Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119


Fizarana 119

Fanambarana nomena tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany tao Far West, Missouri, ny 8 jolay 1838, ho valin’ny fitalahoany hoe: “Tompo ô! Asehoy ny mpanomponao ny ampahany takianao amin’ny fananan’ny vahoakanao ho fahafolonkarena.” Ny lalàn’ny fahafolonkarena, araka ny ahafantarana azy ankehitriny, dia tsy nomena ny Fiangonana talohan’ity fanambarana ity. Ny teny hoe fahafolonkarena ao amin’io vavaka vao notsiahivina io sy ao amin’ireo fanambarana any aloha (64:23; 85:3; 97:11) dia tsy midika hoe ny iray ampahafolony fotsiny, fa ao koa ireo fanatitra an-tsitrapo rehetra na ireo fanampiana ho an’ny tahirim-bolan’ny Fiangonana. Efa nomen’ny Tompo tany aloha ny Fiangonana ny lalàn’ny fanokanana sy ny fitantanana fananana izay nanaovan’ny mpikambana (indrindra fa ireo loholona mpitarika) fanekempihavanana izay tokony haharitra mandrakizay. Koa satria nandamòka ny fitandreman’ny maro izany fanekempihavanana izany, dia notsoahin’ny Tompo nandritra ny fotoana fohy izany ary nomeny, ho an’ny Fiangonana iray manontolo ho solony, ny lalàn’ny fahafolonkarena. Nanontanian’ny Mpaminany ny Tompo ny amin’ny ampahany takiany amin’ny fananan’izy ireo ho an’ny tanjona masina. Ity fanambarana ity no valiny.

1–5, Ny Olomasina dia tokony handoa ny ambim-pananany ary rehefa izany dia hanome ny iray ampahafolon’izay miditra aminy isan-taona ho fahafolonkarena; 6–7, Ny fomba toy izany dia hanamasina ny tanin’i Ziona.

1 Toy izany marina tokoa no lazain’ny Tompo, takiako avokoa ireo aambim-pananany mba hapetraka eo an-tanan’ny evekan’ny fiangonako ao Ziona,

2 Ho fananganana ny atranoko sy ho fandatsahana ny fototr’i Ziona, ary ho an’ny fisoronana sy ho an’ny trosan’ny Fiadidian’ny Fiangonako.

3 Ary izany no ho fiandohan’ny afahafolonkaren’ny vahoakako.

4 Ary aorian’izany, ireo izay efa nandoa izany fahafolonkarena izany dia handoa ny iray ampahafolon’ny izay rehetra miditra aminy isan-taona; ary izany dia ho lalàna raikitra ho azy ireo mandrakizay, ho an’ny fisoronako masina, hoy ny Tompo.

5 Lazaiko aminareo marina tokoa, izao no zavatra hitranga, fa ireo rehetra izay miangona eo an-tanin’i aZiona dia handoa fahafolonkarena amin’ny ambim-pananany sy hanaraka ity lalàna ity, fa raha tsy izany dia tsy ho hita ho mendrika ny hitoetra eo anivonareo ireo.

6 Ary lazaiko aminareo fa raha tsy manaraka ity lalàna ity mba hitandrina izany ho masina ny oloko, ary tsy manamasina ho Ahy ny tanin’i aZiona amin’ity lalàna ity, mba hahazoana mitandrina ny fitsipiko sy ny didiko eo aminy, mba hahatonga azy ho tena masina indrindra, dia indro, lazaiko aminareo marina tokoa, izany dia tsy ho tanin’i Ziona ho anareo.

7 Ary izany dia ho fianarana ho an’ireo atsatòkan’i Ziona rehetra. Izany tokoa. Amena.