Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123


Fizarana 123

Ny andraikitr’ireo Olomasina amin’ny mpanenjika azy ireo, araka ny nosoratan’i Joseph Smith Mpaminany fony izy voafonja tao amin’ny fonjan’i Liberty, Missouri. Ity fizarana ity dia sombiny avy tamin’ny epistily iray ho an’ny Fiangonana izay mitondra ny daty 20 martsa 1839 (jereo ny sasin-tenin’ny fizarana 121).

1–6, Tokony hanangona ary hamoaka ho boky ny fitantarana ny fijaliana sy ny fanenjehana azy ireo ny Olomasina; 7–10, Ilay fanahy iray ihany izay nanorina finoana sandoka no nitarika koa ny fanenjahana ireo Olomasina; 11–17, Olona maro amin’ireo antokom-pivavahana rehetra no mbola handray ny fahamarinana.

1 Ary ankoatra izany, dia tianay atolotra mba hodinihinareo ny mahamety amin’ny olomasina rehetra ny manangona ny filazalazana momba ireo fihetsika sy fampijaliana ary fanararaotana rehetra nampiharin’ny vahoakan’ity Faritanin’ity taminy;

2 Ary koa momba ny fananana rehetra sy ny hamaroan’ny fahavoazana izay efa nozakainy, na ny fanalam-baraka izany, na ny voina isam-batan’olona, ary koa ny fananan-tany;

3 Ary koa ny anaran’ny olon-drehetra izay efa nandray anjara tamin’ny fanenjehana azy ireo, araka izay ahazoana izany sy mitady izany.

4 Ary angamba ho azo tendrena ny komity iray mba hitady ireo zavatra ireo ary hanangona filazana sy teny ombam-pianianana; ary koa hanangona ireo lahatsoratra manombotomboka izay miely patrana;

5 Ary izay rehetra ao amin’ny gazetiboky sy ao amin’ireo firaketam-pahalalana ary ireo tantara manombotomboka rehetra izay efa vita printy sy voasoratra, ary koa izay manoratra izany ka hampahafantatra ny fifandraisan’ireo asan-devoly mamohehatra mahatsiravina sy ireo fanerena mamono izay efa nampiharina tamin’ity vahoaka ity—

6 Mba hahazoantsika tsy mamoaka izany fotsiny ho an’ny eran’izao tontolo izao fa mampahafantatra izany amin’ireo filohan’ny governemanta amin’ny lokony maizina sy mivolon’ny helo, ho toy ny ezaka farany izay andidian’ny Raintsika any an-danitra antsika mialoha ny hahafahantsika mitaky feno sy tanteraka ilay fampanantenana izay hiantso Azy hivoaka avy ao amin’ny toerana afiafenany; ary koa mba hahazoana mamela ny firenena iray manontolo tsy ho afa-tsiny mialoha ny hahafahany mandefa ny herin’ny sandriny matanjaka.

7 Izany dia andraikitra tsy azo ihodivirana, ananantsika amin’ Andriamanitra, amin’ireo anjely izay hampijoroana antsika amintsika, ary koa amin’ny tenantsika, amin’ny andefimandrintsika sy ny zanatsika izay efa nampiondrehin’ny fahoriana, ny alahelo ary ny ahiahy, eo ambanin’ny tanana maharikorikon’ny vonoan’olona, ny jadona ary ny famoretana, tohanana sy amporisihana ary ampian’ny fitaoman’ilay fanahy izay efa namantsika mafy tokoa tao am-pon’ny zanaka ny finoan’ny razany izay efa nandova lainga, ary nameno ny tontolo tamin’ny fifanjevoana sy efa nitombo ho mahery kokoa hatrany hatrany ka lasa tena loharanon’ny fahalovana rehetra ankehitriny, ary ny atany manontolo dia mitaraina noho ny vesatry ny helony.

8 Izany dia azioga vy, izany dia famatorana mafy; izany no tena hatotanana vy sy rojo ary gadra sy parapaingon’ny helo.

9 Koa izany no andraikitra tsy azo ihodivirana izay ananantsika, tsy amin’ny andefimandrintsika sy ny zanatsika ihany, fa amin’ireo mananotena sy kamboty ray izay anovonoina ny vadiny sy ny rainy teo ambanin’ny tanana vy;

10 Izay ny asany mainty sy maizina dia ampy hampipararetra ny helo ary hampitahotra sy hampivaloarika ary hampangovitra sy hampifanintontsintona ny tanan’ny devoly mihitsy.

11 Ary izany koa dia andraikitra tsy azo ihodivirana izay ananantsika amin’ny taranaka vao misondrotra rehetra sy amin’ireo madio am-po rehetra—

12 Fa mbola misy maro eto an-tany any anivon’ireo antokom-pivavahana, vondrona ary fiangonana rehetra, no ahajambain’ny hafetsena misokon’ny olona izay ijokoany mba hamitaka, ary ny hany manakana azy ireo tsy hahita ny fahamarinana dia noho ny tsy bfahafantarany izay ahitana izany fotsiny—

13 Koa tokony hilofo sy hikely aina isika hitondra ho eo amin’ny hazavana ireo zavatra amiafin’ny haizina rehetra, araka izay ahafantarantsika azy ireny; ary ireny dia aharihary marina tokoa avy any an-danitra—

14 Ireny izany dia tokony hokarakaraina amin’ny fahazotoana lehibe tokoa.

15 Aoka tsy hisy olona hihevitra azy ireny ho toy ny zavatra madinika; fa betsaka ny zavatra izay mikasika ny olomasina sady mbola hitranga amin’ny hoavy no miankina amin’ireny zavatra ireny.

16 Fantatrareo ry rahalahy, fa amin’ny fotoan’ny tafiotra, ny sambo iray tena lehibe dia tena amahita soa lehibe tokoa amin’ilay familiana bitika izay mihazona azy amin’ny lalany arakaraka ny rivotra sy ny onja.

17 Noho izany ry rahalahy malala sy ankamamiana tokoa, aoka isika ahazoto hanao ny zava-drehetra izay tratry ny herintsika; ary rehefa izany dia enga anie ka hahajoro isika omban’ny fahatokian-tena lehibe indrindra fa hahita ny bfamonjen’ Andriamanitra ary ny fampisehoana ny sandriny.