Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 114


Fizarana 114

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Far West, Missouri, ny 11 aprily 1838.

1–2, Ireo andraikitra ao am-piangonana notanan’ireo izay tsy mahatoky dia homena ny hafa.

1 Toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo: Fahendrena ao amin’i David W. Patten mpanompoko ny mandamin’ny haingana araka izay tratra ny raharahany rehetra, ny manafoana ny enta-barony, hahazoany miaraka amin’ny hafa, dia roa ambin’ny folo mbamin’ny tenany, ny manefa asa fitoriana ho Ahy amin’ny lohataona ho avy, mba ho vavolombelona manambara ny anarako sy hitondra vaovao mahafaly manerana izao tontolo izao.

2 Fa toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo: raha misy eo anivonareo mandà ny anarako dia ahapetraka eo amin’ny btoerany ny hafa ary handray ny episkopàny. Amena.