Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 118


Fizarana 118

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Far West, Missouri, ny 8 jolay 1838, ho valin’ny fitalahoana hoe: “Asehoy anay Tompo ô ny sitraponao momba ny Roambinifololahy.”

1–3, Ny Tompo no hamatsy ireo fianakavian’ny Roambinifololahy; 4–6, Nofenoina ny fahabangana teo anivon’ny Roambinifololahy.

1 Toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo: Aoka hanao fihaonambe avy hatrany; aoka halamina ny Roambinifololahy; ary aoka hotendrena ireo lehilahy ahisolo toerana ireo izay efa lavo.

2 Aoka i aThomas mpanompoko hijanona mandritra ny fotoana fohy ao an-tanin’i Ziona mba hitory ny teniko.

3 Aoka ny sisa hanohy ny fitoriana hatramin’izao ora izao, ary raha manao izany amin’ny fietren’ny fo, amin’ny halemem-panahy sy ny afanetrentena ary ny bfahariam-po rehetra izy ireo, dia Izaho Tompo no hanome azy ireo fampanantenana fa Izaho no hamatsy ny fianakaviany; ary varavarana mahomby no hovohana ho azy ireo hatramin’izao.

4 Ary amin’ny lohataona manaraka, dia aoka izy ireo hanainga ka handeha hita ireo rano be, ary any no hitory ny filazantsarako, ny fahafenoany, ary ho vavolombelona manambara ny anarako.

5 Aoka izy ireo handao ny olomasiko ao amin’ny tanànan’i Far West ny enina amby roapolo aprily ho avy io, eo amin’ny sombin-tany hanorenana ny tranoko, hoy ny Tompo.

6 Aoka i John Taylor mpanompoko, ary koa i John E. Page mpanompoko, ary koa i Wilford Woodruff mpanompoko, ary koa i Willard Richards mpanompoko, hotendrena hameno ny toeran’ireo izay efa lavo ary hampahafantarina ny fanendrena azy ireo amin’ny fomba ôfisialy.