Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 117


Fizarana 117

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Far West, Missouri, ny 8 jolay 1838, momba ny andraikitra mivantana an’i William Marks, i Newel K. Whitney ary i Oliver Granger.

1–9, Tsy tokony hitsiriritra ny zavatr’izao fiainana izao ireo mpanompon’ny Tompo, fa “inona moa ny fananana amin’ny Tompo?”; 10–16, Tokony hahafoy ny fahakelezan’ny fanahiny izy ireo, dia ho masina amin’ny Tompo ny fahafoizan-tenany.

1 Toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo amin’i William Marks mpanompoko, ary koa amin’i Newel K. Whitney mpanompoko: aoka izy ireo handamin’ny ny raharahany faingana tokoa ary hanainga avy ao an-tanin’i Kirtland mialoha ny handefasako, Izaho Tompo, ny orampanala indray eny ambonin’ny tany.

2 Aoka izy ireo hifoha sy hitsangana, ary hivoaka sy tsy hitaredretra, fa Izaho Tompo no mandidy izany.

3 Koa raha mitaredretra izy ireo, dia tsy soa ho azy ireo izany.

4 Aoka izy ireo hibebaka eo anoloako amin’ny fahotany rehetra sy amin’ny fitsiriritan-dratsy rehetra, hoy ny Tompo; fa inona moa ny afananana amiko? hoy ny Tompo.

5 Aoka ireo fananan’i Kirtland hanefana ny atrosa, hoy ny Tompo. Aoka ireo handeha, hoy ny Tompo, ary na inona na inona tafajanona, dia aoka izany hijanona eny an-tananareo, hoy ny Tompo.

6 Fa tsy manana ny voromanidin’ny lanitra va Aho, ary koa ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny biby any an-tendrombohitra? Tsy efa nanao ny tany va Aho? Moa tsy hazoniko va ny aanjaran’ireo tafika rehetra amin’ny firenena eto an-tany?

7 Koa, tsy hataoko mitsimoka sy mamony va ireo atoera-manirery ka hamoa be dia be? hoy ny Tompo.

8 Tsy ampy va ny toerana eny an-tendrombohitr’i aAdama-ondia-Amàna sy eny amin’ny lemak’i Olaha bSineha, na ny dtany izay nitoeran’i Adama, no tsy hitsiriritra afa-tsy izay piti-drano ianareo ary hanao tsirambina ny tena ventin-javatra?

9 Koa miakara eto amin’ny tanin’ny vahoakako, dia i Ziona.

10 Aoka i William Marks mpanompoko ho amahatoky amin’ny zavatra vitsivitsy dia ho mpanapaka amin’ny maro izy. Aoka izy hiahy eo afovoan’ny vahoakako ao an-tanànan’i Far West, ary aoka izy hotahiana amin’ny fitahiana ny vahoakako.

11 Aoka i Newel K. Whitney mpanompoko ho menatra ny tariky ny aNikôlaita sy ny bfahavetavetany miafina rehetra ary ny fahakelezan’ny fanahiny rehetra eo anoloako, hoy ny Tompo, ary hiakatra ao an-tanin’i Adama-ondia-Amàna ka ho deveka amin’ny vahoakako hoy ny Tompo, tsy amin’ny anarana fa amin’ny atao, hoy ny Tompo.

12 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo, mahatsiaro an’i aOliver Granger mpanompoko Aho; indro, lazaiko aminy marina tokoa fa ny anarany dia hotanana ao amin’ny fahatsiarovana masina hatrany amin’ny taranaka fara aman-dimby, mandrakizay mandrakizay, hoy ny Tompo.

13 Koa aoka izy hiezaka amin-kafanam-po tokoa ho fanavotana ny Fiadidiana Voalohan’ny Fiangonako, hoy ny Tompo; ary raha lavo izy dia mbola hiarina indray, satria ny afahafoizan-tenany dia ho masina kokoa Amiko noho ny fitomboany, hoy ny Tompo.

14 Koa aoka izy hiakatra eto faingana tokoa, eto an-tanin’i Ziona; ary amin’ny fotoana mahamety izany, dia hatao mpivarotra ho an’ny anarako izy, hoy ny Tompo, ho tombotsoan’ny vahoakako.

15 Koa aoka tsy hisy olona hanamavo an’i Oliver Granger mpanompoko, fa aoka ireo fitahiana ny vahoakako homba azy mandrakizay mandrakizay.

16 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa, aoka ireo mpanompoko rehetra ao an-tanin’i Kirtland hahatsiaro ny Tompo Andriamaniny, sy ny tranoko koa, ka hitandrina sy hitandro izany ho masina ary hanongana ireo mpanakalo vola amin’ny fotoana mahamety izany Amiko, hoy ny Tompo. Izany tokoa. Amena.