Ny soratra masina
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124


Fizarana 124

Fanambarana nomena ho an’i Joseph Smith Mpaminany tao Nauvoo, Illinois, ny 19 janoary 1841. Noho ny fitomboan’ny fanenjehana sy ny fomba tsy ara-dalàna nataon’ireo manampahefana taminy, dia voatery nandao an’i Missouri ireo Olomasina. Ny didim-pamongorana navoakan’i Lilburn W. Boggs, governoran’i Missouri mitondra ny datin’ny 27 ôktôbra 1838, dia tsy namela safidy ho azy ireo. Efa naorin’ny Olomasina teo amin’ny toerana nisy ilay tanàna kelin’i Commerce teo aloha, Illinois, ny tanànan’i Nauvoo, raha nomena ity fanambarana ity ny taona 1841, ary teo no natsangana ny foiben-toeran’ny Fiangonana.

1–14, Nodidina i Joseph Smith hanao fanambarana marina ny amin’ny filazantsara tamin’ny filohan’i Etazonia sy ireo governora ary ireo mpitondra ny firenen-drehetra; 15–21, Tahina i Hyrum Smith, i David W. Patten, i Joseph Smith rainy ary ireo hafa anivon’ny velona sy ny maty, noho ny fahitsiany sy ny hatsaram-panahiny; 22–28, Nodidina hanangana trano fandraisam-bahiny sy tempoly iray tao Nauvoo ny Olomasina; 29–36, Tokony hatao any amin’ireo tempoly ny batisa ho an’ny maty; 37–44, Manorina tempoly mandrakariva ny vahoakan’ny Tompo ho fanatanterahana ireo ôrdônansy masina; 45–55, Afahana amin’ny didy hanorina ny tempoly ao amin’ny Fivondronan’i Jackson ny Olomasina, noho ny famoretan’ny fahavalony; 56–83, Nomena ireo toromarika ho fanorenana ny Tranon’i Nauvoo; 84–96, Hyrum Smith dia nantsoina ho patriarika sy handray ireo fanalahidy ary hitana ny toeran’i Oliver Cowdery; 97–122, Notoroana hevitra tamin’ny asany i William Law sy ireo hafa; 123–145, Notendrena ireo manampahefana Ambony sy eo an-toerana mbamin’ny andraikiny sy ny kôlejy hisy azy avy.

1 Toy izao marina tokoa no lazain’ny Tompo aminao ry Joseph Smith mpanompoko: Izaho dia tena mankasitraka ny fanatitrao sy ny fiekena izay efa nataonao; fa ho amin’izao tanjona izao no efa nananganako anao, dia ny hahazoako maneho ny fahendreko amin’ny alalan’ireo azava-malemy amin’ny tany.

2 Azo ekena eo anoloako ny fivavakao; ary ho valiny dia lazaiko aminao fa antsoina ianao izao ankehitriny izao hanao fanambarana marina ny amin’ny filazantsarako sy ny amin’ity atsatòka ity izay efa natsatoko ho vato fehizoron’i Ziona, izay holambolamboina amin’ny fikaliana izay araka ny fitoviany amin’ny lapa.

3 Izany fanambarana izany dia hatao amin’ny ampanjaka rehetra amin’ny tany, amin’ny vazan-taniny efatra, amin’ny filoha voafidy sady mendri-kaja, ary ireo governora ambony saina eo amin’ny firenena izay onenanao, ary amin’ny firenen-drehetra amin’ny tany, miely patrana any ivelany.

4 Aoka izany hosoratana amin’ny fanahin’ny ahamoram-po sy amin’ny herin’ny Fanahy Masina izay ho ao aminao amin’ny fotoana fanoratana izany;

5 Fa homena anao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny hahafantatra ny sitrapoko momba ireo mpanjaka sy manampahefana ireo, dia izay hanjo azy ireo amin’ny fotoana ho avy.

6 Fa indro, efa andeha hiantso azy ireo hampandry sofina amin’ny fahazavana sy ny voninahitr’i Ziona Aho, fa ny fotoana voatondro hanomezam-boninahitra azy dia efa tonga.

7 Koa antsoinareo amin’ny fanambarana manakoako izy ireo, amin’ny tenivavolombelonareo, tsy amin-tahotra, fa izy ireo dia tahaka ny aahitra, ary ny voninahiny rehetra dia tahaka ny voniny izay tsy ela dia mihintsana, mba hahazoana mamela azy ireo koa tsy misy fialan-tsiny—

8 Ary mba hahazoako mamaly azy ireo amin’ny andron’ny famaliana, rehefa manala ny saron’ny tavako Aho ka hanome ny anjaran’ny mpampahory any anivon’ny mpihatsaravelatsihy izay misy afikitroha-nify, raha tsipahiny ireo mpanompoko sy ny tenivavolombeloko izay efa nambarako tamin’izy ireo.

9 Ary ankoatra izany, dia hamangy sy hanalefaka ny fony Aho, ny maro aminy, ho tombontsoanareo, mba hahazoanareo mahita fitia eo imasony ka hahatongavany amin’ny afahazavan’ny fahamarinana, ary ny Jentilisa amin’ny fanandratana na fampakarana an’i Ziona.

10 Fa avy faingana tokoa ny andron’ny famaliako, amin’ny aora izay tsy ampoizinareo; ary aiza ny ho filaminan-tsain’ny vahoakako sy ny fialofana ho an’ireo izay ho tavela aminy?

11 Mifohaza ry mpanjakan’ny tany ô! Avia ianareo, ô avia ianareo miaraka amin’ny volamenanareo sy ny volafotsinareo, hanampy ny vahoakako, ho ao an-tranon’ny zanakavavin’i Ziona.

12 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminao marina tokoa, aoka i Robert B. Thompson mpanompoko hanampy anao hanoratra izany fanambarana izany, fa Izaho dia tena mankasitraka azy ka tokony hiaraka aminao izy;

13 Koa aoka izy hihaino ny torohevitrao, dia hitahy azy amin’ny hamaroan’ireo fitahiana Aho; aoka izy ho mahatoky sy ho marina amin’ny zava-drehetra hatrizao, dia ho lehibe eo imasoko izy;

14 Nefa aoka hotsaroany fa ny afitantanan-draharahany dia hotakiako eo an-tanany.

15 Ary ankoatra izany dia lazaiko aminao marina tokoa fa hotahina i aHyrum Smith mpanompoko; fa Izaho Tompo dia tia azy noho ny bfahitsian’ny fony, ary satria tia izay marina eo anoloako izy, hoy ny Tompo.

16 Ankoatra izany, dia aoka i John C. Bennett mpanompoko hanampy anao amin’ny asanao amin’ny fandefasana ny teniko any amin’ireo mpanjaka sy mponin’ny tany ary hijoro eo anilanao amin’ny oram-pahoriana, dia ianao ry Joseph Smith mpanompoko; ary tsy ho diso ny valisoany izy raha mandray atorohevitra.

17 Ary noho ny fitiavany dia ho lehibe izy, fa ho Ahy izy raha manao izany, hoy ny Tompo. Efa hitako ny asa izay nataony, izay ekeko raha tohiziny, ka hosatrohako amin’ireo fitahiana sy voninahi-dehibe izy.

18 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminao fa ny sitrapoko dia ny hanohizan’i Lyman Wight mpanompoko ny fitoriana ho an’i Ziona, amin’ny fanahin’ny hamoram-po, ny hiaikeny Ahy eo anoloan’izao tontolo izao; ary Izaho hitondra azy toy ny amin’ny elatry ny avoromahery; ary hahatonga voninahitra sy laza ho an’ny tenany sy ho an’ny anarako izy.

19 Mba hahazoako mandray azy ho ao Amiko rehefa vitany ny asany, dia toy ny nataoko tamin’i aDavid Patten mpanompoko izay miaraka Amiko amin’izao fotoana izao, ary koa i bEdward Partridge mpanompoko, ary koa ny zokiolona dJoseph Smith rainy mpanompoko izay emiara-mipetraka amin’i Abrahama eo an-tanany ankavanany, ary tahina sy masina izy, fa Ahy izy.

20 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminao marina tokoa fa tsy misy afitaka amin’i George Miller mpanompoko; azo itokiana izy noho ny fahitsian’ny fony; ary noho ny fitiavana izay ananany amin’ny tenivavolombeloko, Izaho Tompo dia tia azy.

21 Koa lazaiko aminao, feheziko eo ambony lohany ny anjara fanompoan’ny aepiskopà, tahaka ny tamin’i Edward Partridge mpanompoko, mba hahazoany mandray ny fanokanana fananana ho an’ny tranoko, mba hahazoany manolotra ireo fitahiana eo ambony lohan’ny mahantra amin’ny vahoakako, hoy ny Tompo. Aoka tsy hisy olona hanamavo an’i George mpanompoko, fa hanome voninahitra Ahy izy.

22 Aoka i George mpanompoko sy i Lyman mpanompoko, ary i John Snider mpanompoko sy ireo hafa, hanorina atrano ho an’ny anarako toy ilay iray izay hasehon’i Joseph mpanompoko azy ireo, eo amin’ny toerana izay hasehony azy ireo koa.

23 Ary izany dia ho tranom-bahiny, trano izay ho azon’ny vahiny avy lavitra ivantanana; koa aoka izany ho trano tsara, ho mendrika ny fankasitrahana rehetra, ka hahazoan’ny ampivahiny trotraka mahita fahasalamana sy filaminana raha mbola mandinika ny tenin’ny Tompo izy; ary koa ny bvato fehizoro efa notendreko ho an’i Ziona.

24 Izany trano izany dia ho fonenana mahasalama raha aorina amin’ny anarako, ary raha tsy mamela ny fahalovana hahavoa azy ny mpitantana izay hotendrena ho amin’izany. Ho masina izany fa raha tsy izany dia tsy hitoetra ao ny Tompo Andriamanitrareo.

25 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa, aoka ny olomasiko rehetra ho tonga avy lavitra.

26 Ary irahonareo ireo iraka mailaka, eny, iraka voafidy ary lazao amin’izy ireo hoe: Avia ianareo, miaraka amin’ny volamenanareo rehetra sy ny volafotsinareo, ary ny vatosoanareo sy ny rakitry ny ela rehetra anareo; ary miaraka amin’ireo rehetra izay manana fahalalana momba ny rakitry ny ela, izay hanatona, dia aoka izy hanatona ary mitondra ny bôksô sy ny hazo kipreso ary ny hazo kesika mbamin’ny hazo sarobidy rehetra eto an-tany;

27 Ary miaraka amin’ny vy, miaraka amin’ny varahinamena, ary miaraka amin’ny varahina sy miaraka amin’ny fanitso ary miaraka amin’ny zava-tsarobidy rehetra anareo amin’ny tany; ary manorena atrano ho an’ny anarako mba bhitoeran’ny Avo Indrindra.

28 Fa tsy misy toerana eto an-tany izay mety hahatongavany sy ahamerenany indray izay efa very ho anareo, na izay efa nesoriny hiala, dia ny fahafenoan’ny fisoronana.

29 Fa tsy misy abatistera eto an-tany mba hahazoana bmanao batisa ireo olomasiko ho an’ireo izay efa maty—

30 Fa izany ôrdônansy izany dia an’ny tranoko, ary tsy azo ekena Amiko raha tsy amin’ny andron’ny fahantranareo izay tsy ahafahanareo manorina trano ho Ahy.

31 Nefa didiako, ianareo olomasiko rehetra, ahanorina trano ho Ahy; ary omeko anareo ny fotoana ampy hanorenanareo trano ho Ahy; ary mandritra izany fotoana izany dia ho azo ekena Amiko ny batisanareo.

32 Nefa indro, amin’ny fiafaran’izany fotoana izany, dia tsy ho azo ekena Amiko ny batisanareo ho an’ny maty eo aminareo; ary raha tsy manao izany zavatra izany ianareo amin’ny fiafaran’ny fifamotoana, dia holavina miaraka amin’ny maty eo aminareo ny maha-fiangonana anareo, hoy ny Tompo Andriamanitrareo.

33 Fa lazaiko aminareo marina tokoa, fa aorian’ny anananareo fotoana ampy hanorenana trano ho Ahy, izay toerana hanatanterahana ny ôrdônansy ho fanaovana batisa ny maty, fa ho amin’izany no nanorenana azy, hatry ny talohan’ny nanorenana izao tontolo izao, dia tsy ho azo ekena Amiko ny batisanareo ho an’ireo maty eo aminareo;

34 Fa ao no anokanana ireo afanalahidin’ny fisoronana masina mba hahazoanareo mandray laza sy voninahitra.

35 Ary aorian’izany fotoana izany, ny batisanareo ho an’ny maty, ataon’ireo izay miely patrana any ivelany, dia tsy azo ekena Amiko, hoy ny Tompo.

36 Satria efa notapahina fa ao i Ziona sy any amin’ireo tsatòkany ary any Jerosalema, ireo toerana izay efa notendreko ho afialofana, ireo no ho toerana ho an’ny batisanareo ho an’ny maty eo aminareo.

37 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa, ahoana moa no ho azo ekena Amiko ny afisasanareo raha tsy ataonareo ao amin’ny trano izay efa naorinareo ho an’ny anarako izany?

38 Satria izany no antony nandidiako an’i Mosesy, hanorenany ataberinakely mba hitondran’izy ireo izany miaraka amin’izy ireo any an-tany foana, ary hanorina btrano any amin’ny tany nampanantenaina mba hahafahana manambara ireo ôrdônansy ireo izay efa nafenina hatry ny talohan’ny nisian’izao tontolo izao.

39 Koa lazaiko aminareo marina tokoa, fa ny afanosoranareo sy ny fisasanareo ary ny bbatisanareo ho an’ny maty sy ny dfivoriana masinareo ary ny efanati-pahatsiarovanareo ataon’ny zanakalahin’i Levy, ary ny fanambaranareo ao amin’ny ftoeranareo masina indrindra izay andraisanareo ireo tafasiry, sy fitsipikareo ary didim-pitsaranareo ho fiandohan’ny fanambarana sy ny fototr’i Ziona, ary ho voninahitra sy haja ary fanafiana masina ny mpiray monina aminy rehetra, dia manan-kery amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny tranoko masina izay andidiana mandrakariva ny oloko mba haorina ho an’ny anarako masina.

40 Ary lazaiko aminareo marina tokoa, aoka izany trano izany haorina ho an’ny anarako, mba hahazoako manambara ireo ôrdônansiko amin’ny oloko;

41 Fa sitrako ny ahanambara amin’ny fiangonako ireo zavatra izay efa bnafenina hatry ny talohan’ny nanorenana izao tontolo izao, zavatra izay mikasika ny fitantanan’ny dfotoam-pahafenoana.

42 Ary ahasehoko an’i Joseph mpanompoko ny zava-drehetra mikasika izany trano izany sy ny fisoronany ary ny toerana izay hanorenana izany.

43 Ary ianareo dia hanorina izany eo amin’ny toerana izay efa noheverinareo hanorenana izany, fa izany no sombin-tany izay efa nofinidiko ho anareo hanorenana izany.

44 Raha miasa amin’ny herinareo rehetra ianareo, dia hanokana io sombin-tany io Aho ka ho amasina izany.

45 Ary raha mihaino ny feoko ny vahoakako, ary mihaino ny feon’ireo ampanompoko izay efa notendreko hitarika ny vahoakako, dia indro, lazaiko aminareo marina tokoa, tsy hoesorina hiala amin’ny toerany izy.

46 Fa raha tsy mety mihaino ny feoko izy, na ny feon’ireo lehilahy izay efa notendreko, dia tsy hotahina izy satria mandoto ny taniko masina sy ireo ôrdônansiko masina ary foto-dalàko sy teniko masina izay omeko azy.

47 Ary izao no zavatra hitranga, fa raha manorina trano ho an’ny anarako ianareo ary tsy manao ireo zavatra izay lazaiko, dia tsy hotanako ny afianianako izay ataoko aminareo sady tsy hotanterahiko ireo fampanantenana izay andrasanareo eo an-tanako, hoy ny Tompo.

48 Fa ho asolon’ireo fitahiana, ianareo, noho ny asanareo, dia mitondra ozona, fisafoahana, fahavinirana ary famaliana eo amin’ny lohanareo, noho ny hadalanareo ary noho ny fahavetavetanareo rehetra izay ataonareo eo anoloako, hoy ny Tompo.

49 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, fa rehefa omeko didy ireo zanak’olombelona hanao asa ho an’ny anarako, ary mandeha amin’ny heriny rehetra sy miaraka amin’izay ananany rehetra ireo zanak’olombelona ireo hanatontosa izany asa izany, ary tsy mitsahatra ny afahazotoany, ary manafika azy ireo ny fahavalony ka misakana azy ireo tsy hahatontosa izany asa izany, dia indro, mety Amiko ny tsy bmitaky intsony izany asa izany eo an-tanan’ireo zanak’olombelona ireo, fa ny manaiky kosa ny fanatiny.

50 Ary ny heloka sy ny fandikana ireo lalàko sy ny didiko masina dia ahovaliako eo ambonin’ny lohan’ireo izay nisakana ny asako, hatrany amin’ny zafiafy sy ny bzafindohalika raha mbola tsy dmibebaka izy ireo ary mankahala Ahy, hoy ny Tompo Andriamanitra.

51 Koa noho izany antony izany no efa nanekeko ny fanatitr’ireo izay nodidiako hanorina tanàna sy atrano ho an’ny anarako, ao amin’ny fivondronan’i bJackson, Missouri, ary nosakanan’ny fahavalony, hoy ny Tompo Andriamanitrareo.

52 Ary hovaliako afamaizana, fisafoahana ary fahavinirana, fitomaniana ary fitebitebena sy fikitroha-nify eo ambonin’ny lohany izany, hatrany amin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, raha mbola tsy mibebaka izy ireo ary mankahala Ahy, hoy ny Tompo Andriamanitrareo.

53 Ary izany dia ataoko ho fianarana ho anareo, ho fiononanareo momba ireo rehetra izay efa nodidina hanao asa ary efa nosakanan’ny tanan’ireo fahavalony sy ny famoretana, hoy ny Tompo Andriamanitrareo.

54 Fa Izaho no Tompo Andriamanitrareo ary hovonjeko ireo rehetra amin’ny rahalahinareo izay efa anadio am-po sy efa bnovonoina teo amin’ny tanin’i Missouri, hoy ny Tompo.

55 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa, didiako indray ianareo hanorina atrano ho an’ny anarako, dia eto amin’ity toerana ity, mba hahazoanareo bmanaporofo Amiko fa mahatoky amin’ny zava-drehetra ianareo, na inona na inona andidiako anareo, mba hahazoako mitahy anareo sy mampisatroka anareo amin’ny haja, ny tsy fahafatesana ary ny fiainana mandrakizay.

56 Ary ankehitriny dia lazaiko aminareo, mikasika ny atranom-bahiny izay efa nandidiako anareo haorina ho famantanan’ireo vahiny, dia aoka izany haorina ho an’ny anarako, ary aoka izany hitondra ny anarako, ary aoka i Joseph mpanompoko mbamin’ny ankohonany hanana toerana ao, hatrany amin’ny taranaka fara aman-dimby.

57 Fa izany hosotra izany no efa nataoko teo ambonin’ny lohany dia ny hanaovana koa izany fitahiana azy izany eo ambonin’ny lohan’ny taranany mandimby azy.

58 Ary toy izay nolazaiko tamin’i aAbrahama momba ireo fokom-pirenena eto an-tany dia toy izany koa no ilazako amin’i Joseph mpanompoko: Ao aminao sy ny btaranakao no hitahiana ny foko eto an-tany.

59 Koa aoka i Joseph mpanompoko sy ny taranany mandimby azy hanana toerana ao amin’izany trano izany, hatrany amin’ny taranaka fara aman-dimby, mandrakizay, mandrakizay hoy ny Tompo.

60 Ary aoka ny anaran’izany trano izany hatao hoe Tranon’i Nauvoo; ary aoka izany ho fonenana mahafinaritra ho an’ny olona, ary ho toerana fialan-tsasatra ho an’ny mpandeha trotraka, mba hahazoany mandinika ny voninahitr’i Ziona sy ny voninahitry ny vato fehizorony;

61 Mba hahazoany mandray koa torohevitra avy amin’ireo izay efa notendreko ho toy ny avolin’ny laza sy ho toy ny bmpitily eo amin’ny mandany.

62 Indro, lazaiko aminao marina tokoa, aoka i George Miller mpanompoko sy i Lyman Wight mpanompoko sy i John Snider mpanompoko ary i Peter Haws mpanompoko hifandamin’ny ary hanendry ny iray aminy ho filohan’ny kôlejy ho amin’ny fanorenana izany trano izany.

63 Ary izy ireo dia hanao lalam-panorenana izay hahazoana mandray ireo petrabola ho fanorenana izany trano izany.

64 Ary tsy handray petrabola latsaka ny dimampolo dôlara avy amin’olona ho petrabola ao amin’izany trano izany izy ireo sady tsy havela handray dimy arivo sy iray alira dôlara avy amin’ny olona ho petrabola ao amin’izany trano izany.

65 Saingy tsy homen-dalana izy ireo handray mihoatra ny dimy arivo sy iray alina dôlara ho petrabola avy amin’olona iray.

66 Ary tsy homen-dalana izy ireo handray petrabola latsaka ny dimampolo dôlara avy amin’olona iray ao amin’izany trano izany.

67 Ary tsy homen-dalana izy ireo handray olona ho mpametrabola ao amin’izany trano izany, raha tsy aloany eo an-tanan’izy ireo ny petrabolany amin’ny fotoana handraisany petrabola;

68 Ary arakaraka ny sandan’ny petrabola aloany eo an-tanan’izy ireo no handraisany petrabola ao amin’izany trano izany; saingy raha tsy mandoa na inona na inona izy eo an-tanan’izy ireo dia tsy handray petrabola ao amin’izany trano izany.

69 Ary raha misy olona mandoa petrabola eo an-tanan’izy ireo, dia ho petrabola ao amin’izany trano izany, ho an’ny tenany sy ho an’ny taranany mandimby azy izany, hatrany amin’ny taranany fara aman-dimby, raha mbola mitana io petrabola io izy sy ny mpandova azy ka tsy mivarotra na mamindra izany hiala eo an-tanany, araka ny safidiny malalaka sy ny ataony, raha tianareo ny hanao ny sitrapoko, hoy ny Tompo Andriamanitrareo.

70 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa, raha mandray petrabola eo an-tanany i George Miller mpanompoko sy i Lyman Wight mpanompoko sy i John Snider mpanompoko ary i Peter Haws mpanompoko, na tolo-botsotra izany na naloa tamin’ny fananana izay andraisan’izy ireo ny tena sandan’ny vola, dia tsy hanokana izay mety ho ampahany amin’izany ho an’ny tanjona hafa afa-tsy ho an’izany trano izany izy ireo.

71 Ary raha manokana ampahany amin’izany petrabola izany ho an’ny zavatra hafa afa-tsy ho an’izany trano izany izy ireo sady tsy nahazo lalana tamin’ny mpametrabola, ka tsy manonitra avo efatra heny ny petrabola izay natokan’izy ireo ho an’ny zavatra hafa afa-tsy ho an’izany trano izany, dia ho voaozona izy ireo ary hoesorina amin’ny toerany, hoy ny Tompo Andriamanitra; fa Izaho Tompo dia Andriamanitra ary tsy azo avazivaziana amin’ireny zavatra ireny.

72 Lazaiko aminareo marina tokoa, aoka i Joseph mpanompoko handoa petrabola eo an-tanan’izy ireo ho fanorenana izany trano izany, araka izay hitany fa tsara; saingy i Joseph mpanompoko dia tsy afaka mandoa petrabola mihoatra ny dimy arivo sy iray alina dôlara na latsaka ny dimampolo dôlara ao amin’izany trano izany; sady tsy misy olon-kafa afaka manao izany ihany koa, hoy ny Tompo.

73 Ary misy ireo hafa koa izay maniry ny hahafantatra ny sitrapoko momba azy ireo, satria nangataka izany tamin’ny tanako izy ireo.

74 Koa lazaiko aminareo ny momba an’i Vinson Knight mpanompoko, raha ta hanao ny sitrapoko izy, dia aoka izy hametraka petrabola ao amin’izany trano izany, ho an’ny tenany sy ho an’ny taranany mandimby azy, hatrany amin’ny taranaka fara aman-dimby.

75 Ary aoka izy hanandratra maharitra sy mafy ny feony eo anivon’ny vahoaka mba ahiaro ny tombontsoan’ny mahantra sy ny sahirana; ary aoka izy tsy hanao tsirambina, ary aoka tsy ho reraka ny fony; dia bhoekeko ny fanatiny, fa izany Amiko dia tsy ho tahaka ny fanatitr’i Kaina, fa ho Ahy izy, hoy ny Tompo.

76 Aoka hiravoravo ny fianakaviany ka hitodika hiala amin’ny fahoriana ny fon’izy ireo; fa Izaho efa nifidy azy sy nanosotra azy, ary homem-boninahitra izy eo anivon’ny ankohonany, fa havelako avokoa ny fahotany, hoy ny Tompo. Amena.

77 Lazaiko aminareo marina tokoa, aoka i Hyrum mpanompoko hametraka petrabola ao amin’izany trano izany araka izay hita fa tsara, ho an’ny tenany sy ny taranany mandimby azy hatrany amin’ny taranaka fara aman-dimby.

78 Aoka i Isaac Galland mpanompoko hametraka petrabola ao amin’izany trano izany; fa Izaho Tompo dia tia azy noho ny asa efa vitany ary hamela ny fahotany rehetra; koa aoka hotsaroana ny anjarany ao amin’izany trano izany, hatrany amin’ny taranaka fara aman-dimby.

79 Aoka i Isaac Galland mpanompoko hotendrena eo anivonareo ary hatokan’i William Marks mpanompoko ary hotsofiny rano mba hiara-mandeha amin’i Hyrum mpanompoko, hanatontosa ny asa izay hotondroin’i Joseph mpanompoko ho azy ireo, dia hotahina fatratra tokoa izy ireo.

80 Aoka i Williams Marks mpanompoko handoa petrabola ao amin’izany trano izany, araka izay hitany fa tsara, ho an’ny tenany sy ny taranany, hatrany amin’ny taranaka fara aman-dimby.

81 Aoka i Henry G. Sherwood mpanompoko handoa petrabola ao amin’izany trano izany, araka izay hitany fa tsara ho an’ny tenany sy ny taranany mandimby azy, hatrany amin’ny taranaka fara aman-dimby.

82 Aoka i William Law mpanompoko handoa petrabola ao amin’izany trano izany, ho an’ny tenany sy ny taranany mandimby azy, hatrany amin’ny taranaka fara aman-dimby.

83 Raha ta hanao ny sitrapoko izy, dia aoka izy tsy hitondra ny fianakaviany ho any amin’ny tany atsinanana, na dia hatrany Kirtland aza; kanefa Izaho Tompo dia hanangana an’i Kirtland, saingy Izaho Tompo dia manana antambo voaomana ho an’ny mponiny.

84 Ary momba an’i Almon Babbitt mpanompoko, dia misy zavatra maro izay tsy ankasitrahako; indro, mikendry ny hampanjaka ny toroheviny izy toy izay ny torohevitra izay efa nomeko, dia ny an’ny Fiadidian’ny Fiangonako; ary manangana aombilahikely volamena izy hivavahan’ny oloko.

85 Aoka tsy ahiala amin’ity toerana ity ny olona izay efa tonga eto sady niezaka nitandrina ny didiko.

86 Raha velona eto izy, dia aoka izy ho velona ho Ahy; ary raha maty izy, dia aoka izy ho faty ho Ahy; fa ahiala sasatra amin’ny asany rehetra eto izy ary hanohy ny asany.

87 Ka aoka i William mpanompoko hametraka ny fahatokiany Amiko ary hampitsahatra ny tahotra momba ny fianakaviany noho ny aretin’ny tany. Raha atia Ahy ianareo dia tandremo ireo didiko; ary ny aretin’ny tany dia bhiova ho voninahitrareo.

88 Ka aoka i William mpanompoko handeha sy hitory ny filazantsarako maharitra mandrakizay amin’ny feo mahery sy amin’ny fifaliana lehibe, araka izay hanentanan’ny aFanahiko azy, amin’ireo mponin’i Warsaw, ary koa amin’ireo mponin’i Carthage, ary koa amin’ireo mponin’i Burlington, ary koa amin’ireo mponin’i Madison, ka hiandry amin’ny faharetana sy ny zotom-po ireo toromarika hafa amin’ny fihaonambe, hoy ny Tompo.

89 Raha ta hanao ny sitrapoko izy, dia aoka izy hihaino an’i Joseph mpanompoko hatrizao ary hanohana amin’ny fananany ny atombontsoan’ny mahantra sy hamoaka bny dikanteny vaovaon’ny teniko masina ho an’ny mponin’ny tany.

90 Ary raha manao izany izy, dia ahitahy azy amin’ny hamaroan’ny fitahiana Aho ka tsy hafoy izy sady tsy ho hita bhangata-kanina ny taranany.

91 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa, aoka i William mpanompoko hotendrena, hatokana ary hohosorana ho mpanolotsain’i Joseph mpanompoko eo amin’ny toeran’i Hyrum mpanompoko, mba hahazoan’i Hyrum mpanompoko mandray ny anjara fanompoan’ny aPatriarika ao amin’ny Fisoronana izay notendren’ny rainy ho azy tamin’ny alalan’ny fitahiana ary koa tamin’ny alalan’ny zo;

92 Mba hohazoniny eo ambonin’ny lohan’ny vahoakako rehetra hatrizao ireo fanalahidin’ny atsodranon’ny patriarika,

93 Ka na zovy na zovy no tsofiny rano dia ho voatahy, ary na zovy na zovy no aozoniny dia ho voaozona; fa na inona na inona bhofeheziny ety an-tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona hovahany ety an-tany dia hovahana any an-danitra.

94 Ary hatramin’izao fotoana izao Aho dia manendry azy ho mpaminany sy ho ampahita ary ho mpanambara amin’ny fiangonako, tahaka an’i Joseph mpanompoko;

95 Mba hahazoany miasa ao amin’ny firaisan-kina amin’i Joseph mpanompoko; ary izy dia handray torohevitra avy amin’i Joseph mpanompoko, izay hampiseho aminy ireo afanalahidy izay hahazoany mangataka sy mandray, ka ho azo satrohina amin’ny fitahiana iray ihany sy ny voninahitra, ary ny laza sy ny fisoronana, ary ireo fanomezam-pahasoavan’ny fisoronana izay nomena fahiny an’i bOliver Cowdery mpanompoko;

96 Mba hahazoan’i Hyrum mpanompoko mijoro ho vavolomben’ireo zavatra hasehoko azy, mba hihazonana ny anarany ao amin’ny fahatsiarovana be voninahitra hatrany amin’ny taranaka fara aman-dimby, mandrakizay mandrakizay.

97 Aoka William Law mpanompoko handray koa ireo fanalahidy izay hahazoany mangataka sy mandray; aoka izy ahanetry tena eo anoloako ary tsy hisy bfitaka, dia handray amin’ny Fanahiko izy, dia ny dMpampionona izay haneho aminy ny fahamarinan’ny zava-drehetra ary hanome azy amin’izany ora izany indrindra izay holazainy.

98 Ary izao afamantarana izao no hanaraka azy—bhanasitrana ny marary izy, handroaka devoly ary ho afaka amin’ireo izay ta hanome azy poizina mahafaty;

99 Ary izy dia hotarihina amin’ny lalana izay tsy ahafahan’ny bibilava misy apoizina manaikitra ny ombalahintongony, ary hiakatra ambony toy ny eo ambonin’ny elatry ny voromahery ny bfisaintsainan’ny fony.

100 Ary raha sitrako aza ny hananganany ny maty, dia aoka izy tsy hihazona ny feony.

101 Koa aoka i William mpanompoko hiantso mafy ary tsy hitsitsy mihitsy, miaraka amin’ny fifaliana sy ny firavoravoana, ary miaraka amin’ny hôsanà ho an’ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana mandrakizay mandrakizay, hoy ny Tompo Andriamanitrareo.

102 Indro, lazaiko aminareo, Izaho dia manana asa anirahana efa vonona ho an’i William mpanompoko sy i Hyrum mpanompoko, ary ho azy ireo irery; ary aoka i Joseph mpanompoko hijanona ao an-tranony, satria ilaina izy. Ny sisa dia hasehoko aminareo rahatrizay. Izany tokoa. Amena.

103 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa, raha ta hanompo Ahy ary ho mpanolotsaina ho an’i Joseph mpanompoko i aSidney mpanompoko, dia aoka izy hitsangana sy handroso ary hanefa ny anjara fanompoana amin’ny antso ananany ka hanetry tena eo anoloako.

104 Ary raha manatitra fanatitra ankasitrahana ho Ahy sy ny fiaikena izy, ary miara-mitoetra amin’ny vahoakako, dia indro, Izaho Tompo Andriamanitrareo no hanasitrana azy ka ho sitrana izy; ary hanandratra ny feony indray eny an-tendrombohitra izy ary ho ampitondrateny eo anoloan’ny tavako.

105 Aoka izy ho avy ary hamindra ny ankohonany hankeo amin’ny toerana izay onenan’i Joseph mpanompoko.

106 Ary amin’ny diany rehetra dia aoka izy hanandratra ny feony tahaka ny fanenon’ny trompetra ary hampitandrina ny mponin’ny tany handositra ny fisafoahana ho avy.

107 Aoka izy hanampy an’i Joseph mpanompoko, ary aoka koa i William Law mpanompoko hanampy an’i Joseph mpanompoko, amin’ny fanaovana afilazana marina ho an’ireo mpanjakan’ny tany, dia tahaka izay efa nolazaiko taminareo teo aloha.

108 Raha ta hanao ny sitrapoko i Sidney mpanompoko, dia aoka izy tsy hamindra ny ankohonany ho any amin’ny atany atsinanana, fa aoka izy hanova ny fonenany, toy izay efa nolazaiko.

109 Indro, tsy sitrapoko ny hikatsahany hahita filaminana sy fialofana any ivelan’ny tanàna izay efa notendreko ho anareo, dia ny tanànan’i aNauvoo.

110 Lazaiko aminareo marina tokoa, na dia ankehitriny aza, raha te hihaino ny feoko izy, dia ho soa ho azy izany. Izany tokoa. Amena.

111 Ary ankoatra izany dia lazaiko aminareo marina tokoa, aoka i Amos Davies mpanompoko handoa petrabola eo an-tanan’ireo izay efa notendreko hanangana ny trano fivahinianana, dia ny Tranon’i Nauvoo izany.

112 Izany no aoka hataony raha ta hanana anjara izy; ary aoka izy hihaino ny torohevitr’i Joseph mpanompoko ary hampiasa ny tanany mba hahazoany ny fahatokian’ny olona.

113 Ary rehefa hita ho nahatoky tamin’ny zava-drehetra izay nankinina hokarakarainy izy, eny, na dia zavatra vitsy aza, dia hatao ampanapaka amin’ny maro;

114 Koa aoka izy ahanetry tena mba hahazoana manandratra azy. Izany tokoa. Amena.

115 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa raha ta hankatò ny feoko i Robert D. Foster, dia aoka izy hanangana trano ho an’i Joseph mpanompoko, araka ny fifanekena izay efa nataony taminy, araka izay hamohana ombieny ombieny ny varavarana ho azy.

116 Ary aoka izy hibebaka amin’ny hadalany rehetra sy hampitafy afiantrana ny tenany; ka hampitsahatra ny fanaovan-dratsy ary hahafoy ny teniny henjana rehetra;

117 Ary koa handoa petrabola eo an-tanan’ny kôlejin’ny Tranon’i Nauvoo ho an’ny tenany sy ho an’ny taranany mandimby azy hatrany amin’ny taranaka fara aman-dimby;

118 Ary hihaino ny torohevitr’ireo mpanompoko isany, Joseph sy Hyrum, ary William Law ary ireo manampahefana izay efa nantsoiko handatsaka ny fototr’i Ziona; dia ho soa ho azy izany mandrakizay mandrakizay. Izany tokoa. Amena.

119 Ary ankoatra izany dia lazaiko aminareo marina tokoa, aoka tsy hisy olona handoa petrabola amin’ny kôlejin’ny Tranon’i Nauvoo raha tsy mino ny Bokin’i Môrmôna sy ireo fanambarana izay efa nomeko anareo izy; hoy ny Tompo Andriamanitrareo.

120 Fa izay amihoatra na latsaka izao dia avy amin’ny ratsy, ary harahina ozona fa tsy fitahiana, hoy ny Tompo Andriamanitrareo. Izany tokoa. Amena.

121 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo marina tokoa, aoka ny kôlejin’ny Tranon’i Nauvoo handray karama marina noho ireo asa rehetra izay ataony amin’ny fananganana ny Tranon’i Nauvoo; ary mikasika ny haben’ny karamany, dia aoka izany ho araka izay efa nifanarahana teo anivony.

122 Ary raha ilaina, dia aoka ny olona tsirairay izay mandoa petrabola hiantoka ny anjara karamany ho fivelomany, hoy ny Tompo; fa raha tsy izany dia ny asany no hisaina ho petrabola ho azy ao amin’izany trano izany. Izany tokoa. Amena.

123 Lazaiko aminareo marina tokoa, omeko anareo ankehitriny ireo ampitarika ao amin’ny Fisoronako mba hahazoanareo mihazona ireo bfanalahidiny, dia ny Fisoronana izay araka ny lamin’i dMelkizedeka, izay araka ny lamin’ny Zanaka Lahitokako.

124 Voalohany dia omeko anareo i Hyrum Smith ho apatriarika eo aminareo mba hihazona ny fitahian’ny bfamehezana amin’ny fiangonako, dia ny Fanahy Masin’ny dfampanantenana izay eamehezana anareo ho amin’ny andro fanavotana, mba tsy hahalavo anareo, na dia eo aza ny foran’ny fakam-panahy izay mety ho tonga aminareo.

125 Omeko anareo i Joseph mpanompoko ho loholona mpiahy ny fiangonako manontolo, ho mpandika teny, mpanambara, ampahita ary mpaminany.

126 Omeko azy ho mpanolotsaina i Sidney Rigdon mpanompoko sy i William Law mpanompoko mba hahatonga azy ireo ho kôlejy sy Fiadidiana Voalohany ka handray ireo afanambarana ho an’ny fiangonana manontolo.

127 Omeko anareo i aBrigham Young mpanompoko ho filohan’ny filankevitry ny Roambinifololahy mpitety faritra;

128 Dia ny aRoambinifololahy izay mihazona ireo fanalahidy mba hanokafana ny fahefan’ny fanjakako eo amin’ny vazan-tany efatry ny tany, ary rehefa izany, mba bhandefasana ny teniko any amin’ny olona rehetra.

129 Ireto avy izy ireo: Heber C. Kimball, Parley P. Pratt, Orson Pratt, Orson Hyde, William Smith, John Taylor, John E. Page, Wilford Woodruff, Willard Richards, George A. Smith;

130 aDavid Patten dia efa bnalaiko ho any Amiko; indro, ny fisoronany dia tsy misy olona maka izany aminy; nefa lazaiko aminareo marina tokoa, azo tendrena ho amin’io antso io ihany ny iray hafa.

131 Ary ankoatra izany dia lazaiko aminareo, omeko anareo ny afilankevitra avo ho vato fehizoron’i Ziona—

132 Dia i Samuel Bent, i Henry G. Sherwood, i George W. Harris, i Charles C. Rich, i Thomas Grover, i Newel Knight, i David Dort, i Dunbar Wilson—i Seymour Brunson dia efa nalaiko ho any Amiko; tsy misy olona maka ny fisoronany, nefa azo tendrena amin’io fisoronana io ihany, ho eo amin’ny toerany ny iray hafa; ary lazaiko aminareo marina tokoa, aoka i Aaron Johnson mponompoko hatokana amin’io antso io, ho eo amin’ny toerany—i David Fullmer, i Alpheus Cutler, i William Huntington.

133 Ary ankoatra izany, dia omeko anareo i Don C. Smith ho filohan’ny kôlejin’ny mpisorona avo;

134 Dia ôrdônansy izay ajoro mba hahaleo hahalasana ireo izay hotendrena ho filoha maharitra na mpanompo amin’ireo atsatòka samy hafa miely patrana any ivelany;

135 Ary mahazo mitety faritra koa izy ireo raha tiany, saingy voatokana kokoa ho filoha maharitra izy ireo; izany no anjara fanompoan’ny antso ananany, hoy ny Tompo Andriamanitrareo.

136 Omeko anareo i Amasa Lyman sy i Noah Packard ho mpanolotsaina mba hahazoan’izy ireo miahy ny kôlejin’ny mpisorona avo amin’ny fiangonako, hoy ny Tompo.

137 Ary ankoatra izany dia lazaiko aminareo, omeko anareo i John A. Hicks, i Samuel Williams ary i Jesse Baker, izay hiahy ny kôlejin’ny aloholona no fisoronany, kôlejy izay ajoro ho an’ireo mpanompo maharitra; mahazo mitety faritra anefa izy ireo, na dia voatokana ho mpanompo maharitra amin’ny fiangonako aza, hoy ny Tompo.

138 Ary ankoatra izany, dia omeko anareo i Joseph Young, i Josiah Butterfield, i Daniel Miles, i Henry Herriman, i Zera Pulsipher, i Levi Hancock, i James Foster, mba hiahy ny kôlejin’ny afitopololahy;

139 Dia kôlejy izay ajoro ho an’ireo loholona mpitety faritra mba ho vavolombelona manambara ny anarako eran’izao tontolo izao, na aiza na aiza hanirahan’ny filankevitra avo mpitety faritra, ny apôstôliko, azy ireo hanomana ny lalana eo anoloan’ny tavako.

140 Ny fahasamihafana eo amin’ity kôlejy ity sy ny kôlejin’ny loholona dia ny iray mitety faritra lalandava ary ny iray miahy ombieny ombieny ireo fiangonana; ny iray manana andraikitra ombieny ombieny momba ny fiahiana, ary ny iray tsy manana andraikitra momba ny fiahiana, hoy ny Tompo Andriamanitrareo.

141 Ary ankoatra izany dia lazaiko aminareo, omeko anareo i Vinson Knight, i Samuel H. Smith ary i Shadrach Roundy, raha ta handray izany izy, mba hiahy ny aepiskopà; ny fahalalana ny amin’io episkopà voalaza io dia omena ao amin’ny bokin’ny bFotopampianarana sy Fanekempihavanana.

142 Ary ankoatra izany dia lazaiko aminareo, ho mpisorona i Samuel Rolfe mbamin’ny mpanolotsainy ary ny filohan’ireo mpampianatra mbamin’ny mpanolotsainy ary koa ny filohan’ireo diakona mbamin’ny mpanolotsainy, ary koa ny filohan’ny tsatòka mbamin’ny mpanolotsainy.

143 Efa nomeko anareo ireo anjara fanompoana eo ambony sy ireo fanalahidiny ho fanampiana sy ho fitondrana ho an’ny asa fanompoana sy ny afandavorariana ny olomasiko.

144 Ary ny didy omeko anareo dia ny hamenoanareo ireo anjara fanompoana rehetra ireo sy ny ahanekenareo ireo anarana izay efa voalazako ireo, na ny handavanareo azy ireo amin’ny fihaonambeko;

145 Ary hanomananareo efitra ho an’ireo anjara fanompoana rehetra ireo ao amin’ny tranoko, rehefa manangana izany ho an’ny anarako ianareo, hoy ny Tompo Andriamanitrareo. Izany tokoa. Amena.