Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122


Fizarana 122

Ny tenin’ny Tompo tamin’i Joseph Smith Mpaminany fony izy voafonja tao amin’ny fonjan’i Liberty, Missouri. Ity fizarana ity dia sombiny avy tamin’ny epistily iray ho an’ny Fiangonana izay mitondra ny daty 20 martsa 1839 (jereo ny sasin-tenin’ny fizarana 121).

1–4, Hamotopototra ny momba ny anaran’i Joseph Smith ireo faran’ny tany; 5–7, Ny loza rehetra manjo azy sy ny fitsembohany dia hanome azy fahaiza-manao, ary ho soa ho azy izany; 8–9, Efa nidina tambanin’izany rehetra izany ny Zanak’Olona.

1 Hamotopototra ny momba ny aanaranao ireo faran’ny tany, ary haneso anao ireo adala, ary ho romotra aminao ny helo;

2 Raha ny madio am-po sy ny hendry ary ny ambony sy ny tsara toetra kosa hikatsaka atorohevitra sy fahefana ary fitahiana lalandava avy eo ambanin’ny tananao.

3 Ary tsy hivadika na oviana na oviana aminao noho ny tenivavolombelon’ireo mpamadika ny vahoakanao.

4 Ary na dia hitondra anao ho amin’ny fahasahiranana sy ho any ambadiky ny fefy vy sy ny rindrina aza ny fitaomany, dia homem-boninahitra ianao; ary afotoana fohy sisa dia ho mahatahotra kokoa eo anivon’ny fahavalonao noho ny bliona masiaka ny feonao, noho ny fahamarinanao; ary hijoro eo akaikinao mandrakizay mandrakizay ny Andriamanitrao.

5 Raha voantso hamakivaky fahoriana ianao; raha tandindomin-doza ianao eo anivon’ireo rahalahy sandoka; raha tandindomin-doza ianao eo anivon’ireo mpangalatra; raha tandindomin-doza ianao ety an-tany na eny an-dranomasina;

6 Raha iampangana anao avokoa ireo karazana fiampangana sandoka rehetra; raha manafika anao ny fahavalonao; raha esoriny hiala amin’ny fiarahanao amin’ny rainao sy ny reninao ary ireo rahalahinao sy anabavinao ianao; ary raha amin’ny sabatra voatsoaka no anendahan’ny fahavalonao anao hiala avy eo an-tratran’ny andefimandrinao sy ny zanakao, ary ny zanakao lahimatoa izay na vao enin-taona aza dia hifikitra amin’ny akanjonao ary hiteny hoe: Dada, dada, nahoana ianao no tsy afaka miara-mijanona aminy? Dada ô, inona no andeha hataon’ireo lehilahy ireo aminao? Ary raha hatosiny amin’ny sabatra izy amin’izay hiala aminao ary hotaritaritiny ianao ho any am-ponja, ary hihaodihaody manodidina anao toy ny aamboadia mangetaheta ran-janak’ondry ireo fahavalonao;

7 Ary raha hatsipy any an-davaka ianao na eo an-tanan’ireo mpamono olona, ary handalo aminao ny fanamelohana ho faty; raha hatsipy any amin’ny alalina ianao; raha mikomy aminao ny alon-drano misamboaravoara; raha manjary fahavalonao ny rivotra mahery; raha manangona haizina ny lanitra, ary miray tsikombakomba ny singa rehetra mba hamefy ny lalana; ary ambonin’izany rehetra izany, raha ireo valanoranon’ny bhelo no hampitanatana ny vavany mba hitelina anao, dia fantaro anaka, fa ireo zavatra rehetra ireo dia hanome anao dtraikefa ary ho soa ho anao izany.

8 Efa anidina tambanin’izany rehetra izany ny bZanak’Olona. Moa va ianao lehibe kokoa noho Izy?

9 Koa hazòny ny lalanao dia ahitoetra eo aminao ny fisoronana; fa efa voatendry ny bfetran’izy ireo ka tsy afa-mihoatra izy. Fantatra ny dandronao ary tsy hahena ny taonanao, koa aza ematahotra izay mety hataon’ny olona, fa homba anao mandrakizay mandrakizay Andriamanitra.