana ireo mpanomponao hanomboka kase ny lalàna sy hifehy ny tenivavolombelona, mba ho voaomana ho amin’ny andro fandoroana izy ireo.

47 Mangataka Anao izahay, Ray Masina ô, hahatsiaro ireo izay efa noroahin’ny mponin’ny fivondronan’i Jackson, Missouri, hiala amin’ny tany lovany ary hanapaka hiala ity ziogan’ny fahoriana izay efa napetraka tamin’izy ireo ity.

48 Ianao mahafantatra Tompo ô fa efa nampahoriana mafy tokoa izy ireo ary nampijalian’ireo olon-dratsy; ary avonton’alahelo ny fonay noho ny enta-mavesany maharary.

49 Tompo ô, amandra-pahoviana no hamelanao ity vahoaka ity hizaka ity fampijaliana ity sy ny antsoantson’ireo tsy manan-tsininy hiakatra eo an-tsofinao ary ny brany ho avy hijoro ho vavolombelona eo anoloanao ka tsy hanehoanao ny fijoroanao ho vavolombelony?

50 aAmindrao fo Tompo ô ireo mpihetraketraka mamohehatra izay efa nandroaka ny vahoakanao, mba hahazoany mitsahatra amin’ny fanimbany, mba hahazoany mibebaka amin’ny fahotany, raha mety hisy ny fibebahana;

51 Fa raha tsy mety mibebaka kosa izy, dia ampitanjaho ny sandrinao, Tompo ô, ka aavoty izay notendrenao ho Ziona ho an’ny vahoakanao.

52 Ary raha tsy misy afa-tsy ho izany no tsy hampandamòka ny foto-kevitry ny vahoakanao, dia enga anie ka hirehitra ny fahatezeranao ary hianjera aminy ny fahaviniranao mba hahazoana mandevona azy ireo, na faka, na sampana ety ambanin’ny lanitra;

53 Fa raha toa ka mibebaka izy ireo, dia miantra sy mamindra fo Ianao ka hampihodina ny fisafoahanao rehefa mijery ny tavan’ny Voahosotrao.

54 Amindrao fo Tompo ô ny firenena rehetra eto an-tany; amindrao fo ny mpanapaka ny taninay; enga anie ireo fitsipika izay narovan’ny razanay tamin’ny fomba mendrika sy mihaja ireo, dia ny aLalàm-panorenan’ny taninay izany, hiorina mandrakizay.

55 Tsarovy ny mpanjaka, ny printsy, ny andriana ary ireo olona lehibe amin’ny tany, ary ny vahoaka rehetra, ny fiangonana, ny mahantra rehetra, ny sahirana ary ireo olona mijaly eto an-tany;

56 Mba hahazoana manalefaka ny fony rehefa mivoaka avy ao an-tranonao ireo mpanomponao Jehovah ô, ho vavolombelona manambara ny anaranao; mba hisava eo anoloan’ny afahamarinana ny hevi-draviny, ary mba hahazoan’ny vahoakanao sitraka eo imason’ny rehetra;

57 Mba hahazoan’ny faran’ny tany rehetra mahafantatra fa izahay mpanomponao dia efa anandre ny feonao, ary efa nirahinao izahay;

58 Mba ho avy any anivon’ireo rehetra ireo no hahazoan’ireo mpanomponao, ireo zanakalahin’i Jakoba, manangona ireo marina hanorina ny tanàna masina ho an’ny anaranao, toy izay efa nandidianao azy ireo.

59 Mangataka Anao izahay hanendry atsatòka hafa ho an’i Ziona ankoatra ity anankiray efa voatendrinao ity, mba hahazoan’ny bfanangonana ny vahoakanao mitohy amin’ny hery lehibe sy ny fahamboniana, mba hahazoana dmanafohy ny asanao amim-pahamarinana.

60 Ankehitriny ireo teny ireo Tompo ô dia efa noteneninay teto anoloanao, momba ireo fanambarana sy didy izay efa nomenao anay, izay raisina ho isan’ny aJentilisa.

61 Nefa fantatrao fa Ianao dia manam-pitiavana lehibe ho an’ny zanak’i Jakoba izay efa naely nandritra ny fotoana ela tany an-tendrombohitra, tamin’ny andro nandrahona sy maizina.

62 Koa mangataka Anao izahay hamindra fo amin’ireo zanak’i Jakoba, ka hanomboka hanavotra an’i aJerosalema hatramin’izao ora izao;

63 Ary ny ziogan’ny famatorana hanomboka ho tapatapaka hiala amin’ny tranon’i aDavida;

64 Ary ireo zanak’i aJoda hanomboka hiverina amin’ny btany izay nomenao an’i Abrahama rainy.

65 Ary asaovy amiova avy amin’ny toetrany dia sy lozabe ho amin’ny fahafenoan’ny filazantsara maharitra mandrakizay ny bsisa tavela amin’ny taranak’i Jakoba, izay efa voaozona sy voakapoka noho ny fandikan-dalàny;

66 Mba hahazoany mametraka ny fiadian’ny fandatsahan-dra ary mampitsahatra ny fikomiany.

67 Ary enga anie ny sisa tavela amin’ny taranak’i aIsiraely miparitaka rehetra, izay efa noroahina hatrany am-paran’ny tany, ka ho tonga amin’ny fahalalana ny fahamarinana, hino ny Mesia ary havotana amin’ny fahoriana sy hiravoravo eo anoloanao.

68 Tompo ô, tsarovy i Joseph Smith zanany mpanomponao mbamin’ny fijaliany rehetra sy ny fanenjehana azy—fa efa nanao afanekempihavanana tamin’i bJehovah izy ary nivoady Taminao ry Andriamanitra Maherin’i Jakoba—sy ny didy izay efa nomenao azy, ary niezahany marina tokoa ny hanao ny sitraponao.

69 Amindrao fo, Tompo ô, ny vady aman-janany, mba ho azo hasandratra eo anatrehanao izy ireo ary harovan’ny tanam-pamelomanao.

70 Amindrao fo ireo havany aakaiky rehetra, mba ho azo ravana toy ny faohin’ny riaka ny hevi-draviny; mba hahazoany miova fo ary ho azo avotana miaraka amin’ny Isiraely ary hahafantatra fa Ianao no Andriamanitra.

71 Tsarovy Tompo ô ireo filoha, dia ireo filoha rehetra ao amin’ny fiangonanao, mba hahazoan’ny tananao ankavanana manandratra azy ireo miaraka amin’ny fianakaviany rehetra sy ireo havany akaiky, mba hahatonga ny anarany haharitra sy hotsarovana mandrakizay amin’ireo taranaka fara aman-dimby.

72 Tsarovy ny fiangonanao rehetra, Tompo ô, mbamin’ny fianakaviany rehetra sy ny havany akaiky rehetra, mbamin’ny marariny rehetra sy ireo havany mijaly, mbamin’ny mahantra rehetra sy ny malemy fanahy eo amin’ny tany; ka ilay afanjakana izay efa naorinao tsy tamin’ny tanana dia ho tonga tendrombohitra lehibe ary hameno ny tany manontolo;

73 Mba hahazoan’ny fiangonanao mivoaka avy ao an-tany foanan’ny haizina ary mamirapiratra, meva toy ny avolana, mazava toy ny masoandro ary mahatahotra toy ny antokon-tafika mitondra faneva;

74 Ary ho toy ny ampakarina efa mihaingo ho amin’ilay andro izay hanesoranao ny voalin’ny lanitra ka mahatonga ny tendrombohitra ahiempo eo anatrehanao, ary ny blohasaha hisandratra, ny toerana mikitoatoana ho marina; mba hahazoan’ny voninahitrao mameno ny tany;

75 Ka rehefa haneno ho an’ireo nodimandry ny trompetra, dia ho azo aakarina eny amin’ny rahona izahay hitsena anao, mba hahazoanay miaraka amin’ny Tompo mandrakizay;

76 Mba ho madio ny fitafianay, mba hiakanjo ny aakanjon’ny fahamarinana izahay sady hitana eny an-tananay ny sampan-drofia, ary eo an-dohanay ny bsatroboninahitra, ary hijinja ny dfifaliana mandrakizay noho ny efahorianay rehetra.

77 Tompo Andriamanitra Tsitoha ô, henoy izahay amin’ireo fangatahanay ireo ary valio avy any an-danitra, fonenanao masina, izay itoeranao amin’ny seza fiandriananao miaraka amin’ny avoninahitra, ny laza, ny hery, ny fahamboniana, ny tanjaka, ny fanapahana, ny fahamarinana, ny fahitsiana, ny fitsarana, ny famindram-po, ny fahafenoana tsisy fetra, hatrizay ka haharitra mandrakizay.

78 Ô henoy, ô henoy, ô henoy izahay Tompo ô! Dia valio ireo fangatahanay ary ekeo ny fanoloranay ity trano ity ho Anao, asan’ny tananay, izay efa naorinay ho an’ny anaranao;

79 Ary koa ity fiangonana ity, mba hametrahanao ny anaranao eo aminy. Ary ampio amin’ny herin’ny Fanahinao izahay hahazoanay mampifangaro ny feonay amin’ny an’ireo aserafima mamirapiratra sy manjelanjelatra manodidina ny seza fiandriananao miaraka amin’ny hobim-piderana ka mihira hoe: Hôsanà ho an’ Andriamanitra sy ny bZanakondry!

80 Ary aoka ireo voahosotrao ireo ahotafiana famonjena, ary ny olomasinao hihiaka mafy ho fifaliana. Amena dia amena.