Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115


Fizarana 115

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Far West, Missouri, ny 26 aprily 1838, mampahafantatra ny sitrapon’ Andriamanitra momba ny fananganana io toerana io sy ny tranon’ny Tompo. Ity fanambarana ity dia mivantana amin’ireo manampahefana mpiahy sy mpikambana ao amin’ny Fiangonana.

1–4, Nataon’ny Tompo hoe Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny Fiangonany; 5–6, Toerana sy fialofana ho an’ny Olomasina i Ziona sy ireo tsatòkany; 7–16, Nodidina ny Olomasina hanangana ny tranon’ny Tompo tao Far West; 17–19, Joseph Smith no mihazona ireo fanalahidin’ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany.

1 Toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo aminao ry aJoseph Smith zanany mpanompoko, ary koa ry bSidney Rigdon mpanompoko, ary koa ry dHyrum Smith mpanompoko sy ireo mpanolotsainao izay tendrena sy hotendrena rahatrizay;

2 Ary aminao koa ry aEdward Partridge mpanompoko sy ny mpanolotsainy;

3 Ary koa amin’ireo mpanompoko mahatoky izay ao amin’ny filankevitra avon’ny fiangonako ao i Ziona, satria toy izany no hiantsoana azy, ary amin’ireo loholona rehetra sy vahoakan’ny fiangonako, Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, miely patrana any ivelany, manerana izao tontolo izao;

4 Satria toy izany no ahiantsoana ny fiangonako amin’ny andro farany, dia bNy Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

5 Lazaiko marina tokoa aminareo rehetra: aMitsangàna ary mamirapirata mba hahatonga ny fahazavanao ho bfaneva ho an’ireo firenena;

6 Ary mba hahatonga ny afiaraha-mivondrona eo amin’ny tanin’i bZiona sy eo amin’ny dtsatòkany ho fiarovana sy ho efialofana amin’ny tafio-drivotra sy amin’ny fisafoahana, rehefa fhaidina tsy misy fangarony amin’ny tany manontolo izany.

7 Aoka ny tanànan’i Far West ho tany masina sy ho voatokana ho Ahy; ary hatao hoe amasina indrindra izany, satria masina ny tany izay ijoroanao.

8 Koa mandidy anareo Aho ahanangana trano ho Ahy ho fanangonana miaraka ny olomasiko, mba hahazoany bmidera Ahy.

9 Ary aoka ny fiatombohan’ny asa sy ny fototra ary ny asa fanomanana hatao amin’ity fahavaratra manaraka ity;

10 Ary aoka ny fiatombohany hatao amin’ny andro fahefatry ny volana jolay manaraka; ary hatramin’io fotoana io, dia aoka ny vahoakako hiasa fatratra hanangana trano ho an’ny anarako;

11 Ary amin’ny aherintaona, hatramin’io andro io, dia aoka izy ireo hamerina indray ny fandatsahana ny fototry ny btranoko.

12 Koa aoka izy ireo hiasa fatratra tokoa toy izany hatramin’io fotoana io mandra-pahavitany, hatrany amin’ny vato fehizorony ka hatrany amin’ny tapenany, hatrany amin’izay tsy hisian’ny zavatra tavela ka tsy vita.

13 Lazaiko aminareo marina tokoa, aza avela hidi-trosa intsony na i Joseph mpanompoko, na i Sidney mpanompoko, na i Hyrum mpanompoko, ho fananganana ny trano ho an’ny anarako;

14 Fa aoka kosa hatsangana ny trano ho an’ny anarako, araka ny atoromarika izay hasehoko azy ireo.

15 Ary raha tsy manangana izany araka ny toromarika izay hasehoko ny filohany ny vahoakako, dia tsy hoekeko avy amin’ny tanany izany.

16 Nefa raha manangana izany araka ny toromarika izay hasehoko ny filohany, dia i Joseph mpanompoko sy ny mpanolotsainy, ny vahoakako, dia hoekeko avy eo an- tanan’ny vahoakako izany.

17 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa, sitrapoko ny hananganana ny tanànan’i Far West faingana tokoa amin’ny alalan’ny fanangonana ny olomasiko;

18 Ary koa ny hanendrena ireo toerana hafa ho atsatòka eo amin’ny faritra manodidina, araka izay hanehoana azy ireny ombieny ombieny amin’i Joseph mpanompoko.

19 Fa indro, homba azy Aho ary hohamasiniko eo anoloan’ny vahoaka izy; fa izy no efa nomeko ireo afanalahidin’ity fanjakana sy asa fanompoana ity. Izany tokoa. Amena.