Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113


Fizarana 113

Valin’ireo fanontaniana sasany, momba ny asa soratr’i Isaia, nomen’i Joseph Smith Mpaminany, ny volana martsa 1838, tao na tao akaikin’ny tanànan’i Far West, Missouri, ny volana martsa 1838.

1–6, Fampahafantarana ny vatan’i Jese, ny solofo mitsimoka avy ao ary ny fakan’i Jese; 7–10, Ireo sisa tavela amin’i Ziona naely dia manana zo amin’ny fisoronana ary antsoina hiverina amin’ny Tompo.

1 Iza no vatan’i aJese voalaza ao amin’ny andininy faha-1, 2, 3, 4 ary faha-5 ao amin’i Isaia toko faha-11?

2 Toy izao marina tokoa no lazain’i Tompo: I Kristy izany.

3 Inona ilay solofo voalaza ao amin’ny andininy voalohany ao amin’i Isaia toko faha-11, izay hivoaka avy ao amin’ny vatan’i Jese?

4 Indro, toy izao no lazain’ny Tompo: Izany dia mpanompoko eo an-tanan’i Kristy, izay tamingan’i Jese ary koa aEfraima ny ampahany, na avy amin’ny tranon’i Josefa izay ametrahana bhery lehibe.

5 Inona no fakan’i Jese voalaza ao amin’ny andininy faha-10 amin’ny toko faha-11?

6 Indro, toy izao no lazain’ny Tompo: izany dia tamingan’i Jese, ary koa an’i Josefa izay manan-jo ara-dalana amin’ny fisoronana sy ireo afanalahidin’ny fanjakana, ho bfaneva sy ho dfanangonana ny vahoakako amin’ny andro farany.

7 Fanontaniana nataon’i Elias Higbee: Inona no tian-kolazaina amin’ny didy ao amin’i Isaia faha-52 andininy voalohany, izay manao hoe: Tafio ny tanjakao ry Ziona ô—ary iza no vahoaka tondroin’i Isaia eto?

8 Ny tondroiny eto dia ireo izay hantsoin’ Andriamanitra amin’ny andro farany, izay hihazona ny herin’ny fisoronana hampodiana indray an’i aZiona, ary ny fanavotana an’i Isiraely; ary ny hoe mitafy ny btanjany dia ny mitafy ny fahefan’ny fisoronana izay ananany, izy Ziona, dzo noho ny firazanany; ary miverina ihany koa amin’izany hery izany izay efa nariany.

9 Inona no hevitry ny hoe famahan’i Ziona ny fatorana amin’ny tendany, eo amin’ny andininy faha-2?

10 Tokony hazava amintsika fa ireo asisa tavela sady naely patrana dia entanina bhiverina amin’ny Tompo, izay teo Aminy no efa lavo izy ireo; ary raha ataony izany, dia izao no fampanantenan’ny Tompo: Izy dia hiteny aminy na hanome azy ireo fanambarana. Jereo ny andininy faha-6, faha-7, faha-8. Ny fatorana amin’ny tendany dia ireo ozon’ Andriamanitra taminy, na tamin’ireo sisa tavela amin’i Isiraely, ao amin’ny fielezany any anivon’ny Jentilisa.