Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121


Fizarana 121

Vavaka sy faminaniana nosoratan’i Joseph Smith Mpaminany tao anatin’ny epistily iray ho an’ny Fiangonana fony izy voafonja tao amin’ny fonja tao Liberty, Missouri, ary mitondra ny datin’ny 20 martsa 1839. Efa am-bolana no tao am-ponja ny Mpaminany sy ireo namany maro. Ireo fangatahana sy antso navantany tany amin’ireo mpitondra mahefa sy fahefam-pitsarana dia tsy nisy vokany.

1–6, Nitalaho tamin’ny Tompo ny Mpaminany noho ny fijalian’ny Olomasina; 7–10, Nilaza fiadanana taminy ny Tompo; 11–17, Voaozona avokoa ireo izay miampanga lainga ny vahoakan’ny Tompo ho mpandika lalàna; 18–25, Tsy hanana zo amin’ny fisoronana izy ireo ary ho voaheloka; 26–32, Ampanantenaina fanambarana be voninahitra ireo miaritra amin-kerim-po; 33–40, Ny antony iantsoana maro ary ifidianana vitsy; 41–46, Tsy tokony hampiasaina afa-tsy amin’ny fahamarinana ny fisoronana.

1 Andriamanitra ô, aiza no misy Anao? Ary aiza no misy ny lay izay mandrakotra ny toerana afiafenanao?

2 aMandra-pahoviana no hihazonanao ny tananao sy ny masonao, eny, hitazanan’ny masonao madio avy eny amin’ny lanitra mandrakizay ny hadisoana natao tamin’ny vahoakanao sy ireo mpanomponao, ary handoahany ny sofinao amin’ny antsoantsony?

3 Eny, Tompo ô, amandra-pahoviana no hiaretany ireny hadisoana sy fampijaliana tsy ara-dalàna ireny vao hohalefahana aminy ny fonao ary hoentanin’ny fangorahana azy ny kibonao?

4 Tompo Andriamanitra aTsitoha ô, mpanao ny lanitra sy ny tany ary ireo ranomasina sy ireo zavatra rehetra izay eo aminy, ary mifehy sy mampanoa ny devoly ary ny toerana maizina sy maloky ny Seola—ahinjiro ny tananao; aoka ny masonao haninteraka; aoka hakarina hiala ny lainao; aoka tsy ho voarakotra intsony ny toerana bfiafenanao; aoka hatongilanao ny sofinao; aoka hohalefahanao ny fonao, ary aoka hoentanin’ny fangorahana anay ny kibonao.

5 Aoka ny fahatezeranao hirehitra amin’ny fahavalonay; ary amin’ny fiafonafonan’ny fonao, amin’ny sabatrao no ahamalianao anay noho ny hadisoana natao taminy.

6 Tsarovy ireo olomasinao mijaly, Ry Andriamanitray ô; dia hiravoravo mandrakizay amin’ny anaranao ireo mpanomponao.

7 Anaka, fiadanana anie ho an’ny fanahinao; ny afahorianao sy ny fijalianao dia tsy haharitra afa-tsy fotoana fohy;

8 Ary rehefa izany, raha aiaretanao tsara izany, dia hanandratra anao ho amin’ny avo Andriamanitra; ary ho resinao avokoa ny fahavalonao.

9 Mijoro eo akaikinao ny anamanao ary hoarahabainy indray amin’ny hafanam-po sy ny tanam-pihavanana ianao.

10 Tsy mbola tahaka an’i aJoba ianao; tsy mifanditra aminao ny namanao sady tsy mitoroka anao ho nandika lalàna, toy izay nataony tamin’i Joba.

11 Ary ireo izay mitoroka anao ho nandika lalàna dia ho poaka aty ny fanantenany, ary ny fanampoizany dia ho levona toy ny amahalevona ny orampanala eo anoloan’ny taratra mahamain’ny masoandro vao misandratra;

12 Ary ankoatra izany, dia efa naninjitra ny tanany Andriamanitra ary nanomboka kase mba hiova ny afotoana sy ny tonontaona, ka hohajambaina ny sain’izy ireo mba tsy hahatakaran’izy ireo ny asany mahatalanjona; mba hahafahany misedra sy mamatotra azy ireo ao amin’ny famitahan’izy ireo ihany;

13 Satria koa efa lo ny fony, dia mba ho tonga amin’ny atenany, amin’ny fahafenoany tanteraka, ireo zavatra izay tiany hatao amin’ny hafa sy ny fitiavana hampijaly ny hafa;

14 Mba hahatonga azy ireo ho diso fanantenana koa, ary mba ho fongana ny fanantenany;

15 Ary mba tsy ho ao anatin’ny taona maro hatrizao no hifaohana azy ireo sy ny taranany ety ambanin’ny lanitra, hoy Andriamanitra, mba tsy hisy anankiray aminy havela hitsangana eo amin’ny rindrina.

16 Voaozona avokoa ireo izay hanainga ny ombalahin-tongony hamely ireo avoahosotro, hoy ny Tompo, ary mihiaka fa efa bnanota izy ireo kanefa tsy nanota teo anoloako, hoy ny Tompo, fa efa nanao kosa izay mety eo imasoko sy izay nandidiako azy ireo.

17 Fa ireo izay mihiaka fandikan-dalàna dia manao izany satria mpanompon’ny fahotana ary azanaky ny tsy fankatoavana ny tenany.

18 Ary ireo izay mianiana lainga hamely ny mpanompoko, mba hahafahany mitondra azy any amin’ny fatorana sy ny fahafatesana—

19 Lozan’izy ireo; satria efa ananafintohina ireo madiniko izy ireo dia hosarahina hiala amin’ny bôrdônansin’ny tranoko.

20 Tsy ho feno ny aharony, ho fongana ny tranony sy ny fitehirizany, ary izy ireo dia hohamavoin’ireo izay nanasohaso azy ireo.

21 Tsy hanana zo amin’ny afisoronana izy ireo, na ny taranany mandimby azy ireo, hatrany amin’ny taranaka fara aman-dimby.

22 aTsara ho azy ireo raha nanantonana vato fikoseham-bary ny vozony, ka natsipy tany amin’ny halalin’ny ranomasina izy ireo.

23 Lozan’ireo rehetra izay mampijaly ny vahoakako ka mandroaka sy mamono ary mijoro ho vavolombelona manohitra azy, hoy ny Tompon’ny Maro; tsy ho afa-miala ny fanamelohan’ny helo ny ataranaky ny menarana.

24 Indro, amahita sy mahalala ny asany rehetra ny masoko, ary efa notehiriziko ho azy rehetra ny bfamaliana faingana amin’ny fotoany;

25 Fa efa voatendry ny afotoana ho an’ny olona tsirairay, araka ny basany avy.

26 Homen’ Andriamanitra anareo amin’ny alalan’ny aFanahy Masiny, eny, amin’ny alalan’ny bfanomezana tsy hay lazaina ny Fanahy Masina, ny dfahalalana izay tsy mbola nambara hatry ny nisian’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny;

27 Izay efa nandrasan’ny razantsika tamin’ny famaizana fatratra mba hambara amin’ny fotoana farany, izay nisarihan’ny anjely ny sainy, araka ny efa nanokanana izany ho amin’ny fahafenoan’ny voninahiny;

28 Fotoana ho avy izay atsy hisy na inona na inona hotanana, na misy Andriamanitra iray na bandriamanitra maro, dia haseho izany.

29 Ireo fiandrianana sy fizakana ary fanapahana sy hery rehetra dia ahambara ary hatolotra ireo rehetra izay efa niaritra tamin-kerim-po noho ny amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

30 Ary hambara koa raha misy afetra natao ho an’ireo lanitra, na ho an’ireo ranomasina, na ho an’ny tany maina, na ho an’ny masoandro, ny volana, na ho an’ireo kintana—

31 Ireo fotoana rehetra fihodinany, ireo andro, volana, ary taona rehetra voatondro, ary ny andro rehetra amin’ny androny, ny volany ary ny taonany ary ny voninahiny rehetra, ny lalàny ary ny fotoany voatondro rehetra, dia hambara amin’ny andron’ny afitantanan’ny fotoam-pahafenoana.

32 Araka izay efa voatendry teo anivon’ny aFilankevitr’ilay bAndriamanitra Mandrakizain’ireo andriamanitra hafa rehetra, talohan’ny nisian’izao tontolo izao, fa hatokana ho amin’ny fahavitany sy ny fiafarany, rehefa hiditra eo danatrehany mandrakizay sy ao amin’ny efitsaharany tsy mety maty ny olona tsirairay.

33 Mandra-pahoviana no afaka mijanona ho tsy madio ny rano mikoriana? Inona no hery hisakana ny lanitra? Toy ny tsy ahafahan’ny olona iray maninjitra ny sandriny malemy mba hisakanana ny reniranon’i Missouri amin’ny fikorianany efa voatendry, na hampiakatra azy hanoha riana, no tsy ahafana misakana ny Tsitoha tsy hampidina afahalalana avy any an-danitra ho eo ambony lohan’ny Olomasin’ny Andro Farany.

34 Indro, misy maro no avoantso fa vitsy no bvoafidy. Ary nahoana izy ireo no tsy voafidy?

35 Satria ny fony dia mipetraka fatratra amin’ny azavatr’izao tontolo izao sy miandrandra ny bvoninahitry ny olona ka tsy mianatra izao lesona iray izao—

36 Fa ireo azon’ny fisoronana dia mifamatotra tsy azo sarahina amin’ny bherin’ny lanitra, ary ny herin’ny lanitra dia tsy azo fehezina na ampiasaina raha tsy araka ireo fitsipiky ny dfahamarinana.

37 Marina fa azo atolotra antsika ireo zo ireo; kanefa rehefa miezaka ny ahanafina ny bfahotantsika isika, na ny hampanarana ny dfiavonavonantsika sy ny hambom-pontsika poaka aty, na ny hampiasa fifehezana na fanjakazakana na fanerena amin’ny fanahin’ny zanak’olombelona, na manao ahoana na manao ahoana ampahan’ny tsy fahamarinana amin’izany, dia indro, emisintona ny lanitra; malahelo ny Fanahin’ny Tompo; ary rehefa misintona izany, dia Amena ho an’ny fisoronana na ny fahefan’izany lehilahy izany.

38 Indro, mialoha ny ahatsapany dia efa tavela ho irery izy ahanipaka ireo fanindronana, bhanenjika ireo olomasina ary hiady amin’ Andriamanitra.

39 Nianarantsika tamin’ny zavatra mampalahelo nodiavintsika fa efa atoetra sy efa saika fomban’ny olon-drehetra, raha vantany vao mahazo fahefana kely, araka ny fiheverany, ny manomboka mampihatra avy hatrany fitondrana tsy marina.

40 Noho izany dia maro no voantso fa vitsy no voafidy.

41 Tsy misy hery na fitaomana azo na tokony hotanana amin’ny alalan’ny fisoronana raha tsy amin’ny afandresen-dahatra, ny bfahari-po, ny hatsaram-panahy sy ny hamoram-po ary ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy;

42 Amin’ny halemem-panahy sy ny fahalalana madio izay mampivoatra fatratra tokoa ny fanahy, tsy misy afihatsarambelatsihy sy tsy misy bfitaka

43 aManitsy eo no ho eo amin’ny fomba henjana rehefa entanin’ny Fanahy Masina; ary rehefa izany dia maneho bfitiavana sesehena amin’ilay nitsinao, fandrao heveriny ho fahavalony ianao.

44 Mba hahafantarany fa ny fahatokianao dia mahery kokoa noho ny famatoran’ny fahafatesana.

45 Aoka ny kibonao koa ho feno fiantrana ny olon-drehetra sy ny mpianakavin’ny finoana, ary aoka handravaka tsy an-kijanona ny aeritreritrao ny bhatsaram-panahy; dia hihamahery ny fahatokian-tenanao eo anatrehan’ Andriamanitra; ary ny fotopampianaran’ny fisoronana dia hitsika ao amin’ny fanahinao toy ny dando avy any an-danitra.

46 Ny aFanahy Masina no ho namanao lalandava, ary ho tehim-piandrianan’ny fahamarinana sy ny marina ka tsy hiovaova ny tehim-piandriananao; ary ny bfanapahana dia ho fanapahana maharitra mandrakizay, ary tsy mitady fitaovam-pamoretana no hikorianany mankany aminao mandrakizay mandrakizay.