Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112


Fizarana 112

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany ho an’i Thomas B. Marsh tao Kirtland, Ohio, ny 23 jolay 1837, mikasika ny Apôstôly Roa ambin’ny folon’ny Zanakondry. Ity fanambarana ity dia noraisina ny andro voalohany nitorian’ny Loholona Heber C. Kimball sy Orson Hyde ny filazantsara tany Angletera. Thomas B. Marsh no Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roa ambin’ny folo tamin’izay fotoana izay.

1–10, Ny Roambinifololahy dia tokony handefa ny filazantsara sy hanandratra ny feon’ny fampitandremana amin’ny firenena sy ny vahoaka rehetra; 11–15, Tokony hitondra ny hazofijaliany izy ireo ary hanaraka an’i Jesoa Kristy sy hamahana ny ondriny; 16–20, Ireo izay mandray ny Fiadidiana Voalohany dia mandray ny Tompo; 21–29, Mandrakotra ny tany ny haizina ary ireo izay mino sy hatao batisa ihany no hovonjena; 30–34, Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Roambinifololahy no mihazona ireo fanalahidin’ny fitantanan’ny fotoam-pahafenoana.

1 Toy izao marina tokoa no nolazain’ny Tompo aminao ry Thomas mpanompoko: Efa nandre ny fivavakao Aho; ary ny fanampianao dia efa tafakatra ho afampahatsiahivana eo anoloako amin’ny anaran’ireo rahalahinao izay efa nofinidy sy natokana tamin’ny alalan’ireo mpanompoko, mba ho vavolombelona manambara ny anarako ary bhandefa izany any ivelany, any anivon’ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra.

2 Lazaiko anareo marina tokoa, fa nisy ihany zavatra vitsivitsy tao am-ponao sy taminao izay tsy nankasitrahako.

3 Kanefa, noho ianao efa ananetry ny tenanao, dia hasandratra ianao; koa voavela ny fahotanao rehetra.

4 Aoka ahatoky eo anoloan’ny tavako ny fonao; ary ianao dia ho vavolombelona manambara ny anarako, tsy amin’ny bJentilisa ihany fa amin’ny dJiosy koa; ary handefa ny teniko hatrany am-paran’ny tany ianao.

5 Koa amifandahara isa-maraina isa-maraina; ary isan’andro isan’andro, dia aoka hivoaka ny bfeo fampitandremanao; ary rehefa tonga ny alina, dia aza avela hatory ny mponin’ny tany noho ny lahateninao.

6 Aoka hampahafantarina ao i Ziona ny fonenanao ary aza aafindra ny tranonao; fa Izaho Tompo dia manana asa lehibe hataonao, amin’ny fitoriana ny anarako eo anivon’ny zanak’olombelona.

7 Koa asikino ho amin’ny asa ny valahinao. Aoka hikiraro koa ny tongotrao fa efa voafidy ianao, ary ny lalanao dia handalo any anivon’ny tendrombohitra sy any anivon’ny firenena maro.

8 Ary noho ny teninao, dia olona manandra-tena maro no ahaetry, ary noho ny teninao, dia olona manetry tena maro no hasandratra.

9 Ny feonao dia ho fananarana ho an’ny mpandika lalàna; ary amin’ny fananaranao no aoka hampitsaharan’ny lelan’ny mpanendrikendrika ny faharatsiany.

10 Aoka ianao ahanetry tena; ary ny Tompo Andriamanitra dia hitarika anao amin’ny tanana sy hanome anao ny valin’ny fivavakao.

11 Fantatro ny fonao ary efa reko ny fivavakao ho an’ny rahalahinao. Aza iangarana izy ireo ka ahotiavina mihoatra noho ireo hafa, fa aoka ny fitiavanao azy ireo ho tahaka ny fitiavanao ny tenanao; ary aoka ny fitiavanao hitosaka amin’ny olon-drehetra sy amin’ireo rehetra izay tia ny anarako.

12 Ary mivavaha ho an’ireo rahalahinao ao amin’ny Roambinifololahy. Ampitandremo mafy tokoa izy ireo noho ny anarako, ary aoka hanarina izy ireo noho ny fahotany rehetra, ary aoka ianao ho mahatoky eo anoloako amin’ny aanarako.

13 Ary aorian’ny afakana fanahy azy ireo sy ny bfahoriany be, dia indro, Izaho Tompo no hitady azy ireo, ary raha tsy manamafy ny fony izy ireo ary tsy manenjana ny hatony Amiko dia dhovana fo ary hositraniko.

14 Ankehitriny dia lazaiko aminao ary izay lazaiko aminao dia lazaiko amin’ny Roambinifololahy rehetra: Mitsangàna dia sikino ny valahanareo, alaovy ny ahazofijalianareo, manaraha Ahy ary bfahano ny ondriko.

15 Aza manandratra ny tenanareo; aza amikomy amin’i Joseph mpanompoko, fa lazaiko aminareo marina tokoa, momba azy Aho ary ho eo aminy ny tanako; ary ireo bfanalahidy izay efa nomeko azy, ary anareo koa, dia tsy hoesorina aminy mandra-piveriko.

16 Lazaiko aminao marina tokoa ry Thomas mpanompoko, ianao no lehilahy izay efa nofinidiko hihazona ireo fanalahidin’ny fanjakako, momba ny Roambinifololahy, any ivelany, anivon’ny firenena rehetra—

17 Mba ianao no ho mpanompoko hamoha ny varavaran’ny fanjakako amin’ny toerana rehetra izay tsy hahatongavan’i Joseph mpanompoko sy i aSidney mpanompoko ary i bHyrum mpanompoko;

18 Fa tamin’izy ireo no nametrahako ny enta-mavesatry ny fiangonana rehetra mandritra ny fotoana fohy.

19 Koa na aiza na aiza no hanirahany anao, dia mandehana ianao ary momba anao Aho; ary na inona na inona toerana hitorianao ny anarako, dia varavarana amahomby no hovohana ho anao mba hahazoany mandray ny teniko.

20 Na zovy na zovy no amandray ny teniko dia mandray Ahy, ary na zovy na zovy mandray Ahy dia mandray ireo ao amin’ny Fiadidiana Voalohany izay efa nirahako, izay efa nataoko ho mpanolotsaina ho anareo amin’ny anarako.

21 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo fa na zovy na zovy no hirahinareo amin’ny anarako, amin’ny alalan’ny feon’ny rahalahinareo, ny aRoambinifololahy, feperanareo sy nomenareo bfahefana ara-dalana, dia hanan-kery hanokatra ny varavaran’ny fanjakako ho an’ny firenena rehetra izay hanirahanareo azy—

22 Araka izay hanetreny tena eo anoloako sy hitoerany eo amin’ny teniko ary ahihainoany ny feon’ny Fanahiko.

23 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, ny ahaizina mandrakotra ny tany, ary haizina matevina no mandrakotra ny sain’ny olona, ary efa nanjary bratsy ny nofo rehetra eo anoloako.

24 Indro, avy faingana tokoa amin’ny mponin’ny tany ny afamaliana, ny andron’ny fisafoahana, ny andron’ny fandoroana, ny andron’ny faharavana, ny an’ny bfitomaniana, ny an’ny fidradradradrana, ny an’ny fitarainana; ary toy ny tadio no hahatongavan’izany eran’ny tany manontolo, hoy ny Tompo.

25 Ary eo amin’ny tranoko no ahanombohan’izany, ary avy amin’ny tranoko no handehanan’izany, hoy ny Tompo;

26 Amin’ireo izay eo anivonareo aloha, hoy ny Tompo, ireo izay efa anilaza ho mahafantatra ny anarako ary tsy bnahafantatra Ahy sy efa dnanevateva Ahy teo afovoan’ny tranoko, hoy ny Tompo.

27 Koa ataovy izay tsy hanahian’ny tenanareo ny amin’ny raharahan’ny fiangonako eto amin’ity toerana ity, hoy ny Tompo.

28 Fa adiovy eo anoloako ny fonareo; ary rehefa izany dia bmandehana ianareo eran’izao tontolo izao, ary mitoria ny filazantsarako amin’ny mananaina rehetra izay tsy nandray izany;

29 Ary izay amino sy bhatao batisa no hovonjena, ary izay tsy mino sy tsy hatao batisa no dhohelohina.

30 Fa ianareo aRoambinifololahy sy ireo ao amin’ny bFiadidiana Voalohany, izay tendrena miaraka aminareo ho mpanolotsaina sy ho mpitondra anareo, no omena ny herin’ity fisoronana ity, ho an’ny andro farany sy ho an’ny fotoana farany izay ao amin’ny dfitantanan’ny fotoam-pahafenoana,

31 Dia fahefana izay hazoninareo miaraka amin’ireo rehetra izay efa nandray fotoampitantanana, na inona na inona izany fotoana izany, hatramin’ny fiandohan’ny fahariana;

32 Fa lazaiko aminareo marina tokoa, ireo afanalahidin’ny fotoampitantanana izay efa noraisinareo, dia bnidina avy tamin’ireo ray ary nalefa farany indrindra avy any an-danitra ho anareo.

33 Lazaiko aminareo marina tokoa, indro, lehibe ny antso anananareo. aDiovy ny fonareo sy ny fitafianareo, fandrao bhotakiana eo an-tananareo ny ran’ity taranaka ity.

34 Aoka ho mahatoky mandra-piaviko fa aavy faingana Aho; ary miaraka Amiko ny valisoako mba homena valisoa araka ny basany ny olon-drehetra. Izaho no Alfa sy Ômega. Amena.